Natao manerana an'i Myanmar tamin'ny 19 Jona ny “Dòm-boninkazo”, fihetsiketsehan'ny vondrom-piarahamonina, sady hetsika firaisankina, ho fanafainganana ny famotsorana an'i Aung San Suu Kyi, mpitarika ao Myanmar voatazona sy ireo gadra politika maherin'ny 20.000.
Nankalazain'i Suu Kyi teo ambany fanaraha-mason’ny fitondrana miaramila izay naka ny fahefana tamin'ny volana Febroary 2021 ary nitazona ilay mpitarika voafidy tamin'ny fomba demokratika sy ireo mpiara-dia aminy ny faha-79 taonany. Nandany Efa ho ny ampahefatry ny androm-piainany no nolanian'ity nahazo ny loka Nobel sady mpanohana ny demokrasia ity tany am-ponja sy nigadràny an-trano. Lasa mpanolotsaim-panjakana izy rehefa nandresy tamin'ny fomba manan-tantara tamin'ny taona 2015 ny antokony. Mbola nandresy indray ny antokony tamin'ny 2020 saingy nolavin'ny miaramila ny vokatra ary nataon’izy ireo ny fanonganam-panjakana izay nanakana ny fizoran'ny firenena ho amin'ny fitondrana sivily sy demokratika. Anisan'ireo voasambotra tamin'ny famoretana faobe tamin'ny andro voalohan'ny fanonganam-panjakana i Suu Kyi.
Tao anatin'ny telo taona farany, nampiasa famoretana feno habibiana tamin'ireo vondrona tsy mitovy hevitra aminy ny fitondrana jadona miaramila. Nanohitra izany ny hetsika tsy fankatoavan'ny sivily any amin'ireo tanàndehibe afovoany sy ny fanoherana mitam-piadiana any amin'ny vondrom-poko. Tsy maneho taratra fotsiny ny fitohizan-dazan'i Suu Kyi ny “dòm-boninkazo”, fa koa ny fitomboan'ny hery politika mpomba ny demokrasia.
Nahitana olona mitondra voninkazo eo amin'ny lohany na mitondra voninkazo ho fanomezam-boninahitra an'i Suu Kyi ny “Donam-boninkazo”. Nilanja sora-baventy miarahaba an'i Suu Kyi noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany ihany koa ny tsirairay sady nanasongadina ny lohahevitry ny hetsi-panoherana hoe: “Ireo raozy tsy mety miankohoka.”
Locals in Kachin State’s Hpakant gathered Wednesday morning to mark the 79th birthday of jailed civilian leader Daw Aung San Suu Kyi and stage a protest against the military regime. They prayed that she might be healthy and released soon. (Photo: CJ) #WhatsHappeningInMyanmar pic.twitter.com/ttAN8a2zBB
— The Irrawaddy (Eng) (@IrrawaddyNews) June 19, 2024
Nivory ny alarobia maraina ny mponina tao amin'ny fanjakan'i Kachin, Hpakant mba hanamarihana ny faha-79 taonan'ilay mpitarika sivily voafonja Daw Aung San Suu Kyi ary nanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana miaramila. Nivavaka izy ireo mba ho salama sy havoaka tsy ho ela izy.
Nanatevin-daharana ny “Dom-boninkazo” mba hanomezam-boninahitra an'i Suu Kyi i Alinn, tanora mpikatroka Mandalay izay nigadra roa taona an-tranomaizina noho ny fanoherana ny fanonganam-panjakana. Niresaka tamin'ny The Irrawaddy, famoaham-baovao an-tsesitany any Myanmar izy hoe:
Even in my 20s, it was very hard to survive in prison. And unlike her, I had the chance to contact my family regularly. I can’t even imagine being in her shoes, held in solitary confinement at the age of my grandmother.
I wanna thank her for resisting to date and wanna wish her a long life and good health and that she may witness the victory of the revolution.
Na dia mbola vao 20 taona monja aza aho dia tena sarotra ny niaina tany am-ponja. Ary tsy toa azy aho, fa afaka nifandray tsy tapaka tamin'ny fianakaviako. Tsy azoko sary an-tsaina akory raha izaho no eo amin'ny toerany, natokan-toerana manirery amin'ny taonan'ny renibeko.
Te-hisaotra azy aho naharitra hatramin'izao ary maniry azy ho ela velona sy ho salama ka mba hahita ny fandresen'ny revolisiona.
Today, in Sagaing,the Wetlet Tsp People Leading Strike Committee, along with local residents, organized a flower strike to honor the upcoming 79th birthday of Daw Aung San Suu Kyi. Participants wore flowers & displayed a banner that read, “Iron roses never bow down, they resist.” pic.twitter.com/eiofHmrk1t
— naingnaingaung (@naingnaingaung) June 18, 2024
Androany, tao Sagaing, nikarakara dom-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ny faha-79 taonan'i Daw Aung San Suu Kyi ny komity mpitarika ny fitokonan’ny vahoaka Wetlet Tsp, sy ny mponina ao an-toerana. Nitondra voninkazo ireo mpandray anjara ary nampiseho sora-baventy mivaky hoe: “Tsy miankohoka mandrakizay ny raozy vy fa mifahatra”.
