
Pikantsarin'ireo mpanao hetsipanoherana, avy amin'ilay lahatsary YouTube, ‘Hetsipanoherana hetra tao Kenya : Lasa mankaiza ny zavatra rehetra miala eto ?‘ an'ny DW News. Fampiasàna ara-drariny.
Betsaka ny zava-mitranga ao Kenya tato ho ato, miainga avy amin'ny fandefasana miaramila 1.000 ho any Haiti, izay niteraka resabe ka hatramin'ireo fihetsiketsehana namoizana ain'olona, narehitry ny fankatoavana tolodalàna iray momba ny tetibola izay nampiditra ny fampiakarana hetra.
Miaraka amin'ny fisondrotan'ny hetra sy ny fiakaran'ny vidim-piainana, hatrany am-piandohan'ny taona no nanao afon'ampombo ny fihenjanana teo amin'ny samy Keniàna. Kanefa, ny korontana amin'izao fotoana izao dia ny 25 Janoary no nanombohany, rehefa nolanian'ireo mpanao lalàna ilay tolodalàna niteraka resabe, araka ny fanamarihan'ny Al Jazeera. Taorian'ny nanambaràna ny fifidianana, olona an-jatony maro no nidina an-dalambe hanohitra ilay tolodalàna naroson'ny parlemanta, niaraka tamin'ny fisian'ny sasantsansany tamin'ireo Keniàna nanafika ny parlemanta ka nandoro ampahany tamin'izany. Tany amina fari-piadidiana 35 amin'ireo 47 ao Kenya no nisy hetsipanoherana.
Tamim-pilaminana tany am-piandohany, vetivety dia nivadika nahery setra ireo hetsipanoherana rehefa nampiasa entona mandatsa-dranomaso sy bàla tena izy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny pôlisy. Larry Madowo, mpanao gazety avy amin'ny CNN, no naharakitra ny tifitra nataon'ny pôlisy an'ireo mpano hetsipanoherana:
EXCLUSIVE: CNN watched as Kenyan security forces shot dead at least 3 protesters outside the Kenyan parliament on Tuesday.
I saw Ericsson Kyalo Mutisya, 25 dancing in white overalls. Shots rang out shortly after that and I saw his body. He wasn't the only one pic.twitter.com/zu0Tw1qR8O
— Larry Madowo (@LarryMadowo) July 1, 2024
VAOVAO MAFANA: Ny Talata teo ny CNN dia nahita ireo mpitandro filaminana ao Kenya nitifitra nahafaty, raha kely indrindra, telo tamin'ny mpanao hetsipanoherana teo ivelan'ny parlemanta keniàna.
Hitako i Ericsson Kyalo Mutisya, 25 taona, nandihy, nanao salôpety fotsy. Nirefotra ny basy ary taoriana kelin'izay dia hitako ny vata mangatsiakany. Tsy izy irery pic.twitter.com/zu0Tw1qR8O
— Larry Madowo (@LarryMadowo) 1 Jolay 2024
Vao mainka nampisafoaka ireo mpanao hetsipanoherana io fihoaram-pefy io.
This week, protesters faced off with heavy-handed police in Kenya’s capital initially over a finance bill that would have imposed new levies on essential goods. Those protests escalated into anti-government protests after several demonstrators were killed.
Sky’s @YousraElbagir… pic.twitter.com/Bi82PvU7Mi
— Sky News (@SkyNews) June 30, 2024
Tamin'ity herinandro ity, nifanandrina tamin'ireo pôlisy tsy refesimandidy ireo mpanao hetsipanoherana tao an-drenivohitr'i Kenya, izy tany am-piandohany dia mahakasika ilay volavolan-dalàna momba ny tetibola mametraka hetra vaovao amin'ireo zavatra tena ilaina. Nihamafy ireny hetsipanoherana ny governemanta ireny rehefa nisy maro ireo mpanao hetsipanoherana maty.
