Global Voices mitady toniandahatsoratra ho an'ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra

Mpanoratra sy toniandahatsoratra manana fahatakarana lalina sy liana amin'ny lafin-javatra rehetra ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ve ianao? Mientana ve ianao amin'ny famolavolana hevitra ho tantara, ranty media sosialy, ary famoahan-dahatsoratra hafa miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa?

Raha “eny” ny valinteninao amin'ireo fanontaniana etsy ambony ianao, dia azonao atao ny mieritreritra hangataka ny toeran'ny Tonian-dahatsoratry ny faritra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

Ny Toniandahatsoratry ny Faritra no ho tompon'andraikitra amin'ny fanitsiana ireo tantara nosoratan'ireo volanteran'ny Global Voices sy amin'ny fanoratana tantara momba ny faritra. Ny tantaran'ny Global Voices Mifantoka amin'ny lohahevitra toy ny kolontsaina an'aterineto, ny fahalalahana miteny anjotra, ny zo ara-teknolojia sy ny nomerika, ny zon'olombelona, ​​ny fimaroana sy ny fisoloantena, ary ny fahamaroam-piteny.

Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina isankarazany manana mpandray anjara manoratra tantara ihany koa ny Tonian-dahatsoratry ny Faritra, mizara hevitra hanoratana lahatsoratra (tantara), ary mametraka ny programa famoahana lahatsoratra ho an'ny faritra amin'ny alalan'ny fanolorana hevitra, fizarana fahalalàna ary fanomezana fitarihana.

Isan'ny asan'ny toniandahatsoratra ny :

  • Mitarika sy mampivelatra ny ekipa tompon'andraikitra amin'ny fanaovana tatitra momba ny firenena any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra
  • Manoratra, manamarina ny zava-misy ary manitsy ny tantara manasongadina ireo olana mahasarika sy manan-danja indrindra avy amin'ny loharano anjotra ao amin'ny faritra
  • Mihazona ambony indrindra ireo tantara mivelatra, buzz sy fironana manerana ny media sosialy sy ny median'olompirenena ao amin'ny faritra
  • Mamolavola angon-drakitra ahitana loharanom-baovao anjotra azo antoka sy voamarina manerana ny faritra misy azy
  • Manamora fihaonana famoaham-baovao virtoaly hanangonana sy hampivelarana hevitra sy randran-tarika momba izay mitranga ao amin'ny faritra
  • Manatrika fivoriana sy mandray anjara amin'ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny efitrano famoaham-baovao Global Voices sy sampana hafa
  • Miara-miasa akaiky amin'ireo media mpiara-miombon'antoka hisafidianana sy hamehezana ho amboara indray ireo tantara mifanaraka amin'ny mpihaino manerantany, ary hampiroborobo sy hamoaka indray ny tantaran'ireo tranonkala mpiara-miasa amin'ny Global Voices.
  • Mivonona miaraka amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatrany sy amin'io vondrom-piarahamonina io handraisana anjara amin'ny tetikasa manerana ny faritra
  • Miasa mifanaraka amin'ny toromarika, iraka ary kolontsain'ny vondrom-piarahamonina Global Voices

Ho ataon'ireo kandidà mahomby amin'ny toerana ny :

  • Mailaka tokoa (miteny), manoratra sy mifandray amin'ny teny anglisy
  • Manana fahaizana maka sy sy manoratra vaovao
  • Afa-manoratra amim-pahakingana sy amim-pahalalàna ireo olana ao an-toerana ho an'ny (mpamaky) manerantany
  • Manana fahatakarana tsara momba ireo lohahevitra mifandraika amin'ny firenena ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, sy fahaiza-mitsara ara-panoratana ireo olana ao amin'ny faritra
  • Manana fahatakarana lalina momba ny median'olon-tsotra, media mahazatra, ny asa fanaovan-gazety eo an-toerana sy ny fahavitrihan'ny media sosialy ao amin'ny faritra, ao anatin'izany ny fahalalàna ireo media sosialy azo itokisana sy feon'olom-pirenena ao amin'ny faritra.
  • Mahay ny zo nomerika, ny fahalalahana miteny, ary ireo lohahevitra mifandraika amin'ny fikatrohana sy fahavitrihana ao amin'ny faritra
  • Mahazo aina tsara miara-miasa amin'ny hafa ao anatin'ny tontolon'asa virtoaly manontolo
  • Mahafehy tsara ny fahaiza-manao informatika.
  • Manana fifandraisana aterineto atokisana hisosa tsara.
  • Afa-manoka-potoana 15 ora isan-kerinandro amin'ny asan'ny Global Voices manokana
  • Mahay maneho fanoloran-tena tsara amin'ny iraka sy soatoavin'ny Global Voices

Ironana kokoa ireo kandidà manana fahalalana tsara ny teny Arabo sy ny fiteny hafa ampiasaina any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra. 

Ny Global Voices dia fikambanana virtoaly manerantany. Môtera mamelona ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices ny ekipan'ny tonian-dahatsoratra miasa ampaham-potoana  miara-miasa amin'ireo volantera manoratra sy mpandikateny manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy dia aseho amin'ny media mahazatra iraisampirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ireo toerana ireo. Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Tsy maintsy mahazo aina amin'ny fametrahany ny fandaharam-potoanam-piasany manokana ny kandidà ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo.

Ampirisihanay fatratra ireo kandidà mandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao hirotsaka.

Ampaham-potoana no iasana ary horaisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina (freelance) izany.

Ho ekena ny fandraisana ireo fangatahana mandra-pahatonga ny 11:59pm EST (GMT -4) amin'ny 20 Jona 2024 ho avy izao. Alefaso ny fangatahanao amin'ny alàlan'ny famenoana eto ambany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.