Nandefa sarinà voninkazo tao amin'ny media sosialy izay mampiseho ny fanohanany ny antso hamotsorana an'i Suu Kyi sy ireo gadra politika hafa hatramin'ireo masoivoho Eoropeana sasany.
Olona maro tazana nitondra na nisalotra voninkazo no nosamborin’ny polisy tamin’ny 19 jona teo. Nanao fisafoana kisendrasendra tamin’ny fiara fitateram-bahoaka ny polisy ka nisambotra ireo mpivarotra sy mpividy voninkazo teny an-tsena. Nanaovan’ireo mpanohana ny fitondrana miaramila tatitra ihany koa ny kaontin'ireo mpisera Facebook sy Telegram izay nandefa ny sarin'ny “dom-boninkazo.”
Resistance fighters from Thabeikkyin People’s Defense Force based in Thabeikkyin Township, Mandalay Region held a demonstration to commemorate the 79th birthday of Daw Aung San Suu Kyi, this morning. (Photo: Thabeikkyin PDF) #WhatsHappeningInMyanmar pic.twitter.com/VJKfmR7wet
— The Irrawaddy (Eng) (@IrrawaddyNews) June 19, 2024
Nanao fihetsiketsehana ho fahatsiarovana ny faha-79 taonan'i Daw Aung San Suu Kyi ireo mpikomy mpanohitra avy ao amin'ny Tafika Fiarovana ny Vahoaka Thabeikkyin monina ao amin'ny Tanànan'i Thabeikkyin, Faritra Mandalay, androany maraina. (Sary: Thabeikkyin PDF)
Mponina iray ao Mandalay no nanameloka ny manampahefana miaramila ho diso laharam-pahamehana.
There are too many robberies and other similar crimes in the city, but the junta is not interested in arresting criminals. Is it a crime for a Burmese lady to wear a flower?
Be loatra ny fanendahana sy ny asan-jiolahy mitovy amin’izany eto an-tanàna, saingy tsy liana amin’ny fisamborana ireo jiolahy ny fitondrana miaramila. Heloka ho an'ny vehivavy Birmana ve ny mitondra voninkazo?
Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao i Kim Aris, zanak'i Suu Kyi izay monina ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, fa mampiseho ny tahotr'izy amin'ny tsy fahafaham-pom-bahoaka ny herisetra ataon'ny tafika mpanongam-panjakana.
The excessive reaction to last year’s flower strike serves as a stark reminder of a military leadership that has succumbed to corruption due to their fear of the very populace they are determined to govern. Their default recourse to brutality merely reinforces my mother’s role as a unifying emblem of a liberated Burma and a beacon of inspiration for those currently striving to reinstate fundamental liberties.
Mampatsiahy antsika ny setriny tafahoatra tamin'ny dom-boninkazo tamin'ny herintaona fa tsy nahatohitra ny kolikoly ny fitondrana miaramila noho ny fahatahorany ireo vahoaka izay kasainy hoentina. Vao mainka manamafy ny anjara asan’ny reniko ho mariky ny fampiraisana an'i Birmania afaka ny fampiasan'izy ireo ny herisetra mahazatra ary aingam-panahy mamiratra ho an'ireo izay miezaka ny hamerina ny fahafahana fototra amin'izao fotoana izao.
Naneho ny ahiahiny ihany koa izy ny amin’ny fahasalaman’ny reniny 79 taona izay tsy fantatry ny fianakaviana sy ny sarambabem-bahoaka marina ny toerana misy azy.
While I am sure maymay’s [Burmese word for mother] many years under house arrest will have prepared her for her current period of isolation, given her age and ongoing health issues, I am concerned about her circumstances.
Na dia azoko antoka aza fa efa hanomana azy amin'ny vanim-potoana mitoka-monina amin'izao fotoana izao ny taona maro niambenana an’i maymay [teny birmana manondro ny reny] manokana tao an-trano dia miahiahy momba ny toe-javatra iainany aho noho ny taonany sy ny olany ara-pahasalamana.
The Soldiers of #Shwenyarmyay PDF led and held the flower strike to Remembrance of Daw Aung Sann Suu Kyi’s Birthday on June 19. #WhatsHappeninglnMyanmar #2024Jun19Coup pic.twitter.com/Xuj2BeWQ1z
— N@n£ €i £h@nd@r ❄☃️🎄☃️❄ (@NantEiThandar) June 19, 2024
Ny miaramilan'ny #Shwenyarmyay PDF no nitarika sy nanao ny dom-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ny andro nahaterahan'i Daw Aung Sann Suu Kyi tamin'ny 19 Jona.
Nanome toky ny vahoaka ny fitondrana miaramila fa voaaro tsara i Suu Kyi ary mahazo ny “fikarakarana ilainy”.