Ity lahatsoratra ity dia mifototra amin'ny tantara iray navoaka tao amin'ny New Arab tamin'ny 11 Mey 2024 sady tantara manaraka ny nivoaka tamin'ny 30 Mey 2024. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nahitsy ho ampahany amin'ny fifanaraham-piarahamiasa votoaty.
Mampiseho ny fanohanany goavana an'i Palestina sy ireo mpianatra manerana an'i Etazonia manohitra ny adin'i Israely amin'i Gaza ny hiran'i Macklemore farany, mpiangaly rap nandresy tamin'ny Grammy.
Ao amin'ny hirany mitondra ny lohateny hoe “Hind's Hall,” mampitandrina ny governemanta Amerikana i Macklemore, milaza amin'ny Filoha Joe Biden hoe “mihoso-drà ny tananao”, ary manambara fa tsy hifidy azy amin'ny fifidianana ho avy amin'ny volana Novambra.
Namoaka mozika miresaka tsosialy, manohana ny zon'ny LGBTQ+ no sady mitsikera ny mararin'ny fiarahamonina, toy ny fahantrana sy ny fanjifàna i Macklemore, fanta-daza indrindra tamin'ireo hira sangany nandritra ny andian-taona 2010 toy ny “Thrift Shop” sy “Can't Hold Us” tamin'ny taona 2012,
Mamerina mafy ny fanohanany ny zon'ny Palestiniana hatramin'ny nanombohan'ny ady tamin'ny 7 Oktobra 2023 ny hirany farany.
Mijery ny maha-zava-dehibe ny lohatenin'ny hira fanevan'i Macklemore ho an'i Gaza ny New Arab (Arabo Vaovao).
Ny dikan'ny ‘Hind's Hall’ (Efitranon'i Hind)
Nomena anarana avy amin'ny tranobe ao amin'ny Oniversiten'i Kolombia izay nobodoin'ny mpianatra vao haingana ary nosoloana ny anarana hoe Hind Rajab, zazavavy Palestiniana enin-taona maty tany Gaza ilay hira.
Mpanao fihetsiketsehana am-polony no nirohotra tao amin'ny Efitrano lehibe tao anatin'ny tobin'ny oniversiteran'i Columbia tamin'ny 30 Aprily, nanakana ny fidirana sy nanantona sora-baventy Free Palestine (Afaho i Palestina) teo am-baravarankely raha nampitandrina kosa ireo mpitantana fa ho voaroaka izy ireo noho ny fanaovana izany.
Tears. lost of tears 😭😭😭
Columbia students unfurl a banner that reads ‘Hind's Hall’, referring to the 6-year-old girl killed by Israeli army..
Via @prem_thakker pic.twitter.com/VZx7OxJXck
— Abier (@abierkhatib) April 30, 2024
Ranomaso. latsa-dranomaso 😭😭😭
Namoaka sora-baventy misy soratra hoe ‘Hind's Hall’ ny mpianatr'i Columbia, manondro ilay zazavavy 6 taona novonoin'ny tafika Israeliana.
Nanizingizina ireo mpanao fihetsiketsehana fa hijanona ao amin'ny efitrano mandra-paneken'ny oniversite ireo fitakiana telo: ny fialàna amin'i Israely sy ireo orinasa manohana ny ady ao Gaza, ny mangarahara ara-bola sy ny famotsoran-keloka ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana.
HIND’S HALL Now Available on Streaming. All Proceeds to UNRWA. https://t.co/daXnWRmBHE pic.twitter.com/J0Ft6wjuSv
— Macklemore (@macklemore) May 10, 2024
HIND'S HALL Azo jerena mivantana amin'izao fotoana izao. Mizotra mankany amin'ny UNRWA ny paika rehetra.
Ora maro taty aoriana, nanafika ny tranobe ny polisin'ny New York City nitondra ampinga fanoherana fikomiana ary nanala olona am-polony tao, sy nanaisotra ny trano lay tao amin'ny tobin'ny oniversite ihany koa.
Noho ny fangatahan’ny oniversite no nahatonga ny hetsika nataon’ny polisin’ny tanàna, araka ny fanambaran’ny polisy.
Voaresaka ao amin'ilay hira ny setriny nataon'ny polisy, sy ny hira rap-n'i Macklemore:
If students in tents posted on the lawn / Occupying the quad is really against the law / And a reason to call in the police and their squad / Where does genocide land in your definition, huh?
Raha nipetraka eo amin'ny bozaka ny mpianatra ao anaty trano lay/ Tena mifanohitra amin'ny lalàna ny fibodoana ny quad / Ary antony iray hiantsoana polisy sy ny ekipany / Aiza no misy ny fandripahana amin'ny famaritanao, huh?
Nanao hetsika nandritra ny herinandro maro tao amin'ny tobim-pianarana eran'izao tontolo izao ireo mpianatry ny anjerimanontolo noho ny fanafihana mahafaty ataon'i Israely sy ny fanohanan'i Etazonia azy, ka nanesoran'ny polisy an-keriny ireo tobim-pihetsiketsehana mitovy tamin'ny nitranga tany Columbia, ka olona 2.000 no voasambotra manerana an'i Etazonia.
