
Miaramila nandritra ny fakan'ny tafika ny fitondràna tao Ginea tamin'ny Septambra 2021; Pkantsary an'ny fantsona Youtube-n'ny CGTN amin'ny fiteny frantsay.
Toa tsy mbola azo saintsainina ny hiverenan'ny fahefana ho eny an-tànan'ny sivily ao amin'ny Repoblikan'i Ginea alohan'ny 2025, taorian'ny fikasàna sy ny fanambaràn'ireo manampahefana avy amin'ny tafika hanitatra ny faharetan'ny tetezamita pôlitika.
Tamin'ny faran'ny Aprily 2022, ny kôlônely Mamadi Doumbouya, filohan'ny tafika eo amin'ny fitondràna ao Ginea hatramin'ny Septambra 2021 dia nanambàra ny hanaovana tetezamita haharitra 39 volana alohan'ny hiheverana hamerenana ny fahefàna amin'ny sivily. Ny 11 May 2022, niverenany ny fanapahankeviny ary nametraka fe-potoana 36 volana izy, izany hoe telo taona, mba hamerenana ny fahefana. Avy eo, noho ny fandrahonana avy amin'ny Fikambanana ara-Toekaren'ireo Firenena ao Afrika Andrefana (CEDEAO), nisafidy izy nony farany ny hitàntana ny tetezamita mandritra ny roa taona eo amin'ilay firenena. Araka io kisary io, ny faran'ny Desambra 2024 raha ela indrindra ny fitondràna miaramila no tokony hiala eo amin'ny fitondrana.
Miandry mafy an'io fiafaran'ny vanim-potoanan'ny tetezamita io ireo Gineàna mpanohitra, saingy toa tsy rototra hanaraka izany fetr'andro izany ireo manampahefana avy ao amin'ny tafika: raha tokony hoe hanambara ny fikarakaràna ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, dia ny fametrahana lisi-pifidianana no nataony laharam-pahamehana ho an'ny taona 2024. Io fanapahankevitra io anefa dia mifanohitra amin'ireo fanolorantena noraisina teo anivon'ny CEDEAO ny ampitson'ilay fanaonganam-panjakana tamin'ny 5 Septambra 2021.
Lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI), tamin'ny 21 Febroary 2024, aingam-panahy avy amin'ilay ranty tao amin'ny tranonkala Africa Intelligence no milaza fa ny kôlônely Mamadi Doumbouya dia nanomboka dingana nanakaikezany ireo Tandrefana mpiara-miombona antoka mba hanalavàna ny tetezamita ho any ambadiky ny daty ôfisialin'ny Desambra 2024. Amadou Oury Bah, praiminisitry ny tetezamita, voatendry tamin'ny 27 Febroary 2024 no nikitika imasom-bahoaka io olana io:
Be ny fifandroritana mety hitranga. Anaty toejavatra izay andalovantsika faharefoana ara-toekarena sy ara-bola, dia tokony hiasa hisian'ny fitoniana isika, sy fahalefahan'ny pôlitika mba hanànana fahafahana mandinika sy manao ao anaty fahatoniana ireo dingana voafaritry ny fandaharam-potoana. Ny tanjona dia ny hamita izany, ary heveriko fa amin'ny 2025 no vanim-potoana tsara hamaranantsika ny dingana rehetra.
Lire : Tandindonin-doza ny fahalalahan-gazety ao Guinée
Hasosoran'i Ginea
Manoloana io fanaovana amboletra vaovao io, tsy mihevitra ny hipetra-potsiny ireo mpikambana avy amin'ny fanoherana ao amin'ilay firenena. Tamin'ny Aprily 2024, nohelohin'ny vovonana iray antsoina hoe Les Forces vives de Guinée (FVG) itambaran'ny ampahany avy amin'ny mpanohitra sy ny fiarahamonina sivily io fihetsiky ny fitondrana miaramila io:
(…)Taorian'ny efa ho roa taona nisian'ny tetezamita, mbola tsy ananan'i Ginea foana ny volavolan-dalàm-panorenana, ny lalàm-pifidianana, ny rantsana natao hitantana ny fifidianana, ny lisi-pifidianana.
