Raha miomana ny hizàka ny dona mivantana i Jamaika, manomboka kosa ireo ezaka fanampiana an'ireo nosy ravan'ny rivodoza Beryl

Sary misongadina ao amin'ny Canva Pro.

Zara raha manomboka ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2024 ao Atlantika dia efa noporofoin'ny rivomahery Beryl,  amin'ny lafiny rehetra, sahady ny maha-tsy mbola nisy toa azy. Nanangasanga mialoha izy raha miohatra amin'ny fomba fanaon'ireo rivomahery lehibe nahazatra, vetivety dia nahazo hery, nomena ny sokajy faha-3, avy eo sokajy faha-4 tao anatin'ny 48 ora monja ary, taorian'ny namelàny faharavàna nanerana an'i Grenadines — namoizana aina enina raha kely indrindra — izy no lasa ny rivodoza matanjaka indrindra tao anaty firaketana tamin'ny fiandohan'ity vanim-potoana ity, fotoana fohy dia nivadika ho sokajy faha-5. Tamin'ny 9:00 alina (UTC4) tamin'ny 2 Jolay, niverina ho sokajy faha-4 rehefa nizotra ho ao Jamaika sy ny Nosy Mamba (Cayman Islands).

Mety hahavariana an'ireo manampahaizana manokana amin'ny toetrandro sy ireo mpihaza rivodoza ny maha-miavaka an'i Beryl, fa ireo singa mahatonga an'i Beryl hisongadina kosa dia atahoran'ireo mponina ao Karaiba, izay voa matetika, ho lasa fenitra 

Nolazain'ireo siantifika fa ny fiakaran'ny maripàna anaty ranomasina, noho ny fiovàn'ny toetrandro sy ireo fepetra ara-tontolo iainana miverimberina, dia mitarika fihamafisan'ireo rivodoza trôpikaly manana hafainganam-pandeha ambony be.

Fantatro fa misy fisampanan-drivotra mamely an'i #Beryl, saingy ny $$-ko dia any amin'ny ranomasimbe mandrakariva. Izy no mandrindra ny fampisehoana. pic.twitter.com/3c4zmSs8Vr

— Brian McNoldy (@BMcNoldy) 3 Jolay 2024

Tamin'ity taona ity, ny National Oceanic and Atmospheric Administration (NOAA) ao Etazonia dia nanombana ho 85 isanjato ny mety hihamafisan'ny hetsiky ny rivodoza maherihery kokoa noho ny mahazatra — 17 hatramin'ny 25 ny fitambaran'ireo rivodoza nomena anarana, ary valo amin'ny 13 no mety hivadika ho rivodoza ka efatra hatramin'ny fito amin'ireo no rivodoza goavana, izay midika fa anaty sokajy faha-3 sy faha-5. Izany dia ambaran-dry zareo ho noho ny “fifanojoan'ireo singa maro,” isan'izany ny “hafanàna be any anatin'ny ranomasina,” “ny fikisahana malaky be  mankany amin'ireo fepetra mahatonga ny La Niña,” ny fihenàn'ny rivotra ao Atlantika sy ny fisampanan'ny rivotra.

“Ny tsioka malefaka,” hoy ny fanazavàn'ny  NOAA, “dia ahafahan'ireo rivodoza ho lasa mahery nefa tsy manelingelina ilay fisampanan-drivotra matanjaka, ary manakely ihany koa ny fangatsiahana ny ranomasina.” Nohamafisiny fa ny krizin'ny toetrandro dia “manafàna ny ranomasintsika erantany sy ao Atlantika, ary mampitsonika ny vondran-dranomandry manerana izao tontolo izao, mitondra mankany amin'ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina,” izay voalaza fa maneho “ny fibaribarin'ny dindon'olombelona amin'ireo fahavoazana ateraky ny rivodoza iray”

Toy ny ao Bahamas, Dôminika, ary ireo nosy hafa marobe talohan-dry zareo tany aloha tany, ry Barbados, Tobago, St. Lucia, Grenada, ary indrindra fa ireo Grenadines izay hatreto naharitra nijoro nanoloana ny tena fiantraik'i Beryl, dia mahay tsara izany rehetra izany — ary toy ny nataon-dry zareo tany aloha ihanynihetsika ny vondrom-piarahamonin'ny avy ao Karaiba mba handefa fanampiana sy izay zavatra tena ilaina ho an'ireo olona tra-doza.

