Pretra Orthodoksa iray ao Kazakhstan miezaka manokatra fiangonana iray tsy miankina amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana

Ny Katedraly Fiakarana any Almaty, Kazakhstan. Nopihana tamin'ny horonantsary “Искусство строить на века. Вознесенский кафедральный собор” avy amin'ny fantsona YouTube Арманжан Байтасов. Fampiasana ara-drariny.

Ny pretra kristiana malaza indrindra any Azia Afovoany, izay nanameloka ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina, dia ilay Kazakhstani moanina fiangonana tatsinanana taloha tao amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, Iakov Vorontsov. Tany am-piandohan'ny fananiham-bohitra, niresaka ampahibemaso amin'ny tokony isintahan'i Kazakhstan amin'ny Fikambanana Dinam-Piarovana Iombonana tarihin'i Rosia izy mba “hialana amin'ny fomba rehetra amin'ny mpanafika.” Ity vondrona ara-miaramila ity no mpandova ny Dinan'i Varsovia Sovietika ary iray amin'ireo tetikasan'i Kremlin amin'ny politika ivelany mamondrona firenena post-Sovietika maro, anisan'izany i Kazakhstan.

Manodidina ny 17 isanjaton'ny mponina ao Kazakhstan no Kristianina orthodoksa, araka ny fanisam-bahoaka farany tamin'ny taona 2021. Fehezin'ny Metropolitanan'ny Distrika Kazakhstani, izay eo ambany fifehezan'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, izay nanampy tamin'ny fanamarinana ny fananiham-bohitra sy ny fanohanana ny ezaky ny ady ankapoben'i Kremlin, ry zareo ireo.

Ho setrin'ny fanakianana ampahibemaso nataony tamin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, dia “nesori”-n'ireo mpiara-miasa aminy, izay niampanga azy ho “mamadika ny Rosiana” tsikelikely tao amin'ny fiangonana i Vorontsov. Taorian'ny fandroahana dia nandefa scan ny didy navoakan'ny Governoran'ny Astana sy ny Diosezin'i Almaty ao amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana tao amin'ny pejy Facebook-ny izy. Io taratasy io no nandrara azy tsy hanao ny asa fisoronana “tsy manan-jo hitafy lakroa, akanjo fisoronana, ary tsy manana zo hampianatra tso-drano”. Nanomboka teo izy niezaka nanangana ny fiangonana ortodoksa voalohany tao Kazakhstan izy izay tsy miankina amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana na manokatra birao fisoloantenan'ny Patriarkàn'i Constantinople.

Na dia nanambàra aza ny filohan'i Kazakhstan fa manaja ny tsi-fivakisan'ny zaratanin'i Okraina, dia voatsikera noho ny tranga matetika “manafarana entana miloko volondavenona” izay tsy inona fa ireo entana voasazy any Rosia. Noho izany, tsy azo tsinontsinoavina ny fanirian'ny manampahefana hanohy tsy hivadika amin'i Rosia “mpiara-miombon'antoka stratejika lehibe sady mpiara-dia” amin'ny firenena. Mety manazava ihany koa izany ny fahasahiranana natrehin'i Vorontsov tamin'ny fanokafana fiangonana vaovao.

Sarin'Iakov Vorontsov. Nahazoana alalana.

Nanao antsafa an-tsoratra tamin'i Vorontsov ny Global Voices amin'ny mampitaraina azy indrindra momba ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, ny filàn'ny Kristiana Orthodoksa Kazakhstani manangana fiangonana miahy tena tanteraka (mahaleotena) manoloana an'i Moskoa, ary ny tolona natrehany tamin'ny fiezahany hanangana izany. Nasiam-panitsiana ny tafatafa mba ho mazava sy nohafohezina. 

Ramil Niyazov-Adyljan (RNA): Inona no tena itarainanao manoloana ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana?

