Afaka ny ho vahaolan'ny trosan'i Belize ve ny ‘andraikitra manga’ (Blue Bonds)?

Solontenan'ny Blue Bonds and Finance Permanence Unit (BBDPU) ao Belize, mifampiresaka amin'ny daholobe mandritra ny hetsika fanentanana. Saripika an'ny BBDPU, nomen'ny Cari-Bois Environmental News Network (CBENN), fampiasàna nahazoana alàlana.

Nosoratan'i Carolee Chanona

Ity tantara ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network. Dika iray nokiraina no hita etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Azo faritana amin'ny voambolana fanolo hoe “fahafahana mirirotra” ny faharetana, rehefa heverina ny fahafahany manohitra na ho sitrana malaky avy amin'ireo fanamby — saingy raha ny iray amin'ireo faritra marefo indrindra erantany no resahana, ahoana no fahitàna ny faharetana manoloana ny fiovàn'ny toetrandro?

Ho an'ny firenena iray ao anivon'ny Caribbean Community (CARICOM) – Fiombonamben'ireo ao Karaiba -, ny fihitàrany dia miankina amin'ny fototra ijoroan'ireo fikambananan tsy miankina amin'ny fanjakana (ONGs) sy ireo valan-javaboary tantanin'ny tsy miankina izay efa am-polon-taona maro no mivarotra ny karbônan-dry zareo sy manakalo ny trosany ho an'ny fiarovana ny natiora.

Toy ny ankamaroan'ireo firenena ao Karaiba, taona iray henjana tamin'ny lafiny ara-bola ho an'i Belize ny 2020 satria nanaka-danitra ny trosan'ilay firenena ary ny valanaretina COVID-19 dia nanosika ilay firenena ho tafiditra anatin'ny fitontonganany  isan'ny ratsy indrindra.

Na izany aza, rehefa ny toedraharaha isam-paritra no ijerena ny tahan'ny trosa miohatra amin'ny harinkarena faobe (PIB), ireo firenena ao Karaiba dia miatrika fanamby ara-bola izay mametraka an-dry zareo ho isan'ireo be trosa indrindra erantany. Tamin'ny 2018, ny firenena salantsalany tao Karaiba – isan'ireny i Belize – dia nanana trosa mitentina ny 70,5 isanjaton'ny harinkarena faobeny.

Fa tamin'ny 2019, niala tamin'ny 94,2 ary tafakatra ho 123,3 isanjaton'ny PIB ny trosam-panjakan'ilay firenena, nihena ho 7,9 isanjato tamin'ny 2020 raha 9,3 isanjato ny findramam-bola, amin'ny ampahany dia noho ny fanakatonana ny sisintaniny ho fiarovana amin'ny valanaretina COVID-19 ary hampihenàna ny fanondranana entana sy tolotra mifandray amin'ny olan'ny rojom-pamatsiana erantany.

Fanoitra ho an'ny vahaolana karbôna misy famoronana

Miaraka amin'ny fitontonganana efa ho ampolo taona maro nanjo ny indostrian'ny fambolena tao Belize izay niakatra be nandritra ny valanaretina, nampiroboroboina hatrany ny fizahantany ho toy ny loharanom-bola maharitra mba hanamaroana lafy ny toekaren'ilay firenena. Ankehitriny, manome ny antsasaky ny PIB ao Belize ny fizahantany.

Kanefa, tsy ela akory izay, nisy tolodalàna natao “hanakalozana”  ny trosa miavosan”i Belize amin'ny fiarovana ireo loharanon-karena an-dranomasina. Ny The Nature Conservancy, fikambanana tsy mitady tombony ara-bola, miorina ao Virginia, dia nanosoka hevitra ny handrotsahana ny vola any amin'ny governemantan'i Belize mba handoavany ireo manan-trosa aminy, fa fepetra kosa ny tsy maintsy ampiasàny ny ampahany amin'ny tombony azony mba hametrahana hetsika fiarovana ifanekena.

Tamin'ny 4 Novambra 2021 ny Blue Bonds ao Belize: natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny fandaharanasa Blue Finance for Nature and People mba handrakofana ireo tanim-panjakana, iaraha-mitantana, an'ny tsy miankina, ary an'ireo vazimba teratany, hatramin'ireo rehetra mifandray amin'ny loharanon-karena an-dranomasina, isan'izany ny Ranomasin'i Karaiba, ireo ala honko tandindonin-doza, ary ireo haran-dranomasina marefo.

Andraikitra natosiky ny toekarena manga

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra iray nokarakarain'ny Belize Blue Bond and Finance for Permanence Unit (BBDPU) tamin'ny Janoary 2024, nanamarika ny Praiminisitra ao Belize, John Briceño, fa ireo habaka manga ao amin'ny firenena dia “manampy ny fivelomana, ny fitoniana sôsialy sy ara-toetrandro.”

Nampiany hoe, “Mihoatra lavitra noho ny fifanarahana fanavoazana ny trosa raha ny Belize Blue Bonds. Io no maneho ny hany fandraisan'andraikitra tokana tena mahomby raha resaka havesa-danjan'ireo loharanon-karena an-dranomasina ananantsika sy ny tantaran'ny fahaizantsika mitantana.”

Miaraka amin'ny faneken'ny Nature Conservancy hanamaivana 12 isanjaton'ny trosan'ilay firenena, nanolo-tena ny governemanta ao Belize hiaro 30 isanjaton'ireo ranomasin'ilay firenena. Mba hiantohana ny hahatratraran'i Belize ny tanjony amin'ny resaka fikajiana hatramin'ny 2029 dia 180 tapitrisa dôlara amerikàna no novinavinaina hatokana voalohany indrindra ho amin'ireo tetikasam-pikajiana eny an-kianja mandritra ny 20 taona ho avy.

