
Saripika an'i Kai Wenzel ao amin'ny Unsplash
Ao Chișinău, renivohitr'i Môldavia, ary ireo tanàna hafa ao Môldavia, nahita andian-tantely marobe sy midadasika ny olona. Ny “NewsMaker”, gazety môldavy tsy mainkina, dia namoaka lahatsoratra iray momba ny niavian'ireny andian-tantely ireny, ary nadikan'ny Global Voices sy nokiraina mba hazava kokoa, dia naverina navoaka etoana miaraka amin'ny fanomezandàlan'ny NewsMaker.
Tamin'ny lohataona 2024 tao Chișinău, nitatitra tranga marobe momba ny firongatry ny andian-tantely tany amin'ireo faritra an-tanandehibe ireo olona tao an-tanàna. Andian-tantely hita teny amin'ireo tsena afovoan-tanàna, teny amina fiara nijanona tao afovoan-tanàna nanakaiky ny Atrium sy ny toeram-pivarotana Grand Hall, ary teo akaikin'ny Oasis Mall. Voatatitra tany anatin'ny media sôsialy ireny tranga ireny, na tamin'ireo fantsona Telegram tao an-toerana.
Fanampin'izay, ny fahitalavitra Transnistrian, TSV, dia nitatitra fisiana tranga roa nahitàna andian-tantely nanilaka tany amin'ireo faritra an-tanàndehibe. Tamin'ny iray, nandritra ny fampianarana tao amin'ny sekoly iray tao Tiraspol dia nanidina niditra ny varavarankelin'ny efitrano iray fianarana ireo tantely ary nanindrona mpampianatra iray. Tamin'ny tranga iray hafa, nisidina nivezivezy teo akaikin'ny toeram-pitsaboana ny andian-tantely iray.
Nambaran'ny minisitry ny fambolena fa ireny tranga ireny dia mifandray amin'ny fitomboan'ny hafanàn'ny tany, tranga iray voajanahary mahazatra rehefa fotoana toy izao anatin'ny taona. “Matetika ny andian-tantely misintaka dia tsy mahery setra ary mitady toerana vaovao hametrahany ny andiany. Raha tsy korontanina ry zareo, tsy mitera-doza ho an'ny olombelona. Raha mahita andian-tantely ny olompirenena, angatahanay izy ireo hifandray amin'ny Fikambanana Nasiônalin'ireo mpiompy tantely eto Môldavia na izay mpiompy tantely eo an-toerana,” hoy ny fanazavan'ny mpitondra tenin'ny minisitry ny fambolena nanazava, Daniela Turculeț.
Ka avy aiza àry ireny andian-tantely misintaka ireny? Mandritra ny fanilahany, miala mba hamorona andiany iray vaovao ny ampahany amin'ireo ao anaty tohotra efa misy.
“Tranga voajanahary ny fanilahana. Rehefa lohataona, anatina toejavatra sasantsasany, manomboka mamorona selam-panjaka ireo tantely, teraka avy amin'io ireo mpanjaka vaovao. Tsy afaka ny hisy mpanjaka roa hiara-honina ao anaty tohotra iray, araka izany, ilay mpanjaka zokiny, mahatsinjo ny hahaterahan'ny ‘mpanjaka’ vaovao, no mitaona ny manodidina azy—tantely mpiasa maromaro—ary mandao ny tohotra. Misy ihany koa ny tranga hoe rehefa tsy mety amin-dry zareo ny fepetra iainana ao anaty tohotra, noho ny tsy fahampiana sakafo, hafanàna tafahoatra, sns…, dia ilaozan'ny tantely ihany koa ny tohotra. Iza tokoa moa no haniry hitoetra anaty trano iray rehefa lasa tsy azo iainana ny fepetra ao aminy?” hoy ny fanazavàn'i Andrei Gilan, mpitantana orinasa fiompiana tantely Sweetland.
Nomarihan'i Ion Maxim, tale mpanatanteraka ao amin'ny Fikambanana nasiônalin'ireo mpiompy tantely ao Môldavia (ANARM), fa efa nisy tranga tahaka izao tsinjo taona maro tany aloha, ary amin'ny ampahany betsaka dia fifanandrifian-javatra fotsiny ny nahitàna ireo andian-tantely tany amin'ireo faritra an-tanàndehibe. “Raha ny momba ireo tantely hita tao an-tsena afovoany, izaho mihevitra fa nahita loharanon-tsakafo tao ry zareo dia nanapaka hevitra ny handeha tao. Ny fianakaviana tantely tsirairay dia samy manana ny mpiasany avy, tafiditra amin'izany ny mpisava làlana, izay manidina eny rehetra eny mitady toerana vaovao hipetrahana,” hoy i Maxim.
Nomarihany fa tena vitsy ny tantely dia any Môldavia, ary ny andiany manilaka dia azo heverina ho avy any amin'ireo mpiompy. “Tsy misy andian-tantely ao afovoan-tanàna; misy [tohotra vitsivitsy] eny ivelany: ao amin'ny faritry ny oniversite fianarana momba ny fambolena, ary misy toerana manokana ao amin'ireo hantsana, izay lavitra ny olona,” hoy i Maxim.
Inona no tokony hataonao raha mahita andian-tantely manilaka? Marihan'ireo manampahaizana manokana fa raha mahita andian-tantely misintaka, tsy tokony hikorapaka fa hifandray amina mpiompy tantely. “Azonao atao ihany koa ny manoratra ao amin'ny pejy Facebook Apiculutori din Moldova. Ho hitanao ao ireo olona izay ho faly handeha sy haka ireny tantely ireny,” hoy i Gilan.
Entanin'ny ANARM ihany koa ireo mpiompy tantely mba ho mailo sy hanara-maso ny tohotr'izy ireo, hanaisotra ireo mpanjaka vaovao. “Raha mahita tantely ianao, dia afaka mifandray amin'izay mpiompy tantely efa mahazatra na miantso ny fikambanana,” hoy i Maxim.