Tamin'ny 10 May 2024, zato taona taorian'ny nanesorana tany Però ny fahapelahana tsy ho heloka bevava intsony, nosokajian'ny governemanta tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny alalan'ny didim-panjakana ho “marary saina” (indray) ny olona nanova taovam-pananahana, sady tsy lahy no tsy vavy, ary ny olona sady lahy no vavy.
Ampahany amin'ny Drafi-Piantohana ara-Pahasalamana Tena Ilaina na Essential Health Insurance Plan (PEAS) ity fepetra ity, izay mamaritra ny fepetra ara-pahasalamana azo antoka ho an'ny politikam-piantohana.
Nanazava avy eo ny manampahefam-panjakana iray fa natao didim-panjakana ity fanasokajiana vaovao ity mba “hiantohana manontolo ny fikarakarana ny fahasalamana ara-tsaina” eo ambanin'ny PEAS. Na izany aza, mandray izany fepetra izany ho efa lany andro ny vondrom-piarahamonina pelaka ao amin'ny firenena sy fiverenana amin'ilay antsoina hoe “fitsaboana fiovam-po” toy ny Sexual Orientation and Gender Identity and Expression Change Efforts (ECOSIEG).
Miady hevitra momba ireo fomba fanao ireo ihany koa ny governemanta ao amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina amin'i Però, Kolombia. Mandeha amin'izao fotoana izao ny ezaka amin'ny fampiasana volavolan-dalàna mandràra ny fampijaliana sy ny fomba fanao tafahoatra mikatsaka hanova ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy sy maha-vavy ny olona
Tamin'ny taona 2019, nitsahatra tsy nihevitra ireo olona manana ny maha-lahy sy maha-vavy tsy mitovy tamin'ny nahaterahany ho marary saina ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Fahasalamana (OMS). Ao amin'ny dikan-teny farany indrindra amin'ny katalaogin'ny Fanasokajiana Aretina an'ny OMS International, ICD-11, “tsy fifanarahana maha lahy sy maha vavy eo amin'ny fahatanorana sy fahalebiazana” sy ny “tsy fifanarahana maha lahy sy ny vavy amin'ny fahazazana” nisolo ny aretina efa lany andro toy ny “fanovana taovam-pananahana” sy ny “fikorontanan'ny maha-lahy sy maha-vavy amin'ny fahazazana”.
Tamin'ny 18 May 2024, miisa 200 teo ho eo ireo mpanao fihetsiketsehana nidina an-dalambe mba hanohitra ity fepetra ity. Ho an'ny olona LGBTQ+ maro, mametraka azy ireo mety hiharan'ny herisetra sy fanavakavahana izany fepetra izany. Teo anelanelan'ny taona 2012 sy 2021, farafahakeliny 88 LGBTQ+ no namoy ny ainy. Na izany aza, noho ny tsy fahampian'ny lalàna ao Però manasazy ireo heloka bevava fankahalana, dia tsy nisy ny rariny ho an'ireo maty novonoina.
Nanameloka ity fepetra ity tao amin'ny media sosialy ny talen'ny fetiben'ny horonantsari-mihetsika ara-kolontsaina LGBTQ+ Jheinser Pacaya:
A 100 años de la despenalización de la homosexualidad el @Minsa_Peru no tiene mejor idea que incluir a las personas trans en la categoría de enfermedades mentales. Exigimos y no descansaremos hasta su derogaracion. pic.twitter.com/gKczZeq0OI
— Jheinser Pacaya 🏳️🌈 (@jheinserrr) May 14, 2024
Sioka: Zato taona taorian'ny fanesorana tsy ho heloka bevava ny fahapelahana, nanapa-kevitra tampoka ny Minisiteran'ny Fahasalamana @Minsa_Peru fa hihevitra ny olona pelaka ho marary saina. Mitaky ny hanafoanana ity fepetra ity izahay ary tsy hijanona raha tsy efa vita.
Sary: FANAMBARANA
Malahelo noho ny fankatoavana ny D.S.009-2024-SA, izay mamaritra ny fahapelahana ho aretina ny fikambanana sivily Outfestperu. Manilikilika ny olona pelaka sy mampaharitra ny fanavakavahana izany fomba fijery izany.
Raha tokony hihevitra ny fiovam-pananahana ho toy ny olana ara-pahasalamana, tokony hampiroborobointsika ny fanekena sy ny fanajana ny karazana maha-lahy/vavy rehetra.
Takìnay ny hanafoanana ity lalàna ity ary ny hifantohan'ny MINSA amin'ny fiarovana ny zo fototra amin'ny fampiroboroboana ny fahazoana fitsaboana mitovy.