Sky’s @YousraElbagir… pic.twitter.com/Bi82PvU7Mi
— Sky News (@SkyNews) 30 Jona 2024
Tsy toy ireo hetsipanoherana tany aloha, ity onja iray ity dia tanora no ankamaroan'ireo nitarika azy, mipetraka an-tanandehibe, ary avy amin'ny foko samihafa, araka ny nomarihan'ny The Conversation. Ny sasany tamin'ireny tanora ireny dia nandray ny media sôsialy hizaràn-dry zareo nivantana ny zava-nitranga arakaraky ny nitrangan'izy ireny:
@nairobi_juice Fandefasana nivantana iray an'ny Gen Z lady tao amin'ny TikTok nanaingàna ireo mpanjohy azy hiteboteboka ny fàfana ao anatin'ireo korontana sy tifitra basy taorian'ilay fanafihana ny parlemanta nandritra ny hetsika fanoherana ilay tolodalàna 2024 momba ny tetibola tao Nairobi 🎥: Mercy Kaman @NAIROBI_JUICE @NAIROBI_JUICE @NAIROBI_JUICE #nairobijuice #nairobitiktokers #RejectFinanceBill2024 #kenyans #viralkenya #tiktokkenya #fypkenya ♬ original sound – NAIROBI_JUICE
Ilay rantsana nasiônaly mpanaramaso ny resaka zo dia nilaza fa, raha kely indrindra, olona 39 no namoy ny ainy, fa tsy mbola mahakivy ireo mpanao hetsipanoherana ihany.
Na niteraka valinkafatra teo noho eo avy amin'ny governemanta aza ireo hetsipanoherana, nisintonan'ny filoha William Ruto an'ilay volavolan-dalàna, ny ampitson'iny, tsy dia nitondra fiovàna firy. Araka ny notaterin'ny Sky News, mbola misy hatrany ireo fihenjanana ao anatin'ilay firenena.
Ankehitriny dia mitaky ny hialàn'ny filoha Ruto ireo olom-pirenena, ary noforonina ireo tenifototra ao amin'ny media sôsialy, toy ny #RutoMustGo. Tezitra ny vahoaka, tsy noho ilay volavolan-dalàna momba ny tetibola ihany, fa koa noho ny tsy fitoviana sy ny fahasahiranana atrehan'izy ireo. Iray mpampiasa ny X ( Twitter taloha ) no niteny hoe :
So teachers won’t get paid, but MPs will get a raise?! Ok. #RutoMustGo pic.twitter.com/74yBLN2uTc
— Muchiri Mike (@MuchiriiMike) July 2, 2024
Tsy handray karama izany ireo mpampianatra, kanefa ny solombava hahazo fisondrotan-karama ve?! Ok. #RutoMustGo pic.twitter.com/74yBLN2uTc
— Muchiri Mike (@MuchiriiMike) 2 Jolay 2024
Nanjohy ireo hetsipanoherana ihany koa ireo teratany monina any ivelany. Ito ambany io ny andiana mpanao hetsipanoherana tao Alemaina:
@bonnsch49♬ Originalton – Alice Favour🇩🇪🇰🇪
Nisy ihany koa hetsipanoherana tany Etazonia, tao amin'ny fanjakan'i Texas:
Dallas, thank you for showing up today. For all the parents who have lost their children, for all the loved ones that are still missing we used our voices for you#RutoMustGo pic.twitter.com/Ic025sz6i2
— Mumbi K (@OfficialMumbi) June 30, 2024
Dallas, misaotra anareo nanotrona androany. Ho an'ireo ray aman-dreny rehetra namoy zanaka, ho an'ireo havana mbola tsy tratra antso, nampiasainay ny feonay hisolo ny anareo#RutoMustGo pic.twitter.com/Ic025sz6i2
— Mumbi K (@OfficialMumbi) 30 Jona 2024
Araka ny notaterin'ny CBS News, amin'ireo firenena rehetra ao Afrika, i Kenya no manana ny toekarena iray tena mavitrika indrindra. Araka ny lazain'ny Banky Iraisampirenena, anefa, iray amin'ny Keniàna enina no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana erantany, ka olona an-tapitrisa, indrindra fa any amin'ireo faritra ambanivohitra ao Kenya, no miaina amina vola zara raha dôlara vitsy monja.
Araka ny lazain'ny Reuters, amin'izao fotoana izao ny trosam-panjakana dia 68 isanjaton'ny harinkarena faobe, izay mihoatra ny 55 isanjaton'ny harinkarena faobe voalazan'ny Banky Iraisampirenena sy ny Tahirimbola iraisampirenena.
