
Sarin'i Clément Sianka, nahazoana alalana.
Nohamafisin‘ny Vaomieran'ny Lalampanorenana tamin'ny 16 May 2024, ny fifidianana an'i Mahamat Idriss Déby Itno, ka nandefa ny Repoblikan'i Tchad ho amin'ny dingana vaovao amin'ny tantarany ara-politika. Ny ampitson'ity fifidianana nanamarika ny fiafaran'ny tetezamita ara-miaramila (2021-2024) ity, dia naneho ny faniriany hisian'ny fiovana lalina ao Tchad ny Tchadiana, izay tombanana ho 18 tapitrisa ny isan'ny mponina.
Dimy herinandro taorian'ny fanokanana azy tamin'ny 23 May 2024, miandrandra be ny filohany vaovao ny Tchadiana noho ireo herisetra, hetsi-panoherana ary ny krizy ara-politika vao haingana niainan'ny firenena. Araka ny voalazan'ity lahatsoratra BBC Afrique (BBC Africa) ity, manantena ny olom-pirenena fa handray andraikitra amin'ireo sehatra samihafa i Mahamat Idriss Déby Itno, toy ny fanjarian-tsakafo, ny krizy ara-toekarena, ny olan'ny angovo, ny tsy fahampian'ny rano fisotro, ny asa ho an'ny tanora, ary ny fiarovan'ny governemanta manoloana ireo vondrona mitam-piadiana. Voafidy hitondra dimy taona ny filoha vaovao ary afaka mirotsaka fanindroany rehefa tapitra ny fe-potoam-piasana voalohany.
Vakio [mg]: Tchad Mahamat Idriss Déby Itno no filoham-pirenena mandimby ny rainy ho filoham-pirenena, raha ny vokatra voalohan'ny fifidianana
Tamin'ny antsafa WhatsApp nifanaovana tamin'ny Global Voices, nanadihady ity fifidianana ity i Clément Sianka, mpitondra tenin'i Albert Pahimi Padacké avy amin'ny Antoko Fiaraham-Pirenen'ny Demôkraty Tchadiana (RNDT), izay nahazo ny laharana fahatelo tamin'ny fifidianan'ny 6 Mey 2024 nahazo maherin'ny 16 isanjaton'ny vato. Mijery odidin'ny fikarakarana iny fifidianana iny, izay nandresen’i Mahamat Idriss Déby Itno, ny tenany. Noresahany ihany koa ny andrandrain'ny Tchadiana amin'ny mpitondra vaovao sy ny hoavin'ny firenena.
Jean Sovon (JS) : Ahoana ny anadihadianao ny fifidianana tamin’ny 6 mey 2024?
Clément Sianka (CS) : Le bilan de cette élection présidentielle est à l’image de ces institutions : l’Agence nationale de gestion des élections (ANGE) et le Conseil constitutionnel, ainsi que des lois qui ont géré ce processus. Pour nous, les institutions chargées de l’organisation des élections n'ont pas été très impartiales. La loi électorale elle-même posait des soucis et constituait également, de notre point de vue, un recul de la démocratie dans notre pays, car elle empêchait l’expression d’un vote libre et surtout ne garantissait pas le comptage des voix dans la transparence.
Au sein de notre parti, le Rassemblement national des démocrates tchadiens (RNDT), cet état de fait nous a conduit à ne pas avoir tous les éléments tangibles pour contester ces résultats : absence de procès verbaux mise à notre disposition après le dépouillement dans les bureaux de votes. Notre candidat, par le biais de notre parti politique, a déposé des recours auprès du conseil constitutionnel, mais ces recours ont été rejetés.
Mais en tant que démocrate et légaliste, nous n’avons pas eu d’autre choix que de respecter cette loi électorale, y compris les institutions qui organisaient cette élection. Voilà pourquoi, même après le rejet de notre recours auprès du Conseil constitutionnel, nous nous sommes pliés au verdict du juge électoral.
Au regard de tous les éléments, nous avons reconnu la victoire de Mr Mahamat Idriss Déby Itno et notre candidat l’a dit très rapidement afin de ne pas créer de confusion et de ne pas plonger le Tchad dans une crise post-électorale que les Tchadiens n’ont pas besoin de vivre en ce moment.