Manohitra ireo fepetra ireo i Manuel Siccha, mpisolovava sady mpikatroka LGBTQ+, izay mpanolotsaina mibaribary voalohany ao amin'ny Filankevitra Metropolitana ao Lima. Mandrisika ny Kongresy i Siccha mba “hampihatra ny dingana fanaraha-maso ary mangataka fampahalalana amin'ny antsipiriany avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana momba ny fiarovana napetraka mba hisorohana ity filazana fa aretina ity ary hiantohana ny fikarakarana feno sy feno fanajana ny LGBTQ + ao amin'ny rafi-pahasalamana Peroviana.”
Mandrisika ny Vaomieran'ny Fahasalamana ao amin'ny Kongresy ihany koa i Siccha mba “hanokatra seha-pifanakalozan-kevitra sy fanombanana ity fitsipika ity miaraka amin'ireo mpisehatra ara-teknika, ara-politika ary ny fiarahamonim-pirenena, izay tokony nakàna hevitra.” Heveriny fa tena ilaina ny mitondra ity fanavaozana ara-pahasalamana ity amin'ny ICD-11, ka mampifanaraka izany amin'ny “fenitra iraisam-pirenena ary maneho mazava tsara ireo traikefa lahy/vavy amin'ny fomba tsy misy fanilikilihana.”
Boluarte, filoha vehivavy voalohany ao Però, nanantitrantitra ny maha-mpandala ny nentin-drazana ara-tsosialy azy, izay miara-dalana amin'ny ankamaroan'ny mpandala ny nentin-drazana ao amin'ny Kongresy Peroviana. Tamin'ny taona 2022, taorian'ny fampielezan-kevitra notarihan'ny vondrona manohitra ny ankavanana “Aza Manelingelina ny Zanako”, dia nesorin'ny Kongresy tao amin'ny boky fianarana rehetra ny “foto-kevitra momba ny maha lahy sy maha vavy”. Tamin'ny 5 Martsa 2024, nisy fiantraikany lehibe tany El Salvador ihany koa io fepetra io, satria nesorin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena tao amin'ny torolalana, boky ary fitaovana fanabeazana hafa tamin'ny alàlan'ny baikon'ny filoha ny votoaty toy izany.
Tamin'ny 21 Mey 2024, namoaka fitsapan-kevitra tao amin'ny X ilay mpanao gazety Kolombiana @VickyDavilaH mba hanapahan'ny olona hevitra raha manaiky na tsia ny fanapahan-kevitra hoe tokony ho raisina ho aretina ara-tsaina ve ny fahapelahana, ny fanaovan'ny lahy akanjom-bavy sy ny mifamadika amin'izany, ny sady tsy lahy no tsy vavy, ary ireo lenta hafa. Nizara ny lahatsorany ny Temblores, fikambanana tsy miankina mpanaramaso ny herisetran'ny polisy, mampahatsiahy azy fa nijanona nanasokajy ny olona pelaka ho marary saina ny OMS tamin'ny taona 2018. Ambonin'izany, nanambara ihany koa izy fa “tsy natao iadian-kevitra ankalamanjana ny mari-panondroana tsy mahazatra (lahy/vavy). Mampitombo rezikan-kerisetra sy fanavakavahana atao amin'olona tsy lahy tsy vavy isan-karazany ity karazana fitsaratsaram-poana ity, ka manitsakitsaka zo maro ary misy fiantraikany amin'ny fiainany amin'ny lafiny maro. “
Tamin'ny 10 Mey 2024, nanambara ny Human Rights Watch fa “nihemotra tanteraka” ity lalàna ity ary “manamafy kokoa ny hevidraikitra manimba ny lesbiana, pelaka, bisexe ary ny mpanova taovam-pananahana (LGBT)” ao Però, izay tsy misy politika momba ny fahasamihafana. Nanentana ny governemanta Peroviana izy mba hanafoana io “didy mitongilana sy tsy ara-tsiansa io ary mikendry ny hampihatra ny fanasokajian'aretina vaovao an'ny OMS manaja ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy na maha-vavy.”
Araka ny voalazan'ny Dr. Víctor Zamora avy ao amin'ny Sekolin'ny Governemanta sy ny Politikam-panjakana ao amin'ny Oniversite Katolika Pontifical ao Però, manohintohina ny fandrosoana rehetra vitan'i Però momba ny zo sy ny miralenta io didim-panjakana io. Ho an'i Zamora, “misy fomba tokana ahafahan'ny manampahefana ara-pahasalamana manaisotra amin'ny kolontsaina anaty zohy sy miverina amin'ny maoderina”: manafoana ity lalàna izay fanitsakitsahana mivantana ny zo tsy avahana an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ ity.
Miantso ireo vondrona ireo hanao diabe amin'ny 29 Jona 2024 ho avy izao, ao anatin'ny Volan'ny Fireharehana na Pride Month, ireo fikambanana mpiaro ny zon'ny LGBTQ+. Natao izany ahafahana “hampitombo kokoa ny fahitana azy ireo ary haneho amin'ny Fanjakana fa mitaky firenena manana ny rariny sy hitsiny bebe kokoa isika.” Saibôlika kokoa noho ny hatramin'izay ity diabe ity.