Иаков Воронцов (ИВ): У меня как христианина, который продолжает быть священником, но является бывшим клириком РПЦ, к религиозной организации Московский Патриархат (даже не к организации в целом, а к её руководству и медийно активным членам) следующие претензии:

1) Предали Христа, извратили Евангелие, исказили православную веру;

2) Лицемерно лгут, будто «Церковь вне политики», при этом активно поддерживают несправедливую жестокую и неспровоцированную агрессию российского государства против Украины и продвигают нарративы российской политической пропаганды, в том числе за пределами Российской Федерации. РПЦ, наряду с российским TV, стала рупором пропаганды;

3) Превратили Церковь в тоталитарную организацию с феодальным укладом.

Претензий больше, это лишь самые значимые.

Iakov Vorontsov (IV): Amin'ny maha-Kristianina izay manohy ny maha pretra ahy, saingy mpitondra fivavahana taloha tao amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, dia manana ireto fitarainana manaraka ireto aho momba ny fikambanana ara-pivavahana ao amin'ny Patriarkà an'i Moskoa. Tsy miantefa amin'ny fikambanana manontolo ireto, fa amin'ny mpitarika sy ny mpikambana mavitrika amin'ny fampitam-baovao.

1) Namadika an’i Kristy ireo, nanimba ny Filazantsara, ary nanolana ny finoana ortodoksa;

2) Mihatsaravelatsihy ireo mandainga fa “ ivelan'ny politika ny Fiangonana,” nefa manohana am-pahavitrihana ny herisetra tsy ara-drariny, feno habibiana ary tsy nohaikàna ataon'ny fanjakana Rosiana amin'i Okraina sady mampiroborobo ny propagandy politika Rosiana, anisan'izany ny ivelan'i Rosia. Lasa mpitondra-ambava propagandy, miaraka amin'ny fahitalavitra Rosiana, ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana;

3) Namadika ny fiangonana ho fikambanana tsirefesimandidy manana rafitra feodaly ireo.

Betsaka ny fitarainana, fa ireo no tena manan-danja indrindra.

RNA: Ankehitriny ianareo mitady tso-drano avy amin’ny Patriarkan'i Constantinople mba hanokafana sampam-piangonana orthodoksa hafa ao Kazakhstan. Hatraiza ny fanajàna ny fahalalahan'ny asam-pivavahana ao Kazakhstan?

ИВ: К сожалению, получить совет Константинопольского Патриарха, как правильно поступить в сложившейся ситуации, и его благословение дистанционно (посредством почты) невозможно, а на поездку в Стамбул у меня пока нет ресурсов. Я и несколько моих единоверцев написали письмо президенту Казахстана К-Ж. Токаеву с просьбой поддержать нашу инициативу о создании в Казахстане представительства Константинопольского Патриархата и обратиться к Патриарху Варфоломею.

Мы получили ответ от руководства Комитета по делам религий, что государство в нашем обращении к Патриарху участия принимать не будет. В письме нас заверили, что по Закону каждый гражданин вправе инициировать создание религиозного объединения, если имеется достаточное количество сторонников. Нам предложили, согласно требованиям ст. 15 Закона «О религиозной деятельности и религиозных объединениях» РК, подготовить учредительные документы и провести Учредительное собрание.

После некоторые из моих единомышленников сообщили мне, что с одними из них беседовали по телефону, а других приглашали на беседу в акимат. В ходе таких бесед их убеждали отказаться от участия в регистрации нашей религиозной общины и внушали, будто я преследую «неблаговидные цели». Кроме этого, со стороны государственных органов возникли другие препятствия, о которых я пока не могу рассказать.

IV: Indrisy anefa fa tsy azo atao ny maka torohevitra avy amin'ny Patriarka ao Constantinople amin'izay tokony hatao amin'ny toe-java-misy ankehitriny sy hahazoana ny tsodranony amin'ny alàlan'ny paositra. Mbola tsy ampy vola aho handehanana any Istanbul. Nanoratra taratasy ho an'ny prezidàn'i Kazakhstan Kassym-Jomart Tokayev izahay sy ny mpiara-mivavaka amiko, mba hanohana ny hetsikay sy hiantso an'i Patriarka Bartholomeo.

