Mitolona ho amin'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen 4 Jona 1989 i Hong Kong

Chow Hang-tung tao Victoria Park tamin'ny taona 2019. Sary avy amin'ny Chow's Club tao amin'ny Facebook

Nosamborina sy nogadraina tamin'ny 28 May 2024 ilay mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona ao Hong Kong Chow Hang-tung, 39 taona, sy ireo mpanohana azy miisa dimy, noho ny famoahana lahatsoratra mampisara-bazana tao amin'ny media sosialy izay voalaza fa nitarika fankahalana ny governemantan'i Hong Kong sy ny governemanta Shinoa amin'ny tanibe. Nanamarika ny fampiharana voalohany ny lalàna vaovao filaminana anatiny, nomena anarana hoe Andininy faha-23 ity fisamborana ity.

Chow no filoha lefitry ny Hong Kong Alliance in Support of Patriotic Democratic Movements of China (HK Alliance) efa rava ankehitriny, mpikarakara ny fiaretan-tory mandrehitra labozia fanao isan-taona ho fahatsiarovana ny Famoretana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989. Natao isan-taona teo anelanelan'ny taona 1990–2019 ny fiaretan-tory. Notazonina nanomboka ny volana Septambra 2021 izy ary voaheloka higadra 22 volana rehefa voaheloka ho nandrisika sy nandray anjara tamin'ny fivoriambe tsy ara-dalàna tamin'ny fiaretan-tory tamin'ny 4 Jona 2020 ary nikarakara fiaretan-tory tamin'ny taona 2021. Niaraka tamin'i Albert Ho sy Lee Cheuk -yan, miandry ny fitsarana azy momba ny fikomiana araka ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL) navoakan'i Beijing i Chow ary mbola hofaritana ny daty. Sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty no sazy faratampony amin’izany fiampangana izany.

Nanomboka tamin'ny taona 2020, noraràna ny fiaretan-tory mandrehitra labozia fanao isan-taona isaky ny 4 Jona any Hong Kong, noho ny valan'aretina. Tamin'ny taona 2022 sy 2023, nosamborina na nentin'ny polisy ny olona rehefa nankalaza tampoka ny daty teo akaikin'ny Victoria Park.

Manamarika ny faha-35 taonan'ny Famoretana tao Tiananmen tamin'ny hetsiky ny mpianatra mpomba ny demokrasia tamin'ny 4 Jona 1989 ity taona ity. Natao tamin'ny 15 Aprily 1989, ary naharitra hatramin'ny 4 Jona ny fihetsiketsehana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen ao Beijing miady amin'ny olan'ny kolikoly miely patrana sy ny fakàn'ny tsy miankina ny fananana iombonana noho ny fanalalahana ny tsena, nofaranan'ny famoretana ara-miaramila nandatsa-drà tao afovoan'i Beijing izy ireo nanomboka teo.

Nilaza ny Sekretera misahana ny Fiarovana ao Hong Kong, Chris Tang, fa mampiasa “daty saropady ho avy” ny lahatsoratra ao amin'ny klioban'i Chow Hang-tung ao amin'ny Facebook mba handrisika fankahalana. Rehefa nanontaniana anefa izy raha ny 4 jona ilay daty mafampana, dia tsy nety namaly.

Klioban'i Chow Hang-tung

Inona no tena fikomiana amin'ireo lahatsoratra navoaka tao amin'ny pejy Facebook klioba Chow Hang-tung? Maro no niresaka ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Aprily 2024, izay nanasa ny olona hizara ny tantarany mifandraika amin'ny 4 Jona mba hahafahany manolotra azy ireo ho porofo mandritra ny fitsarana azy momba ny fikomiana (nosoratana tamin'ny teny Sinoa sy Anglisy ny lahatsoratra):

控方目前說要依賴的「證據」裏,包括了自1989年以來支聯會及友好團體出版過的單張、刊物,以及燭光集會的錄影等。…他們要說這30多年來發生過的事情都是我們的罪證,那這30多年來的參與者就都可以是我們的證人。…如果你 #曾是過去30多年來點點燭光的其中一人,不管是在台上還是台下,場內還是場外,本地還是海外,我都 誠邀你 在這場審訊中留下你的證詞,訴說你的經歷,和那段經歷的意義。

