Beryl any Jamaika, ny lokon-dranomasina

Sary noforonina tamin'ny alalan'ny Canva Pro

Ity lahatsoratra manaraka ity dia navoakan'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Emma Lewis tao amin'ny Substack. Navoaka eto ny dika nasiam-panovana rehefa nahazoana alalana.

Ny Beryl dia mineraly mangarahara mahafinaritra, indraindray maitso, indraindray manga, indraindray volamena na mavokely.

Anarana tovovavy Anglisy efa taloha be ny Beryl , taorian'ny vatosoa voalaza etsy ambony. Toa avy amin’ny teny grika hoe “beryllos” ny fiavian’io anarana io, izay midika hoe “lokon’ny ranomasina”. Tsara tarehy daholo.

Beryl ihany koa no anaran'ny tafio-drivotra faharoa tamin'ny vanim-potoanan'ny rivo-doza 2024.

Sarotra mandrakariva ny miandry rivo-doza. (Jereo ato azafady ny famariparitana tonga lafatra nataon'i Diana McCaulay namako, sy ny eritreriny momba ny fiavian'ity afobe rehetra ity.) Novesaran'ny COVID izaho sy ny vadiko (toa tratra nandritra ny dianay izahay) ary tena reraka tanteraka fa somary nanjavozavo izany fotoana izany.

Maharanga, mampisalasala sy mahafeno fanjavozavoana, ary mampitopy maso hatrany amin'ny sarintany sy izay mety ho alehan'ny tadio izay vokarin'ny National Hurricane Center any Florida hatrany ny iray na roa andro mialoha ny idonan'ny rivodoza; resahan'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ny fiomanana, ny lisitr'ireo fialofana sy ny laharana rehefa vonjy taitra  – ny praiminisitra Andrew Holness amin'ny “feon'i Dunkirk” hentitra rehefa miharihary fa hamely [mg] antsika i hatrany i Beryl – ary miady hevitra raha hivoaka amin'ny tabataban'ny fiantsenana eny amin'ny toeram-pivarotana madinika mialoha ny tafio-drivotra izay mitranga any amin'ny faritra somary manankarena ao an-tanàna na tsia. Henoko fa nisy ady mofo any, raha vao aseho eny amin'ny talantalana izany.

Nandritra ny fotoanan’i Beryl, feno fankasitrahana izahay nanana fatotra manohitra rivo-doza teo amin’ny tafon-tranonay. Nitangorona teo an-davarangana ny alika. Nihozongozona sy nifanintontsintona tao anatin’ny rivotra ny hazo teo an-tokotaninay, saingy tsy nisy rantsana very, fa rantsankazo sy raviny vitsivitsy mikorontana. Nianjera avy eny an-tampon'ny hazo ireo manga Bombay farany teo ary noraofinay tsara. Velom-pankasitrahana izahay fa tsy tapaka herinaratra sy rano, na dia niandry izany aza.

Ny tena maharary indrindra ho an'ny nosy, amin’ny ankapobeny, dia ny taorian’ny tafiotra. Niharihary hatrany fa nisy faharavana goavana nitranga tany amin’ny faritra maro. Tsy dia nisy fitarainana firy izahay mponina nilamina tao an-tanàna. Ankoatra izany, tsy ela taorian’izay, dia nisy andian’orana indray, izay vao mainka nahatondraka faritra maro ka niafara tamin’ny firodanan’ny tetezana sy ny lalana.

Sambany nibaliaka taminay ny masoandro androany. Ary ho an'ireo izay mihevitra fa mampientam-po, mahaliana ary mahavariana ny rivo-doza (nanamontsana rakitsoratra maromaro i Beryl), mamelà ahy hampahatsiahy anareo fa tsy izany no zava-misy ho an'ireo izay ao anatin'ny tafio-drivotra toy izany. Mandreraka, manorisory, matetika mampidi-doza ary mampahory izany. Mampisedra mafy ny fiaretanao izany. Tratran'ny fahaketrahana ny ny olona maro aorian'ny rivodoza.

Reraka ianao, mialoha, mandritra ary aoriana. Reraka fotsiny. Miombom-pahoriana amin'ireo izay namoy havan-tiana (vehivavy antitra iray nofaohin'ny tafio-drivotra, ary hita ny fatiny androany). Ary miara-ory amin'ireo izay tsy maintsy maka ny ampahany – ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Enga anie ho avy tsy ho ela ny fanampiana.

Mandritra izany fotoana izany, vao nanomboka ny vanim-potoanan'ny rivo-doza; Raha ny marina, ny “B” dia litera faharoa amin'ny abidy. Efa reraka izahay, ary malahelo. Mirary soa ho antsika, mandroso … mety mila izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.