
Mpanavotra miaraka amin'ny marary ao amin'ny veterinera. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)
Lahatsoratr'i Landy Rodríguez Acosta ho an'ny Periodismo de Barrio, avy eo nahitsy sy navoakan'ny Global Voices araka ny fifanarahan'ny samy media.
Tamin'ny Novambra 2019, nipongatra tao amin'ny WhatsApp ny vondro-mpanohanan'ny fiarahamonina iray ho fiarovana ny fahasalamana sy ny fiahiana ny biby tsy manan-tompo any Artemisa, Kiobà andrefana. Tsy dia misy mpahalala ny hetsika ataon-dry zare onoho ny tsy fananana anarana ofisialy sy ny mombamomba ny mpitantana ny vondrona. Nihaona tsindraindray izy ireo ary nifandamina araka izay tratrany. Tamin'ny faran'ny taona 2020, efa fantatra any San Antonio de los Baños, Artemisa, ho Ekipa Mpiaro Biby (EPA) izy ireo. Tsy mahazo fanohanana avy amin’ny andrim-panjakana ry zareo. Ry zareo ihany no mitantana ny volan-dry zareo, azo avy amin’ny “tombola“, foaram-pantrana, ary fanomezana avy amin’ny olona mahalala an’io olana io.
Iray amin'ireo asa lehibe indrindra fanaon'ny EPA ny fanavotana. Manana fiara hivoahana ny mpikambana iray ao amin'ny fikambanana raha sendra misy ny hamehana. Manome tolotanana ho an'ny biby ry zareo amin'ny fomba fijery veterinera; any amin'ny toerana antsoina hoe ” vonjimaika “, omena sakafo sy fialofana izy ireo, ary araha-maso mandra-pahasitrana tanteraka, ary avy eo dia atolotra any amin'ny tompon'andraikitry ny fananganana.
Miezaka ny mpikambana ao amin'ny EPA mampihatra ny lalànan'ny fiahiana ny biby. Nandeha teny amin’ny biraon’ny polisy eny amin’iny faritra iny mihitsy aza ry zareo mba hitatitra ny fihoaram-pefy, saingy vitsy dia vitsy no voasazy handoa onitra.

Fivorian'ireo mpanavotra. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Naoty sy fanarahamaso ireo biby marary tsy maintsy nentina tany amin'ny veterinera. Fantatra amin'ny Fango EPA ny ekipa. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Fanehoam-pitiavana avy amin'ny mpanavotra iray amin'ny biby an-trano. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Mpanavotra miaraka amin'ny marary ao amin'ny veterinera. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Matahotra ilay biby na dia efa eo am-pelantanan'ny matihanina manokana aza, izay mampiseho ny ratram-po avy amin'ny fampijaliana. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Fijery maneho fanjavozavoana ao amin'ny efitra fiandrasana. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Mpanavotra miaraka amin'ny marary karakaraina noho ny tsi-fanjarian-tsakafo ambolana maro. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Mpanavotra maka sary hanehoana fa eo am-panarahana ny fitsaboana sy ny fikarakarana ny biby ry zareo izao. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Fitandremana araka ny veterinera, satria tsy ny biby rehetra no manoa ary misy ireo sasany mety hanaikitra. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Fitaovana sy fampihatra fanindronana ara-pitsaboana. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Endrika fankasitrahana, alahelo ary hirifiry. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)

Faladiam-panantenana. biby navotana. (Saripikan'i Landy Rodríguez Acosta, nahazoana alalana.)