Tiorkia, manatevina ny laharan'ireo firenena mihevitra hametraka lalàna momba ny olon'ny avy any ivelany (mpitsikilo)

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Tiorkia, nanaraka ny dia tongotr'i Rosia, Kirgizistàna, Hôngria sy Zeôrzia raha tsy hitanisa afa-tsy vitsy ihany, dia mihevitra ny handany ny lalàna amin'ny endriny azy manokana amin'ilay lalàna miteraka resabe momba ireo olon'ny firenena any ivelany (mpitsikilo).  Tokony ho napetraka nanoloana ny antenimiera lehibe nasiônaly  — parlemantera tiorka — alohan'ny 1 Jolay 2024 fiafaràn'ny taona fanaovan-dalàna amin'ity taona ity. Amin'ny alàlan'ny fanitarana ireo famaritana ho any amin'ny hoe “fitsikilovana”, hita ao anatin'ilay fehezana ny fanitsian-dalàna iray izay mety hampiditra famaizana araka ny lalàna ho an'ilay antsoiny hoe “ireo olona mpitari-kevitra avy amin'ny firenena vahiny”. Ireo mpanakiana sy ireo mpanaramaso ny zo dia milaza fa ataon'ilay tolodalàna lasibatra ny fahalalahana maneho hevitra ary ho an'ny governemanta dia fialàna bàla iray hafa tsotra fotsiny ihany araka ny lalàna ilay izy  mba hikendrena ireo olontsotra sy ny fiarahamonina sivily.

Any anatin'ny antsipirihany no tena devoly be

Ny 4 May, ny Sampam-pitsikilovana nasiônaly ao Tiorkia (MİT) dia namoaka lahatsary iray mitondra lohateny hoe “Inona no atao hoe fitsikilovana?”  Nosavasavain'ilay lahatsary ny endrika maoderin'ny atao hoe fitsikilovana ary nampahatsiahiviny an'ireo mpijery fa ny fanampiana ireo vahiny mpanangona vaovao, niniana na tsia, dia efa heloka bevava. Andro maro taty aoriana, fantatry ny vahoaka fa ny antoko Rariny sy Fampandrosoana  (AKP) dia nametraka fehezam-panitsiana lalàna vaovao indray tao amin'ny parlemanta.

Tolokevitra ao anatin'ilay fanitsiana ny fanatsofohana ho ao anatin'ilay fehezana faha-9 ny fomba filaza hoe “olona mpitari-kevitra”. Ito farany dia tsy fomba fiteny vaovao akory eny anivon'ireo tomponandraikitra ao amin'ny antoko izay efa hatry ny ela no namaritra ny mpanakiana ho “olona mpitari-kevitry ny avy any ivelany” araka ny voalazan'i Gurkan Ozturan, lehibe tomponandraikitry ny fanarahamaso ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety eo anivon'ny ECPMF.  Amin'izany andraikiny izany, nanamarika izy tao anaty fahana iray tao amin'ny X fa ilay fanitsiana “dia toy ny andrana iray vaovao hikendrena ny fahalalahana maneho hevitra sy ho fanampiny amin'ny lisitr'ireo lalàna hafa famoretana.”

Mitovy hevitra amin'izany ireo fikambanana hafa iraisampirenena. Araka ny fanambaràna iray hafa navoakan'ireo Mpitsabo tsy Voafefin-tSisintany (RSF), “ilay tolodalàna dia mety hahafahan'ny governemantan'i Erdogan, tsy hoe fotsiny hanohy hanohintohina ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao anatin'i Tiorkia, fa koa any ambadiky ny sisintaniny, satria ilay fanitsiana koa dia maharakotra ireo olompirenena tiorka rehetra, ny andrim-panjakana ary ireo fikambanana miorina any amina firenena iray any ivelany.”

Ilay volavolan-dalàna dia mampiditra ny fampidirana am-ponja, isan'izany ny figadràna mandra-pahafaty.

