Iray amin'ireo enina nosamborin'ny pôlisim-piarovam-pirenena tamin'ny 28 May 2024 tao Hong Kong ilay mpikatroka mpiaro zo ao Hong Kong, Chow Hang-tung, manamarika ny fisamborana voalohany indrindra araka ilay lalàna vaovao ao an-toerana, navoaka hanan-kery tamin'ny Martsa teo.
Tamin'ny 28 May, nanamafy ny sekretera misahana ny fiarovam-pirenena, Chris Tang, fa ilay fisamborana dia misy ifandraisany amin'ny vondrona iray ao amin'ny Facebook izay niantso fanohanana ho an'i Chow, ilay mpisolovava sady mpikatroka mpiaro zon'olombelona otànana nifanaraka tamin'ilay lalàna momba ny fiarovam-pirenena napetrak'i Beijing nanomboka tamin'ny Septambra 2021. Ny 18 May 2023 no noforonina ilay vondrona, ary any UK no toerana voalohany misy ireo mpitantana azy.
Tao anatin'ny fanambaràna iray tany aloha dia nolazain'ny pôlisy fa lehilahy dimy sy vehivavy iray no naiditra am-ponja noho ny fiahiahiana azy ireo ho nanao hetsika mifono fikomiana. Iray amin'izy ireny, vehivavy iray efa any am-ponja, no voalaza fa miafina anarana namoaka tsy tapaka lahatsoratra “miantsy fikomiana” tao amin'ny pejy media sôsialy iray niaraka tamin'ny fanampian'ireo dimy hafa.
Voalaza fa nampiasa “daty iray saropady” ho avy ato ho ato ilay lahatsoratra mba handrisihana fikomiana amin'ny governemanta foibe sy ny ao Hong Kong, ary hatramin'ny rafi-pitsaràna. Nambaran'ny pôlisy fa ilay ranty dia natao ihany koa hanentanana ireo mpampiasa aterineto hikarakara na handray anjara amina hetsika tsy ara-dalàna atsy aoriana kely.
“Mikasika ilay daty mahamay, raha ny marina, dia heveriko fa tsy misy dikany ilay daty amin'ny maha-daty azy fotsiny,” hoy i Tang tamin'ireo mpanangom-baovao amin'ny fiteny Kantôney. “Ny zavatra faran'izay manandanja dia ny nampiasàn'ireo olona nihevitra ny hanohintohina ny fiarovam-pirenena azy io handrehetana fankahalàna,” hoy izy nanohy.
Herinandro nialoha ny 4 Jona no nitrangan'ireo fisamborana ireo, izay hanamarika amin'ity taona ity ny faha-25 taonan'ny famoretana tao Tiananmen, fony an-jatony maro, raha tsy an'aliny maro mihitsy aza, no namoy ny ainy tamin’ny Tafi-panafahan'ny Vahoaka avy any Shina nanaparitaka an-kerisetra ireo mpianatra nanao hetsipanoherana tao Beijing.
Ny Vovonan'i Hong Kong ho Fanohanana ireo Hetsika Fitiavan-Tanindrazana sy Demaokratika ao Shina, izay i Chong no filoha lefitra, dia nikarakara fiaretan-tory fanao isantaona hahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ilay famoretana tao amin'ny Kianja Victoria, hatramin'ny 2020 izay fotoana nandraràna ny fivorivoriana tao anatin'ny valanaretina COVID-19 mba hanakanana ny fiparitahan'ilay viriosy.
Noraràna indray ilay fiaretan-tory tamin'ny 2021, izay mbola nilazàn'ny pôlisy indray ny COVID-19, ary dia nirava ilay vovonana tamin'ny Septambra 2021 taorian'ny nisamborana ireo mpitarika azy — Chow, Albert Ho sy Lee Cheuk-yan — noho ny fiahiahiana azy ireo ho mandrisika fanakorontanana. Nanomboka teo dia tsy nisy intsony ny fankalazàna tamin'ny fomba ôfisialy.
Nosavain'ny pôlisy ny tranon'ireo olona dimy voasambotra ary noraofiny izay fitaovana mifandray amin'ilay tranga, ka isan'izany ireo fitaovana elektrônika izay noahiahiany ho nampiasaina namoahana ireo lahatsoratra voalaza.
Araka ny Didim-pitondràna momba ny Fiarovam-pirenena, fantatry ny maro kokoa amin'ny hoe Lalàna andininy faha-23, dia mety hahavoasazy hatramin'ny fito taona an-tranomaizina ireo heloka mifandray amina fikasàna fikomiana.
“Ireo izay mikasa hanohintohina ny fiarovam-pirenena dia tsy tokony hamita-tena hihevitra hoe afaka hiala amin'ny fanadihadian'ny pôlisy rehefa mandefa ranty tsy mitonona anarana” hoy ny pôlisy tao anaty fanambaràna iray amin'ny fiteny shinoa navoaka tamin'ny Talata tolakandro.
“Tsy maintsy eken'ny sarambabem-bahoaka ny marina ary tsy ho fitahan'ny vaovao tsy marina sy disoina,” hoy ry zareo nanampy.
Tsy miankina amin'ilay lalàna fiarovam-pirenena nankatoavin'i Beijing tamin'ny 2020, ilay Didim-pitondràna momba ny Fiarovam-pirenena natao tao an-toerana dia mikendry ny famadihan-tanindrazana, ny fihokoana, ny sabôtazy, ny fitsabahan'ny avy any ivelany, ny fikomiana, ny halatra tsiambaratelom-panjakàna ary ny fitsikilovana. Izy io dia ahafahana mitazona hatramin'ny 16 andro mialohan'ny famonjàna ary mety ho voateritery ny fahazoan'ireo voampanga hahazo mpisolovava, miaraka amin'ny sazy mety ho tonga hatramin'ny figadràna mandra-maty. Tamin'ny 2003, tanaty hetsi-bahoaka goavana, nofoanana ilay andininy faha-23, izay lasa zava-pady nandritra ny taona marobe. Saingy, tamin'ny 23 Martsa 2024, niverina nampiharina ilay izy, rehefa avy nohafainganina ny fandinihana azy ary lany tsy nisy nitsipaka tao amin'ny antenimiera, tsy nisy fanoheran'ireo mpanao lalàna tao amin'ny tanàna..
Nokianin'ireo ONG mpîaro zon'olombelona, ireo fanjakàna tandrefana ary ny Firenena Mikambana ho manjavozavo, midadasika sy “mpamoritra”. Kanefa ireo manampahefana dia nanasongadina ny fitsabahan'ny vahiny hitany sy ny andraikitra araka ny lalàm-panorenana “hanentsina ny banga” taorian'ireo hetsipanoherana sy korontana tamin'ny 2019.