
Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Filohan'i Okraina Volodymyr Zelenskyy nandritra ny Vovonan'ny Fandriampahalemana tao Soisa. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny UATV. Fampiasana ara-drariny.
Nifarana tamin'ny fanambaràna iombonana mitaky ny tsi-fivakisan'ny zaratany Okraina ho fototry ny fifanarahana fandriampahalemana ny Vovonan'ny Fandriampahalemana any Okraina, nampiantranoin'i Soisa teo anelanelan'ny 15 sy 16 Jona.
Na dia firenena 78 aza no nanao sonia ilay fanambaràna, tsy nasaina i Rosia talohan'ny fihaonana an-tampony, tsy tonga kosa i Shina sy firenena Afrikana maro, tsy nety nanasonia kosa i Brezila, India ary Afrika Atsimo avy amin'ny vondrona BRICS, sy firenena vitsivitsy hafa, anisan'izany i Indonezia, Meksika ary Arabia Saodita. Nohamafisin'izy ireo fa hanimba ny fizotry ny fandriampahalemana ny fanilihana an'i Rosia – fijoroana nampahafantarin'i Shina sy Brezila talohan'ny fihaonana fandriampahalemana any Soisa, izay nanolotra ny fihaonambe iraisampirenena momba ny fandriampahalemana ankatoavina sy atrehin'i Rosia sy Okraina hiresahana ny “drafitra fandriampahalemana rehetra.”
Raha hisy ny solo-kaonferansa momba ny fandriampahalemana hotontosaina dia i Shina no azo inoana fa hampiantrano izany, satria ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergei Lavrov no nanohana ny fifanarahana.
Talohan'ny fifampiresahan'i Soisa, samy nitaona mafy an'i Shina hanatrika ny fivoriana i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Nanaiky ny Filoha Okrainiana Volodymyr Zelenskyy tsy hiresaka ireo olana saro-pady toy ny fisintonana ny tafika Rosiana tao amin'ny zaratany Okraina sy hametra ny fandaharam-potoana amin'ny fiarovana nokleary, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny olana hafa momba ny maha-olona, izay tafiditra tao amin'ny tolo-kevitr'i Shina sy i Brezila.
Na izany aza, niangavy mafy ny hanatrehan'i Rosia ho fandraisany anjara i Shina, ary voalaza fa nampahafantatra ireo firenena an-dalampandrosoana maromaro i Shina fa “hanitatra ny ady” ny fivoriana ao Soisa. Manoloana izany toe-javatra izany, niampanga an'i Shina ho nanampy an'i Rosia hanakorontana ny fihaonana momba ny fandriampahalemana tamin'ny fiandohan'ny volana Jona i Zelenskyy. Nihaika ny “fijoroana tsy miandany” an'i Shina ihany koa izy tamin'ny fanambaràna fa hitan'ny sampam-pitsikilovana Okraina fa “misy singa amin'ny fitaovam-piadian'i Rosia avy any Shina”, nandà izany fiampangana izany i Shina.
Raha mbola nanohy nitaky fifanakalozan-kevitra hafa momba ny fandriampahalemana i Shina ary nilaza fa firenena maherin'ny 100 no manohana ny tolo-keviny momba ny fandriampahalemana, tsy manana marimaritra iraisana amin'ny fifanakalozan-kevitra i Rosia sy i Okraina.
Talohan'ny Fihaonambe Soisa tamin'ny 13 Jona, namarana ny fifanarahana tamin'ny hanomezana famatsiam-bola 50 lavitrisa dolara amerikana ho an'i Okraina ny G7, amin'ny fanagiazana ny fananan'i Rosia any amin'ny firenen-dry zareo. Ny ankatoky ny Fihaonambe, nanome fe-potoana farany ny filoha Rosiana Vladimir Putin tamin'ny filazana fa hampitsahatra ny ady i Rosia raha manaiky ny hiala amin'ny tetikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Kyiv sy hanome faritany efatra atsinanana sy atsimo ho an'i Rosia. Nanao fanambaràna avy eo ny Vovonana Soisa fa ny tsi-fivakisan'ny faritanin'i Okraina no fototry ny fifanarahana fandriampahalemana.
Taorian'ny Fihaonamben'i Soisa, nandrisika an'i Shina i Zelenskyy mba hanaja ny tsi-fivakisan'ny zaratanin'i Okraina ary nanantitrantitra izy fa i Putin irery no fahavalon'i Okraina ary tiany ho namana i Shina:
We respect China and have always respected the territorial integrity and sovereignty of your country. All we wanted was for China to respect Ukraine's territorial integrity and our sovereignty. We respect your people, your values, your lives and your choices. And we would like China to do the same, nothing more. We would like it to do no less.[…] As for China, Ukraine has never said that China is our enemy. […] I always say that Ukraine has only one enemy – Putin. As for friends, I believe that friends are those who help when things are difficult. And I would like China to be a friend to Ukraine.