Lazain'ireo mpanakiana fa mety vao mainka hanakenda ny fahalalahana maneho hevitra ao amin'ny firenena ilay hetsika, fahalalahana izay efa ratsy toerana sahady ao anatin'ny tondron'ny fanomezana laharana momba ny fahalalahana erantany. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, mpanao gazety roapolo teo ho eo no miatrika fitsaràna ary mety hisazy hatramin'ny15 taona an-tranomaizina noho ny vesatra anenjehana an-dry zareo ho nanao asa fampihorohoroana, niainga tamin'ny filazàna azy ireo ho nandray anjara tamin'ireo media vahiny.

Ao Tiorkia, ilay tolodalàna ” fanavaozana ara-pitsaràna” dia toy ny mitaky fameperana misimisy kokoa ny media sôsialy sy ny fahalalahana maneho hevitra.
Voalaza fa mametraka famaritana fandikàn-dalàna vaovao izy io, ho an'ilay antsoina hoe “olona mpitari-kevitra”, izay misy akony amin'ny lalàna momba ireo olon'ny avy any ivelany ao Rosia, Hôngria sy ireo firenena hafa

— Stefan Simanowitz (@StefSimanowitz) 13 May 2024

Tao anaty antsafa iray nataony ho an'ny DW Tiorka, nambaran'i Ceren Bayar, mpanao gazety, fa tsy ny mpanao gazety irery ihany no hovoakasik'ilay fanitsiana lalàna, fa ny tsirairay ao amin'ny firenena. “Na iza na iza manakiana ireo manampahefana dia ho ampangaina ho mpitsikilo na mifandray amin'ny hery avy any ivelany,” hoy ny fanazavàn'i Bayar, nampiany hoe, “Ny tsirairay amintsika, dia afaka hosorana ho olona mpitari-kevitra daholo, na rahoviana, na rahoviana.”

Tao anaty ohatra iray no nanazava i Bayar fa raha misy vondrona sivily iray mamoaka tatitra manakiana ny governemanta na ny firenena, afaka ampangaina ho olon'ny avy any ivelany ilay vondrona raha toa izy ireo ka mandray famatsiambola avy amin'ireo mpanohana avy any ivelany.

Tao anaty antsafa iray ho an'ny DW Tiorka, ny mpisolovava, Kerem Altiparmak, dia nanazava izay dikan'ireo fiovàna vaovao. Amin'ny ankapobeny, ny olona iray dia azo ampangaina ho ambany fitaonan'ny avy any ivelany raha toa ka narahana fanakianana na fanamelohana erantany ny zavatra nambarany teny anaty tambajotra momba ny fahalalahana, ny demaokrasia, na ny zon'olombelona ao Tiorkia.

Andiana fepetra famoretana

Tamin'ny Ôktôbra 2022, nolanian'ireo mpanao lalàna tao Tiorkia ny lalàna iray momba ny fandisoana vaovao izay lazaina fa natao hiadiana amin'ny vaovao sandoka sy ny fandisoana vaovao izay, nanomboka teo, dia nampiasaina hamafàna ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena sy ny fanakianana. Tonga niaraka tamina fehezana fameperana vitsivitsy ilay tolodalàna, isan'izany ny tsy maintsy fanesorana votoaty, ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelon'ny mpampiasa, ireo fepetra fandrindràna lavidavitra kokoa ny sehatra, sy ny sisa — na dia isan'ireo tena  mampanahy indrindra amin'ireo lahatsoratra aza ny Andininy faha-29, izay milaza “ fa ny olona rehetra mizara vaovao diso imasom-bahoaka momba ny fiarovana anatiny sy ivelan'i Tiorkia, ny filaminam-bahoaka ary ny fiahiana ara-tsôsialy dia mety hiatrika famonjàna mandritra ny telo taona noho ny fiahiahiana, ary ny tahotra sy ny korontana anaty fiarahamonina dia mety hisaziana fanagadràna herintaona hatramin'ny telo taona.” Nodinihana ambony ambany ilay tolodalàna noho ny fanjavozavoan'ireo famaritany araka ny lalàna sy ny fampiasàna ho fitaovam-piadiana ireo famaritana tsy mazava tsara, toy ny: fandisoana vaovao, fakom-baovao, vaovao tsy misy fotony, vaovao navilana, fiarovana, filaminam-bahoaka ary ny fandriampahaleman'ny daholobe.