Avy ao St. Vincent, Nadia Huggins mpakasary, nizara rohy iray mankany amin'ny pejy GoFundMe, tamin'ny filazàna fa, “Tsy hitako izay teny hanehoako ny haben'ny faharavàna. Tsy afaka ny hino aho hoe tsy maintsy hanangona vola indray izahay hiatrehana loza voajanahary iray hafa. Miangavy, ampio araka izay azonareo atao.” Rehefa mijery ireo saripika “azo ambara ho apôkaliptika” alefa avy any amin'ny Union Island, na ny lahatsary maneho ny vokatr'ilay rivodoza tao Carriacou, dia manomboka takatrao ny hamehana.

Mandritra izany fotoana izany, miomàna handray ny figadonan'i Beryl i Jamaika, amin'ny maha-rivodoza sokajy faha-4 azy, heverina hitranga ny Alarobia 3 Jolay, ka ny masony dia handalo eo ambonin'ireo Nosy Mamba (Cayman Islands) ny alin'io na ny Alakamisy vao maraina.

#RivodozaBeryl Fampitam-baovao12: HIDITRA AN'I JAMAIKA NY RAMBON'I BERYL ALOHAN'NY MANGIRANDRATSIN'NY ALAROBIA…MBOLA MANAN-KERY NY FAMPITANDREMANA MOMBA NY RIVODOZA

— MetServiceJA (@MetserviceJA) 2 Jolay 2024

Emma Lewis, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, izay monina ao Jamaika, dia milaza fa ireo mpiray tanindrazana aminy dia mahatsiaro sahiran-tsaina amin'ny fahatongavan'ilay rivodoza, ary ratsy ny fifamoivoizana satria miezaka ny manangona tahirin’entana na manao fanamboarana amin'ny minitra farany ny olona:

Fifamoivoizana mahakely fanantenana aty#OchoRios
Fiantsenàna amin'ny minitra farany ho an'ny #Beryl #RivodozaBeryl #Jamaika pic.twitter.com/PBj2tGzhnH

2 Jolay 2024— DKAstrology 🇭🇺🇯🇲♓✨ (@DKAstrology)

Toy ny ankamaroan'ireo faritany ao Karaiba, nozakain'i Jamaika ny faharavàna naterak'ireo rivodoza toy ny Gilbert, sokajy faha-3 izay namely tamin'ny Septambra 1988. Na hihena aza ny herin'i Beryl taorian'ny namelezany an'i Jamaia sy ireo Nosy Mamba, dia mbola azo heverina ny hijanonany ho rivodoza arakaraky ny hizorany mitety ny avaratra-andrefan'i Karaiba. Amin'izay lafiny izay,  manankery ho an'ny faritra atsimon'i Haiti ireo fiambenana rivodoza, tafiotra trôpikaly ho an'ny morontsiraka atsimo ao amin'ny Repoblika Dôminikàna, ary fanarahamaso ny tafiotra ho an'ireo faritra ao Belize.

Miaraka amin'ny fanarangàran'ny vanim-potoana rivodoza lavabe sy tena mety havitribitrika, ary ireo mpitarika ao amin'ny faritra manao antso momba ny tsy fisian'ny hetsika avy amin'ireo firenena mandroso izay mandray anjara betsaka amin'ny fitomboan'ny fatran'entona mampiakatra hafanàna erantany, voarakitra ao anatin'ny bitsika iray nalefan'ny Greenpeace daholo ny toepo mahery vaika avy ao amin'ilay faritra:

Any amin'ireo Nosy Mamba izay miomana handray ny rivodoza  #Beryl ny fo amam-panahinay. Mitandrema tsara ❤️

Tsy mbola nahita rivodoza MATANJAKA aty am-PIANDOHAN'ny vanim-potoana tahaka izao izahay.

Vao mainka manaratsy ireo loza ara-toetrandro faratampony ireo orinasa goavana mpitrandraka solika sy entona. Tsy maintsy tazonina ho tomponandraikitra ry zareo ireny.

pic.twitter.com/EmaJx4443g

— Greenpeace International (@Greenpeace) 1 Jolay 2024

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.