
Ny afisin'ireo kandidà parlemantera mihantona ao Ulaanbaatar renivohitr'i Mongolia . Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Mizotra mankany amin'ny fifidianana i Mongolia ao anatin'ny halemen'ny mpanohitra, ny raharaha kolikoly ary ny fahasosoran'ny vahoaka” avy amin'ny fantsona YouTube Al Jazeera English. Nampiasaina ara-drariny.
Nahitana ny fandresen’ny Antokom-Bahoaka Mongoliana (MPP) tamin'ny fahazoana seza miisa 68 tamin'ireo 126 tao amin'ny Grand Khoural d'État, parlemanta tokana ao Mongolia ny fifidianana solombavambahoaka tany Mongolia ny 28 Jona. Hanitatra ny fitondrany maharitra valo taona amin'ny efatra hafa ity fandresena ity.
69,4 isanjato ny taham-pahavitrihana, ary nizara tamin’ny antoko efatra ny toerana ambiny. Nahazo seza miisa 42 ny Antoko Demokratika (DP), nahazo valo ny Antoko Hun (Olombelona), ary samy nahazo seza efatra avy ny Fiaraha-mientana Nasionaly sy ny Antoko Sivily Herimpo Maitso, izay maneho ny dingana lehibe teo amin'ny politika Mongoliana. Sambany teo amin'ny tantaran'ny firenena no nahazo toerana ao amin'ny parlemanta ny antoko politika miisa dimy.
Ity ny lahatsary YouTube ahitana ny voka-pifidianana.
Am-polony taonany maro no nanjakan'ny antoko roa lehibe ny fiainana ara-politika tao Mongolia dia ny MPP sy ny DP. Ny MPP no mpandova ny Antoko Revolisionera ho an'ny vahoaka Mongoliana, naorina tamin'ny taona 1920. Nandritra ny vanim-potoana kaomônista efa ho 70 taona tany Mongolia, ny MPP no hany antoko tao amin'ny firenena.
Tamin'ny taona 1990, nizotra nankany amin'ny demokrasia sy ny toekaren’ny tsena malalaka i Mongolia, nanova ny tontolon'ny politika ary niteraka antoko politika maro, ary ny dimy tamin'izy ireo no nitambatra ary nanangana ny DP tamin'ny taona 2000. Nanomboka tamin'io tetezamita io no repoblika parlemantera i Mongolia, ary nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifidianana parlemantera amin’ny famolavolana ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka.
Fifidianana parlemantera mitotaly sivy no natao tao anatin’ny 34 taona, izay noheverin’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao fa malalaka sy ara-drariny avokoa. Ny MPP no nanjaka nandritra io vanim-potoana io tamin’ny fandreseny ny enina tamin’ireo noho ny firafitra sy ny fandaminan’ny antoko matanjaka, ny fananana mpikambana betsaka any amin'ny fototra, ary ny tanjany any amin’ny faritra ambanivohitra.
Nandresy indroa ny fiaraha-mitantana notarihin'ny DP, ary niteraka governemanta iraisana ny fifidianana tamin'ny 2004. Fironana tsikaritra sy mampanahy tamin’ireo fifidianana ireo ny fitotongan’ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Nahitana taham-pahavitrihana 69,5 isanjato ny fifidianana farany, ny ambany indrindra hatramin'ny faratampony tamin'ny taona 1990, raha tafakatra 96 isanjato izany. Nihena izany nanomboka tamin’ny taona 1990.
Anisan’ny nahatonga izao fitotonganana izao ny fanovana tsy tapaka natao tamin’ny lalàm-pifidianana izay niteraka savorovoro sy ahiahy teo amin’ny mpifidy. Nampifandimbiasin'i Mongolia ny rafi-pifidianana maro an'isa mifanila, fahamaroan'antoko (dingana tokana) sy mifangaro mirazotra tamin'ny fifidianana valo amin'ny sivy.
Nanamarika ny zava-misy ny fanovana nataon’ny antoko teo amin'ny fitondrana ny taona mialoha ny fifidianana fa natao izany mba ho tombontsoa manokana mba ho lany amin'ny fifidianana indray hany ka nanimba ny fitokisan'ny olom-pirenena tamin'ny fizotran'ny fifidianana. Ohatra mivandravandra amin’izany ny rafitra fandatsaham-bato ho an’ny kandida maro vao nolaniana ary nampiasaina tamin’ny fifidianana ny taona 2020, izay nanampy ny MPP hahazo seza miisa 61 tamin’ny 76, na dia latsaky ny antsasa-manilan’ny isam-bato aza no azony.
Tamin'ny May 2023 ny fanovana farany indrindra tamin'ny rafi-pifidianana, izay nahitana ny isan'ny parlemanta nitombo niainga tamin'ny 76 ho 126 ary ny fananganana rafi-pifidiana mifangaro mba hiantohana ny fitoviana sy ny fisoloantena.
Ity ny lahatsary YouTube ahitana ny rafi-pifidianana vaovao.
Niavaka ny vokatry ny rafitra vaovao. Nivadika ho maro an'isa tsotra ny maro an’isa mavesatry ny MPP nahazo 54 isanjaton'ny seza ary ny antoko efatra hafa kosa dia na nanamafy ny toerany na nametraka ny toerany tao amin'ny parlemanta. Ohatra, nahazo toerana miisa valo ny Antoko Hun raha oharina tamin'ny iray monja tamin'ny fifidianana 2020 teo aloha.
Vokatry ny raharaha kolikoly lehibe maro ihany koa ny fihenan'ny seza azon’ny MPP, anisan'izany ny fanondranana arintany tamin'ny taona 2022, ny kitapom-bolam-pampianarana 2023 ary ny tantara ratsy momba ny fividianana fiara fitaterana 2024. Amin’ny maha antokon’ny fitondrana azy dia tompon’andraikitra tamin’ireo fandikan-dalàna goavana ireo ny MPP, ka nanimba ny lazany.
Hitsapa ny fahaizan'i Mongolia mamaha ny olana sy manararaotra ny tombontsoa amin’ny fahasamihafàna lehibe ara-politika sy ny fisolontena ny efa-taona ho avy. Ho fantatra ihany koa raha hahita rafi-pifidianana mihatsara ny firenena, izay hahasoa ny firenena iray manontolo, fa tsy ho an’ny antoko tokana ihany.