
Sarintanin'i Afrika Andrefana ; Pikantsary tamin'ny fantsona Youtube an'ny France24
Hatramin'ny 2020, maro ireo andiana fanonganam-panjakàna niainan'ny faritra andrefan'i Afrika: mbola miaramila daholo hatramin'izao no mitondra ao Mali, Borkina-Fasô, Ginea ary Nizera, izay tsy mitsahatra ny manalava ny faharetan'ny vanimpotoana tetezamita no sady mampiasa ny fomba rehetra azony atao mba hipetrahana ela eo amin'ny fitondrana.
Mba handalinana io toedraharaha io izay hatry ny taona marobe no nanao ho toy ny tsy nisy ireo zavabita demaokratika, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Komlan Avoulete, tôgôley mpikaroka momba ny jeôpôlitika. Marobe amin'ireo asany no mitodika amin'ny olana ao Afrika, indrindra fa ireo fifandraisan'i Afrika amin'i Etazonia na i Frantsa, ary ny asa fampihorohoroana ao Afrika Andrefana. Mandray anjara tsy tapaka amin'ny fanoratana boky izy, toy ny Foreign Policy Research Institute sy ny International Policy Digest.
Vakio : Sahel: la plus grande crise terroriste au monde [fr.]
Jean Sovon (JS): Ahoana no hanazavanao ny fahombiazan'ireo fitondràn'ny miaramila ao Nizera, Mali, Ginea ary Borkina Fasô?
Komlan Avoulete (KA): Na teo aza ny fananganana ny Fiaraha-mientan'ireo Fanjakana ao Sahel (Mali, Nizera ary Borkina-Fasô), izay maneho fanapahankevitra goavana (taorian'ny nialan-dry zareo tao amin'ny CEDEAO tamin'ny Janoary 2024), dia mbola marefo hatrany ny toedraharaha momba ny fiarovana ao amin'ilay faritra. Mitombo hatrany ny herisetra atao amin'ny vahoaka sivily, ny fameperana ny media sy ny fanaovana fanafihana fampihorohoroana, miteraka famoizana aina efa mila ho isanandro. Miovaova ny hamafin'ireo fanamby atrehan'ny firenena tsirairay, saingy aloha loatra raha hiresaka tena fahombiazana hatreto.
Na izany aza, tsy azo lavina fa mahazo fanohanana amin'ny ampahany betsaka avy amin'ny vahoaka ireo miaramila mpitondra ireo, porofon'izany ireo fihetsiketsehana fanohanana sy ireo fanomezana, toy ny ao Nizera, ohatra. Io fanohanana io dia azo hazavaina amin'ny tsy fahombiazan'ireo fitondràna sivily teo aloha, izay tsy nahay namaha ireo olana fototra toy ny tsy fandriampahalemana, ny fahantràna, ny kolikoly ary ny tsy fisian'ny mangarahara amin'ny fitrandrahana ireo loharanon-karena. Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy irailoko io fanohanan'ny vahoaka io ary misy ny fanoherana ireny fitondràna ireny. Kanefa, tamin'ny fanararaotana ny hasosorana sy ny hetahetan'ny ampahany tamin'ireo mponina ao Sahel dia mazava fa hain'ireo miaramila eo amin'ny fitondrana ny nametraka ny tenany ho toy ny solon'ireo governemanta sivily tsy nahazo rariny.
Tsy tokony hohamaivanina ihany koa ny lanjan'ny fampielezankevitry ny Rosiàna (izay miady amin'ny dindon'ny fitaoman'ny tandrefana) tao amin'ny faritra, fa zavadehibe ny hanekena fa tsy jamba akory ny vahoaka. Manana ny fandalinany an-dry zareo manokana ry zareo, ary tsy ho levona mora foana ny fanohanany ireo miaramila mpitondra.
Vakio: Revirement géostratégique: le Burkina-Faso, le Mali et le Niger se retirent de la CEDEAO [fr.]
