Sakafo enina mampiavaka kokoa an'i Hong Kong

Sary namboarin'i Oiwan Lam

Nampiseho ny safidin'ny tanora amin'ny sakafo izay maneho indrindra ny nahandron'i Hong Kong ny fanadihadiana vao haingana nataon'ny Foibe Fianarana ny Tanora ao amin'ny Vondron-Tanora amin'ny Federasionan'i Hong Kong (HKFYG). Ireo mpandresy dia ny tarta atody (16,5 isanjato), mofo mananasy (15,2 isanjato), gauffre atody (13,5 isanjato), dite ronono (11,5 isanjato), siu mai (8,8 isanjato), ary hena baolina trondro amin'ny carry (6 isanjato). Sakafo maivana isan'andro ireo rehetra nosafidiana ireo, ary endrika kantoney eo an-toerana amin'ny nahandro Eoropeana sy Aziatika hafa.

Tarta atody

Mofo atody avy amin'ny See-ming Lee's Flickr. CC BY 2.0 

Nampidirin'ny governemantan'i Hong Kong ho lova ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana ao an-tanàna tamin'ny taona 2014 ny tarta atody amin'ny haify Hong-Kong. Maro ny olona mihevitra fa ny dim sum (laoka madinika) amin'ny tarta atody dia avy amin'ny tarta lakiremy anglisy ary nentin'ireo chef kantoney tany Hong Kong tamin'ny taona 1920. Mba hampihenana ny vidiny, soloin'ny chef eo an-toerana tavin-kisoa ny dobera anaovana mofon'ny tarta ary nosoloina atody nomasahana tamin'ny etona ny lakiremin'atody ho haingony. Vokatr'izany, manana fangaro mikarepoka ny hodi-mofo ary malefaka (mamy) kokoa ny tamenak'atody haingony. Zava-dehibe mihoatra noho izany, nanova tanteraka ny nahandro avy amin'ny sakafo maivana rendrarendra ho sakafo mahazatra ny tokantrano ireo fanovàna ireo hatramin'ny taona 1960.

Raha miresaka tarta atody ihany, maro tamin'ireo niaina nandritra ny fitondran'ny Britanika mpanjanaka talohan'ny taona 1997 no mbola mahatsiaro ny governora farany, ny fitiavan'i Chris Patten ny tarta atody tao an-tanàna.

Ny governora mpanjanaka farany an'i Hong Kong, Chris Patten, nitsidika ny fanaovana mofo tarta ankafiziny indrindra tamin'ny diany tany an-tanàna tamin'ny taona 2005. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny AP.
Buns mananasy

Mofo mananasy 

Nampidirina tao amin'ny lisitr'ireo lova ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana ihany koa ny mofo mananasy tamin'ny taona 2014. Na dia antsoina hoe mofo mananasy aza, dia mampiseho ny bika aman'endriny ihany ilay anarana, satria tsy misy mananasy akory. Aingam-panahy avy amin'ny mofomamy Meksikana nentim-paharazana fantatra amin'ny anarana hoe concha ilay mofo, izay ahitana horonana mofo dipaina mamy sy haingo mikarepoka misy lafarinina, dibera ary siramamy.

Mofo mananasy misy dibera ao anatiny. Sary avy amin'ny Flickr an'i Johnson Wang. CC BY-NC-SA 2.0.

Ny fomba fankafizana indrindra ny mofo mananasy ao Hong Kong dia ny fametrahana silaka dibera mangatsiaka matevina ao anaty mofo mafana ary mihinana azy miaraka amin'ny dite ronono eny amin'ny fivarotana dite eo an-toerana.

Satria tafiditra ao anaty fiainan'ireo mponin'i Hong Kong ao an-toerana ny mofo mananasy, dia nampiasaina hanehoana ny zava-niainana tamin'ny fahazazan'ny taranaky ny andian-taona 1970 tamin'ny sarimiaina malaza iray: McDull, Prince de la Bun (2004) izany.

Gauffre atody (Gai daan jai)

Mitovy amin'ny gauffre mahazatra ny akora amin'ny gauffre atody. Ny mampiavaka ny gauffre atody amin'ny haify Hong Kong dia ny lasitra fahandroana azy, izay manome endrika mibontsibontsina amin'ny gauffre.

Gauffre atody. Sary avy amin'ny Flickr an'i Kaba. CC: AT-NC-SA.

Nanjary nalaza tao Hong Kong ny gauffre atody taorian'ny Ady Lehibe faharoa. Misy fanazavana roa mifanipaka momba ny endrika mibontsibontsina. Ny iray dia ny endriky ny gauffre atody ôrizinaly tsy nisy na nisy atody fa kely tao anaty mofo, satria lafo vidy ny atody nandritra ny andian-taona 1950. Nampiasaina ny lasitra hamitaka ny saina amin'ireo taharo tsy misy akory. Ny fanazavana iray hafa mifanohitra amin'izany kosa dia ny filazana fa avy amin'ny atody vaky eny an-tsena ny akora amin'ny gauffre atody tany am-boalohany; natao hamerenana ny atody vaky ho amin'ny endriny aorizinaly ny lasitra.