Tamin'ny 2023, nitatitra ireo manampahefana tao Belize fa araka ny tarehimarika ôfisialy dia nahaaro 20,3 isanjaton'ny habaka an-dranomasiny ry zareo, nanondro ireo faritany nasiônaly rehetra misy ao anatin'ny Rafitra Fiarovana ny Honko ao amin'ny Sakam-Batohara ao Belize ho toy ny tahirina honko, ary nanomboka ny dingana fandaminana ny tontolo an-dranomasina ho an'ny fametrahana ny Drafitra Ranomasina Maharitra ao Belize.

Ankehitriny ry zareo manampahefana dia mitodika any amin'ny fanitarana 25 isanjaton'ny ranomasin'i Belize ireo faritra fiarovana ny hamaroan-javamananaina hatramin'ny Novambra 2024, iray amin'ireo tanjona napetraky ny fifanarahana Blue Bonds.

Rehefa aravona, ny fifanarahana Blue Bonds dia hanaisotra hatrany amin'ny 200 tapitrisa dôlara amerikàna mahery — efa ho ny ampahafolon'ny vokatra ara-toekarena ao Belize isantaona — ho famatsiambola tokony hatokana ho an'ny fikajiana ny hamaroan-javamananaina ao amin'ny firenena.

Fandrisihana ‘ireo fandraràna feno fahasahiana’ mba hampihenàna ny vesatry ny trosa

Miaraka amin'ny fahafahana manatontosa ara-toekarena ny fandaharanasa Blue Bonds, nàka fomba firoso mahery vaika i Belize amin'ny resaka fikajiana, isan'izany ny fandraràna ny fivarotana ireo nosikely fananam-bahoaka eny amin'ny sàkam-batohara ao Belize, sy ny fanitarana ireo faritra arovana eny amin'ny haran-dranomasina. Ny drafitra ho an'ireny faritra ireny dia ny fampitomboana azy mihoatra ny 2.000 maily fanampîny ( latsaka kely ny 5.200 km²) hatramin'ny 2026.

Ny fanamby amin'ny hoavy dia ny hamaritana mazava tsara ny fametrahana sy fanatanterahana ireo tetikasa ao anatin'ilay fandaharanasa. Amin'izao fotoana izao, afaka atao hoe hitovy amin'ny misy ao Karaiba ny lasitra iray amin'izay mety ho tetikasa Bleu Bonds mahomby, zava-dehibe ny hanasongadinana hoe nametraka tetikasa mitovitovy amin'izany ireo firenena hafa ao amin'ny faritra.

Tamin'ny Septambra 2022 i Barbady dia nanao hetsika iray “trosa-ho an'ny-natiora”, nanakalozana 150 tapitrsa dôlara amerikàna avy tamin'ireo “bonds” iraisampirenena niteraka 50 tapitrsa dôlara ho an'ny fiarovana ny ranomasina. Ny fanakalozana ambony indrindra ho an'i Ekoatora dia 1,6 lavitrisa dôlara amerikàna tamin'ny May 2024 izay niteraka fahalinana bebe kokoa amin'ny karazana fifanarahana tahàka izany.

Izy roa miaraka, Belize sy Barbady — firenena roa samy miantehitra amin'ny fizahantany — dia nanakalo trosa mitontaly 683 tapitrisa dôlara amerikàna. Asehon'ny angondrakitra avy amin'ny Banky Iraisampirenena fa io antontam-bola io dia manome ny 0,03 isanjaton'ny trosa tokony haloan'ireo firenena tatsimo amin'ireo tsy miankina nampindram-bola an-dry zareo.

Na goavana aza ny fanakalozana trosa ho an'ny natiora, dia tamberin'ireo santatr'andraikitra hafa nataon'ilay firenena  tamin'ireo andrana nataony hanombohana ireo santatr'andraikitra mitsinjo ny karbôna izy io. Tamin'ny 2012, ny Nature Conservancy koa dia nitàna toerana lehibe tamin'ny fanamarinana ireo fanonerana karbôna 1,6 tapitrisa taonina tao anatin'ny Faritra arovana ao Rio Bravo.

Tamin'ny alàlan'ny fampihenàna tahan'ny fanimbàna ala sy ny fitantanana maharitra ny ala, raha kely indrindra dia 1,5 tapitrsa dôlara amerikàna ireo fanonerana karbôna no efa navoaka tamin'ny alàlan'ny fiarahana mitantana ny faritra Rio Bravo  avy amin'ny Programme For Belize (PFB) sy ny governemanta ao Belize.

Karaiba ve no ho tsena goavan'ny fanonerana karbôna amin'ny hoavy?

Mandefa fanairana ireo tetikasa momba ny tsena sy ny famarotana karbôna ao Belize – indrindra fa ao anatin'ny toejavatra manodidina ny fampidirana ilay tolodalàna momba ireo Santatr'andraikitra mahakasika ny fiovàn'ny toetrandro ao amin'ny firenena sy ny tsenan'ny karbôna.

Raha mbola mitohy ny fakàna ny hevitry ny rehetra, dia efa ezaka misongadina sahady kosa ilay tolodalàna. Raha manandra-peo miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka sy mpiara-miasa ireo manampahefana ao amin'ny firenena, toy ny The Nature Conservancy kosa, hatramin'ireo ONG hafa izay miaraka mitantana ireo tany sy rano arovana, ny fandaharanasa Blue Bonds dia manome drafitra ho fiaraha-mitantana sy fanalefahana ny trosa ao Karaiba.

Asehon'ny fanonerana karbôna fa misy fomba feno fanavaozana kokoa tsy ilàna fitrandrahana nefa ahafahan'ireo firenena mamorona loharanom-bola sy mivoatra amin'ny fomba maharitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.