
Fihaonan-dàlana Nouadhibou, Nouakchott, akaikin'ny masoivoho amerikàna ao Maoritania ; Saripika an'i Jean
Tao amin'ny Repoblika Islamikan'i Maoritania, ireo teritery hatramin'ny fanapahana tanteraka ny fifandraisana amin'ny alàlan'ny aterineto no tena nanamarika be ny vanim-potoanan'ny fifidianana, taorian'ireo hetsipanoherana tao amin'ny firenena.
Ny zotram-pifidianana tamin'ny 29 Jona 2024 dia nifarana tamin'ny fandresen'ny filoha vao avy nametra-pialàna, Mohamed Ould Ghazouani. Nivoaka avy amin'ireo vokatra vonjimaika nambaran'ny Vaomiera nasiônaly tsy miankina misahana ny fifidianana (CENI), tamin'ny 1 Jolay 2024, fa 56,12% no isam-bato azon'i Ghazouani, nahatonga azy ho mpandresy. Manaraka azy ilay mpifanandrina goavana aminy, Biram Dah Abeid, mpiaro zon'olombelona sady mpikatroka mpanohitra ny fanandevozana, izay nahazo vato 22,10%. Hamadi Ould Sidi El Mokhtar, kandidà avy amin'ny antoko islamista Tawassoul no eo amin'ny toerana fahatelo miaraka amin'ny isam-bato 12,78%.
Saingy ny harivan'ny 1 Jolay, notoherin'ilay mpanohitra, Biram Dah Abeid, ireo vokatra ary nanambara ny tenany izy ho mpandresy dia nasainy i Ghazouani “hanaja ny safidim-bahoaka”. Teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio France Internationale (RFI), hoy izy :
(…) Laviko marindrano ireo. Tsy mankato io andrim-panjakana io izahay. Tsy ankatoavinay ny filoham-pirenena izay avy amina fanisàna nataon'io CENI io (…)
Ny alin'ny 1 Jolay, tapaka ny fifandraisana amin'ny aterineto tao amin'ny firenena taorian'ireo hetsipanoherana ny vokatra, nataon'i Biram Dah Abeid izay notohanan'ireo mpikatroka miaraka aminy ihany koa.
Ho an'ireo Maoritaniàna tsy afaka miditra aterineto afa-tsy amin'ny alàlan'ny telefôna findainy, tsy misy intsony fomba hahafahany mahazo vaovao sy maneho hevitra an-tambajotra. Nefa eny anaty aterineto, ivelan'nysisintany maoritaniàna, resabe ny amin'io sivana vaovao manjo ny aterineto napetraky ny manamapahefana io. Tao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha), kaonty iray antsoina hoe Ekip no manoratra:
Ce qui se passe en Mauritanie 🇲🇷 c’est vraiment déplorable
Il y a eu des contestations après la réélection du président El Ghazouani au premier tour.
Depuis lors on note une répression brutale; la population est persécutée, l’internet est coupé et les médias n’en parlent pas… pic.twitter.com/vDXb6nhm3b— Ekip🇸🇳🥷🏾 (@Jaah221) July 3, 2024
Mampalahelo tokoa ny zava-mitranga aty Maoritania 🇲🇷
Nisy hetsipanoherana taorian'ny nahalàny indray ny filoha El Ghazouani tamin'ny fihodinana voalohany.
Nanomboka teo, voamarika ny fisiana famoretana an-kerisetra; henjehina ny vahoaka, tapaka ny aterineto ary tsy miteny momba izany ny media
— Ekip🇸🇳🥷🏾 (@Jaah221) 3 Jolay 2024
Eo anelanelan'ny aterineto sy ny fiarovana
Amin'izao vaninm-potoanan'ny fanontoloana ny tolotra rehetra izao, fitaovana tena ilaina ny aterineto, araka izany dia tsy azo eritreretina ny hoe hisy andro iray tsy hidirana aminy. Nidinana teny an-kianja, neken'ireo teratany maoritaniàna ny hanome ny hevitr'izy ireo ho an'ny Global Voices, tsy mitonona anarana mba hisorohana ny valifaty avy amin'ireo manampahefana. Mohamed, tanora maoritaniàna iray tsy faly amin'izao toejavatra izao no mitantara :
Na marina aza fa hoe ampiasain'ireo mpanao hetsipanoherana ny aterineto mba hiampangàna ny fanararaotana sy ny fanitsakitsahana ataon'ireo manampahefana, tokony tsy ho afangaron'iretsy farany amin'ny pôlitika izany. Satria ny vahoaka no tena mitondra faisana amin'io fameperana io.
