Ny zanakavavin'ny mpiray tampo aminy ihany no migafy ny fanavaozana ny fomba(n-drazana) nataon'ny filohan'i Kyrgyzstan

Ny zanakavavin'ny mpiray tampo amin'ny filohan'i Kyrgyzstan, Lazzat Nurkojoeva, nijoro teo anoloan'ny angidimby hitondra azy any amin'ny lanonam-pifamofoana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Лазат Нуркожоеванын сүйүктүү колун сурады” avy amin'ny fantsona Жашоо. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 26 Jona lasa teo, namoaka fialan-tsiny ampahibemaso Atoa Sadyr Japarov, filohan'i Kyrgyzstan, noho ny rentirentin'ny lanonam-pifamofoana nifanaovan'ny zanakavavin'ny iray tampo aminy Lazzat Nurkojoeva sy ny fofombadiny, izay niteraka fanakianana be dia be avy amin'ny vahoaka. Namoaka lahatsary sy sarin'ny lanonam-pifamofoana tao amin'ny pejiny Instagram i Nurkojoeva tamin'ny 24 Jiona, raha tonga tany amin'ny toerana tsy fantatra an-tendrombohitra akaikin'ny renivohitra Bishkek tamin'ny angidimby iray an'ny Minisiteran'ny Hamehana izy roa hifamofo.

Ity misy lahatsarin'ny lanonam-pifamofoana hita YouTube.

Niaiky i Japarov, raha naneho hevitra momba ny lanonana, fa nifanohitra tamin'ny asan'ny manam-pahefana “hampitsaharana ny fandanindaniam-poana” mampiavaka ireo lanonana andalovana mandritra ny androm-piainana, toy ny mariazy sy fandevenana ny rentirenty, ary nanamarika fa “tokony ho fitaratry ny hafa ny havan'ny mpitondra ny firenena. ” Nampiany koa fa “mpitsikera ny hafa” izy taloha amin'ny fitondran-tena tahaka izao fa anjarany ankehitriny ny “miala tsiny amin'ny vahoaka” noho ny nataon'ny zanakavavin'ny mpiray tampo aminy.

Ary tamin'ny fampiasana angidimby an'ny ministera, nanazava i Japarov fa afaka manofa izany avokoa na iza na iza, ary hividianana angidimby bebe kokoa rahatrizay ny vola amin'izany. Nanohana ny tenin'i Japarov ny ministera famin'ny fampisehoana rosia nanamafy fa nandoa 1.800 dolara amerikana hanofana angidimby mandritra ny adiny iray ny vinantolahin'ny filoha.

Nampirefotra ny asan'ireo manampahefana eo ampamolavolàna indray ireo fomban-drazana amin'ny fankalazana ireo zavatra lehibe amin'ny fiainana ilay lanonam-pifamofoana mihoa-pampana. Ny filoha mihitsy, izay mpitsikera voalohany indrindra ny fomba fandanindaniana ataon'ny olona ao Kyrgyzstan amin'ny fandevenana sy hetsika hafa, (anefa) no nanomboka sy nitarika ireo ezaka ireo. Tamin'ny Febroary 2022 i Japarov nanasonia didim-panjakana mandrara ny famonoana biby amin'ny fandevenana.

Fanao ao Kyrgyzstan ny mamono biby maro amin'ny fandevenana ho mari-panajana ny maty ary mizara hena ho an'ireo manatrika fandevenana, izay mety hahatratra an'arivony indraindray ny isany fa matetika mahatratra an-jatony izany. Mety ho zakan’ny mpanankarena ny fandaniana toy izany, mahatsapa faneren’ny fiaraha-monina kosa ireo tsy manam-bola ka mandany ny volany farany ary indraindray aza  mitrosa hamonoana biby.

Nohazavain‘i Japarov fa teren'ny fomban-drazana amin'izao fotoana ny “fianakaviana mahantra” hifaninana amin'ny mpanankarena ary “mamono ny ombiny tokana sy hahita ireo tiany amin'ny (faran'ny fiainany), ary ho tavela tsy manana na inona na inona ny tenany.” Izany no mahatonga ny fomban-drazana lazaina ho “fanehoana miiba sy faharatsiana” ary “fako tafahotra” mila fongorina.

Ity ny ranty Facebook ao amin'ny pejy ofisialin'i Japarov ahitana fanazavana ny didim-panjakana.

Урматтуу кыргызстандыктар!Бүгүн ушундай Жарлык чыгаруу чечимин кабыл алдым. Бул Жарлыкка ылайык, кыргызстандыктардын…

Posted by Садыр Жапаров on Thursday, February 24, 2022

Ho fampiharana ilay didim-panjakana, niantso ny manam-pahefana eo an-toerana, ny olo-malaza ara-pivavahana ary ny fampitam-baovao i Japarov mba hanao asa fanairana eo amin'ny vahoaka mba hampihena ny fandaniana ary nanome toromarika ireo tompon'andraikitra hanao fandevenana sy hetsika hafa izy tsy hanao fandaniam-be. Nanome baiko ny manampahefana i Akylbek Japarov, lehiben'ny kabinetran'ny minisitra, mba tsy hanatrika fampakaram-bady sy fety hafa raha mahita “fandaniam-poana” izy ireo. Any Bishkek, miezaka mandresy lahatra ny tompon'ny trano fisakafoana ny manampahefana monisipaly mba handà ka tsy hampiantrano hetsika ataon'ireo mpanjifa izay mikiry hikarakara lanonana mirentirenty sy hamonoana biby be dia be.

Ity misy lahatsarin'ny ezak'ireo manampahefana hampitsahatra ny fandaniam-poana any amin'ny trano fisakafoana any Bishkek.

Koa satria moa tsy misy sazy amin'ny tsy fankatoavana ny didim-panjakana, dia voafetra ny asan'ny manampahefana ary tsy mahazo vokany eo no ho eo. Mbola tsy nivoaka ny parlemanta ny volavolan-dalàna momba ny mariazy, ny fetim-pianakaviana, ny fandevenana ary ny fahatsiarovana, izay natomboka tamin'ny 2022. Feran'ny ny volavolan-dalàna ny isan'ny vahiny azo asaina amin'ny lanonana isan-karazany sy ny onitra aloa raha mandika ireo fitsipika ireo.

Tsy nandeha araka ny tokony ho izy hatramin'izao ny kinasan'i Japarov hanaisotra ny heverina ho fandaniam-poana, ary angamba famantarana lehibe indrindra amin'izany ny fifamofoan'ny zanakavavin'ny mpiray tampo aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.