Ao Taiwan, mbola tsy hita loatra amin'ny resaka kolontsaina, toekarena ary pôlitika ny tanibe afrikàna — araka izany, rehefa nankalazaina tao Taipei tamin'ny 25 May ny Andron'i Afrika dia nanome hirika tsy fahita firy mba hanandratana ny kolontsaina afrikàna, na dia ho andro iray monja aza.
Amin'izao fotoana izao, dia miaraka amin'ny fanjakan'i Eswatini irery i Taiwan no mikolokolo fifandraisana diplaomatika feno ao amin'ny tanibe afrikàna ary manana birao misolo tena azy ao Somaliland. Na izany aza, tsy izany foana no nisy, tsy hoe bitika ny fifandraisana pôlitika sy ara-toekarena ananan'ilay nosy amin'i Afrika. Eny tokoa, rehefa najoro tamin'ny 1945 ny Firenena Mikambana, ny Repoblikan'i Shina — tamin'izany, sy izy ankehitriny amin'ny anarana ôfisialy hoe Taiwan (ROC), dia isan'ny mpikambana mpanorina ny lamina pôlitika vaovao izay nipongatra avy amin'ny Ady Lehibe Faharoa.
Raha nanomboka tany amin'ny faramparan'ny taona 1950 sy 1960 tany ny ankamaroan'ireo firenena afrikàna no nahazo ny fahaleovantenany avy amin'ireo hery mpanjanaka, nametraka fifandraisana diplaomatika feno tamin'i Taiwan ireo firenena vaovao ROC. Na tamin'ny 1949 aza ny Repoblika Entimbahoakan'i Shina (PRC) no nijoro, nandritra ny fotoana lavabe izy no tsy nahazo fankatoavana diplaomatika tao Afrika. Nandritra izany vanim-potoana izany, efa hita be tany Afrika ny ROC ary nanomboka fandaharanasam-pampandrosoana marobe nifantoka tamin'ny fambolena, fotodrafitrasa ary fampitàna traikefa. Nanasa mpianatra ihany koa avy ao amin'ilay tanibe izy ho alefa miofana tany Taiwan, indrindra ho injeniera, manampahaizana manokana amin'ny fambolena, infirmiera ary dokotera. Tamin'izany fotoana izany i Afrika dia hita tao amin'ilay nosy, tamin'ny alàlan'ny fandrakofana nataon'ny media tao aminy, ny raharaham-barotra, ny fisian'ireo vahiny mpianatra, ary hatramin'ny nisian'ireo Taioaney manampahaizana manokana naparitaka tany amin'ilay tanibe.
Niova tanteraka izany rehetra izany taorian'ny Oktôbra 1971 rehefa ny PRC no nisolo ny toeran'ny ROC tao amin'ny Firenena Mikambana, niaraka tamina fanohanana nidadasika sy adisisika avy amin'ireo firenena afrikàna izay nanànan'i Beijing fifandraisana ara-pirahalahiana nanomboka tany amin'ny 1960. Taorian'izay daty izay, nihena be ny isan'ireo fifandraisana diplaomatika tamin'i Taiwan ary tsy misy afa-tsy tokana sisa ankehitriny — roa raha toa i Somaliland ka ampidirina ao anatin'ny kajy, na dia tsy nahazo fanakatoavana iraisam-pirenena ho fanjakana mahaleotena aza izy
.
Mba hahafantarana misimisy kokoa, vakio Forging bonds: people-to-People diplomacy between Taiwan and Somaliland [ang.]
Amin'izao fotoana izao, zara raha hita ao Taiwan i Afrika, na ara-kolontsaina, na ara-toekarena, na ara-pôlitika. Tsy manana ivontoerana akademika mitodika amin'i Afrika ilay nosy, ary tsy dia miresaka loatra vaovao momba ilay tanibe ny media ao an-toerana. Vitsy ireo Afrikàna mpianatra, ny sasany nijanona sy nifanambady amin'ireo teratany ao Taiwan, saingy satria tsy misy ny antontanisa ôfisialy, ny ankamaroan'ireo Afrikàna nanontaniana dia miteny fa anjatony vitsy eo angamba ry zareo ao anatina firenena iray misy mponina 23 tapitrisa. Ny sasany tamin'ireo mpianatra dia latsaka ihany koa tanaty fitrandrahana feno fitaka, araka ny asehon'ity tatitra fanadihadiana iray avy amin'ny The Reporter (報導者) media mendri-kaja avy ao Taipei ity :
有一群來自非洲烏干達學生的身影,他們原本滿心期待、飛越萬里來台讀大學,但多數時間卻變成在工廠裡打工。那些學校招生時的各種承諾,在學生抵台後卻無一兌現。
Misy ireo vondrona mpianatra avy any Ogandà, Afrika izay, tany am-piaingàna, nandeha kilaometatra an'aliny maro mba hianatra any Taiwan niaraka tamin'ny fanantenana goavana, saingy nandany ny betsaka tamin'ny fotoanan-dry zareo tany anaty ozinina mba hahazo vola hivelomany. Taorian'ny nahatongavan-dry zareo tany Taiwan, tsy voatàna ireo fanomezantoky samihafa nataon'ireny sekoly ireny rehefa nanoratra anarana ireo mpianatra.
Vakio misimisy kokoa: Taiwan and Burkina Faso: A tumultuous history of cooperation and estrangement [ang.]
Io no antony mahatonga ny fankalazàna ilay Andro ho an'i Afrika amin'ny alàlan'ny hetsika iray ara-kolontsaina antsoina hoe Afrofest ao Taipei renivohitra ho lasa toy ny hirika tsy fahita firy hahitàna ireo Afrikàna sy ny olona Mainty fihodirana monina ao Taiwan mifamory mba hankalaza sy hizara ny maripamantarana an-dry zareo ary ny kolontsainy amin'ny alàlan'ny mozika, ny dihy ary ny sakafo.
Ny 25 May dia antsoina hoe Andron'i Afrika mba hanondroana ny 25 May 1963, andro namoronana ilay mpialoha làlana ny Fiombonambe Afrikàna (UA) amin'izao fotoana izao, nantsoina tamin'izany fotoana izany hoe Organization for African Unity (OUA) (1963–2002). Io datin'andro io, fantatra fahiny tamin'ny anarana hoe Androm-Panafahana an'i Afrika, dia nanomboka toy ny hoe fanambaràna pôlitika iray tany amin'ny 1960 tany, rehefa nitondra nankany amin'ny fahaleovantenan'ilay tanibe nony farany ny fanafoanana ny fanandevozana.
Tamin'ity taona ity, natao tanaty tranolay goavana be ny hetsika Afrofest, tao amin'ny Taipei Expo Park.
Indro misy angon-tsary mampiseho ny dihy sy ny firavoravoan'ny mozika afrikàna izay anafangaroan'ny ankamaroan'ny Afrikàna, Taioaney, Mainty fihodirana, ary ireo hafa tsy Taioaney ny feon'ireo gadona afrikàna.