Fahasamihafan-kolontsain-dite ao Azerbaijan sy Torkia

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Iray amin'izay tsikaritro voalohany  raha nanandrana dite tiorka voalohany aho efa ela izay dia ny ngidiny. Ankehitriny, rehefa niaina roapolo taona teo ho eo teto amin'ity firenena ity aho, dia manontany zavatra roa hatrany rehefa manafatra dite — raha vao nofiazana ilay izy, na azo atao maivamaivana kokoa. Raha tsy izany dia mangidy loatra amiko ny tsirony. Tany an-tanindrazana, tany Azerbaijan, sady mamirapiratra ny dite no maivana (mazava). Lehibe kokoa ny ravin-dite. Raha ny marina, samy hafa tanteraka ny kolontsain'ny dite iray manontolo, manomboka amin'ny famiazana ka hatramin'ny fanolorana.

Ny fotoan-dite Azerbaijanita

Any Azerbaijan, manomboka amin'ny fampangotrahana rano aloha ny dingana. Rehefa mangotraka ny rano, dia kobanina amin'ny rano vao masaka teo ny tavoaran-dite vita bakoly iray. Manaraka ny ravin-dite — arakaraka izay omaninao ny habetsahany. Ny ravin-dite iray sotro lehibe (na mihoatra, arakaraka ny isan'ny vahiny) no arotsaka ao anaty tavoaran-dite. Ny dingana manaraka dia ny manampy rano mafana vao masaka ary mamela ny tavoaran-dite ho eo ambony afo maivana eo am-patana.

Ny majika dia ny tsy manadino ny fotoana mampangotraka ny dite, izay mitaky fanaraha-maso tsy tapaka ny tavoaran-dite. Vita ny dite rehefa manomboka mitsinkafona eny ambonin'ny rano ny raviny rehetra.

Arotsaka ao anaty veran-dite manokana ilay dite vita (arakaraka ny hagindy tian'ny vahiny amin'ny diteny) ny tapany, ary fenoina rano tsotra nampangotrahana ny tapany ambony.Saingy ao Azerbaïdjan, mahalana izahay no misotro dite fotsiny amin'izao fa matetika izany no miaraka amin'ny hanina — matetika voankazo nomainina sy voanjo ka hatramin'ny vatomamy. Hita amin'ny vovon-dite (serizy fotsy no tsara indrindra) sarotra nokarakaraina kokoa ireo taharo (cay desti) isankarazany, voanjo sy voankazo maina, siramamy gôba ary voasarimakirana.

Any Azerbaijan, ny hany fotoana andrarahanao siramamy amin'ny dite matetika dia mandritra ny sakafo maraina. Ny fotoana ambiny ianao, raha tsy maintsy mampiasa siramamy gôba, dia tsy maintsy manaraka ireto dingana manaraka ireto – maka siramamy iray goba, mametraka izany eo amin'ny lelanao, ary avy maka dite indray misotro. Mamela ny siramamy hiempo mandritra ny fotoana isotroanao ny dite.

Rehefa avy nifindra taty Torkia aho, isaky ny manana vahiny mandalo folakandro, no matetika miezaka ny hanana ny fototra farafahakeliny — vatomamy sasany, voankazo nomainina, ary mazava ho azy ny silaka voasarimakirana. Tsy maintsy mitia silaka voasarimakirana ao anaty dite izahay. Na thym (kəklikotu).

Fony aho mbola kely, ny fomba fisotroana dite tiako indrindra dia na miaraka amin'ny fangarony na miaraka amin'ny silaka voasarimakirana iray sy siramamy gôba iray. Tianay ny mametraka siramamy gôba ambonny silaka voasarimakirana, maka kely amin'izany, manafangaro ny zavamamy sy ny tarta, ary avy eo dia misotro dite kely.

Kolontsain-dite tiorka

Tena hafa noho izany ao Torkia ny kolontsaina fisotroana dite sy ny teknika fikarakarana azy. Ho an'izay vao manomboka tsy misy tsakitsaky na ampiarahana aminy, kely kokoa ny vera (kaopy) rehefa aroso amin'ny fomba nentim-paharazana (na dia marina aza, maro ny toerana manolotra ny dite ao anaty vera amin'ny endrika sy habe rehetra),  matroka kokoa sy mangidy kokoa ny dite, ary arotsaka ao anaty vera dite ny siramamy alohan'ny isotroana azy. Tsy maintsy atao amin'ny dite Tiorka ny siramamy — izay angamba ho fomba iray hanesorana ny ngidiny.

Mazava ho azy fa misy ireo zavatra hafa asolo ny ravina dite amin'izao andro izao. Lasa lavitra be i Torkia amin'ny fanamaroan-karazana famokarana dite ary manolotra safidy maro kokoa. Saingy amin'ny toerana maro dia mbola tian'ny olona ny dite mainty mahazatra.

Matetika aho no mangataka amin'ireo namana mitsidika an'i Azerbaijan mba hitondra dite ho ahy avy any an-tanindrazana, satria tena lehibe ny fahasamihafany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.