JS: Mametraka tetezamita mitatra tsy misy farany ireny fitondrana ireny. Inona no ho vokatry ny tetikady pôlitika tahàka izany ao anatin'ny fotoana maharitra?
KA: Fitambarana anton-javatra maro mifamatopatotra no niteraka ny fanalavàna ny vanimpotoanan'ny tetezamita, toy izay nisy vao haingana tao Borkina Fasô. Etsy ankilany, ireo miaramila naka ny fahefana dia hanao ny fomba rehetra hijanonana ela eo araka izay tratrany mba hiatrehana ireo fanamby samihafa nanosika an-dry zareo haka fitondràna. Ohatra, ny ambana hisiana fampihorohoroana, ny fitahirizana ny fiandrianam-pirenen-dry zareo manoloana ireo fitsabatsabahana isankarazany avy any ivelany, ary ny tetikasan-dry zareo hanangana Sahel iray mivoatra sy miray hina.
Etsy andaniny, misy ireo antony manokan'ny tena. Ny lazan-dry zareo amin'izao fotoana izay iheverana an-dry zareo ho toy ny “mpamonjy” izao, dia hanitatra ny tetezamita ry zareo, ka tanjona amin'izany ny hipetraka eo amin'ny fitondràna sy hirotsaka amin'ny fifidianana na dia handoro tena miaraka amin'ny fanohanana azy ireo any anaty antoko pôlitika sy eny anivon'ny vahoaka aza. Sarotra ny haminavina ny ho vokadratsin'ireny paikadin'ny tetezamita mitatra ireny anaty fotoana maharitra. Kisary roa lehibe no mety hiseho.
Voalohany, ny fijanonana ela eo amin'ny fitondràna: raha mipetraka ela eo amin'ny fitondràna ireo miaramila nefa tsy mitondra fiovàna mivaingana amin'ny toedraharaham-piarovana, sôsialy sy toekarena dia mety hitarika fizarazaràna any anivon'ny tafika izany, ary fahaverezan'ny fanohanana avy amin'ny vahoaka. Izay mety hiafara amina fanonganam-panjakana iray vaovao.
Faharoa, ny tetezamita mankany amin'ny fifidianana : Raha mahavita mikarakara fifidianana malalaka sy mangarahara ny tafika, mety hahafahana manangana tetezamita demaokratika marin-toerana izany. Na izany aza, mety hikorontana io dingana io raha toa ny tafika ka mirotsaka hofidiana sy maniry hifikitra eo amin'ny fitondrana.
Ny hoavin'ireo firenena ireo rehefa tapitra ny tetezamita dia mifamatotra amin'ny fanapahankevitr'ireo mpitarika, na hirotsaka na tsia amin'ny fifidianana, ary ny resaka fandriampahalemana any amin'ireny firenena ireny.

Saripikan'i Komlan Avoulete, nahazoana alàlana
JS: Inona avy no ho anjara andraikitr'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonina sivily, raha toa hisy ny fifidianana ?
KA: Raha misy fifidianana demaokratika hokarakaraina any amin'ireo firenena ireo, hitàna andraikitra goavana amin'ny fanamafisana ny demaokrasia ireo antoko avy amin'ny fanoherana sy ny fiarahamonina sivily.
Amin'ny alàlan'ny fanarahamaso akaiky ny fihetsiky ny governemanta sy fiampangàna ny fanararaotam-pahefana, tsy maintsy ampiasain'ireo antoko mpanohitra ny anjara andraikitra maha-tsindrin'entam-pahefana an-dry zareo. Tsy maintsy manolotra safidy pôlitika ry zareo ary mandray anjara amin'ny fomba miabo amin'ireo adihevitra ho an'ny daholobe. Tsy maintsy iantohan-dry zareo izay hahavoasolo tena sy handrenesana ny feon'ny olom-pirenena rehetra any anatin'ireo dingana demaokratika, hatramin'ny an'ireo vitsy an'isa.
