Rosiana LGBTQ+ mpikatroka nanatrika ny diabem-pireharehana tao Moldavia

Nopihana tamin'ny lahatsary YouTube momba an'Yan Dvorkin (eo amin'ny sary) avy amin'ny fantsona YouTube MRR. Fampiasana ara-drariny.

Notaterin‘ny Newsmaker fa nanatrika ny diabem-pireharehana tao Chișinău tamin'ny 16 Jona 2024 i Yan Dvorkin mpanorina sady mpitarika ny Center T Rosiana (izay manampy ireo nanova taovam-pananahana sy tsy te-hotondroina ho lahy na vavy). Nadikan'ny Global Voices ny lahatsoratra, nahitsy mba hazava kokoa ary namoaka azy miaraka amin'ny fahazoan-dalana avy amin'ny Newsmaker.

Tamin'ny taona 2023, nampidirin'ny Minisiteran'ny Fitsarana Rosiana ho ao amin'ny rejisitry ny “kasinga vahiny” ny Centre T. Tamin'io taona io ihany, nampandoavin'ny Fitsaràna ao amin'ny Distrikan'i Ostankinsky ao Moskoa lamandy RUB 100.000 [1200 USD] i Yan Dvorkin noho ny lazaina ho “propagandy LGBTQ+” tao amin'ny media sosialy. Ankatoky ny hankatoavan'ny Fitsarana Tampony Rosiana ny “hetsika LGBTQ+” ho ekstremista no nandaozan’ Yan Dvorkin an'i Rosia.

Taorian'ny nanatrehana diabe tao Moldavia, nozarain'ilay mpiaro ny zon'olombelona fa sambany izy no nanatrika hetsika rehareha. Nahagaga azy ny fahamaroan’ny mpandray anjara sy ireo mpitandro filaminana nanaraka ny diabe. “Tonga niaro anay ny polisy. Tsy mampino,” hoy i Dvorkin nanoratra tao amin'ny media sosialy.

Taorian'ny diabe, nandeha tany amin'ny klioba LGBTQ+ ilay mpikatroka ary gaga fa “tsy niditra an-keriny ny mpitandro ny filaminana.” “Tena hafahafa izany. Tsy namaky varavarana ny mpitandro filaminana. Tsy ny olona sahy indrindra eto an-tanàna no mivory eto, fa izay te handihy ihany. Mahagaga,” hoy i Dvorkin nanamarika.

Tamin'ny 16 Jona, nisy diabe ho fanohanana ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ tao afovoan'i Chișinău. Araka ny filazan'ny mpikarakara, io no dia lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'i Moldavia, nahitana mpandray anjara maherin'ny 800, anisan'izany ny solombavambahoaka roa, ireo solontenan'ny iraka diplaomatika ary ny fikambanana iraisampirenena. Misy tatitra an-tsary avy amin'ny Newsmaker azo jerena ato.

Taty aoriana anefa, araka ny notaterin'i Activatica, dia voatsonga ihany koa i Dvorkin nilaza fa tsy afaka manokatra sainam-pirenena misy soratra manohitra ny ady amin'ny teny rosiana ao Moldavia. Nohazavainy fa notoroan-kevitra izy tsy hanao izany satria misy soratra amin’ny teny rosiana maro ny saina ary ny teny filamatra lehibe dia hoe “Ho afaka i Rosia”. Mihenjana ny fifandraisan'i Moldavia amin'i Rosia, ary mety hiteraka fifandirana izany.

Nitatitra i Dvorkin fa afaka namelatra ny sainany ihany izy tamin'ny Diabem-pireharehan'i Haifa tao Israely tamin'ny 21 jona.

“Tsy nisy niraharaha izay soratra rosianina tany Israely, ary nanao diabeny voalohany ny sainanay. Naka sary niaraka taminy ny olona, ​​nangataka ny hanokatra azy mba ho ao anaty sary avokoa ny soratra rehetra,” hoy ny nosoratan'i Dvorkin. Nisy sorabaventy hafa manohitra ny ady amin'ny teny Rosiana tao amin'ny fireharehana tao Haifa, ary koa ny sorabaventy manohana ireo tanora ao Rosia, trans sy tsy nisafidy na ho lahy na ho vavy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.