Simenitra araraka an-tanimbary ao Nepal

Sipadol village in Bhaktapur district in Central Nepal just a year apart between 2022 to 2023. Photo by Amit Machamasi. Used with permission.

Sary mielanelana herintaona tanelanelan'ny taona 2022 sy 2023 tao an-tanànan'i Sipadol ao amin'ny distrikan'i Bhaktapur ao Nepal Afovoany. Saripika avy amin'i Amit Machamasi. Nahazoana alalana.

Navoakan'ny Nepali Times ny ôrizinalin'ity tantara ity. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nihena ny famokaram-barin'ny Lemak'i Kathmandu, nalaza tamin'ny fijinjam-bary be fahiny noho ny fandevonan'ny fiitaran'ny tanàna ny tanimbary lonaka taloha.

Mbola misy tanimbary ihany eny ivelan’ny tanàna, kanefa voaamban'ny fiorenana vaovao koa ireny. Izany koa no mitranga ny any amin'ny Lemak'i Pokhara, fonenan'i Pokhreli, Jetha Buda ary ireo karazam-bary zanatany hafa.

Ny tapaky ny Asar (volana fahatelo amin'ny fanisanandro nepaley) no fotoana fambolen-bary, ary ny 29 Jona no heverina ho Androm-pirenena Fanetsana. Fety tsy natao hanetsana ihany izy io, fa ho fifaliana sy ny firavoravoana koa.

Tamin’ity taona ity tsy nisy loatra izay tokony nankalazaina tamin'ny androm-panetsana. Ny 10 isanjaton'ny toeram-pambolena manerana an'i Nepal ihany no nanaovan-ketsa, fa indroan'izany ny tarehimarika mahazatra amin'ny faran'ny volana Jona.

An excavator makes way for land plotting even as a child prepares to plant rice saplings in Bhaktapur's Sipadol village. Photo by Amit Machamasi. Used with permission.

Excavateur iray manosy tany na dia misy zaza mitondra ketsa aza ao an-tanànan'i Sipadol ao Bhaktapur. Sary avy amin'i Amit Machamasi. Nahazoana alalana.

Taraiky herinandro vitsivitsy noho ny fahatongavany mahazatra isaky ny tapaky ny volana jona ny talio (tsioka mitondra orana) tao Nepal, izay maro ny manampahaizana no manome tsiny ny fahapotehan'ny toetrandro. Tamin'ity taona ity anefa, ny tena marina, tonga herinandro aloha ny orana vokatry ny rivodoza Remal (24–28 Mey), sy niteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany tao atsinanan'i Nepal tamin'ny tapaky ny volana Jona, nefa niaritra hain-tany mitarazoka ny tapany andrefan'ny firenena.

Niakatra hatrany afovoan’i Népal ny rahona, saingy nihantona ny orana, ka nanalava ny hain-tany. Tara loatra ny talio tonga tao amin'ny Lemak'i Kathmandu tamin'ny 27 Jona. Mahazatra ny fahazoan'ny Lohasahan'i Kathmandu orana 250 milimetatra amin'ny volana Jona, fa 125 milimetatra monja ny tarehimarika tamin'ity taona ity, izay mety hisy fiantraikany lehibe amin'ny vanim-potoanan'ny fitomboam-bokatra sy ny fahazoana rano.

Mahatonga ny tantsaha tsy ho vonona hanetsa ihany koa, na dia tonga aza ny orana, ny tsy fahampian’ny zezika noho ny tsi-fahombiazan'ny governemanta hamatsy sy hanatitra zezika mandritra ny taom-pambolena.

Ambolena any Kathmandu sy any andohasaha hafa, any amin'ny faritr'i Tarai sy hatrany amin'ny 3.200 metatra any amin'ny distrikan'i Jumla, izay malaza amin'ny vary mena Marasi be otrikaina ny vary.