Ny fiarahamonina sivily kosa dia hitàna andraikitra lehibe amin'ny fanaingàna ireo olom-pirenena sy ny fanentanana momba ireo fanamby demaokratika ary handray anjara amin'ny fiantohana ny fangaraharàna sy ny fitokisana ny dingam-pifidianana.
Ny fahombiazan'ny demaokrasia dia miankina amin'ny fiarahamiasa akaikin'ireo antoko avy amin'ny fanoherana sy ny fiarahamonina sivily. Tsy maintsy mihetsika miaraka ry zareo mba hiaro ireo soatoavina demaokratika, hitaky ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra avy amin'ny mpitondra, ary hampiroborobo ny fiadanan'ny vahoaka.
Vakio: Misedra fanoherana mivaivay ankehitriny ny CEDEAO, màndan'ny fampiatina isam-paritra ao Afrika Andrefana [mg]
JS: Mety azo sainina any amin'ireno firenena ambany fitondrana miaramila ireo ve ny hisiana kisary iray mitovitovy amin'ny ao Tchad (izay i Deby zanakalahy, nitondra ny tetezamita no voafidy ho filohampirenena) ?
KA: Mety hisy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy mora ny hiala amina fitondrana aorian'ny tetezamita, indrindra fa rehefa nahazo ny fanohanan'ny ankamaroan'ny vahoaka. Mora kokoa izany raha nihatsara be ny toedraharaha momba ny fiarovana tao amin'ilay firenena. Fa raha mifanohitra amin'izay, mety hokatsahan'ny tafika izay hifikirana eo amin'ny fitondrana mba hanohizany ny tetikasan-dry zareo momba an'i Sahel sy ilay fiaraha-mientan-dry zareo. Ny fahalaniana sivily iray izay tsy mifanojo mihitsy amin'ny hevitra hoe ireo miaramila ireo dia mety hojerena tahàka ny fitaovana iray azo raisin'ireo hery vahiny hanozongozonana izay zavatra efa an-dàlana. Araka izany, raha tsy misy fanonganam-panjakana iray vaovao, mety hanaraka ny dian'ny filoha Deby zanany ny ankamaroan'ireo mpitarika any Borkina Fasô, Mali, Nizera ary Ginea.
JS: Mety hisy ve ny nNizera, Mali ary Borkina Fasô ho ao anivon'ny CEDEAO indray, na dia mifanohitra amin'ny soatoavin'io fikambanana ao amin'ny faritra io aza ny toerana noraisin-dry zareo?
KA: Ny fanamafisana nataon'i Abdoulaye Diop, minisitra misahana ny raharaha ivelany, tamin'ity herinandro ity tao Bruxelles manao hoe ny Fiaraha-mientan'ireo Fanjakana ao Sahel (AES) manamarika fiolahan-dàlana jeôpôlitika iray vaovao, ary tsy any Bruxelles, Parisy, Washington na Lôndôna no hanapahana ny hoavin'ny firenen-dry zareo, no mandika ny fijoroan'ireo firenena mpikambana ao amin'ny AES amin'ny heviny ao anatin'ny safidy stratejika nataon-dry zareo. Nizera, Mali ary Borkina Fasô dia mahita ny CEDEAO ho toy ny fitaovana iray eo am-pelatanan'ireo hery tandrefana, loza manambana ho an'ny fiandrianam-pirenen-dry zareo, ary andry iray nivily niala ny idealy panafrikanista niaingàny tany am-piandohana, ary raha tokony ho ny hetahetan'ny vahoakan-dry zareo, dia aleony miaro ireo mpitondra fanjakana izay matetika voafidy tsy mamim-bahoaka sy ny tandrefana.
Toa sarotra na tsy hisy mihitsy ny fiverenana. Fa izany tsy midika hoe tsy afaka ny hiara-miaina sy hiasa miaraka ho an'ny fiadanan'ny vahoakany tsirairay avy ireo andry roa ireo.