
Sarina dite maoritaniàna ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – CGTN Français
Ao Maoritania, anisan'ny lova ara-kolontsain'ilay firenena ny dite. Sotroina amin'ny ora rehetra, manome toerana ny fombafomba tena ilaina ho an'ny fampifankahazoana sôsialy izy.
Tany amin'ny taona 1860 ry zareo Maoritaniàna no nahita ny dite. Ny dite maitso tamin'izany fotoana izany izay nafarana betsaka avy any Shina. Tany am-boalohany ny fisotroana azy dia voatokana ho an'ny sarangam-piarahamonina ambony, saingy vetivety ny fahalinana tamin'ny dite dia niparitaka be tany amin'ireo saranga hafa teny anivon'ny vahoaka. Mihoatra lavitra noho ny maha-zava-pisotro tsotra azy, lasa fombafomba mihitsy ny dite, izay mampisy dikany ny andavanandrom-piainan'ireo vondrom-piarahamonina rehetra manerana ilay firenena. Voambolana telo no manazava izay fombafomba izay: Jmaa (ny Tarika) ; Jmar (ny Vainafo) ; et Jar (ny Fotoana). Ny tranonkala Les Toiles Maures no manome antsipirihany bebe kokoa:
(…) Jmar, vainafon'ny kitay fandrehitra ao anatin'ny “canoun” io, izay ametrahana jaogy vifotsy kely fanaovana dite hamanàna ny rano.
Ny voambolana “Jar” dia nilazàna ny fitarazohana izay ampiasaina ao anatin'ny toejavatra mampitaha azy amin'ilay fandihy mitovy anarana aminy, ka amin'izany ny singa tena manamarika dia ilay fitarazohana faratampon'ny fihetsika. Fitarazohan'ny fanatsobohana ny ravina dite ampiana solila maitso, miteraka hanitra tsy hay faritana(…)
Jmaa midika hoe tarika, fivorian'olona, satria tsy fahita firy izany hoe hikarakara dite ho an'olona tokana izany. Ity zava-pisotro ity no kofehy mampifandray ny tsirairay, ireo izay tonga eo, ary ilay jaogy vifotsy tsara fanahy, fikarakaràna dite, no mizara amin'ny tsirairay ilay zava-pisotro mangidy toy ny fiainana, malemy fanahy toy ny fitiavana, malefaka toy ny fahafatesana(…)
Tsy misy toejavatra na zava-mihodidina ka hoe tsy mety miaraka amin'ny fitsotroana dite: fifamorivorian'ny mpiara-miasa na mpinamana, batisa, fifampiraharahàna ara-barotra, fampakarambady. Tamin'ny 2010, Ely ould Allaf, minisitra fahiny nisahana ny kolontsaina tao Maoritania no nanazava tao amin'ny fantsona alemàna Deutsche Welle fa :
Tsy ho azo eritreretina mihitsy izany hoe resadresaka tsy atao manodidina ny dite izany. Izany no ahafahan'ny olona mifankahita, mifanaiky mandritra ny fotoana iray voafaritra, tsy misy tombo sy hala. Ilay manao ny dite dia tsy maintsy mahafantatra ny toejavatra misy, manao izay hahatapitra ny dite miaraka amin'ny fahataperan'ny resaka. Izany no manome ny gadom-piainana.
Manaraka dingana izay tsy maintsy hajaina an-tsakany sy andavany ny fikarakaràna dite. Ao anaty lahatsoratra iray natokana hiresahana ny dite maoritaniàna, Cheikh Sidya, mpanao gazety solontenan'ny tranonkala le360 ao Nouakchott no manazava ireo antsipirihany manodidina ny fikarakaràna dite:
Kobanina anaty rano mafàna aloha ny dite. Avy eo atao anaty jaogy fikarakaràna dite nasiana rano efa tsara fatra, nangotraka nandritra ny fotoana fohy. Rahefa izay, averimberin'ilay mpikarakara, antsoina hoe «mpanao dite», arotsaka anaty vera maromaro ilay zava-pisotro ka amin'izany dia miteraka roatra isaky ny vera tsirairay. Hafanaina araka izany ilay zava-pisotro ary avy eo mamiana sy asiana hanitra amin'ny alàlan'ny solila alohan'ny handrosoana azy anaty vera kely izay mitahiry ny roatra tena ilaina, raha tsy misy an'io dia aleon'ny sasany tsy mandray ilay vera.
Ao anatin'ity lahatsary ity, hazavain'ireo vehivavy maoritaniàna ny maha-zava-dehibe sy ny lanjan'ny dite ao anatin'ny fomban-drazana maoritaniàna, ny dikany ary ny fikarakaràna azy.