Tamin'ny May 2024, ny Front national pour la défense de la constitution (FNDC), fivondronan'ireo olom-pirenena gineàna tao ambadik'ireo hetsi-panoherana marobe sy famoriam-bahoaka tao amin'ny firenena, dia naneho koa ny fanoherany ny fitondrana miaramila. Milaza ny alahelony i Ibrahima Diallo, tomponandraikitr'ireo hetsiky ny FNDC :
Indrisy anefa fa Ing. Bah Oury dia niditra tamin'ny fanohizana ny an'ireo mpisehatra izay tsy nampahomby io tetezamaita io. Ny fandehanana irery amin'ny fandraisana fanapahankevitra, ny fanamavoana sy ny fizahozahoana any anatin'ireo kabarin'ireo manampahefana, ny fandàvana sy ny fanilihana ireo mpisehatra manandanja ara-sôsialy sy pôlitika amin'ny fiainan'ny firenena sy ny ho fahombiazan'io tetezamita io. Lazaiko etoana ary amin'ny anaran'ny FNDC fa lavinay tanteraka izay rehetra hevitra fanisahana na fanalavàna ny tetezamita amin'ny alàlan'ireo fomba rehetra araka ny lalàna (…)
Tamin'ny fiandohan'ny Jona 2024, Cellou Dalein Diallo, praiminisitra fahiny tao Ginea (2004-2006) sady filohan'ny antoko Union des forces démocratiques de Guinée, dia nitafa tamin'ny France24, ka tao no nilazany fa jadona ny teodraharaha ankehitriny misy ao amin'ny firenena. Tamin'ny fandraisany fitenenana dia notondroina fa te-hifikitra ela araka izay tratrany eo amin'ny fitondrana ireo miaramila. Indro ny lahatsary tamin'ilay tafa nataony ho an'ny France24:
Araka ny tenin'ilay mpanohitra, tena diso fanantenana be mihitsy tamin'ny fitondrantenan'ireo miaramila ny Gineàna, ary tapa-kevitra izao ny hiady ho an'ny fanajàna ny fanolorantena nataon'ny fitondrana miaramila.
Manitrikitrika ny eo amin'ny fitondrana fa tsy misy azo atao raha tsy efa voapetraka ny lisi-pifidianana azo antoka. Voatanisa ao anatin'ny lahatsoratra iray an'ny Tv5monde, milaza i Amadou Oury Bah, praiminisitry ny fitondrana fa:
Aorian'ny fitsapankevi-bahoaka dia azo iarahana manao ny zavatra rehetra, satria amin'izay fotoana izy dia efa ihoarantsika ireo fepetra tena sarotra.
Isan'ny iray amin'ireo fanararaotana vitan'ny teo amin'ny fitondrana ihany koa ny fepetra noraisin'ireo manampahefana, fanivànana ny media. Raha ny momba ny fanakatonana ireo media sasantsasany, mandà tsy mety haneho hevitra i Amadou Oury Bah.
Fikorontanana anatiny
Tsy maintsy miatrika ireo fizarazaràna avy ao anatiny ihany koa ilay fitondràna amperin'asa: ny 15 Jona 2024, Sadiba Koulibaly, jeneraly lehiben'ny etamazaoro taloha tao amin'ny tafika no sady lehilahy maherin'ny fitondrana miaramila dia notsaraina sy nohelohin'ny tribonaly miaramila iray higadra 5 taona. Nosamborina tamin'ny 4 Jona 2024, fandosirana an-daharana nandao ny asany amin'ny maha-mpiandraiki-draharaha tao amin'ny masoivohon'i Ginea tao Kiobà no niampangàna azy, ary fitazonana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana. Araka ny vaovao sasantsasany dia hoe maty tany am-pitazonana azy ny kôlônely Sadiba Koulibaly. Araka izany, tao anatin'ny fampitam-baovao avy amin'ny biraon'ny fanenjehana ao amin'ny fitsarana miaramila ambaratonga voalohany ao Conakry, ny kôlônely Aly Camara, izay miaramila mpampanoa lalàna ao no nanome fanazavana antsipirihany momba ny toejavatra nahafaty ilay kôlônely teo aloha. Notanisain'ny lahatsoratra iray tao amin'ny tranonkalam-baovao Anadolou, hoy izy :
Hita avy amin'ny tatitry ny “autopsie” mahakasika izany fa ilay fahafatesana dia mety ho noho ny dona ara-tsaina mafy sy adin-tsaina naharitra nahazo azy, niteraka fikorontanana ratsy tamin'ny fitempon'ny fony, izay mitondra mankany amin'ny fihenàn'ny fitempon'ny fo sy fiatoany.
Miondrika manoloana ny fahatsiarovana ilay olomalaza nodimandry ny Gineàna sasany. Bourlaye Condé, teratany gineàna monina ao Siguiri (tanàna any avaratry ny firenena), milaza ao anatin'ny gazety Révelateur224 hoe:
Tamin'alahelo no nandrenesana ny vaovao mampalahelo sy mahagaga momba ny fahalasànan'ny jeneraly Sadiba Koulibaly. Satria tsy azo ihodivirana ny fahafatesana, Andriamanitra irery no mahalala izay manodidina ny nahafaty azy, tsy afaka ny hiteny na inona na inona, fa na ho haingana na ho ela, ho fantatra ny marina, miaramila repoblikàna izy, Andriamanitra anie handray azy any am-paradisany.
Io fahafatesana io dia mety ho mariky ny tsy fahatokisan'ny fitondran'i Mamadi Boumbouya an'ireo miaramilany. Mbola ankamantatra araka izany ny hoavy pôlitikan'i Ginea raha mbola tsy misy fifidianana voalahatra mba hamerenana ny fahefana amin'ny sivily kosa.
Vakio: La musique guinéenne: un projet politique devenu héritage national et international [fr.]