Indônezia : volavolan-dalàna momba ny fampielezampeo, mety heneritery ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana sy ireo votoaty LGBTQ+

Indonesia tower

Tilikambom-pifandraisan-davitra iray ao Indônezia Loharano: saripika tao amin'ny Flickr an'i Richard Wasserman, CC BY-NC-ND 2.0

Misy vondrona media, akademisiàna ary mpiaro ny zo maha-olona manohitra ny volavolan-dalàna iray ahitàna nasiana fanitsiana momba ny fampielezampeo ao Indônezia, izay mety haneritery ny fandefasana ireo tatitra fanadihadiana sy votoaty LGBTQ+.

Natsofoka tamin'ny 2020, tamin'ny 2023 no niadiana hevitra tao amin'ny lapan'ny solombavambahoaka ilay volavolan-dalàna ary nitondràna fanitsiana vitsivitsy tamin'ny 16 May 2024. Nolazain'ireo mpanohana azy io fa ilaina ny fanavaozana ilay lalàna tamin'ny 2002 mba hampivelarana « indostria fampielezampeo maharitra » ary hiatrehana ireo fanamby ateraky ny firongatry ny tambajotra sôsialy eny anaty aterineto.

Ny toko faha-50B, andalana faha-2 (c) no ataon'ireo mpanakiana resabe ao anatin'ilay volavolan-dalàna izay mandrarà ireo votoaty mahakasika ny « asa fanaovana gazetim-pandihadiana manokana » anasongadinana ireo olona LGBTQ+, ny fitondrantenan-dry zareo sy/na ireo « asa na olomalaza manana fomba fiaina ratsy ». Tsy omen'ilay volavolan-dalàna ny famaritana mazava momba ireo votoaty tadiaviny horaràna. Hita ao anatin'ireo sazy noho ny fanitsakitsahana ilay lalàna ny fampihenàna ny faharetan'ny fandefasana sy hatramin'ny fanafoanana manontolo ny fampitàna feo.

Nandritra ny antsafa niarahana tamin'ny BenarNews, ny solombavambahoaka, Tubagus Hasanuddin, dia nanao tsilian-tsofina hoe tokony hofehezin'ireo manampahefàna amin'ny fomba henjana ny votoaty sasantsasany.

Ny asa fanaovana gazety dia tsy tokony mihitsy hitsabaka amina fanadihadiana mbola amperiny. Tsiambaratelo ny antsipirihan'ireo fanadihadiana ataon'ny pôlisy. Ireo vaovao ampitain'ny loharano tsy mitonona anarana dia mety hanohintohina ny fanadihadiana mbola amperiny. Tsy mety izany. Araka izany, tena ain-dehibe ny hampiharan'ny KPI [kaomisiônan'ny fampielezampeo indôneziàna] ireo fepetra henjana mba hanarahana maso sy handrindràna ilay sehatra.

Nani Afrida avy amin'ny vovonan'ireo mpanao gazety tsy miankina, dia nampitandrina hoe loza mitatao mivantana ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ireo fanitsiana natao.

Tena mibaribary fa tadiavin'io volavolan-dalàna io ny haneritery ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana, singa iray tena ilaina hisian'ny gazety malalaka. Amin'ny fameperana ny fahafahan'ireo mpanao gazety hanatontosa sy handefa ireo fanadihadiana, dia mikatsaka mafy mihitsy ny fanjakàna ny hanampim-bava ireo feo mpanohitra sy ny hanakelezana ny fanarahamaso ny fanjakàna.

Nampian'ny sedikàn'ireo mpiasan'ny media sy ny indostrian'ny famoronana ho an'ny demaokrasia (SINDIKASI) fa ny faneriterena ireo tatitra fanadihadiana dia hanimba ny loharanom-bola sy ny fari-piainana, ho ratsy fiantraika amin'ny indostrian'ny fampahalalam-baovao sy ny media.

Raha ankatoavina izy io dia afaka ny ho lasa fitaovana iray hafa eo ampela-tànan'ny lalàna azo araraotina hanampenam-bava ireo tsy mitovy hevitra sy ireo tatitra manakiana. Angatahan'ireo vondrona avy amin'ny fiarahamonina sivily ny hanafoanana ireo lalàna mamoritra ny teknôlôjian'ny fampitam-baovao sy ny media, izay ampiasaina hiadiana amin'ireo mpanakiana fitondrana sy ireo mpikatroka. Ny tambajotran'ny zo maha-olona  “Forum Asia” dia nanipika ny fitsofohan'ny fanivànana ireo tatitra fanadihadiana sy ireo votoaty LGBTQ+.