Nahazo valiny avy amin’ny Komitin’ny Raharaha Ara-pivavahana izahay nilazany fa tsy handray anjara amin’ny antso ataonay ny fanjakana. Nanome toky anay izany fa manan-jo hanangana fikambanana ara-pivavahana ny olom-pirenena tsirairay raha ampy ny isan'ny mpanohana. Nasaina nanomana antontan-taratasim-pananganana izahay sy hanangana fivoriambem-panorenana, araka ny lalàna momba ny hetsika ara-pivavahana sy ny fikambanana ara-pivavahana.

Taorian’izay, nisy tamin'ireo olona nitovy saina nilaza tamiko fa niresaka tamin-dry zareo an-tsofindavitra ny manam-pahefana, ary nasaina ny hafa hiresaka tao amin’ny akimat, biraom-paritry ny governemanta. Nandritra izany resadresaka izany no nandresena lahatra azy ireo tsy hanaiky handray handray anjara amin’ny fisoratana ny anaran’ny fikambanam-pivavahanay, ary nilazana fa mikatsaka “tanjona tsy mendrika” aho. Ankoatra izay, nipoitra ny sakantsakana maro hafa avy amin’ireo sampan-draharaham-panjakana izay tsy mbola azoko resahina.

RNA: Aiza ho aiza ianareo izao amin'ny fanokafana ny Fiangonana Orthodoksa miahy tena tanteraka?

ИВ: Церковь не может быть создана по инициативе одного человека, потому что Церковь – это семья, община. Поэтому, хоть я и высказывал публично желание создать в Казахстане православное религиозное объединение, независимое от Москвы и свободное от российской политики, я самостоятельно не решался предпринимать в этом направлении никаких действий.

Ко мне стали обращаться православные христиане, которые утратили доверие к иерархии РПЦ, с просьбами совершать богослужения и таинства. По ряду независящих от меня причин я как священник не могу удовлетворить их религиозные потребности. Мы стали молиться и думать, как нам быть.

Совместно решили подать документы на регистрацию религиозного объединения и в случае положительного ответа ехать в Стамбул и просить Константинопольского Патриарха дать нам совет, к кому из епископов мы можем обратиться, чтобы либо благословил меня служить, либо прислал священника, поскольку мой канонический статус неопределённый.

Приняв такое решение, мы приступили к написанию Устава. Два месяца ушло. К настоящему моменту все документы готовы, кроме одного.

IV: Tsy azo atsangana noho ny fandraisan'olona iray andraikitra ny fiangonana, satria ny Fiangonana dia fianakaviana, fiaraha-monina. Noho izany, na dia naneho ampahibemaso ny faniriako hanangana fikambanana ara-pivavahana ortodoksa eto Kazakhstan aza aho, tsy miankina amin'i Moskoa ary afaka manoloana ny politika rosiana, dia tsy nahasahy nandray fepetra araka ny sitrapoko.

Nanomboka nifandray tamiko ny Kristianina ortodoksa izay very fitokisana amin'ny ambaratongam-pahefana ao amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana, ary nangataka ahy hanao fanompoana an-Andriamanitra sy sakramenta. Noho ny antony maro tsy voafehiko,  tsy afaka manome fahafaham-po ny filany ara-pivavahana izaho pretra. Nanomboka nivavaka sy nieritreritra izay tokony hatao izahay.

Niara-nanapa-kevitra izahay hametraka antontan-taratasy fisoratana anarana ho fikambanana ara-pivavahana. Raha eny ny valiny dia mankany Istanbul mangataka torohevitra avy amin'ny Patriarka ao Constantinople momba ny eveka azonay hifandraisana na hitso-drano ahy hanao ny fanompoana na handefa pretra ho anay, raha mbola tsy azo antoka ny satako kanônika. Rehefa nandray izany fanapahan-kevitra izany izahay dia nanomboka nanoratra ny Fitsipika fototra mifehy. Naharitra roa volana izany. Amin'izao fotoana izao dia efa vonona ny antontan-taratasy rehetra, afa-tsy iray sisa.

