Fiodinana jeôstratejika: Nisintaka tsy ho ao amin'ny CEDEAO i Borkina-Fasô, Mali ary Nizera

Sarn'ireo filoham-pirenenea telo ao Sahel: Abdourahame Tiani avy ao Nizera ( havia) ; Assimi Goïta avy ao  Mali (afovoany) ; Ibrahim Traoré avy ao Borkina-Fasô (havanana). Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube  Tv5monde

Firenena telo ao Sahel (Borkina-Faso, Mali ary Nizera) no nanamarika tamin'ny fomba ara-dalàna ny filàn'izy ireo avy hatrany tsy ho anisan'ny Communauté Économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO / ECOWAS) intsony, rehefa nampangain'ilay andry ny fandraisana fahefana nataon'ny tafika tany amin'ilay faritra.

Hatramin'ny telo volana farany tamin'ny 2023, henjankenjana ny fifandraisana teo amin'ny CEDEAO sy i Borkina-FasoMali ary ny Repoblikan'i Nizera. Iretsy firenena roa voalohany, izay ambany fitondran'ny tafika ( Mali tamin'ny 2020 sy 2021, Borkina-Faso hatramin'ny Septambra 2022 ) dia manohana ny fitondràna vaovao entin'ny tafika tafapetraka ao Nizera tamin'ny 26 Jolay 2023, ny farany indrindra hatreto teo anivon'ny CEDEAO.

Ho setrin'ireny fanonganam-panjakàna ireny, napetraky ny CEDEAO ireo fepetra fanitsiana sy famaizana ara-toekarena, mba hanerena ireo fitondrà-miaramila hamerina amin'ny toerany ireo filoha naongana.

Niteraka rivo-pihenjanana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany io fandàvana io. Mizaka sazy ara-toekarena sy diplaomatika avy amin'ny CEDEAO i Mali taorian'ilay fanonganam-panjakana ; iharan'ny toy izany ihany koa i Borkina-Faso. Tamin'ny Jolay 2022,  nesorina ireo sazy ara-toekarena saingy mbola mitoetra ny fampiatoana ireo firenena roa ireo tsy ho ao anatin'ireo rantsan'ny CEDEAO.

Efa ho herintaona aty aorian'ny nanesorana ireny sazy ireny, anjaran'i Nizera indray ny miatrika ireo famaizana ara-toekarena avy amin'ny CEDEAO. Kanefa ny fifanarahana ao anatin'ny CEDEAO dia tsy milaza izay sazy ara-toekarena apetraky ny CEDEAO amin'ireo fitondrà-miaramila. Eny, karazana sazy dimy no voatanisan'ny fifanarahana ao amin'ny CEDEAO ao amin'ny andininy faha-11:

(i) ny fampiatoana ny fanomezana fampindramambola vaovao na izay fanohanana vaovao avy amin'ny Fikambanana ; (ii) ny fampiatoana ny famoahana vola ho an'ireo fampindramambola rehetra, ny tetikasa rehetra na ireo fandaharanasa fanohanana efa amperiny avy amin'ny fikambanana ; (iii) ny fandàvana ny fandrotsahana fangatahana hitazona toerana mifanaraka amin'ny sata sy ny maha-matianina ; (iv) ny fampiatoana ny zo ho afaka mifidy: ary (v) ny fampiatoana ny fandraisana anjara amin'ireo hetsiky ny Fikambanana.

Fahaterahan'ny Firaisankinan'ireo Fanjakàna iharan-tsazy

Ny 16 Septambra 2023 ireo firenena telo, nosoloin'ireo filohany tena avy, no nanao sonia ny Satan'i Liptako-Gourma izay mametraka amin'ny fomba ôfisialy ny fijoroan'ny Firaisankinan'ireo Fanjakàna ao Sahel – Alliance des États du Sahel (AES), ahitàna vahoaka 71 tapitrisa. Araka izany, najoron-dry zareo ny andrim-panjakàna iray vaovao ao amin'ny faritra mirona amin'ny tafika ka tanjona ny hiarahany miatrika ireo ambana rehetra ara-tafika sy ny olan'ny fiarovana nozakai-dry zareo niaraka efa nandritra ny am-polo taona.

Vakio ny fizaràna manokana :

Tamin'io andro io, tao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), ity ny hafatra nalefan'i Assimi Goïta :

Nosoniaviko niaraka tamin'ny filohan'i Borkina Faso sy Nizera tamin'ity anio ity ny Satan'i Liptako-Gourma mametraka ny Firaisankinan'ireo Fanjakana aty Sahel – Alliance des États du Sahel (AES) – tanjona amin'izany ny hisian'ny rafi-piarovana iraisana sy ny fifanohanana mba ho tombontsoan'ny vahoakantsika. pic.twitter.com/IjT43NHrKs

— Colonel Assimi GOITA (@GoitaAssimi) 16 Septambra 2023

Volana telo taorian'ny nananganana ilay Firaisankina, niakatra zanatohatra iray ny fihenjanana tamin'ny AES sy ny CEDEAO. Nambaran'ireo firenena telo ny fisintahany  tsy ho ao anatin'ilay fikambanam-paritra – izay misy mpikambana 12 amin'izao fotoana izao, taorian'ny efa ho 50 taona nifandraisana.