Ny porofo izay andrasan'ny fampanoavana hianteherana amin'izao fotoana izao dia ahitana trakta sy boky navoakan'ny Vondrona sy fikambanana hafa nanomboka tamin'ny taona 1989, ary koa horonan-tsary mandrakitra ireo fiaretan-tory mandrehitra labozia… Raha milaza izy ireo fa ny zava-drehetra nitranga nandritra ny telopolo taona lasa dia porofo hanenjehina anay, dia afaka ny ho vavolombelona ireo mpandray anjara rehetra tao anatin'ny telopolo taona lasa… Raha anisan'ireo nitondra labozia tao anatin'ny telopolo taona lasa ianao, na teny an-kianja na ivelan'ny kianja, na tao anatiny na ivelan'ny toerana, na teto an-toerana na tany ampitan-dranomasina, dia manasa anao am-pahatsorana aho handefa ny fijoroanao vavolombelona amin'ity fitsarana ity…

Nosoritan'ny pejy Facebook ilay antso hoe “Ady fahatsiarovana amin'ny fanoratana indray ny fahatsiarovana” #記憶和改寫記憶的抗爭, ary nanomboka nanolotra ny fijoroany ho vavolombelona/fahatsiarovany manokana momba ny fahatsiarovana ny 4 Jona nanomboka ny 30 Aprily 2024 i Chow — manamarika ny fanisàna ny 35- andro ho an'ny faha-35 taonan'ny famoretana ny 4 jona ny daty.

Tamin'ny 10 May, nampidirina an-tranomaizina mitokana tany am-ponja izy. Na izany aza, nitohy ny fahatsiarovany ny 4 Jona nosoratany mandra-pisamborana azy enina tamin'ny 28 May.

Miampy ny fisamborana roa hafa tamin'ny 29 May sy 3 Jona, miisa valo hatramin'izao fotoana izao ireo voasambotra mifandraika amin'ny pejy facebookn'i Chow, anisan'izany i Medina Chow, renin'i Chow; Lau Ka-yee sy Kwan Chun-pong, mpikambana tao amin'ny komity maharitra teo aloha tao amin'ny HK Alliance; Chan Kim-Kam, mpanolotsainan'ny distrika taloha; ary Lee Ying-chi, mpitsabo nify ary mpikambana ao amin'ny Ligy Demokraty Sosialy.

Mpanjakavavin'ny rano sy vary

Iray amin'ireo mpikatroka vitsy sahy mampiaka-peo ao Hong Kong i Chow na dia mbola any am-pigadrana aza. Tohanan'ny fahatakarany ny toetry ny fanenjehana ara-politika ny fihetsiny mivantana, araka ny fanazavany tao amin'ny pejy Facebook an'ny kliobany (amin'ny teny Sinoa sy Anglisy):

…我們被控的「犯罪行為」,本身就是公共的,眾人參與之事,不是被告的私人問題。控方的角色也不是找出真相,而是壓抑真相——把原本就在陽光之下的公共記錄,選擇性地抽取一些,掩埋一些,以構建一個犯罪的論述,然後在法庭這裏留下白紙黑字的、權威的記錄。所以,對我們最「有利」的,不是陪控方玩這個由少數人改寫歷史的遊戲,而是把書寫歷史的權力交還給大家,讓全部的事實都能被看見。在這個案子裏,在六四這件事上,想要隠瞞,想要避重就輕的,是控方而不是我們啊!

“… hita fa ho an'ny besinimaro ny “hetsika heloka bevava” iampangana anay, ahitana ny fandraisan'anjaran'olona marobe, tsy mikasika ny raharaha manokan'ny voampanga. Tsy ny hamoaka ny marina no andraikitry ny fampanoavana fa ny manafoana izany— manaisotra sy mandevina am-pifantenana ny zava-bitan'ny daholobe izay efa hitan'ny rehetra, mba hananganana fitantarana heloka bevava ary hampisy antonta-taratasy hanan-kery ao amin'ny efitrano fitsarana. Noho izany, ny tena “tombontsoa” ho antsika dia tsy ny milalao miaraka amin'ny famerenana ny tantara ataon'olom-bitsy, fehezin'ny fampanoavana, fa ny famerenana ny herin'ny fanoratana tantara ho an'ny rehetra, mamela ny zava-misy rehetra ho hita. Amin'ity tranga ity, dia momba ny zava-nitranga tamin'ny faha-efatry ny volana Jona, ny fampanoavana fa tsy isika, no te hanafina sy hanao tsinontsinona ny raharaha!

