
Pikantsarin'ny fantsona YouTube Study ao Taiwan
Raha mibahan-toerana amin'ny vaovao sy ny tontolon'ny oniversite ny tantaran'i Shina ao Afrika, vitany ihany koa ny namàfa ilay lasany tsy fantatra amin'izao fotoana izao : ny zavanisy dia navitrika tamin'ny fanohanana ary hita tao Afrika i Taiwan tany amin'ny taona 50 sy 60 tany ho any, ary nitondra fanampiana ho an'ny fampandrosoana sy nanolotra fampianarana asa ho ana firenena afrikàna vitsivitsy, isan'izany i Borkina Faso.
Tamin'ny 1960 i Borkina Faso no nahazo ny fahaleovantenany feno tamin'i Frantsa ary tamin'ny 1961 no nametraka ny fifandraisany diplaômatika tamin'i Repoblikan'i Shina (ROC), izay nandositra ny tanibe Shina ny governemantany tamin'ny 1949 mba hipetraka tao amin'ny Nosin'i Taiwan. Saingy taorian'ny fanonganam-panjakàna nataon'ny tafika tamin'ny 1966 izay nametraka ny général de division Sangoulé Lamizana ho eo amin'ny fitondràna tamin'ny 1973, dia nametraka fifandraisna diplaomatika tamin'i Repoblika Entimbahoakan'i Shina i Borkina Faso (RPC), taorian'ny nanomezan'i Pekin fanampiana goavana efa ho 50 tapitrisa dôlara amerikàna ho azy, izay naharitra hatrany amin'ny taona 1980.
Fanonganam-panjakana iray hafa nataon'ny tafika tamin'ny 1987 no nametraka an'i Blaise Compaoré teo amin'ny fitondràna, ka taorian'io, tamin'ny 1994, nilaza i Borkina Faso fa namerina ny fifandraisany diplaomatika tamin'i Taïwan. Tamin'ny 2008 aza, ireo renivohi-pirenena roa, Taipei sy Ouagadougou, dia lasa tanàna mpirahavavy. Kanefa, tamin'ny 2018, taorian'ny 24 taona, nanapaka hevitra i Ouagadougou ny hamerina indray ny fifamatorany amin'i Pékin izay, amin'izao fotoana izao, tsy manana fifandraisana diplaomatika afa-tsy amin'i Shina.
Mba hahatakarana ny fifandraisana mifamahofaho mampifamatotra an'i Taïwan sy Borkina Faso, ny Global Voices dia nitafa tamin'ny alàlan'ny Zoom, tamin'ny fiteny frantsay, tamin'i dokotera sady profesora Dramane Germain Thiombiano, izay mampianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Nasiônaly momba ny Siansa sy ny Teknôlôjia ao Yunlin ao Taïwan, ao atsimo-atsinanan'ny nosy. Ny sehatra anaovany ikarohana dia mahafaoka ny toekarena pôlitika, ireo andry iraisam-pirenena ary ireo tetikadin'ny fifanakalozana. Thiombiano dia avy any Borkina Faso, toerana niasàny tamin'ny naha-mpanabe ara-tsôsialy azy talohan'ny nifindràny nankao Taïwan, roambinifolo taona lasa izay, rehefa nahazo vatsim-pianarana, ary nijanona hampianatra tao nony farany.
Nasiana fanavaozana ny endrika sy ny halavan'ny tafa.

Sarin'i Dramane Germain Thiombiano. Sary nahazoana alàlana
Filip Noubel (FN) : Ny Repoblikan'i Shina (ROC, miorina ao Taïwan) dia nitàna toerana tamin'ny fanampiana ny fampandrosoana sy ny fanofanana arak'asa tao Borkina Faso fahiny. Mbola velona ihany ve ny fahatsiarovana io fiarahana miasa io ao Borkina Faso amin'izao fotoana izao?
