Ankalazaina ny 30 Aprily ny Andron'ny Jazz Iraisampirenena. Nosafidian'ny UNESCO io daty io ary nankalazaina nanomboka tamin'ny taona 2011, noho ny fiheverana fa afaka ‘mampiroborobo ny fandriampahalemana, ny fifampiresahana ary ny fifankahazoana’ ity karazana mozika ity. Nandinika ny fetiben'ny jazz any amin'ny faritra samihafa ao Rosia sy ny niafarany ny seha-baovao tsy miankina ‘Novaya Vkladka’. Nitsahatra tsy nisy intsony ny tetikasa sasany rehefa nanomboka ady tamin'i Okraina i Rosia, raha mbola mitohy ny sasany, na dia miankina amin'ny manampahefana eo an-toerana sy ny famatsiam-panjakana aza. Nandika ny lahatsoratra ny Global Voices, nanitsy azy ho mora azo kokoa ary namerina namoaka azy indray rehefa nahazo alalana avy amin'ny ‘Novaya Vkladka’.
Fetibe ‘Jazz May’
Natao tao Penza hatramin'ny taona 2011 ary nandraisan'ireo kintan'ny mozika avy any Etazonia, Eoropa, Israely, ary avy amin'ny faritra samihafa ao Rosia. Nanomboka ny taona 2022, ny ‘Jazz May’ no nokarakarain'ny ‘Penzakoncert’ isam-paritra ao amin'ny Minisiteran'ny Kolontsaina, ary niala tao amin'ny komity mpikarakara ireo mpikarakara fototra. Very ny sata maha-iraisampirenena ny fetibe rehefa nanomboka ny ady, ka nosoloina mpitendry zavamaneno avy amin'ny antsoina hoe LPR [GV: fehezin'ny faritanin'i Rosia ao Okraina, antsoina hoe Repoblika Entim-bahoakan'i Luhansk]. Tamin'ny taona 2023, namorona tetikasa vaovao ny mpamorona ny ‘Jazz May’ – ka nanangana ny fetibe iadiana amin'ny rarin-tsaina’Koshkin Jazz‘. Notanterahina indray miaraka amin'ny volana Jolay izany amin'ny tanàna telo: Ulyanovsk, Samara, ary Penza ary mahazo ny fanohanan'ny Tahirim-bolan'ny Filoham-pirenena ho an'ny hetsika ara-kolontsaina. Nihevitra ny mpikarakara fa mety ho ‘fifohana rivotra madio’ ho an’ny maro ny tetikasany. Raha jerena amin'ny ranty tambajotra sosialy, nahazo (domberina) tsara maro ny fetibe. Nilaza ny mpikarakara fa na dia nahatsapa ho tsy ampy mpitendry mozika aza izy ireo dia afaka nampahafantatra tsara kokoa ho an'ny mpijery ireo tarika Rosiana. Nanazava i Oleg Rubtsov, mpikarakara:
I was depressed by the fact that Russian musicians were being left in the shadows. Although, in general, there are enough interesting lineups to gather in the country.
Ketraka aho satria navela tao an-takonana ny Rosiana mpitendry mozika. Na dia ampy ny fijoroana mahaliana hamoriana ao amin'ny firenena aza amin'ny ankapobeny.
Na izany aza, amin'ity taona 2024 ity, tsy hotanterahina ny ‘Koshkin Jazz’. Nilaza ny mpikarakara fa fanindroany ry zareo tsy nangataka fanampiana ‘noho ny fahasemporana': mbola tsy maintsy mitatitra ny antsipirian'ny fandaminana tamin'ny herintaona ny ekipan'ny tetikasa ary mamaly ny famotoran'ny orina mpanasoa. Naneho hevitra i Olga Pripisantseva, mpiara-mandrindra ny hetsika, hoe:
I think we're all tired of fighting windmills. Everything has become too difficult both physically and morally.
Heveriko fa reraky ny miady amin'ny rivomilina izahay rehetra. Lasa sarotra loatra ny zava-drehetra na ara-batana na ara-môraly.
Fetibe ‘Kaliningrad City Jazz’
Notontosaina tao Kaliningrad hatramin'ny taona 2006 ity fetibe ity, mahasarika mpiangaly jazz avy any Rosia, Eoropa ary Etazonia isan-taona. Tamin’ny taona 2015, ohatra, dia tonga nanatrika ny fety ilay mpihira frantsay malaza Zaz. Mbola mametraka ny tenany ho hetsika iraisampirenena ny ‘Kaliningrad City Jazz‘, saingy raha oharina tamin’ny taona 2019 talohan’ny valan'aretina, dia nihena avo telo heny ny habetsany, ary saika tsy misy mpanakanto vahiny intsony.
