Stats4Community: Ireo lahatsoratra malazan'ny mey 2024

Sary nampindramin'i Sydney Allen, nandalo Canva Pro.

Ao anaty ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika lahatsoratra sy mba hisian'ny mangarahara kokoa momba ny mpamaky anay isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community izahay, izay izaranay isam-bolana ny torohay vaovao momba ireo tantara malaza indrindra aty aminay. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua be mpamaky indrindra ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahamaroan'ny fiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Ny tantara amin'ity volana ity dia avy amin'ny tranokalanay teny anglisy, paotiogey, bangla ary espaniola.

Nahazo mpamaky maherin'ny 271.741 ny tranokalanay teny anglisy tamin'ny volana may lasa teo. Ny antontanisa rehetra eto dia nalaina avy amin'ny Google Analytics ary tsy voatery maneho ny totalin'ny jeripejy noho ny adblockers sy ny toe-javatra na kirakira manokana hafa.

Bangla

যুক্তরাষ্ট্রের নতুন বিকল্প প্রস্তাবে চীনের বন্ধনী ও সড়ক উদ্যোগ কৌশল পুনর্বিবেচনা বাংলাদেশের (Bangladesh reconsiders China's belt and road initiative strategy in US's new alternative proposal)

Resahan'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2023 ity ny fiovan'i Bangladesh tetipanorona manoloana tetikasan'i Shina Belt and Road Initiative (BRI na Santatr'andraikitra lalana sy milina) — tetikasan'i Shina amin'ny fotodrafitrasa goavana ifandraisan'ny faritra samihafa. Nanafoana fifanarahana maro i Bangladesh mifandraika amin'ny tetikasam-pampandrosoana BRI noho ny fanahiana fa voafandriky ny trosa ny firenena maro hafa tamin'ny fanatanterahana ilay tetikasa. Firenena maro no (nampiato) tetikasa fotodrafitrasa izay noderaina teo aloha satria nivalana ireo fampiasam-bola tsy tambo isaina na ho an'ny firenena mpampiantrano na ho an'i Shina, satria tsy afaka nandoa vola ilay firenena mpiara-miombon'antoka, ary voatery namela trosa miavosa tsy tafaverina i Shina. (jeripejy+9.100)

Paortiogey

Angola: O Alambamento e os Rituais do Casamento (Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady [mg])

Misy fombandrazana iray somary henjana manodidina ny fangataham-bady ao Angola, antsoina hoe “alambamento“. Heverina mihitsy ho manan-danja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola ao anatiny. Nivoaka voalohany tamin'ny taona 2010 ity resaka fombafombam-pampakarambady ity ary mahazo jery an'arivony matetika, manondro ny fahatezan'ny fahalianana amin'ny fombafombam-panambadiana Angoley. (jeripejy+2936)

Anglisy

Yerba mate: South America’s Indigenous tea, from Paraguay to Syria

Tambavy somary mangidy avy amin'ny ravim-boatavo nomainina, notantavanina ary misy kafeinina ny Yerba mate, ary fisotro malaza sy tiam-bahoaka manerana an'i Amerika Atsimo. Ao anatin'ny kisendrasendra mahavariana, anefa, natao hiitatra any amin'ny faritra tsy nampoizina ny tsenan'ny mate: ny faritra Levant any Afovoany Atsinanana, izany hoe Libanona sy Syria.. (jeripejy+2.287)

Paortiogey 

Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fombafombam-piarovana ‘Hanakatonana ny vatana’ mampifandray fombam-pivavahana isankarazany ao Brezila) [mg]

Ao amin'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2016 ity no iresahan'i Adam Lee ny fomba ampifandraisan'ny fombafomba Afrô-Karibeana ny olona samy manana ny fivavahany sy ny sarangany (fiaviana) ao Brezila. Ny fombam-pivavahana “fanakatonana ny vatana” dia heverina ho mandroaka ny ratsy ary ampiharin'ny fivavahana Afro-Breziliana antsoina hoe Candomblé sy Umbanda, sy ireo antokom-pivavahana katolika sasantsasany. (jeripejy+ 1.321)