Noheverina ho hery mitarika ao ambadiky ny hetsi-panoherana any amin'ny tobim-pianarana any amin'ny oniversite manerana ny firenena sy maneran-tany ny mpianatry ny Columbia.
Inona no nanjo an'i Hind kely?
Maty novonoin'ny tafika Israeliana tamin'ny volana Janoary i Hind Rajab, nomen'ireo mpianatra mpikatroka ao Columbia voninahitra tamin'ny nanovana ny anaran'ny efitra oniversitera lehibe voabodo ho amin'ny anarany.
Hind sy ny dimy tamin'ny havany no notafihan'ny daroka baomba Israeliana tao anaty fiara tao amin'ny tanànan'i Tal al-Hawa ao Gaza, ka nahafaty ny nenitoany sy ny dadatoany ary ny zanak'olo-mpiray tam-po aminy efatra, araka ny tatitra. Naratra sy voafandrika tao anaty fiara niaraka tamin'ireo havany maty, nanao antso vonjy tamin'ny Volatsinana Mena Palestiniana (PRCS) i Hind, nilaza tamin'izy ireo fa natahotra izy ary niangavy azy ireo mba hamonjy azy. Roa ambin'ny folo andro taty aoriana, hita faty tao anaty fiara i Hind sy ny fianakaviany.
Nilaza ny PRCS fa novonoin'ny Isiraely ihany koa i Youssef Zaino sy Ahmed Al-Madhoun, mpamonjy voina roa nalefa hanavotra an'i Hind, rehefa nokendrena ny fiara mpamonjy voina azy ireo nandritra ny asa fanavotana.
Taorian'ny fanadihadiana feno, nanatsoaka hevitra ny Mpanaramaso ny Zon'Olomeldona Euro-Med fa novonoina tamin'ny “famonoana nomanina nataon'ny tafika Israeliana … tamin'ny antoandrobe” i Hind sy ny havany.
Araka ny tatitry ny Euro-Med tamin'ny volana Febroary, matin'ny tifitra sy potipoti-javatra tamin'ny akoran'ny tanky niaraka tamin'ny dadatoany sy nenitoany ary telo tamin'ireo zanak'olo-mpiray tam-po aminy i Hind rehefa nandositra ny tanàna manodidina, araka ny baikon'Israely.
Nanjary mariky ny ady feno herisetra nataon'i Israely tao Gaza ny tantaran'i Hind, izay fianakaviana manontolo mihitsy no novonoina tsy misy famantarana avy amin'ny Tel Aviv hampihenana ny isan'ny sivily maty.
Dublin, Ireland
A mural of Hind Rajab, the 6-year-old Palestinian girl killed in Gaza by Israeli forces, with family members and paramedics. pic.twitter.com/P9PSpeAEb2
— sarah (@sahouraxo) May 17, 2024
Dublin, Irlandy
Sara an-drindrina misy an'i Hind Rajab, ilay zazavavy Palestiniana 6 taona novonoin'ny tafika Israeliana, niaraka tamin'ny fianakaviany sy ny mpitsabo.
Miakatra amin'ny tabilao mozika Amerikana ny ‘Hind's Hall’
Mitohy malaza hatrany amin'ireo tolotra fandefasana mivantana ny “Hind's Hall” an'i Macklemore, mitàna laharana ambony amin'ny tabilao mozika isan-karazany any Etazonia.
Araka ny filazan'ny Billboard Magazine, nisongadina be tamin'ny tabilao toy ny Tabilao Fivarotana Hira Rap Nomerika na Rap Digital Song Sales Charts ny “Hind's Hall”, izay nahazo laharana faharoa. Nandritra izany, tao amin'ny karazana Tabilao Fivarotana Hira nomerika rehetra na Digital Song Sales Charts, tafiditra 10 voalohany ny “Hind's Hall”, izay nahazo laharana faha-7.
Milaza ireo mpandinika mozika sasany fa mety ho saika laharana voalohany amin'ny hira rap be mpividy indrindra ao amin'ny firenena ilay gadona. Na izany aza, ao amin'ny tabilao Billboard 200, laharana faha-184 ny “Hind's Hall”, saingy mbola mahita fahombiazana any ivelan'i Etazonia izy.
Ao amin'ny tabilao Indie any UK, tonga tamin'ny laharana faha-8 ny “Hind's Hall”, laharana faha-51 amin'ny UK Singles, ary laharana faha-18 tamin'ny Hip Hop Aostralia/R&B.
Nilaza i Macklemore fa ny vola azo tamin'ny famoahany farany dia ho entina hanampiana amin'ny fanangonam-bola ho an'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fanampiana sy ny asa ho an'ny mpitsoa-ponenana Palestine na United Nations Relief and Works Agency for Palestine Refugees (UNRWA).