Ny lalamby Shina-Kyrgyzstan-Uzbekistan: ny fanantenana sy ny ahiahy

Lanonam-panasoniavana fifanarahana hiara-hananganana lalamby Shina-Kyrgyzstan-Uzbekistan ao Beijing, Shina. Sary avy amin'ny tranokalan'ny Kabinetran'ny Minisitra ao Kyrgyzstan. Fampiasana ara-drariny.

Nosoratan'i Andrew Gundal tao amin'ny Vlast.kz ity lahatsoratra ity ary navoaka tamin'ny 21 Jona 2024. Navoaka ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fiaraha-miasan'ny samy fampitam-baovao.

Miverina amin'ny laoniny ny drafitra lalamby Shina-Kyrgyzstan-Uzbekistan (CKU). Tamin'ny 6 Jona, nanasonia ny tetikasa tao Beijing ireo solontena avy amin'ny firenena telo, izay nanetsika ny tetikasa fitaterana lehibe izay efa nifanakalozan-kevitra nandritra ny 27 taona farany ary nampidirina vao haingana tao amin'ny Belt and Road Initiative (BRI).

Natolotry ny Transport Corridor Europe-Caucasus-Asia Initiative (TRACECA) tamin'ny taona 1997 ny fananganana ny lalamby CKU saingy nijanona ho resaka fotsiny nanomboka teo noho ny fahasarotan'ny tetikasa.

Hanomboka ao an-tanànan'i Kashgar any andrefan'i Shina ny lalamby, avy eo miditra ao Kyrgyzstan manavatsava an'i Torugart any atsinanana, mitohy mankany Kazarman ary miverina midina any Jalal-Abad any atsimo andrefana. Ny fitodiana farany dia any Andijan any atsimo atsinanan'i Ozbekistan, mampifandray amin'ny lalamby efa misy.

Rehefa vita io fanamboarana io, dia ho lasa lalana ara-barotra hafa mampitohy an'i Shina sy i Ozbekistan. Fanampin'izany, hampihena hatramin'ny manodidina ny 900 kilaometatra ny CKU amin'ny lalana mankany Iran sy Afovoany Atsinanana avy any Kashgar tsy voatery handalo an'i Kazakhstan manavatsava an'i Khorgos. Hampiditra bebe kokoa an'i Kyrgyzstan amin'ny lalan'ny varotra Aziatika Afovoany ny lalana ary mety hanokatra lalam-pitaterana vaovao mankany amin'ireo firenena Eoropeanina sy any amin'ny Helodrano.

“Te-hamolavola lalana bebe kokoa mampifandray an'i Azia Afovoany sy ny tsena ivelany [ny firenena Aziatika afovoany] mba hampihenana ny fiankinana ara-toekarena amin'i Rosia,” hoy i Oyuna Baldakova, mpiara-miasa amin'ny fikarohana ao amin'ny King's College London mifantoka amin'ny fifandraisan'i Shina sy Azia Afovoany, hoy ny Vlast.

Vato misakana teo amin’ireo firenena telo ireo ny fanamby ara-politika, ara-bola ary ara-teknika. Araka ny voalazan'i Omirbek Hanayi avy ao amin'ny Ivo-toeram-pikarohana Eoraziatika ao Kazakhstan, nitarika tsy fitombenana ara-politika ho an'i Kyrgyzstan sy nampiato ny fifampiraharahana ny revolisiona tamin'ny taona 2005, 2010, ary ny taona 2020  .

“Mialoha ny fanomezana famatsiam-bola tetikasa avy amin'ny andrimpanjakana iraisampirenena toa ny [Banky EXIM an'i Shina], manombana ny loza mety hitranga ny andrimpanjakana Shinoa, ary mamatsy ny ampahan'ny lalamby ao Kyrgyzstan ahitàna risika ara-bola,” hoy i Frank Maracchione, mpikaroka PhD ao amin'ny Oniversiten'i Sheffield, tamin'ny Vlast.

Sakana lehibe tamin’ny tetikasa ny fitsinjarana ny famatsiam-bola teo amin’ireo fanjakana telo. Hita tamin'ny fifanarahana ny vahaolana amin'ity olana naharitra ity ka hisahana ny 51 isanjaton'ny fandaniana manontolo i Shina, raha samy hitondra 24,5 isanjato kosa i Kyrgyzstan sy i Ozbekistan. Tamin'ny famaliana ny fanontanian'ny parlemanta tamin'ny 18 Jona, nanambara ny talen'ny Temir Zholu, orinasa nasionalin'ny lalamby Kyrgyz fa hamatsy vola amin'ny alalan'ny fampindramam-bola omen'ny banky Shinoa i Kyrgyzstan.

Shina no mpampindram-bola lehibe indrindra ao Kyrgyzstan. Tamin'ny taona 2023,  ambany kelin'ny 4 lavitrisa dolara ny trosan'i Kyrgyzstan ivelany, ka trosa tamin'ny banky EXIM ao Shina ny 43 isanjaton'izany, izay mahatratra 40 isanjaton'ny harin-karena faoben'ny firenena ary miteraka ahiahy ny amin'ny fahafahan'ny governemanta mamerina ny trosany ary mety ho tafiditra ao anatin'ny fandriky ny trosan'i Shina.

Nanasarotra ny fifampiraharahana ny fahasamihafan'ny refin'ny sakan'ny lalamby teo amin'i Shina sy ireo firenena post-Sovietika. Mampiasa ny sakany araka ny fenitra iraisampirenena 1455 milimetatra i Shina. Kyrgyzstan sy Ozbekistan kosa mampiasa ny fandrefesana sakany 1520 milimetatra. Tsy fantatra mazava hoe inona ny fitaovana azo ampiasaina hanefana ny fahasamihafan'ny sakan'ny lalamby CKU.

Mametraka fanamby goavana ihany koa ny tanetin'i Kyrgyzstan. Handalo tetezana vaovao 81 sy lozoka (tonelina) 41 ny drafitra lalamby, manavatsava faritra be tendrombohitra ao amin'ny firenena.

Na dia eo aza ireo fanamby ireo, mbola manana fanantenana hatrany ny mpitondra politika. Nilaza ny lehiben'ny Kabinetran'ny Minisitra ao Kyrgyzstan, Akylbek Japarov, fa hitondra an'i Kyrgyzstan ho amin'ny “tsena manerantany” ny CKU, ary hanova an'i “Kyrgyzstan ho toeram-pivarotana sy indostrialy lehibe.”

Nanana fanantenana ny filoha Shinoa Xi Jinping mijery avy amin'ny zoro hafa, nanasongadina fa “aseho(n'ny CKU) amin'ny fianakaviambe iraisampirenena ny fahavononana feno eo amin'ireo firenena telo nifanome tanana mba hampiroborobo ny fiarahamiasa sy hikatsaka fampandrosoana iombonana”. Araka ny voalazan'ny fifanarahana, amin’ny volana Oktobra no hatomboka ny fanamboarana, saingy ny fotoana ihany no hamantarana raha ho tanteraka ny tetikasa (na tsia).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.