Toy ilay andininy natolotra ihany momba ny hoe olona mpitari-kevitra, ilay tolodalàna momba ny fandisoana vaovao dia niresaka ihany koa ny daholobe amin'ny ankapobeny — miainga avy amin'ireo mpampiasa media sôsialy ka hatramin'ireo siantifika sy mpahay toekarena miasa tena.

Amin'ny famaritany dia manjavozavo ihany koa ilay fanitsiana vaovao natao tamin'ny Lalàna Famaizana. “Mbola manjavozavo kokoa noho ny noeritreretina. Izay rehetra heverina ho “mifanohitra amin'ny fanjakana na ny tombontsoan'ny fanjakàna” dia azo avadika ho heloka bevava daholo amin'ny maha-hetsika nataon'olon'ny avy any ivelany azy. Tsy voafaritra ihany koa ireo hetsika latsaka ao anatin'ny fanapahan'ilay lalàna; tondroina amin'ny hoe “hetsika samihafa”,” hoy ny nosoratan'ilay mpanao gazety sy mpahay siansa pôlitika, Sezin Oney, tao amin'ny X.

Ny Andininy faha-29 dia hita anatin'ireo sazy famaizana hafa voapetraka ao anatin'ny Lalàna Famaizana, izay milaza fa na iza na iza olona maniratsira ny filoha dia mety hiditra am-ponja hatramin'ny efatra taona. Hatreto aloha, ireo mpianatrampanakantompanao gazetympisolovava, ary ny olontsotra salantsalany, no nenjehina sy niatrika fitsaràna.

Tamin'ny Aogositra 2022, ny fitaleavana misahana ny Fifandraisan-davitra dia nametraka “Ivontoerana iray Hiadiana amin'ny Fandisoana Vaovao.” Mitovitovy amin'ny famaritana manjavozavo ny teny voalaza ao anatin'ilay volavolan-dalàna tamin'ny Ôktôbra 2022, tsy dia nangarahara loatra ny tanjona sy ny dingana arahan'ilay ivontoerana. Tao anatin'ny fanambaràna iray navoakan'ny Ivontoerana Iraisampirenena ho an'ny Asa Fanaovana Gazety tamin'izany fotoana izany, naneho ny heviny ilay fikambanana iraisampirenena ary nametraka fanontaniana momba ny iraka tontosain'ilay ivontoerana amin'ny maha-rantsan'ny governemanta azy natao “hiady amin'ny ‘fandisoana vaovao’ “

Tamin'ny Jolay 2022, nisy ihany koa fanitsiana ny Fitsipi-pitondrantena amin'ny Asa Fanaovana Gazety, natsofoky ny Masoivohon'ny Mpanao Doka anaty Gazety (BİK), tolodalàna iray ho an'ny media sôsialy, ary ireo fameperana hafa manankery.

Fa ho an'i Yilmaz Tunc, minisitry ny fitsaràna ao Tiorkia, dia tsy ampy ireo lalàna sy fandrindràna efa misy. Raha niresaka momba ilay fehezana izy tamin'ny 8 May, nambaran'i Tunc fa, raha tarafina avy amin'ny fangatahan'ireo mpitsara, mpampanoa lalàna ary ny olontsotra,” izay voarain'ilay ministera tany aloha tany, dia nisy ireo “fandrindràna nilaina”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.