Toa an'i Mohamed, tanora iray antsoina hoe Moussa no mihevitra fa io fomba ataon'ny manampahefana io dia mariky ny jadona sy ny tsirefesimandidy. Manazava izy:
Raha mihevitra ireo manampahefana eto amintsika hoe tsy misy na inona na inona hadisoana vitany, tokony havelan-dry zareo haneho ny hevitray sy izay tsikaritray izahay manoloana ny toedraharaha sôsialy sy pôlitika eto amin'ny firenena amin'izao vanim-potoana manaraka ny fifidianana izao. Ny tambajotra sôsialy no hany fantsona ahafahanay milaza vaovao amin'ireo havanay any ivelan'ny firenena sy ny fiombonambe iraisampirenena. Io fomba fanao io dia mariky ny jadona ataon-dry zareo.
Ho an'i Cheick kosa, kianiny ireo filazàna izay manakiana io fameperana ny aterineto io. Ho azy, io dia fomba iray hisorohana ny fihoaram-pefy. Lazainy fa:
Tsy ilain'i Maoritania intsony ny korontana sôsialy sy pôlitika taorian'ny fikarakaràna ireny fifidianana nahomby ireny. Faninefany izao isika no nanao fifidianana malalaka sy mangaraharaha mba hisian'ny fifandimbiasana demaokratika eo amin'ny fitantanana ny firenena taorian'ireo vanim-potoana maloka teto amin'ny firenena. Mizotra amin'io làlana io isika ary tsy misy na inona na inona tokony hamilivily antsika. Mandrehitra fihetsiketsehana sy fihoaram-pefy ireo ranty avoaka eny amin'ny tambajotra sôsialy, izay matetika mitarika fisiana maty sy maratra. Maoritania miray hina sy mandry fahalemana no tiantsika hajoro, araka izany dia raisina an-tanan-droa io fanapahana io.
Vakio: La Mauritanie championne de la liberté d'expression sur le continent africain [fr.]
Ny aterineto amin'ny finday ihany no tapaka
44,4% ny tahan'ny fidirana aterinto tao amin'ny firenena tamin'ny Janoary 2024, ary ny sandany dia 108 ouguiya (2,75 dôlara amerikàna) isaky ny “gigaoctet”, izay ny lafo indrindra raha samy gigaoctets ao Afrika Avaratra.
Tambajotram-pifandraisana telo no mitsinjara ny fifandraisana aterineto ao Maoritania: Mauritel, Chinguitel, Mattel. Raha ahitàna fitambarana mpampiasa mihoatra ny 2,19 tapitrisa ao amin'ilay firenena tamin'ny fiandohan'ny taona 2024, ny mpampiasa ireo tambajotra ireo ihany no niharan'ireny fameperana fidirana aterineto ireny. Ny tambajotra aterineto tamin'ny finday no tapaka, saingy ny fifandraisana mampiasa tambajotra Wi-Fi kosa dia mandeha tsara manerana ny faritry ny firenena.
Araka ny navoakan'ny Saharamedias, tao anaty fvanim-potoana goavana tao amin'ny firenena no nitrangan'ireo fanapahana aterineto tao Maoritania. Hitan'ilay media fa nitontaly enina ny fahatapahana aterineto tena nalaza teo anelanelan'ny Aprily 2008 hatramin'ny Martsa 2023, ary hazavainy fa ireny fanapahana ireny dia nitranga noho ny antony ara-teknika, fiarovana, pôlitika, ary hatramin'ny resaka fanabeazana aza. Tao anaty lahatsoratra iray natokany ho an'io lohahevitra io, manamarika ny Saharamedias hoe :
Rehefa vanim-potoanan'ny fanadinana bakalaoreà isantaona, tapahan'ireo orinasam-pifandraisan-davitra miasa ao Maoritania ny aterineto amin'ny finday 3G, ora 6 isanandro mandritra ireo androm-panadinana.
Nandritra ny taona maro, baiko avy amin'ireo manampahefana ao Maoritania no anapahan'ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny aterineto amin'ny finday, mba hampitsaharana ny trangana « hosoka » mandritra ny fotoam-panadinana, afa-tsy taona vitsivitsy maningana ihany.
Tamin'ny 4 Jolay 2024, ny filankevitra maoritaniana momba ny lalàm-panorenana dia nanamafy ny fahalaniana indray ho an'i Mohamed Ould Ghazouani izay hisitraka fe-potoana fanindroany hitondra ny firenena.
Na izany aza, hatramin'ny andron'ny 9 Jolay 2024, mbola tapaka ny aterineto amin'ny finday (fanapahana mbola mihatra). Tsy mampametra-panontaniana momba ny maha-lohalaharana ao Afrika sy manerana ny tontolo arabo an'i Maoritania amin'ny fahalalahana maneho hevitra ve io sivana io?