Clément Sianka (CS): Aminay, tsy tena nanatontosa ny tsi-fitongilanana loatra ireo andrim-panjakana nikarakara ireo fifidianana ireo. Nampisy ahiahy koa na ny lalàm-pifidianana aza. Fihemorana ho an’ny demôkrasia eto aminay ihany koa satria nanakana ny fifidianana mangarahara tamin'ny fanisam-bato.
Ho an'ny antokonay, ny Antoko Fiaraham-Pirenen'ny Demôkraty Tchadiana (RNDT), ny tsy fahazoanay PV taorian'ny fanisam-bato no midika fa tsy manana porofo azo tsapain-tanana izahay hanoherana ireo vokatra ireo.Nametraka fitoriana teny amin’ny vaomieran'ny lalàmpanorenana tamin’ny alalan’ny antokonay ny kandidanay, saingy nolavina ireo.
Na izany aza, amin’ny maha-demokratika sy legalista anay dia tsy manan-tsafidy afa-tsy ny manaja io lalàmpifidianana io izahay sy ny andrim-panjakana nikarakara io fifidianana io. Nekenay, araka izany, ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara misahana ny fifidianana taorian’ny nandavan’ny vaomieran'ny lalàmpanorenana ny fitoriana nataonay.
Rehefa nodinihana ny zava-drehetra, dia niaiky ny fandresen’Andriamatoa Mahamat Idriss Déby Itno izahay. Nanao izany haingana dia haingana ny kandidanay mba tsy hiteraka fisafotofotoana sy hanosehana an'i Tchad mankany amin'ny krizy aorian'ny fifidianana izay tsy ilain'ny Tchadiana amin'izao fotoana izao.
JS: Ahoana no hanazavanao ny fihazonan’ny fianakaviana iray ny fahefana?
CS : Nous ne raisonnons pas en terme de transmission de pouvoir de père en fils. Nous considérons que Mahamat Idriss Deby Itno est un Tchadien qui a le droit de se présenter pour espérer les suffrages du peuple. Fût-il fils de l’ancien président, pour autant, le priverait-on de ses droits de Tchadien pouvant prétendre à la magistrature suprême ? Non !
Le seul problème à notre avis est, comment organiser une élection où les Tchadiens confient de leur plein gré leur destinée à un autre Tchadien pour un mandat précis et une durée précise.
CS: Tsy raisinay ho famindram-pahefana avy amin'ny ray mankany amin'ny zanaka izany. Mino izahay fa olom-pirenena Tchadiana manana zo hijoro ho an'ny safidim-bahoaka i Mahamat Idriss Deby Itno. Na dia hoe zanaky ny filoha teo aloha aza ve izy dia miaisotra aminy ny zo maha-Tchadiana azy tsy hirotsahany hofidiana ho filoham-pirenena? Tsia!
Ny hany olana ho anay dia ny fikarakarana ny fifidianana izay nanankinan'ny Tchadiana an-tsitrapo ny hoaviny amin'ny Tchadiana iray hafa mandritra ny fe-potoana napetraky ny fifidianana.
JS: Inona no tokony ho laharam-pahamehan'ny filoha vaovao?
CS : Le Tchad doit, de nouveau, faire face à plusieurs défis et nous estimons que Mahamat Idriss Deby Itno doit aborder certains questions prioritaires pour l'intérêt du peuple tchadien.
Il a le devoir de restaurer la démocratie, d'amener l'ensemble des Tchadiens à croire en la démocratie comme système politique qui contribue de la manière la plus efficace et efficiente au développement de notre pays.
Les Tchadiens ont besoin de voir leur condition de vie s’améliorer dans tous les domaines : santé, éducation, logement, voies de communication, électricité, eau, tourisme. La création d'un climat d’affaire favorable aux investissements afin de créer de l’emploi et de la richesse est un aspect primordial pour développer le pays.
L’agriculture et l'élevage, qui sont les deux mamelles de l'économie tchadienne doivent retrouver leur lettre de noblesse avec une modernisation de l’agriculture mais aussi un élevage intensif sous la forme de fermes agricoles et d'élevages sans laisser l’industrialisation globale de l’économie sur le carreau.
Tous les Tchadiens doivent être égaux devant la loi et devant le juge, ce qui induit la restauration de l’autorité de l’État. Bref, les Tchadiens attendent assez du nouveau président.
CS: Miatrika olana isan-karazany indray i Tchad. Mino izahay fa tsy maintsy mamaha olana sasantsasany amin'ny laharam-pahamehana ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka Tchadiana i Mahamat Idriss Deby Itno.
