
Fanombohana ny fampielezankevitra 2020 an'i Maia Sandu. Saripika an'i Gikü tao amin'ny Wikipedia. Sehatra ho an'ny daholobe.
Arakaraky ny hanatonan'ny fifidianana izay ho filohampirenena ao Môldavia, mitombo eny anivon'ny sehatra pôlitika môldavy ny fifampidinihana momba izay ho kandidà mampiray ireo mpanohitra. Manangana vovonana, manao fihaonana, ary mandroso sosokevitra ireo antoko pôlitika, manandrana manao izay hahatongavana amina fifanarahana iray “hanoherana an'i Sandu,” filoha amperinasa ao Môldavia. NewsMaker dia namoaka lahatsoratra iray momba ny fomba ataon'ireo mpanohitra isan-tokony hikarohana kandidà mampiray ary ny mety hahitàna na hanendrena iray amin'izany. Nadikan'ny Global Voices izy ity, nasiam-panovàna mba hazava kokoa ary naverina navoaka etoana rehefa nahazoana alàlana avy amin'ny NewsMaker.
Tamin'ny 19 May 2024, ilay mpanao gazety, Natalia Morar, dia namoaka saripika avy amin'ny fihaonana iray niarahan'ireo pôlitisiàna mpanohitra izay izy no nikarakara azy. Hita tamin'ireo mpanatrika ny filoha fahiny tao Môldavia sy ny mpitarika ny Socialists , Igor Dodon; ilay praiminisitra taloha sady mpitarika ny Antoko Liberaly Demaokraty (LDPM), Vlad Filat; ny praiminisitra taloha sady mpitarika ny Party for Development and Consolidation of Moldova (PDCM), Ion Chicu; ny filoha taloha tao amin'ny Gagauzia, Irina Vlah; ny minisitra taloha nisahana ny raharaha ivelany sy ny fidirana ho isan'i Eorôpa, Tudor Ulianovschi; ary ilay parlemantera, Gaik Vartanyan, nisolo tena ny antoko MAN an'ny Ben'ny Tanànan'i Chișinău, Ion Ceban.
Nomarihan'i Morar fa misy ary ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ireo mpanohitra. “Antenaiko ny hisiana mpandray anjara hafa mandritra ny fihaonana manaraka. Nanapaka hevitra izahay hoe ilainay ny manohy ny fifampidinihana,” hoy izy nanoratra taorian'ilay fihaonana.
Zara raha misy fantatry ny daholobe ny antsipirihan'io fihaonana io. Nilaza i Dodon fa noresahan-dry zareo ny “tetikady iraisana hiatrehana ny fifidianana izay ho filoha, ho atao amin'ny 20 Oktôbra, ary ny fitsapankevi-bahoaka.” Araka ny lazain'i Dodon, vonona ny Socialists hanohana kandidà iray iraisan'ny avy amin'ny fanoherana, saingy tsy maintsy olona tsy mpanao pôlitika io olona io. Sosokevitr'i Dodon ny hanendrena an'ilay lehiben'ny fampanoavana taloha Alexandr Stoianoglo ho toy ny kandidà tsara toerana, izay irian-dry zareo Socialists ho tohanana. Tsy naneho hevitra momba ireny fanambaràna ireny i Stoianoglo no sady tsy naneho faniriana hirotsaka mihitsy. Tsy novaliany ireo antso sy hafatra nalefan'ny NewsMaker.
Raha tsy afaka ny hanendry kandidà iraisana ry zareo, sosokevitr'i Dodon ny hanoloran'ireo mpikambana rehetra ny faniriam-pirotsahany ho an'ireo izay liana amin'izany, saingy arahana fepetra hoe tsy hifanitsaka amin'ny hafa no hanohana ireo mpifaninana amin'i Sandu amin'ny fihodinana faharoa.
Tao amin'ny TVC21, nanamafy i Vlad Filat fa noresahan'ny mpanohitra ny momba ny fanendrena kandidà iraisana, na tsy nohalavaina aza ireny fifampiresahana ireny. Tsy resy lahatra amin'ny hahatongavana amina fifanarahana iray raha ilay mpitarika ny LDPM ary dia efa mihevitra sahady fa ho maro ireo kandidà amin'ny fifidianana.
Tudor Ulianovschi, izay efa nanambara sahady ny fikasàny hifaninana ho filoham-pirenena, dia nilaza tao amin'ny TV8 fa tsy nisy fifampiresahana tena nisy dikany momba izay ho kandidà iraisana tao amin'ilay fihaonana. Araka ny voalazan'ny NewsMaker, tsy mbola tonga akory tamin'ny fandinihana ilay lohahevitra “kandidà iraisana” ireo mpandray anjara tamin'ilay fihaonana, ary raha nisy aza izany, dia tany anaty lohateny vaventy fotsiny, tsy nasiana resaka momba izay ho kandidà manokana.
Ion Chicu nilaza tamin'ny NewsMaker fa ny antokony dia efa nanapaka hevitra handray anjara amin'ny hazakazaka ho filoham-pirenena, hanana ny kandidà azy manokana, izay mbola ho ambara manaraka ny anarany. Nampian'ilay praiminisitra taloha fa nanatrika ilay fihaonana izy mba hiresaka momba izay “hetsika iraisan'ny mpanohitra”, isan'izany ny “raha sanatria misy hosoka amin'ny fifidianana”, fa efa voavaha kosa ny olana momba ireo kandidà avy amin'ny antokon-dry zareo.
Ho vitan'ireo avy amin'ny mpanohitra ve ny ho tonga amina fifanarahana iray hanana kandida iraisana amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena? Alexei Tulbure, solontena naharitr'i Môldavia fahiny tao amin'ny Firenena Mikambana sy ny Filankevitr'i Eorôpa, ary mpandalina pôlitika, dia mino fa tsy hahavita hanendry kandidà tokana ny fanoherana manontolo (havia, havanana ary ny afovoany), ary io resaka rehetra io dia mijanona fotsiny ho — resaka. “Tsy hitako mihitsy hoe ahoana no fomba hahafahan'ny olona manompo andriamanitra tsy mitovy hanendry kandidà tokana afaka hamaly ny filàn'ny antoko tsirairay avy,” hoy ilay manampahaizana.
Araka ny heviny, tsy ho vitan'ireny antoko ireny ny hanolotra hevitra iraisana ankoatra ny hevitra “hanilika an'i Sandu”, ary ny hevitra hoe hanilika an'i Sandu dia tsy hitondra izay vokatra ara-pifidianana ilaina. “Tsy maintsy misy hevitra iray [mitera-bokatra]. Ny hany azon-dry zareo atolotra raha tonga eo amin'ny fitondràna. Saingy tsy ho vitan-dry zareo ny hanosika hisiana hevitra tokana iraisany,” hoy i Tulbure resy lahatra.
Tsy mbola vonona ny haminavina mihitsy i Valeriu Pasha, tale mpanatanteraky ny WatchDog, hoe hisy sa tsia ny kandidà iraisan'ny avy amin'ny fanoherana, saingy mba hisian'io, ho azy, dia “sady misy ny toejavatra iray sy fifanarahana iray eo amin'ireo mpampivory”. “Ny Federasiôna Rosiàna no handidy ny zavatra rehetra, ary ireo ôligarka any am-pandosirana Platon, Plahotniuc, ary Shor dia samy hanaiky ny zavatra rehetra. Izany rehetra izany dia noho ny “tsy fahavitan'ireo antoko mifanaraka izy samy izy,” hoy ilay manampahaizana namintina.