Anglisy

Turkey joins the ranks of countries considering a foreign agent law (Tiorkia, manatevina ny laharan'ireo firenena mihevitra hametraka lalàna momba ny olon'ny avy any ivelany (mpitsikilo))

Mihevitra i Tiorkia, ho fanarahana ny dian'i Rosia, Kirgizistàna, Hôngria sy Zeôrzia raha tsy hitanisa afa-tsy vitsy ihany, ny handany lalàna amin'ny endriny azy manokana amin'ilay lalàna miteraka resabe momba ireo olon'ny firenena any ivelany (mpitsikilo). Anaty fonosana iray ireo fanitsiana fanaovan-dalàna izay hampiditra ao anaty fehezan-dalàna famaizana ireo antsoiny ho “olona mpitari-kevitra avy amin'ny firenena vahiny” amin'ny alalan'ny fampivelarana ny famaritana ny “fitsikilovana” sy “mitsikilo”. Samy milaza ireo mpanakiana sy ireo kiadin'ny zo fa tolodalàna fialàna bala iray io ataon'ny governemanta hikendrena ireo olontsotra sy ny fiarahamonina sivily. (jeripejy+1161)

Anglisy

South Asia sizzles: Record heatwave and extreme weather blamed on climate crisis

Nihoatra ny iray volana, i Azia Atsimo, anisan'izany, Nepal, India, ary Bangladesh, nizaka hafanana nanenika ny faritra, nitarika fahafatesana sy ratra tsy tambo isaina, ary nanasongadina ny hoavin'ny faritra ao anaty krizin'ny toetrandro. Niakatra hatrany amin'ny 48 degre Celcius (120 degre Fahrenheit) ny maripana tany amin'ny toerana sasany, ka nahatonga ahiahy amin'izay fomba ahafahan'ny faritra — indrindra ireo mahantra sy tsy manankialofana — miady amin'ny fiakaran'ny maripana sy ny ireo fisehon'ny toetrandro mahery vaika indrindra. (jeripejy+1.068) 

Anglisy

Did the president of North Macedonia violate an international agreement?

Niteraka resabe ny filoha vaovaon'i Makedonia Avaratra Gordana Siljanovska Davkova tamin'ny andro voalohany nitondrany taorian'ny tsy nanononany ny anaran'ny fanjakana araka ny lalàmpanorenana, ny Repoblikan'i Makedonia Avaratra, nandritra ny fitokanana azy tamin'ny 12 Mey 2024. Satria masaky ny fifandirana zaratany sy ny fifanolanana ny faritra, ka mametraka azy ho olana goavana ao Balkans. Heverin'ny mpitondra sasany ao amin'ny faritra ho fanitsakitsahana ny Fifanarahan'i Prespa, izay vita noho ny fanelanelanan'ny Firenena Mikambana tamin'ny taona 2018, namarana ny fifandirana anarana ho Makedonia Avaratra tamin'i Gresy naharitra 28 taona izany. (jeripejy+1,015)

Espaniola

D Billions, grupo de Kirguirstán que causa furor en YouTube, inicia su gira mundial (D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana)

Tantara iray miresaka momba an'i D Billions, tarika mpihira Kyrgyz manao hiram-panabeazana ho an'ny ankizy. Nahavory mpijery an-tapitrisany ny tarika ao amin'ny YouTube amin'ireo hirany manintona, ao anatin'izany ny “Left, Right” sy ny “Yummy, Yummy Fruits and Vegetables.” Tamin'ny 9 jona 2023 ry zareo nanomboka ny fitetezana manerantany ary nahazo sitraka manerantany nanomboka tamin'izany fotoana izany. (jeripejy+983) 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.