Ny Tarai no sompitry ny vary ao Nepal, mamokatra ny ankamaroan'ny akotry ao aminy. Na dia mandrakotra ny 15 isanjaton’ny velaran’i Népal aza ny lemaka, dia monina ao ny 53 isanjaton’ny mponina. Eto ihany, atelin'ny fiorenana maro manamorona ny lalambe sy ny fihaonan-dalana lehibe ihany koa ny tanimbarin'ny mponina.

Kathmandu's unrestrained growth as seen from Halchok in 2020. Photo by Amit Machamasi. Used with permission.

Ny fiitaran'i Kathmandu tsy voafehy jerena avy amin'ny faritr'i Halchowk tamin'ny taona 2020. Sary avy amin'i Amit Machamasi. Nahazoana alalana.

Hatramin'ny fotoana nanoratana, ny telo isanjaton'ny faritra ao amin'ny Faritanin'i Madhes ihany, tamin'ity taona ity,  no nambolen-bary noho ny fahataran'ny orana sy ny fitarazohan'ny hafanana. Mamokatra ampahefatry ny vary ao Nepal io faritany io amin'ny taona tsotra.

Ny faritr'i Tarai andrefana no tena ianjadian'ny hafanana mahatratra ny 45 degre Celsius (115 degre Fahrenheit) ary mihitsoka eo hatraty amin'ny volana Jona. Tsy mbola namboly vary koa ny toeram-pambolena nahazo orana, ary tsy afaka nanondraka avy amin’ny fantsona ireo mampiasa fantson-drano noho ny fihintsanan'ny rano miaty (nappe phréatique).

Lasa olana tsy mety voavaha ihany koa ny fandosiran'ny tantsaha mankany an-tanandehibe sy ny fihenan’ny voka-bary: Mihena ve ny voka-bary noho ny fialan'ny olona tsy hamboly, sa ny fitotongan’ny voka-bary no mampiala ny olona amin’ny fambolena?

In this photo from 2021, hills in the outskits of Kathmandu Valley have been cleared for land development. Photo by Amit Machamasi. Used with permission.

Amin'ity sary tamin'ny taona 2021 ity, nohajariana ny havoana ivelan'ny Lohasahan'i Kathmandu hanorenana. Sary avy amin'i Amit Machamasi. Nahazoana alalana.

Lasa tsy fotoam-pankalazana noho izany ny Andron'ny vary isan-taona, fa fampahatsiahivana ny fiankinana vaovao amin'ny fanafaran'i Nepal vary.

Nandany NPR 35 lavitrisa (262 tapitrisa dolara) i Nepal tamin'ny taona 2023 hanafarana vary sy akotry, izay nihena kely raha oharina tamin'ny taloha saingy mbola mihoatra noho ny fanondranana rehetra ataony. Mihamihinam-bary kokoa noho ny teo aloha ny Nepaley rehefa nialan'ny olona ny voa nentim-paharazana toy ny ampemba sy soba, sy noho ny fihenan'ny taham-pahantrana sy ny fivelaran'ny lalana.

Still, the country’s population growth rate is outpacing the increase in rice harvests. Rice productivity has hit an all-time high of 3.8 tons/hectare with irrigation and mechanisation, but total production is not increasing as much because of a decrease in area under rice cultivation. Na izany aza, ny tahan'ny fitomboan'ny mponina ao amin'ny firenena dia mihoatra ny fitomboan'ny fiotazana vary. Nahatratra 3,8 taonina/ha ny voka-bary tamin’ny alalan’ny fanondrahana sy ny mekanika, saingy tsy mitombo be ny vokatra manontolo noho ny fihenan’ny velaran-tany voavoly.

Firenena mpanondrana vary i Nepal taloha. Raha mitohy anefa ny  fironana amin'izao fotoana izao, dia holanian'i Nepal amin'ny fanafarana solika sy vary izay izay rehetra azony amin'ny fandefasam-bolan'ny (zanaka ampielezana ho an'ny ao an-tanindrazana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.