Tsy maintsy mamerina amin'ny laoniny ny demôkrasia izy sy hahatonga ny Tchadianina rehetra hatoky ny demôkrasia ho rafitra politika mahomby sy mampanjary ny fampandrosoan'ny firenenay.
Mila mahita fanatsarana amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainany ny Tchadiana: fahasalamana, fanabeazana, fonenana, lalana, jiro, rano ary fizahan-tany. Tena zava-dehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny famoronana tontolom-pandraharahana sakaizan'ny fampiasam-bola hahazoana asa sy harena.
Ny fambolena sy fiompiana, no fototry ny toekaren'i Tchad, tsy maintsy arenina amin'ny alàlan'ny fanaovana ho maoderina sy ny fiompiana mavitrika amin'ny toeram-pambolena sy fiompiana izany. Tsy tokony hataony tsinontsinona ny fampiroboroboana ny indostrian'ny toekarena ankapobeny.
Tsy maintsy mitovy eo anatrehan'ny mpitsara sy ny lalàna ny Tchadiana rehetra, izay midika hoe famerenana ny fahefam-panjakana. Raha fintinina, manantena betsaka amin'ny filoha vaovao ny Tchadiana.
Araka ny tatitra nataon’ny Tondro Fahalalahan-gazety manerantany an'ny Reporters Sans Frontières, dia niakatra laharana 13 i Tchad nahazo laharana faha-109 amin’ny firenena 180 tamin’ny taona 2023 ka lasa 96 tamin’ny taona 2024. Na izany aza, iray amin’ireo olana mianjady amin'ity firenena ity ny kolikoly. Laharana faha-162 amin'ny firenena 180 ny firenen'i Mahamat Idriss Déby Itno ao amin'ny Tondron'ny Kolikoly an'ny Transparency International manana isam-pampitandremana 20 amin'ny 100.
Vakio [mg]: Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad
JS: Ahoana ny momba ny raharaham-bahinin'i Tchad amin'ireo firenena toa an'i Rosia, Shina, ary Frantsa?
CS : Il y a un an, Albert Pahimi Padacké a publié un livre titré ” L’Afrique empoisonnée : Pathologie et Thérapie des conflits“. Et tout un chapitre entier est consacré à cette question relatives à la politique extérieure du Tchad avec des pays comme la Russie, la Chine et la France. La réponse est simple. Nous voulons en tant que pays, travailler avec tous les partenaires pour participer au développement de notre pays et renforcer notre démocratie.
En posant cette question, beaucoup pensaient à notre relation avec la France, mais là aussi, nous disons, “moins de France mais mieux de France”.
CS: Herintaona lasa izay i Albert Pahimi Padacké namoaka ny “L’Afrique empoisonnée : Pathologie et Thérapie des conflits” (Afrika Voapoizina: Sehon'Aretina sy Fitsaboana ny fifandirana). Misy toko iray manontolo momba ny raharaham-bahinin'i Tchad amin'ireo firenena toa an'i Rosia, Shina ary Frantsa izany. Tsotra ny valiny. Amin'ny maha-firenena anay dia te-hiara-hiasa sy hiara-miombon'antoka amin'ny rehetra izahay mba hanampy anay amin'ny fampandrosoana ny firenenay sy hanamafisana ny demôkrasia.
Amin'io fanontaniana io dia maro ny olona no hieritreritra ny fifandraisanay amin'i Frantsa, saingy eto izahay, mila “kely fa tsara kokoa avy amin'i Frantsa”.
Tamin'ny taona 2024, nampiray ny firenena roa tonta ny fitsidihana ofisialy nataon'i Mahamat Idriss Deby Itno tany Rosia. Tontosa nandritra ny fifandirana isan-karazany nifanaovan'i Paris amin'i Mali, Burkina Faso, ary Niger, firenena telo ao amin'ny faritr'i Sahel izay nanapaka ny fifamatorany tamin'ity fahefana mpanjanaka taloha ity ny fitsidihana.
Na dia tohin'ny tetezamita notarihiny teo anelanelan'ny Aprily 2021 sy Aprily 2024 ihany aza ny andraikitra maha-filoha azy, midika ny fanamby maro eto amin'ny firenena fa be ny asa miandry an'i Mahamat Idriss Deby Itno.