Dramane Germain Thiombiano (DGT): Tena nikorontana marina tokoa ny fifandraisan'i Borkina Faso tamin'i Taïwan, taorian'ny nankatoavan'i Ouagadougou an'i Taipei tamin'ny 1961. Tamin'izany fotoana izany, marobe ireo governemanta afrikàna tsy tia kaominista. Taorian'ny 1971 nankatoavan'i Washington ny Repoblika Entimbahoakan'i Shina, marobe ireo firenena nanova ny pôlitikany, i Borkina Faso kosa anefa dia isan'ireo firenena afrikàna vitsy mbola nanohana hatrany ny fangatahan'i Taïwan ho ao anivon'ny Firenena Mikambana taorian'io daty io.
Tamin'ny 1973, neken'i Borkina Faso i Pékin izay nampanantena fanampiana goavana tamin'ny resaka fanorenana sy famatsiambola ireo fotodrafitrasa goavana. Tamin'ny 1994, mbola nankatoavin'i Ouagadougou indray i Taïwan satria zara raha nampiseho fahalinana tamin'i Borkina Faso i Shina, na dia i Blaise Compaoré aza no filoham-pirenena voalohany tonga nitsidika an'i Shina tao anatina rivo-pifandraisana nisiana fanaovana ankivy diplaomatika taorian'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989. Ankoatra izay, nisy fitsidihana iray tamin'ny 1994 nataon'ny minisitry ny raharaha ivelany shinoa tao Afrika, fa tsy isany i Borkina Faso, ary efa tafahoatra ny mety izany ho an'i Compaoré, satria nabaribarin'i Shina ny fanomezany tombony ireo firenena hafa toa an'i Mali.
Ny 1994 hatramin'ny 2018, tena nafàna tokoa ny fifandraisana teo amn'i Taïwan sy i Borkina Faso, ary nitondra zavatra betsaka teo amin'ny sehatry ny fampianarana, ny fanofanana tamin'ny fitsaboana, ary ny fampitàna fahaizamanao teknôlôjika, indrindra fa tamin'ny alàlan'ny ICDF, ilay birao taioaney misahana ny fanampiana sy ny fiarahana miasa.
Tany amin'ny andian-taona 60, firenena vaovao i Borkina Faso ary nalefan'i Taïwan ireo teknisiàna avy any aminy ho any amin'ny lemak'i Kou any atsimo-atsinanan'ny firenena hanampy amin'ny fambolena vary. Izaho manokana dia tafahaona tamina Taioaney iray, Andriamatoa Li izay niasa tamin'izany vanim-potoana izany tao anatin'ilay tetikasa, ary nahazo mariboninahitra avy amin'ny Filoha Blaise Compaoré tamin'ny 2008. Mbola karakarain'i Taïwan ny fikambanana teknisiàna iray niasa tao Borkina Faso ary mihaona tsy tapaka mba hiresaka an'i Haute-Volta, satria izany no anaran'io firenena io tamin'izany fotoana izany. Ny ankamaroan-dry zareo dia eo anelanelan'ny 70 sy 80 taona amin'izao fotoana izao ary manana fahatsiarovana tena tsara.
Ao Borkina-Faso, tena sarotra be ny mitazona io fahatsiarovana io satria ny olona tsy miteny afa-tsy hoe ‘shinoa’ fotsiny. Ireo olona tena nifandray nivantana tamin'ireo Taioaney dia miresaka an'i Taïwan, ny hafa tsy mahay manavaka an'ireo Shinoa avy ao Shina. Fanampin'izany, tany amin'ny andian-taona 60 sy 70, Taïwan tsy nampiasa afa-tsy ny anarana hoe Repoblikan'i Shina, izay manampy fifanjevoana eny amin'ireo andian-taranaka mbola tanora izay tsy nahalàla io vanimpotoana io.
Avy eo, nanara-davahana an'ireo tetikasan'i Taïwan ny fiarahamiasa tamin'i Shina, indraindray eo amina toerana iray mitovy, noho izany, tsy mahita fahasamihafàna ny ankamaroan'ireo Borkinabe. Nefa amin'ny lafiny iray, ireo izay nianatra tany Taïwan – maro amin'izy ireny no dokotera – dia mahafantatra tsara mihitsy ny zava-bitan'ireo Taioaney ho an'ny firenenay. Fantatry ny olona ihany koa fa i Taïwan dia nitondra ny fanampiany tamin'ilay tohodrano ao Bagré any avaratra-atsinanan'ny firenena, ary mazàna no manondro an'ilay nosy amin'ny fiantsoana azy ho “Ilay Shina kely” mba hanavahana azy amin'i Pékin izay nomen-dry zareo anarana ho “i Shina lehibe”.