Vakio: Misedra fanoherana mivaivay ankehitriny ny CEDEAO, màndan'ny fampiatina isam-paritra ao Afrika Andrefana

Fisintahana tsy ho anisan'ny CEDEAO

Tamin'ny alàlan'ny fanambaràna an-gazety tamin'ny 28 Janoary 2024, nambaran'ireo firenena telo, izay mivondrona ankehitriny ao anatin'ny antsoina hoe Firaisankinan'ireo Fanjakàna ao Sahel (AES), ny fisintahan-dry zareo tsy ho isan'ny CEDEAO, ary mihatra avy hatrany. Tao amin'ny fahitalavitra maliàna ORTM, ny jeneraly Abdoulaye Maiga, mpitondra tenin'ny governemanta maliàna no namaky ilay fanambaràna:

Raha nanontanian'ny Guinée360, i Régis Hounkpè, mpandalina ny jeôpôlitika sady tale mpanatanteraky ny InterGlobe Conseils, dia mihevitra fa tsy zava-mahagaga ny nisintahan'ireo firenena telo ireo:

Tsy dia tena zavatra mahagaga loatra ny fisintahan'ireo firenena telo ireo, raha jerena ny rivo-pifandrafiana sy ny tsy fahatokisana ny tetezamita avy amin'ny CEDEAO. Hatramin'ny niforonan'ny AES sy ny naneken'ny Satan'i Gourma azy, ho ahy dia azo ambara ho toy ny efa nampoizina ihany io fisintahana io. Ny tena fahagagàna tamin'io vaovao io dia avy amin'ilay endriny fohy, ny tetiandro ary ny fanaovana ho toy ny teatra ilay fanambaràna nataon'ireo fanjakàna telo ao Sahel ireo.

Etsy ankilany ny CEDEAO dia tsy manilika mihitsy ny mety hidirana amina fifampiresahana amin'ireo fanjakàna samihafa mba hitadiavana vahaolana amin'ireo krizy pôlitika mitarika io fisintahana io. Tamin'ny alàlan'ny fampitam-baovao iray tao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), milaza ho vonona handray izay vahaolana ifampiraharahàna ilay andry

Borkina Faso, Nizera ary Mali dia mijanona ho mpikambana goavana ao anatin'ilay fikambanana ary ny fahefan'ireo filoham-panjakana dia mbola vonona ny hikaroka vahaolana ifampidinihana momba ilay fifanolànana pôlitika.

Indro ilay fampitam-baovao manontolo tao amin'ny kaonty X an'ny CEDEAO :

Fampitàmbaovaon'ny  CEDEAO pic.twitter.com/UcIwAIuhGT

— Ecowas – Cedeao (@ecowas_cedeao) 28 Janoary 2024

Dia ahoana ny amin'ireo vahoaka?

Ao Mali, toherin'ny fiarahamonina sivily ilay fanapahankevitry ny fitondrà-miaramila hiala ami'ny CEDEAO. Toy izany ny ao amin'ilay vovonana antsoina hoe Antson'ny  20 Febroary 2023 izay miampanga sy mitsipaka ny dingana nataon'ireo manampahefana maliàna tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray nampitain'i Malick Konaté, maliàna mpanao gazety, tao amin'ny X ( Twitter taloha):

Ny Antson'ny 20 Febroary 2023, fiarahamientan'ireo fikambanana mikendry izay hanavotana an'i Mali, dia mandà ny fialàn'ny firenena ao anivon'ny  Communauté Économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) nambaran'ny filohan'ny tetezamita, ny kôlônely Assimi GOITA, ary koa ny dingana … pic.twitter.com/l8erqjIPLt

— KONATE Malick (@konate90) 30 Janoary 2024

Io fahatapahan'ny fifandraisana amin'ny CEDEAO io dia hisy fiantraikany mivantana amin'ny fahafaha-mivezivezin'ny vahoaka. Tany aloha ry zareo Borkinabe, Maliàna ary Nizeriena dia afaka nivezivezy tao anatin'ny habaky ny CEDEAO, nifanaraka tamin'ny pôlitikan'ny fivezivezena malalaka (olona sy vokatra) tao anatin'ny faritra misoratra ao anatin'ilay fifanekena.

Saingy rehefa tsy anisan'ny ao anatin'ilay andry intsony, voatery ny teratany avy amin'ireo firenena telo ireo hiatrika ny fomba fikarakaràna natao ho an'ireo teratany avy amin'ny firenena tsy mpikambana: ny tsy mainty hanaovany fangatahana fahazoandàlana mialoha (visa) alohan'ny hidirana ny faritany, ny fahazoana karatra fivahinianana, fandoavana hetra samihafa mba hahafahana manao varotra any ambadiky ny sisintaniny.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.