
Gerardo dela Peña (ankavanana) sy Melchor zananilahy ka ilay voalohany mihazona ny didy famotsorana azy any am-ponja. Sary (Photo) avy amin'i Kapatid, nahazoana alalana.
Navoaka voalohany tao amin'ny Kodao, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Filipina, ity lahatsoratr‘i Nuel M. Bacarra ity. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Noafahana tamin'ny 30 Jona 2024 avy ao amin'ny fonjan'ny National Bilibid ao an-tanànan'i Muntinlupa rehefa avy nigadra folo taona mahery ny gadra politika zokiolona indrindra ao Filipina, Gerardo dela Peña, 85 taona.
Dela Peña no lehiben'ny sampana Camarines Norte taloha tao amin'ny Samahan ng mga Ex-Detainees Laban sa Detensiyon at Aresto (SELDA), vondrona mpiaro izay mampiroborobo ny rariny ho an'ireo gadra politika taloha. Nosamborin'ny miaramila izy tamin'ny 21 Martsa 2013, ary niampanga azy tamin'ny faha-75 taonany noho ny fiampangana vono olona mampiahiahy.
Nasongadin‘ny tambajotran'ny zon'olombelona Karapatan ny fahavitrihan'i dela Peña nandritra ny didy jadon'i Marcos tamin'ny andian-taona 1970 sy ny fiandohan'andian-taona 1980:
Coming from a family of land tillers, Dela Peña was a peasant organizer in Bicol. In his younger years as an activist, he was detained and tortured by the police and military under the Marcos dictatorship in 1982. After his release, he chaired the SELDA chapter in Camarines Norte. He persisted in his activism, working with various other people’s organizations in the region, despite threats to his life and liberty.
Avy amin'ny fianakaviamben'ny mpiasa tany, mpandamina ny tantsaha ao Bicol i Dela Peña. Tamin'ny fahatanorany tamin'ny naha-mpikatroka azy, nogadraina sy nampijalian'ny polisy sy ny miaramila izy nandritra ny didy jadon'i Marcos tamin'ny taona 1982. Nitarika ny SELDA tao Camarines Norte izy taorian'ny famotsorana azy. Nikiry tamin'ny fahavitrihany izy, niara-niasa tamin'ireo fikambanam-bahoaka maro hafa tao amin'ny faritra, na dia teo aza ny fandrahonana ny ainy sy ny fahafahany.
Nanizingizina ny Kapatid, vondrona mpanohana ireo gadra politika, fa diso ny fanamelohana an'i Dela Peña ho namono ny zana-drahalahiny, satria efa niaiky ho nanao izany ny vondrona komonista mitam-piadiana, New People's Army.
Kitapo manify sy malemy no nitondrany ny fananany kely sy ny Taratasy Famoahana azy ny fonja avy amin’ny Biraon'ny Fanarenana tamin'ny 29 jona.
Niaraka tamin'ny mpitondratenin'i Kapatid Fides Lim, i Melchor, zanak'i Dela Peña, naka ny rainy tao amin'ny NBP rehefa avy nandeha 12 ora avy any amin'ny faritany niaviany.
Tao anatin'ny fanambaràna iray, hoy i Lim:
Tatay [Father] Gerry’s journey to freedom was very difficult because of systematic challenges and bureaucratic delays. Being more than 80 years old and sickly, Tatay Gerry is over qualified to avail of humanitarian basis for release.
Tena sarotra ny dian'i Tatay [Dada] Gerry ho amin'ny fahalalahana noho ny fanamby sy ny fanemoram-potoana fanaon'ny birao. 80 taona mahery sady marary i Tatay Gerry ka mihoatra lavitry ny ara-dalàna amin'ny fanafahana azy.
Nanampy i Lim fa mampanahy ny tsy nampiharan'ny Biraon'ny Famotsoran-keloka sy ny Famelàna (BPP) avy hatrany ny politikany manokana, izay manome famotsoran-keloka ho an'ireo voafonja nahatratra 70 taona ary nahavita ny saziny folo taona.
“Hita fa efa nanefa mihoatra lavitra ny fanovan-tsaziny i Tatay Gerry, nanefa 12 taona sy roa volana katroka hatramin’ny 12 Jona, ankoatra ny fanenan-tsazy azony noho ny fitondra-tenany tsara. Tsy rariny mitombo ho an'ny olona tsy manan-tsiny ny isa-minitra fanampiny ao am-ponja,” hoy i Lim.
Nampahatsiahy ny governemanta mialoha ny andraikiny amin'ny fampiharana ny Fitsipik'i Mandela — fitsipika iraisampirenena amin'ny fitondrana voafonja — izay manome indra-fo ho an'ireo voafonja marary sy be taona ihany koa ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona tamin'ny 24 May.