Ny dite, im-betsaka isananadro
Sotroina tsy misy fetrany ny dite: vao mifoha, ny Maoritaniàna tsirairay dia misotro iray vera mba ho enti-manomboka ny androny, fihetsika iray averimberina im-betsaka tsy voaisa ao anatin'ny iray andro, mandritra ny fiatoana kely amin'ny asa, ary ireo fitakoritsihana ifanaovan'ny mpinamana sy ny mpianakavy. Ao anaty lahatsoratra iray momba izay lohahevitra izay, Cheikh Sidya milaza hoe:
Saika any an-tokatrano maoritaniàna tsirairay mihitsy, manomboka any amin'ireo toeram-ponenana manankatao ao Tevragh-Zeina, fitaratr'i Nouakchott, ka hatrany amin'ireo kihony farany lavitra indrindra amin'ireo faritra manodidina ny tanàndehibe, aroso in-3 hatramin'ny in-4 isanandro io zava-pisotro io. Raha ny marina, io no fahatetehana kely indrindra, satria indraindray, mikoriana tsy miato ny dite, manomboka ny maraina mandra-patory.
Amin'ny fotoana rehetra izay androsoana ny dite ampahibemaso, tsy maintsy misotro telo vera ny olona tsirairay ary manana dikany manokana io fomba tsy maintsy arahana io. Ny Chingi Tours, tranonkala iray mpanome torohay momba ny fizahantany ao amin'ilay firenena no manazava :
Ny vera voalohany dia mangidy toy ny fiainana, ny faharoa mahery toy ny fitiavana ary ny fahatelo malefaka toy ny fahafatesana.
Na mandritra ny fotoana andalovana krizy ara-toekarena aza, na fiakarambidin'ny sakafo, dia mitovy hatrany ny fahatetehan'ny fandraisna dite. Ould Mohamed Mahmoud, mpivarotra mpamongady, no manazava amin'ny Deutsche Welle:
24 ora amin'ny 24 ny vahoaka maoritaniàna no misotro dite, anisan'ny fiainany izany, ka dia tena mora amidy ny dite. Ho an-dry zareo Maoritaniàna, ny krizy dia mety hisy fiantraikany amin'ny fividianana ny sakafo fa tsy ny fividianana dite.
Raha ny momba ny fahatetehana na ny toerana hisotroana dite, manampy i Cheikh Sidya hoe:
Tsara antoka ihany koa any anivon'ireo sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina ny asa fandrosoana dite. Mba voa aloha ny famokarana. Misy ireo mpivarotra mandehandeha mivarotra dite amin'ny toerana samihafa mandritra ny andro. Eny fa na mandritra ny dia lavitra aza, anaty kamiao na fiarabe, dia tsy misaraka amin'ireo Maoritaniàna ny dite. Ireo vao mianatr'asa no mikarakara dite amina fatana gaz kely, dia mandroso izany ho an'ireo mpandeha, tsy mila manajanona ny fiara akory.
Fiantraikany amin'ny fahasalamana
Ekena fa tena ankafizina tokoa ny dite ao amin'io firenena io, saingy ireo fangaro tafiditra ao anatin'io dite io, indrindra ny théine sy ny siramamy izay ampiasaina amina fatra betsaka, no fototry ny aretina sasany zakain'ireo Maoritaniàna. Manoloana io toejavatra io, nohazavain'i Dr Sidi ould Zahaf tao amin'ny Deutsche Welle tamin'ny 2010 fa:
Ho an'ireo voan'ny diabeta, ny trangan'ny “anémies”, ny fiakaran'ny tosidrà, ny faharefoan'ny fiasan'ny fo, dia matetika sakànana ny fisotroana dite. Tena voahaja ve izany amin'izao fotoana izao? Ho an'ny Maoritaniàna iray, sarotra izany. Aleony toromarika iray hafa!
Tamin'ny 2021, nisy fanairana vitsivitsy nalefa momba ny fahapoizinana avy amin'ireo fanafody famonoana bibikely hita tamin'ny ravina dite tao amin'ilay firenena ary marobe ny fitsirihana natao. Araka ny voalazan'ny tranonkala Mauriweb, tamin'ny Jona 2024, Dr. Mohamed Baba Saïd, Maoritaniàna mpahay simia sady profesora mampianatra simia ao amin'ny Oniversite Clermont-Ferrand ao Frantsa, no nihevitra fa ireo vokatra azo dia manamafy ny fisiana akora manimba.
Raha jerena amin'ny hamaroan'ireo mpanjifa ao amin'ilay firenena dia mety hisy fiantraikany midadasika be amin'ny vahoaka maoritaniàna ireny ambana marolafy miantraika amin'ny fahasalamàna ireny.