Indro ny lahatsary iray mampiseho ireo tanimbary ao amin'ny lemak'iKou, an'ny RTB — Radiodiffusion Télévision du Burkina :
Mba hahafantarana misimisy kokoa, vakio amin'ny fiteny anglisy Taiwan's official diplomatic relations: A hard game to play in the face of China's obstruction
FN : Ahoana ny fanombananao ny fifandraisana ankehitriny misy amin'i Taïwan sy ny tanibe afrikàna?
DGT: Ao Nizerià, mametraka sàkana amin'ny làlan'i Taïwan i Shina, satria tamin'ny 2017, vitany ny nampanaiky ny famindràn-toerana ny Biraon'ny Solontenan'i Taipei ho any ivelan'i Abuja renivohitra, taorian'ny fanampiana izay avy amin'i Pékin. Tetsy andaniny, avy nomen'i Côte d'Ivoire alàlana i Taïwan tamin'ny Novambra 2022 hanokatra indray ny biraon'ny solontenany, taorian'ny fikatonany tamin'ny 2017, ary heveriko fa tian'i Abidjan hoporofoina tamin'io fihetsiny io ny fahaleovantenany manoloana an'i Shina, indrindra fa amin'izao fotoana izao, misy fifandirana eo amin'ny Ivoariàna sy ny Shinoa any anatin'ireo tetikasa goavana sasantsasany ao Côte d'Ivoire. Misy vondrom-piarahamonina kely ivoariàna ihany koa any Taïwan izay mitolona mba hisian'ny fifandraisana lalina kokoa iarahana amin'ilay nosy.
DGT: Somary mampalahelo ihany raha ny toedraharaha eny amin'ny anjerimanontolo. Hatreto aloha, tsy misy io ivom-pianarana momba an'i Afrika io, raha ny fantatro. Izaho manokana dia niezaka nanangana ivontoerana iray, saingy tsy tafitako. Ao Shina, misy ivon-toerana fianarana eny rehetra eny, ary mianatra ireo fiteny afrikàna ny olona, toy ny swahili. Etsy ankilany ao Taïwan, eny fa na tamin'ny fotoana isian'ny fifandraisana dipalomatika tamin'i Borkina Faso aza, tsy mahalàla na inona na inona momba ny firenenay ny olona eto. Tsy ivon'ny fahalinan'ny ao Taïwan i Afrika, ary mbola mijanona ho ilay “tanibe maizina”, tanibe mainty, indrisy, nefa i Afrika afaka ny ho tombony ho an'i Taïwan. Ankoatra izay koa, ireo tombony diplaomatika mety ho azon'i Taïwan ampiasaina tsara ao Afrika mba hampahafantarana ny fireneny.Ezahako izao ny mampiroborobo ny kolontsaina borkinabe aty Taïwan. Matetika aho no mirotsaka an-tsehatra any amin'ireo sekoly ambaratonga fototra izay iresahako ny momba an'i Afrika sy ny rafi-pampianarana any Afrika ary tena tohina tokoa ireo mpianatro izay manodidina ny 12 taona eo rehefa mahita ny fahasamihafàna eo amin'ny rafitra fampianarana. Dia te-hahalala misimisy kokoa momba an'i Borkina Faso sy Afrika amin'ny ankapobeny ry zareo.Manana masoivoho eto i Eswatini, manana biraon'ny solontenany i Afrika Atsimo, tena mavitrika be amin'ny fifanakalozan'ny samy oniversitera, toy izany koa i Nizerià. Tafahaona ihany koa aho tamin'ireo Nizeriàna lehilahy sy vehivavy mpandraharaha, ary tamin'ireo Borkinabe mpianatra, izay tsy naniry ny handeha ho any Shina fa nijanona aty Taïwan taorian'ny nahatapaka ny fifandraisana diplaomatika. Ny sasany manao asana mpikaroka, profesora, manambady Taioanezy. Misy marobe ireo vondrona ao amin'ny WhatsApp ifandraisan'ireo teratany Afrikàna monina aty Taïwan.