Efa sahirana amin'ny fandrenesana i Tatay Gerry, dia voan'ny areti-maso sy ny diabeta ary ny fiakaran'ny tosidrà. Tapaka lalan-dra koa izy, fony tany am-ponja.
IN PHOTOS: Gerardo Dela Peña and his son, Melchor Dela Peña, are welcomed by human rights groups and advocates today. Dela Peña was released last night, June 30, at 9:30 p.m, after years of campaign for his release on humanitarian grounds. pic.twitter.com/UiKdHehSrs
— Bulatlat (@bulatlat) July 1, 2024
Ao amin'ny Sary: Gerardo Dela Peña sy ny zanany lahy, Melchor Dela Peña, noraisin'ireo vondrona mpiaro sy mpisolovavan'ny zon'olombelona androany. Navotsotra omaly alina 30 jona tamin'ny 9 ora sy sasany i Dela Peña, taorian'ny taona maro nanentanana hamotsorana azy noho ny antony maha-olombelona.
Rafi-pitsarana simba
Nilaza ny Firaisambe Nasionalin'ny Mpisolovavam-bahoaka (NUPL) fa vokatry ny tsi-fetezan'ny rafi-pitsaràna ao amin'ny firenena ny fisamborana an'i Dela Peña sy ny fanamelohana ary ny fanagadrana azy ampolony taona. Nanamafy i Ephraim Cortez, filohan'ny NUPL, fa nitombina nandritra ny fotoam-pitsarana ny fisalasalana:
If there was any proof, I don’t think it was sufficient because somebody else did it and somebody else admitted doing it. It should have mattered to look for that angle. The fact that somebody else claimed having done it, it is already a reasonable doubt.
Raha misy ny porofo dia heveriko fa tsy ampy izany satria nataon'olon-kafa ilay izy ary nisy hafa niaiky ho nanao izany. Tokony ho zava-dehibe ny fitadiavana an'io zoro io. Ny hoe nisy olon-kafa nilaza fa nanao izany dia mampitobina fisalasalana.
Nandritra ny fihaonam-pankalazana ho an'i Dela Peña tamin'ny 1 Jolay, nilaza izy fa tena faly tokoa ny hody any amin'ny fianakaviany ary hiasa indray amin'ny toeram-pamboleny any Camarines Norte.
Ay, masaya syempre. Hindi na kayang sabihin ang kasayahan ko. Ang kasayahan ko ay pantay Langit na.
Faly mazava ho azy. Tsy misy teny mahalaza ny hafaliako. Haavon'ny lanitra ny hafaliako.
Nanampy izy fa manantena ny hahita an'i Pilar vadiny, hanoroka azy.
Nilaza i Dela Peña fa mankasitraka an'i Lim sy Kapatid, mpisolovava azy, ny SELDA sy ny Karapatan, ary ireo fikambanana hafa niasa tamin'ny famotsorana azy.
Nambarany ihany koa fa manantena ny fahafahan’ireo gadra politika hafa rehetra, indrindra ireo marary sy zokiolona izy.
Nilaza izao manaraka izao i Melchor, zanakalahin'i Dela Peña, :
Pakiramdam naming, may nadagdag sa buhay namin. Masaya kami dahil ‘yung pamilya namin ay nag-aabang doon. Hindi kami nag-i-expect na makalabas pa siya. Sabi naming, wala na. Buti na lang may tumulong sa amin.
Tsapanay fa nihatsara ny fiainanay. Faly izahay fa miandry ny fahatongavanay ny fianakavianay. Tsy nanantena azy ho afaka izahay. Nilavo lefona izahay. Soa ihany fa nisy ireo nanampy anay.
Nanamafy ny governemanta fa tsy tokony ho raisina ho gadra politika i Dela Peña. “Ny fanamelohana azy dia tsy noho ny heloka ara-politika mikendry ny hanohitra ny lamina ara-politika,sy ho heloka bevava mahazatra izay mety atao mba hanatrarana tanjona ara-politika,” hoy ny Departemantan'ny Fitsarana.
Saingy nanome valin-kafatra haingana tamin'ity fanambaràna ity i Kapatid:
…it is apparent that their denial is intended to obscure the reality of political prisoners and to cover up the unjust practices of a security apparatus that fabricates nonbailable cases to stigmatize activists and political targets as common criminals.
… hita fa natao hanakona ny zava-misy iainan'ireo gadra politika ny fandàvany ary hanafenana ny fomba tsy ara-drariny ataon'ny mpitandro ny filaminana izay mamorona raharaha tsy azo antoka mba hanaratsiana ireo mpikatroka sy lasibatra ara-politika ho jiolahy mahazatra.