Saingy manaraka matetika ny valifaty. Matetika napetraka tamin'ny toerana mitokana any am-ponja izy. Ohatra, taorian'ny nahazoany ny loka Franco-Alemana ho an'ny Zon'olombelona sy ny Fanjakan'ny Lalàna tamin'ny volana Desambra 2023, naiditra am-ponja tamin'ny toerana mitokana 18 andro izy, araka ny lahatsoratra tao amin'ny klioba Chow Hang-tung.

Araka ny Fitsipika kely indrindra ho an'ny Gadra araka ny Firenena Mikambana, ny fanokana-monina am-pigadrana no fomba farany indrindra ampiharina rehefa vita ny famotorana mahaleotena iray. Tamin'ny taona 2011, nilaza i Juan E. Méndez, Mpampakateny manokana momba ny fampijaliana, fa tokony horaràna ny fanokana-monina am-pigadrana mihoatra ny 15 andro satria nanamafy ny fanadihadiana ara-tsiantifika fa misy ny fanimbana ara-tsaina maharitra vokatry ny fitokanana ara-tsosialy anatin'ny andro vitsivitsy.

Noraisiny moramora izany fijery izany tamin'ny fanomezana anarana ny tenany ho “Mpanjakavavin'ny Rano sy ny Vary” (水飯女皇) satria rano sy vary ihany no omena ny voafonja ao amin'ny toerana mitokana.

Tamin'ity indray mitoraka ity dia niitatra tamin'ny reniny sy ny namany ny valifaty. Ny lalàna vaovao momba ny fiarovana anatiny dia mamela ny fitazonana am-ponja vonjimaika hatramin'ny 16 andro, ary mety hoferana ny fahazoana mpisolovava ho an'ny voarohirohy. Hatramin'ny fito taona an-tranomaizina ny sazin’ny fikomiana, na 10 taona raha niray tsikombakomba tamin’ny “hery ivelany” izy ireo.

Mampiasa ny lalàna hanampenam-bava ireo mpitsikera

Maro ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, ​​toy ny Hong Kong Watch any Londra sy ny Zon'Olombelona any Shina, no nanakiana ny fisamborana. Sarah Brooks, talen'ny Amnesty International ao Shina, nanoritsoritra ny fisamborana ho “fikasana mahamenatra” amin'ny fanafoanana ny fahatsiarovana am-pilaminana ny famoretana tao Tiananmen ary nanameloka ny governemanta Hong Kong ho manararaotra ny andininy faha-23 mba hampanginana ny tsikera:

Despite warnings from UN human rights experts that the law is inconsistent with international human rights laws and standards, the Hong Kong government insists on weaponizing it to silence critique…Chow Hang-tung and others in Hong Kong arrested simply for exercising the right to freedom of expression should be immediately and unconditionally released, and the Hong Kong police must refrain from suppressing other peaceful commemorations of the 1989 tragedy. Remembering the Tiananmen crackdown is not and never shall be a crime.

Na dia teo aza ny fampitandremana avy amin'ireo manam-pahaizana momba ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàna sy fenitra iraisampirenena momba ny zon'olombelona ny lalàna, dia miziriziry amin'ny fampiasana izany ny governemanta Hong Kong mba hampanginana ny fanakianana… Tokony havoaka avy hatrany sy tsy misy fepetra i Chow Hang-tung sy ireo olon-kafa any Hong Kong izay nosamborina noho ny fampiasana ny zo haneho hevitra, ary tsy maintsy miala amin'ny fanafoanana ireo fahatsiarovana am-pilaminana ny loza tamin'ny taona 1989 ny polisin'i Hong Kong. Ny fahatsiarovana ny famoretana tao Tiananmen dia tsy heloka ary tsy ho heloka mandrakizay.

Mampihomehy anefa fa mampahatsiahy an'izao tontolo izao ny faha-35 taonan'ny famoretana ny 4 Jona ho avy izao ny fisamborana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.