RNA: Inona avy ireo fanamby natrehinao rehefa nizotra hanomboka fiangonana vaovao?

ИВ: Среди прочего, мы должны подать для регистрации список граждан-инициаторов религиозного объединения. Это должен быть список не менее 50 граждан Казахстана, являющихся нашими единоверцами, проживающими в том регионе, где подаются документы (Алматы) и имеющими регистрацию в данном населённом пункте.

Это требование Закона значительно затрудняет регистрацию. Общину Иисуса Христа с Его 12 апостолами в Казахстане не признали бы религиозным объединением. Значительная часть наших единоверцев, поддерживающих данную инициативу, являются проживающими в Казахстане гражданами других государств – Украины и России, их мы не можем включить в данный список. Пока 50 алматинцев мы не собрали.

Трудность в том, что по Закону в Казахстане проповедь и миссионерская деятельность без регистрации запрещены. А собрать 50 единоверцев, не проводя миссионерской проповеди, очень затруднительно (берём в расчёт тот факт, что моих единомышленников мягко запугивают и пытаются настроить против). До настоящего момента ни я, ни мои единомышленники, не решались открыто выступить через социальные сети с призывом к нашим единоверцам объединяться.

Во-первых, мы не знаем, не будет ли это противозаконным. Во-вторых, мы православные и мы приучены к подчинению.

Инициатива в РПЦ не приветствуется и даже считается греховной. Мы привыкли ждать указаний и распоряжений епископа. Кто-то из нас утратил доверие к иерархии РПЦ, а кто-то, как я, вовсе порвал с ней связь, но преодолеть сформированные данной религиозной организацией стереотипы, а именно инертность и безынициативность, не смогли.

IV: Ankoatra ireo hafa ny tsy maintsy ametrahanay ny lisitry ny olom-pirenena nisantatra fikambanana ara-pivavahana. Tsy maintsy lisitr'olom-pirenen'i Kazakhstan 50 fara fahakeliny, monina ao amin'ny faritra anaovana ny dôsie, dia ny tanànan'i Almaty, ary voasoratra ao amin'io toerana io.

Manasarotra ny fisoratana anarana io fepetra takin'ny lalàna io. Tsy hahazo fankatoavana ho fikambanana ara-pivavahana ry Jesoa Kristy sy ny apostoliny 12 any Kazakhstan. Olom-pirenen'ny fanjakana hafa monina ao Kazakhstan — Okraina sy Rosia — ny ankamaroan'ireo mpiara-mivavaka aminay manohana ity hetsika ity. Tsy afaka mampiditra azy ireo ao anaty lisitra izahay, ary mbola tsy nahangona mponin'i Almaty 50.

Ny manahirana raha jerena ny lalànan'i Kazakhstan, voarara ny mitory sy ny manao asa misiona raha tsy mbola nisoratra anarana. Sarotra dia sarotra ny manangona mpiray finoana 50 tsy misy fitorianteny (misionera). Tokony hoheverintsika koa ny zava-misy fa nampitahorina (ankamoram-po) ny olona ka nivadika tamiko. Mandraka ankehitriny, na izaho na ireo olona mitovy saina amiko samy tsy mbola sahy nanao antso an-karihary tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy ho an'ireo mpiray finoana hiray (hina).

Voalohany indrindra, tsy fantatray hoe tsy ara-dalàna ve izany. Faharoa, Ortodoksa izahay ary efa zatra mankatoa. Tsy ekena ary heverina ho fahotana mihitsy aza ny fanaovana fisantarana andraikitra ao amin'ny ROC (Fiangonana Orthodoksa Rosiana). Efa zatra miandry toromarika sy baiko avy amin’ny eveka izahay. Misy sasany aminay very fitokisana ny ambaratongan-drafitra Fiangonana Orthodoksa Rosiana, ary misy aza ny sasany, toa ahy, nanapaka tanteraka ny fifamatorana taminy, saingy tsy afaka nandresy ny hevidraikitra naterak'ity fikambanana ara-pivavahana ity izahay, izay anononana ny tsy-fihetsehana mihitsy sy ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.