Manaja an'i Shina izahay ary manaja hatrany ny tsi-fivakisan'ny zaratany sy ny fiandrianampirenenareo. Ny hany tadiavinay dia ny hanajan'i Shina ny tsi-fivakisan'ny faritanin'i Okraina sy ny fiandrianam-pirenenay. Manaja ny vahoakanareo, ny soatoavinareo, ny fiainanareo ary ny safidinareo izahay. Ary tianay hanao toy izany koa i Shina, tsy misy hafa. Irinay ny hanao izany.[…] Raha ny momba an'i Shina, tsy mbola nilaza mihitsy i Okraina fa fahavalonay i Shina. […] Lazaiko foana fa iray ihany ny fahavalon'i Okraina – Putin. Raha ny namana indray dia mino aho fa ny namana no manampy rehefa misy olana. Ary tiako ho naman'i Okraina i Shina.
Tavela anaty toerana mahasanganehana sy mifanipaka i Shina. Tsy nanao tatitra momba ny Fihaonambe Soisa na ny kabarin'i Zelenskyy ny haino aman-jerim-panjakana Shinoa lehibe, toy ny China Daily. Na dia izany aza, nizara ny lahatsary misy ny lahateny nataon'i Zelenskyy taorian'ny fihaonana an-tampony tao amin'ny Weibo ny famoaham-baovaom-panjakana vitsivitsy, toy ny The Paper, manasongadina ny ampahany amin'ny fanirian'i Okraina ny fanampian'i Shina. Saingy ao amin'ireo fanehoan-kevitra ao amin'ny lahatsary, somary manohitra an'i Okraina ny ankamaroan'ny valinteny, ary ny sasany vitsivitsy manome tsiny ny OTAN, miantso azy io ho fahavalon'i Shina.
Namoaka ny fahasosorany momba ny kabarin'i Zelenskyy ilay mpitaona nasionalista iray, “Antsy Miaramila 007” (战刀007), izay manana mpanaraka 1,3 tapitrisa ao amin'ny Weibo:
6月16日,泽连斯基于新闻发布会上出言责怨中国不参加峰会,并表示北京“本可以帮助乌克兰”。卧槽,为啥要帮?中国帮着美国灭掉俄罗斯,然后调转枪口对付中国自己?脑子有问题吧!别扯什么正义和平?国与国之间只有利益。当年八国联军和日本屠杀中国人的时候,正义和公平在哪里?
Tamin'ny 16 Jona, nanome tsiny an'i Shina i Zelenskyy nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety noho ny tsy fahatongavan'izy ireo tao amin'ny Vovonana ary nilaza fa afaka manampy an'i Okraina i Beijing. Mampalahelo, nahoana i (Shina) no tokony hanolotra fanampiana? Hanampy an'i Etazonia hanjera an'i Rosia (ve) i Shina ary hamela an'i Shina ho lasibatra manaraka? Adala izy! Mamita-bahoaka amin'ny resaka rariny sy fandriampahalemana. Tombontsoa ihany no (ifampiresahan’) ireo fanjakana ireo. Rehefa nanafika an'i Shina [nandritra ny Ady Lehibe faha-II Faharoa] ny Vondrona Fanjakana [Tandrefana] Valo [tamin'ny taona 1900 nandritra ny fanjakan-taranaka Qing] sy Japana, taiza no nisy ny rariny sy ny fandriampahalemana tamin'izany fotoana izany?
Hu Xijin, ilay mpanentana ambony ao amin'ny Global Times an'ny fanjakana Shinoa, niresaka ihany koa momba ny olan'i Shina tao amin'ny Weibo tamin'ny lahatsoratra lavalava:
美国和北约太霸道了,大肆东扩,俄罗斯站起来反抗他们,大家愿意吗?反正我是愿意的,尤其是一开始的时候。
俄罗斯把乌克兰的四个州直接划成了俄罗斯领土,这样做对吗?我觉得不对,做过分了。不符合国际法啊,主权和领土完整不应破坏。
美国和西方联合制裁俄罗斯,要中国加入,中国能加入吗?当然不能!俄与西方因北约东扩结的仇怨很深,乌克兰战争是这种仇怨的爆发。他们彼此了结的方式相当扭曲,中国应当中立。
乌克兰的主权重要,但应当由撺掇乌克兰仇俄、把乌克兰当枪使的美西方去帮着恢复,解铃还需系铃人。西方可以与俄妥协,也可以击败俄罗斯(它可是核大国),中国应该推动和平解决,呼吁建立各方都有安全感的欧洲秩序。双方非要打到底,中国没办法。
中国应不应该保持正当的中俄全面战略协作伙伴关系?当然应该。这是中国重大的战略利益。中国北方是个核大国,它保持一个对华坚定友好的政权,以及态度的稳定,有着不容其他国际目标取代的重要性。
但是为了中俄关系,别的就都不要了?当然不是。我们应该关注西方、尤其是欧洲的感受,对中俄和中国与西方关系进行平衡。因为双方目前高度敌对,这种平衡有些艰难。但这没啥,我们就是这样中立的,谁不高兴就让他们自己消化去。
Tena manjakazaka i Etazonia sy ny OTAN. Manitatra hatrany ny heriny miatsinanana ry zareo, ary mijoro manoloana azy ireo i Rosia. Te hahita ny hitrangan'izany ve ianao? Tiako izany, indrindra amin'ny voalohany.
