
Polisy anjatony nitoby nanodidina an'i Victoria Park sy Causeway Bay hifanandrina amin'ireo hetsika fahatsiarovana. Saripika: Kyle Lam/HKFP
Tatitra nosoratan'i Tom Grundy, Mercedes Hutton, Kelly Ho, Irene Chan, Hans Tse ary James Lee ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 20 Mey 2024. Misy dika nasiam-panitsiana navoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa votoaty amin'ny HKFP.
Nahitana polisy marobe i Hong Kong tamin'ny faha-35 taonan'ny famoretana an'i Tiananmen tamin'ny Talata 4 Jona 2024, ka olona maromaro manodidina ny Causeway Bay no voatazona.
Nisy manamboninahitra napetraka nanerana ireo distrika fivarotana akaikin'ny Victoria Park, izay nampiantrano fiaretan-tory natrehin'ny olona an'aliny. Nisy fiara mifono vy iray ihany koa hita teo akaikin'ny tsenambarotra SOGO, ho toy ny hetsika hanakanana ny hetsika fahatsiarovana.
Tazana ihany koa ny fahamaroan'ny polisy teo amin'ny Lalana Great George, nanome baiko hiala hatrany ireo manamboninahitra manaisotra ny mpandalo rehefa mihatonga tamin'ny filentehan'ny masoandro ny mpanao gazety sy mpaka sary.

Andiana Police nanavatsava an'i Causeway Bay, Hong Kong, tamin'ny 4 Jona 2024, tsingerintaona faha-35 nanaovana famoretana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989. Saripika: Kyle Lam/HKFP.
Ny marainan'ny talata, tsy niresaka mivantana ny Lehiben'ny mpanatanteraka John Lee raha misy fomba ara-dalàna hahatsiarovana ny famoretana tamin'ny 4 Jona 1989, izay an-jatony, angamba an'arivony, no maty notifirin'ny Tafi-Panafaham-Bahoaka nanaparitaka tamin-kerisetra ireo mpanao fihetsiketsehana tao Beijing, rehefa nisy hetsika am-bolana maro notarihan'ny mpianatra.
Ny tolakandron’ny talata teo, nisy zokiolona iray nampiseho afisy nosoratan-tanana mahakasika ny demokrasia sy ny famoretana. Ny sora-baventy iray, mitondra ny lohateny hoe “Morontsiraka roa, Zaratany Telo,” ahitana ny lisitr'ireo hetsika ara-tsosialy nanomboka tamin'ny taona 1919, tamin'ny hetsika fahaefatra May ka hatramin'ny famoretana an'i Tiananmen tamin'ny taona 1989, ny Hetsika Elo sy ny Hetsika Tanamasoandro ao Taiwan tamin'ny taona 2014, ary ny hetsi-panoherana tao Hong Kong tamin'ny taona 2019, araka ny aseho amin'ity lahatsary manaraka ity amin'ny alalan'ny @hkposter777 avy amin'ny X, Twitter taloha:
#六四35 | 長者銅鑼灣舉牌「念 89!悼 64」 遭帶上警車
集誌社報導 https://t.co/XQgbSopwxl#六四 #八九民運 #天安門事件 #六四屠城 #TiananmenMassacre #june4th #CausewayBay pic.twitter.com/CkXstbIVaT
— 777文宣傳播稿件大合集 (@hkposter777) June 4, 2024
Nentin'ny polisy izy, araka ny voalazan'ny The Collective, saingy navotsotra avy eo.
Notaterin'ny ReNews ihany koa tamin'ny talata fa voahodidin'ny polisy i Alexandra Wong, ilay zokiolona mpikatroka ho amin'ny demôkrasia ary nentina tany amin'ny fiaran'ny polisy rehefa avy niantsoantso hoe “Tsy hohadinoin'ny olona”, akaikin'ny gara MTR Causeway Bay tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro.
Nanatri-maso fisamborana olona maromaro ny mpanao gazety ao amin'ny HKFP: lehilahy iray nitafy mainty teo akaikin'ny Victoria Park sy vehivavy iray nanao solomaso aro masoandro teo akaikin'ny toeram-pivarotana SOGO tokony ho tamin'ny 5:40 hariva.
Tao anatin'ny Victoria Park, nahita tovolahy iray noraofina ny HKFP:
2/ Security guards surrounded the young man, covering him with five or six umbrellas. The man was heard calling for help, telling HKFP: “They said I had a book about Xi Jinping's governance of China. They said it was against the rules.”
Video: Irene Chan/HKFP. pic.twitter.com/l6vHCj2b5p
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) June 4, 2024
2/ Nihodidina an’ilay tovolahy ny mpitandro ny filaminana, ka nosaronan’ny elo dimy na enina. Re niantso vonjy ilay lehilahy, nilaza tamin'ny HKFP hoe: “Nilaza izy ireo fa manana boky momba ny fitondran'i Xi Jinping an'i Shina aho. Nilaza izy ireo fa mifanohitra amin'ny fitsipika izany.”
Lahatsary: Irene Chan/HKFP.
— Hong Kong Free Press HKFP (@hkfp) 4 Jona 2024
Naharanga ny mpandalo, anisan'izany ireo Shinoa mpizahatany, ny fisian'ny mpanao gazety maherin'ny 30 teo am-pivoahana ny lalana Great George (Street) amin'ny fiantsonan'ny MTR Causeway Bay. Ny sasany nanontany ny mpanao gazety hoe inona no anangonan-dry zareo vaovao, ny hafa kosa nanontany raha hisy olo-malaza hiseho.
Nosivanina mafy tao Shina tanibe izay manondro famoretana tao Tiananmen, izay midika fa ny ankamaroan'ny olom-pirenena 1,4 lavitrisa ao amin'ny firenena dia tsy mahafantatra izay zava-nitranga tamin'ny 4 Jona 1989.

Vehivavy iray nitondra finday nirehitra fanilo nosakanan'ny polisy tao Causeway Bay, Hong Kong, tamin'ny 4 Jona 2024, fahatsiarovana ny faha-35 taonan'ny famoretana an'i Tiananmen tamin'ny taona 1989. Sary: Kyle Lam/HKFP.
Tao amin’ny fari-pivarotana, nijanona ny polisy ary nitady vehivavy iray izay mirehitra ny fanilon'ny findainy. Nanontany azy izay ho alehany ireo manamboninahitra, ary nilaza tamin'izy ireo izy fa ao Causeway Bay hihinana ramen.
Nandalo tao Causeway Bay ny mpiasan’ny Consulat Général de France any Hong Kong sy Macau tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Nirohotan'ny mpanao gazety izy rehefa nandalo teo amin’ny toeram-pivarotana SOGO saingy tsy nanao fanambaràna.
Tazana nandehandeha teo ivelan'ny Victoria Park ihany koa ireo diplaomaty ny talata hariva, narahin'andia-mpanao gazety.

Diplômaty mandeha an-tongotra mandalo ny Victoria Park ao Causeway Bay, Hong Kong, tamin'ny 4 Jona 2024, tsingerintaona faha-35 taona nanaovana famoretana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989. Saripika: Kyle Lam/HKFP.