Mitàna anjara toerana goavana amin'ny fikarohana ny marina, ny fandraisana andraikitra ary ny rariny ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana. Raha tsy eo izy, ho very mpiara-dàlana fototra iray ny fiarahamonina sivily ho entina manaporofo ireo fanitsakitsahana ny zo maha-olona.

Ampaharetin'ilay lalàna naroso ihany koa ny fanavakavahana mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, ikendrena manokana ireo olona manana fironana ara-pananahana hafa, ny maripamantarana, ny fitenenana sy ireo toetra ara-pananahana isankarazany.

Miozolmana no tena betsaka mameno an'i Indônezia. Tato anatin'ny taona vitsivitsy, nanaovan'ireo mpikatroka radikaly tsindry ny hisian'ny fampiharana henjana ny lalàna islamika amin'ireo mpihetraketraka, manome vàhana araka izany ny sotasota atao amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+.

Fepetra iray hafa mampiady hevitra amin'ilay volavolan-dalàna ny fanitàrana fepotoam-piasàn'ny KPI amin'ny fanomezana alàlana azy hamàha ireo fifandirana mifandraika amina votoaty. Manohitra an'io ny Filankevitry ny gazety ary niantso ireo mpanao lalàna mba hifampidinika mialoha amin'ireo mpiara-miombona antoka avy amin'ny media. « Tena ilaina ny fandraisana anjaran'ny fiarahamonina sivily. Zon'ny vahoaka ny mahita fa misy mihaino sy heverina ny hetahetany. »

Manoloana ireo hetsipanoherana sy ny ahiahin'ireo vondrona marobe,  nanome toky ny vahoaka ireo mpanao lalàna hoe ilay tolodalàna dia ahitàna taratra ny fahavononan'ny governemanta hitahiry ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. Ny 28 May, nambaran'ny lapan'ny solombavambahoaka fa hanemotra ny fanapahankevitra momba an'ilay tolodalàna izy.

Nanome toky ny minisitra indôneziàna misahana ny fifandraisana sy ny infôrmatika, Budi Arie Setiadi, izay mpanao gazety ihany koa taloha, fa tsy hametraka sivana ny governemanta.

Mirotsaka an-tsehatra tanteraka manohana sy miantoka ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ny governemanta, anisany ny resaka asa fanaovana gazetim-panadihadiana. Porofoin'ireo vokatra isankarazany avy amin'ny asa fanaovana gazety natolotr'ireo mpanao gazety fa mihamandroso sy miha-matotra ny demaokrasia indôneziàna.

Matoandahatsoratra iray tao amin'ny Jakarta Post no mankahatra ireo manampahefana hamadika ny resaben-dry zareo ho asa mivaingana.

Tsy voatery hitoetra amina toerana mampahazo aina foana ny asa fanaovana gazety amin'izao fotoana izao.  Miaraka amin'ny fihenàn'ny elanelana noho ny aterineto sy ny tambajotra sôsialy ary ny ady hisian'ny fitantananambola maharitra, ny fametrahana faneriterena bebe kokoa ho an'ny asa fanaovana gazety dia manakenda ny rivotra izay efa kely mba anananay.

Izahay tsy hino ireo fanambaràn'ny governemanta momba ny fanohanany ny asa fanaoavana gazety sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety amin'ny maha-andrin'ny demaokrasia azy, raha tsy mbola hitanay ireo porofo mivaingana avy amin'ireo mpanao lalàna.

Tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny ABC Australia, ilay Indôneziàna mpanao gazetim-panadihadiana, Dandhy Dwi Laksono, dia namaritra ilay tolodalàna ho toy ny « fampihorohoroana araka ny lalàna mifanohitra amin'ny fitondràna vokatra ho an'ny asa fanaovana gazety amin'ny ankapobeny, ary koa ho an'ny besinimaro. » Niantso ireo mpiray asa aminy izy mba hihetsika hanohitra io fepetra mamoritra io.

Mino aho fa mbola hitohy hanitsakitsaka lalàna. Hanohy hamokatra votoaty voaràra.

Tsara kokoa raha ireo rehetra mpamokatra votoaty, ireo rehetra mpanao gazety, no samy mirotsaka daholo mamokatra asa fanadihadiana misimisy kokoa, amin'izay fotoana izay isika dia mety havitrika hirotsaka an-tsehatra amina tsy faneken'ny sivily io fepetra io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.