Mety ho an'i Rosia ve ny mampiditra fanjakana Okrainiana efatra ao amin'ny faritanin'i Rosia? Heveriko fa tsy mety izany. Tafahoatra izany. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna iraisampirenena izany. Tsy tokony ho tandindomin-doza ny fiandrianam-pirenena sy ny tsi-fivakisna.
Niara-nanasazy an'i Rosia i Etazonia sy ny Tandrefana ary nangataka an'i Shina hanatevin-daharana. Afaka miditra ve i Shina? Tsia mazava ho azy! I Rosia sy ny Tandrefana dia mifankahala noho ny fanitarana ny OTAN, ary ny Adin'i Okraina dia fipoahan'ny fihenjanana toy izany fotsiny. Tokony hijanona tsy miandany i Shina amin'ny ady amin'ny fiainana sy ny fahafatesana.
Zava-dehibe ny fiandrianampirenen'i Okraina, saingy tokony haverin'i Etazonia sy ny Tandrefana amin'ny laoniny izany, izay nandrisika an'i Okraina hankahala sy hiady amin'i Rosia. Ny Tandrefana dia afaka mandefitra amin'i Rosia na mandresy an'i Rosia (satria manana ny hery nokleary izy); Tokony hampiroborobo vahaolana am-pilaminana i Shina ary hiantso ny fametrahana lamina Eoropeana izay hahatsapan'ny antoko rehetra ho voaaro. Raha tsy maintsy miady hatramin’ny farany ny roa tonta dia tsy afaka manao na inona na inona i Shina.
Tokony hihazona fiarahamiasa ara-stratejika feno Shina-Rosia ve i Shina? Mazava ho azy fa tokony. Tombontsoa stratejika lehibe ho an'i Shina izany. Ny avaratr'i Shina [Rosia] dia hery nokleary, ary ny fitazonana ny fisakaizana sy ny fifandraisana maharitra amin'ny fitondrana no tena zava-dehibe indrindra. Tsy azo soloina tanjona iraisampirenena hafa izany.
Saingy noho ny fifandraisana Sino-Rosiana, tokony hahafoy ny zavatra hafa rehetra ve isika? Azo antoka fa tsia. Tokony hojerentsika ny fihetseham-pon'ny Tandrefana, indrindra fa i Eoropa, ary hampifandanja ny fifandraisan'i Rosia sy Shina amin'ny fifandraisan'i Shina amin'ny Tandrefana. Amin’izao fotoana izao, tena mifankahala ny roa tonta. Somary sarotra io fifandanjana io. Tsy maninona anefa izany. Izany no fomba ihazonanay ny tsy fiandanianay. Aoka izay tsy faly handevona izany irery.
Hatramin'ny nipoahan'ny Ady Rosiana-Okraina tamin'ny taona 2022, nahatratra fara-tampony vaovao, 240 lavitrisa dolara mahery ny fifanakalozana ara-barotra teo amin'i Rosia sy Shina tamin'ny taona 2023, noho ny sazy ara-toekarena nomen'ny Tandrefana an'i Rosia. Nantenaina hiakatra hatrany izany tarehimarika izany satria nivoady ny hanamafy ny fifandraisany ny firenena roa tonta.
Kanefa roa andro taorian'ny Fihaonambe Soisa sy tamin'ny “fandevonana” ny fijoroana tsy miandany an'i Shina, nanohitra an'i Beijing ny filohan'ny OTAN, Jens Stoltenberg noho ny “fiezahana hahazo tombontsoa avy amin'ny andaniny sy ankilany” amin'ny fanohanana ny ady ataon'i Rosia no sady mihazona ny fifandraisana amin'ny Vondrona Eoropeana. Nanamafy ihany koa i Stoltenberg fa ny teknolojian'i Shina, indrindra ny fitaovana elektronika, dia hita ao amin'ny balafomanga sy fitaovam-piadiana ao Rosia, ary noho izany, nikasa hanome sazy ara-toekarena ho an'i Shina i Eoropa noho ny fifamatorany amin'ny Rosiana. Mampametra-panontaniana izany hoe: ahoana no hampifandanjan'i Shina ny fifandraisany eo amin'ireo firenena roa tonta matanjaka?