Niaraka tamin'ny fampidirana ilay tolodalàna momba ny tetibola, ny governemanta keniàna dia nikendry ny hahazo 2,7 lavitrisa dôlara amerikàna avy amin'ireo hetra fanampiny mba hampihenàna ny tsy fahampian'ny tetibola sy hampihenana ny findramambola. Hita ao anatin'ilay tolodalàna ireo hetra vaovao momba ireo zavatra tena ilaina andavanandro, toy ny mofo, ny menaka fihinana, ny ronono, ny siramamy, ny taty sy ny maro hafa, ary hatramin'ny hetra vaovao ho 2,5 isanjaton'ny sandan'ny fiara apetraka amin'ireo fiara atosi-milina mifamoivoy, aloa isantaona.
Raha niteny tao amin'ny Sky News momba ny antony lalina niteraka ity fanoherana mihanaka manerana ny firenena ity i Yousra Elbagir, Keniàna mpanao gzety, dia niteny fa:
Fambaran'aretin'ny olana iray goavana kokoa io tolodalàna io ary ireo mpanao hetsipanoherana niresahantsika androany dia nilaza fa tsy resaka tolodalàna fotsiny io. Fa ao ny faharatsiam-pitantanana. Heveriko fa ireo tanora izay nidina an-dalambe dia tena tsy mampino ny fahatongavantsainy. Tsy mampino fa tena miditra lalina ry zareo, ary toa mahatsapa fa mandanilany fahatany ny governemanta, mampibaribary ny fihoaram-pefy ataony. Isan'ireo parlemantera mandray karama be indrindra eto an-tany ny ao Kenya. Kanefa amin'ny fitenenana an-dry zareo mba hanainga mora ny fiainany, amin'ny fiatrehana ireny hetra ireny sy amin'ny fiatrehana ny tsy fisian'ny asa, izay ny filoha Ruto tenany rahateo no nanambara izany nandritra ny fampielezankeviny nandritra ny fifidianana, taona roa lasa izay, ary ezahany fatratra ny hamahàna azy.
Mampiasa ny media sôsialy ireo tanora any amin'ireo firenena hafa mba hiderany ny olompirenena keniàna noho ny fahasahian-dry zareo sy ny fahavononany. Manainga ny tanora any amin'ny fireneny ihany koa ry zareo mba hàka tàhaka ny fahasahian'ireo Keniàna amin'ny fanoherana ny faharatsiam-pitantanana.
Ao anatin'ity lahatsary Tik Tok ity, izay nahazo mpijery an-tapitrisa, amporisihan'ilay mpampiasa bigzaiire ireo tanora ao Kôngô mba hanaraka ny ohatra nomen'i Kenya:
@bigzaiire Nanoro ny làlana i Kenya… fotoana izao hisian'ny fanovàna aty Afrika #kenyantiktok🇰🇪 #kenyantiktok #kenya ♬ original sound – Z’aiire
Nizara ny fomba fijeriny ny Nizeriàna iray mpampiasa TikTok:
@seanwezzy7 im so happy for Kenyan🇰🇪 people for making the blod step #kenyaprotest2024financebill #kenya #kenyantiktok #kenyantiktok🇰🇪 #prostest #kenyaprotest2024 #eastafrica #eastafrican #eastafrica #eastafricantiktok #africa #africantiktok #african #africanparents #9jacomedybattle #9ja #lagos #nigeria #nigerian #9jatiktok #lagos #lagostiktok #abuja #portharcourt #anambra #imostate #abiastate ♬ original sound – seanwezzy
Ao anatin’ity lahatsary YouTube ity, avy amina Ganeàna iray malaza, mpampiaza Youtube, Kwadwo Sheldon, mivaky toy izao ny fanehoankevitra iray: “Ghana, ndeha isika hianatra ny nataon'i Kenya…ndao hampiato ireo tohankevitry ny NPP sy ny NDC ka hametraka an'i Ghana ho lohalaharana.” Ny NPP sy ny NDC no antoko pôlitika roa lehibe indrindra eo amin'ny tontolo pôlitika ao Ghana, saingy toa mitombo tsy faly amin'ireo antoko ireo ny tanora, antoko izay ny ankamaroany tonga teo amin'ny fitondrana fa tsy nahavita namaly ny filàn-dry zareo. Io dia niteraka faniriana hisiana antoko pôlitika iray fahatelo.
Raha miomana ny hanao fihodinana hetsipanoherana iray vaovao amin'ity herinandro ity ireo mpikatroka, toa sahala amin'ny tsy ho tapitra ny krizy ao Kenya raha tsy raisin'ny governemanta an-tànana ny olan'ny tanorany.