Amin'izao fotoana izao, anisan'ny sakafo an-dalambe malaza indrindra any Hong Kong ny gauffre atody. Misy tsirony isan-karazany, toy ny dite maitso sy ny frezy izy ireo, ary noravahana gilasy.

Dite ronono endrika landy

Dite misy ronono amin'ny fomba Hong Kong. Sary avy amin'i Angeimoarm tao amin'ny Wikipedia eo ambanin'ny lisansa Attribution-Share Alike 3.0.

 Ny dite ronono amin'ny fomba Hong Kong na dite ronono endrika landy dia endrika novaina amin'ny dite anglisy sakafo maraina. Mampiasa dite mainty fifangaroan'ny Ceylon Sri Lankey sy Pu'er Shinoa izy ity, manana teknika fanivanana manokana amin'ny fampiasana kitapo voaly (izay mitovitovy amin'ny lambalandy) mba hitazonana ny dite ho matevina sy malama. Afangaro amin'ny ronono marihitra na ronono feno (ronono feno menaka) avy eo ilay dite voasivana mba hisy tsiro lakiremy ny dite.

Nosoratana ho lova ara-kolotsaina tsy azo tsapain-tanana eo ambanin'ny sehatry ny “asa tanana nentim-paharazana” tamin'ny taona 2017 ny teknika fanaovana dite ronono.

Mofo trondro Siu Mai. Sary avy amin'i DKIMAJGIM 882 tao amin'ny Wikipedia, araka ny CC: AT-SA 4.0 iraisampirenena

Siu Mai na Shumai

Ny Shumai dia nahandro Mongoliana avy any Hohhot, renivohitr'i Mongolia atitanin'i Shina ankehitriny tany am-boalohany, izay niparitaka nanerana ny tanibe nandritra ny fitondra-tarana-mpanjaka Yuan. Manasongadina kitapo manify fanaovana mofomamy feno zanak'ondry ny Shumai Mongoliana, raha feno kisoa kosa ny endrika sinoa atsimon'i Siu Mai. Manampy makamba, holatra, ary akora hafa amin'ny fonon'ny wonton ny karazany kantoney. Ny karazany malaza indrindra any Hong Kong dia ny mofo trondro Siu Mai, iray amin'ireo tsakitsaky an-dalambe malaza indrindra noho ny vidiny mora.

Hena Baolina Trondro misy carry

Sakafo an-dalambe iray hafa malaza eny ifotony ny trondro baolina misy carry. Sakafo Chaozhou izy io tany am-boalohany saingy nipoitra ho sakafo maivana malaza tany Hong Kong taorian'ny ady. Ny andiany voalohany amin'ny trondro baolina tamin'ny taona 1950 dia vita tamin'ny trondro sisa tavela tao an-tsena. Mba hanatsarana ny tsiron'ny trondro, nesorin'ireo mpivarotra ny henan-trondro ary navadika ho mofo trondro, avy eo nampiana tsiro fanampiny ary nendasina tamin'ny menaka ny trondro baolina.

Trondro Baolina. Sary avy amin'i Wing11803 tao amin'ny Wikipedia eo ambanin'ny CC: AT-SA 4.0 International.

Tatỳ aoriana, dia novokarina faobe tamin’ny orinasa ireo trondro baolina, ary nanamboatra saosy notazonin-tsiambaratelo ny taharony ireo mpivarotra sakafo an-dalambe mba hisarihana mpanjifa. Ny saosy malaza indrindra dia ny endrika carry indianina eo an-toerana, indraindray mifangaro amin'ny masikita indoneziana, ronono voanio, na sôkôla.

Satria iray amin'ireo tsakitsaky mora indrindra ao Hong Kong ny baolina trondro, lasa marika mahazatra ao an-tanàna izy ireo. Nandritra ny fetin'ny Taombaovao Manara-Bolana tamin'ny taona 2016, nisy korontana nitranga tao Mongkok ho setrin'ny famoretana ataon'ny governemanta amin'ireo mpivarotra amoron-dalana tsy nahazo alalana. Iray amin'ireo kiakan-teny filamatra indrindra ny hoe: “Te hihinana trondro baolina aho.” Nomena anaram-boninahitra ho “Revolisiona Trondro Baolina” taty aoriana ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy.

Ity ambany ity ny asan'ilay mpanao sariitatra ara-politika Badiucao momba ny raharaha Baolina trondro.

Nirehitra nandritra ny alina manontolo i Hong Kong. Niitatra tamin’ny tifitra variraraka nataon'ny mpitandro filaminana ny trondro baolina iray. Manamarika ny fisarahan'ny fiarahamonina Hong Kong ny feom-basy. Maniry fiovana ny olona, ​​ary hahatonga izany hitranga ny mpanentana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.