Tamin'ny taona 2023, mbola nisehatra tamin'ny fetiben'i Kaliningrad ny mpitendry mozika maromaro avy any Eoropa, Georgia, Israely ary ny Repoblikan'i Congo. Nilaza i Andrey Levchenko, mpanatontosa ankapoben'ny fetibe, fa ‘faly ny mpikarakara ny namerina ny sata maha-iraisampirenena ny fetibe. Tamin'ny antsafa iray dia mbola nanamarina ny fampihenana ny isan'ny mpiangaly mozika vahiny izy noho ny valan'aretina. Tohanan’ny orinasa sy ny fitondram-panjakana ao an-toerana ny fetibe.
Fetibe ‘Usadba Jazz’
Teraka tao Moskoa tamin'ny taona 2004 ny iray amin'ireo fety jazz lehibe indrindra any Rosia ary natao voalohany tao amin'ny tranoben'i Arkhangelskoye ao amin'ny faritr'i Moskoa. Tamin'ny taona 2017, niitatra tany amin'ny faritra ny tetikasa: notanterahana indray miaraka ao Voronezh, Yekaterinburg, Sochi, St. Petersburg, ary Moskoa ny hetsika. Novolavolaina ho jazz ankalamanjàna ny fetibe ary nitazona izay foto-keviny izay nandritra ny taona maro. Niezaka hanangona ireo mpitendry kintana avy amin’ny firenena samihafa ihany koa ny mpikarakara. Anisan'ireo navoaka anarana tsy ny mpihira jazz malaza ihany no navoaka anarana, fa ao koa, ohatra, ny tarika hip-hop Black Eyed Peas sy Ivan Dorn. Tamin'ny Jona 2019 tao amin'ny tanànan'i Kolomenskoye no nanatontosana farany ny ‘Usadba Jazz‘. Tsy azo natao izany tamin'ny taona 2020 sy 2021 noho ny valan'aretina. Mbola ahitana hafatra fanemorana ny fetibe ho amin'ny taona 2022 ny pejy rakotry ny VK group efa haolo. Ary na dia tsy nisy hafatra nipoitra intsony aza tao amin'ny tambajotra sosialy nanomboka teo, dia mbola tsikaritra ao amin'ny tambajotra sosialy ny niafaran'ireo mpamorona sady filohan'ny fetibe, Maria Syomushkina. Rehefa nanomboka ny ady tany Okraina, namorona tetikasa jazz vaovao am-pifindramonina antsoina hoe ‘Music Saves the World‘ (Mozika mamonjy izao tontolo izao) izy. Notontosaina tany Armenia, Montenegro, Georgia, ary Royaume-Uni ny lanonana lavitr'ezaka marathon nokarakarain'ireo mpamorona ny ‘Usadba Jazz’. Omena ireo mpitendry mozika mitsoa-ponenana ny ampahany amin'ny vola azo tamin'ny fivarotana tapakila.
Fetibe SibJazz
Manana ny fetiny manokana, izay andraisana vahiny mpitendry mozika ihany koa i Novosibirsk, antsoina matetika ho renivohitra jazz any Siberia. Ao anatin'ilay antsoina hoe Tetikasa ‘Kolontsaina’ Nasionaly [ampian'ny fanjakana] ity tetikasa ity. Tamin'ny taona 2021, ny Minisitry ny Kolontsaina lefitra ao amin'ny faritr'i Novosibirsk, Yuri Zimnyakov, no nanantitrantitra fa amin'ny fanohanana ny fetibe, dia katsahin'ny manam-pahefana ny hahatonga ny ‘mpitendry malaza ao Rosia sy izao tontolo izao ho azon'ny besinimaro hojerena. Tamin'ny taona 2023, na izany aza, dia ireo Rosiana mpitendry no tena nasongadin'ny afisin'ny fetibe.
Nivoatra toy izany koa ny niafaran'ireo fetiben'ny jazz hafa, izay nampiraisana ny mpitendry mozika Rosiana sy vahiny. Ohatra, ny fetiben'i Irkutsk antsoina hoe ‘Jazz on Baikal‘, izay nanomboka tamin'ny taona 2006 ary nahazo ny fanohanan'ny Tahirim-bolan'ny Filoham-pirenena ho an'ny hetsika ara-kolotsaina, nanasana mpanakanto avy any Etazonia, Japon, Brezila ary Eoropa. Amin’izao fotoana izao dia ireo mpitendry zavamaneno avy ao an-toerana no tena asehony sy ireo vahiny nasaina avy amin’ny faritra hafa. Tamin'ny fetiben'ny ‘Jazz over the Volga‘ tao Yaroslavl, hatramin'ny taona 2021, no niara-nilalao an-tsehatra tamin'ireo mpitendry jazz Rosiana ny mpanakanto avy any New York. Mbola mitazona ny tovona ‘iraisampirenena’ ny fetiben'ny jazz hafa any amin'ny faritra, toy ny ”Jazz Fever‘ ao Perm sy ny Fetiben'ny Jazz Sochi, na dia ny mozika Rosiana ihany aza no niseho afisy nanomboka tamin'ny taona 2022.