Tambajotra mpanao gazety any avaratr'i Nizeria manentana ny fandriampahalemana sy ny fampihavanana amin'ny alalan'ny asany

Ibrahima Yakubu, mpitarika ny ekipan'ny NPJ, milaza ny heviny nandritra ny fivoriana iray. Sary avy amin'i Mohammed Ibrahim, nahazoana alalana.

Nosoratan'i Mohammed Ibrahim ity tantara ity ary navoakan’ ny Tambajotra Vaovaon'ny Fandriampahalemana (Peace News Network) voalohany. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nasiam-panovana ho anisan'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Niseho lohatenim-baovao hatrany noho ny krizy isan-karazany i Nizeria, firenena manana mponina maherin'ny 200 tapitrisa sy vondrona foko 250 mahery. Any amin’ny faritra avaratr’i Nizeria, niteraka fahafatesana sy fahaverezam-pananana tsy tambo isaina ny adim-pivavahana na ara-poko. Nanome tsiny ny haino aman-jery ho nandrehitra fisaratsarahana ara-tsosialy tamin'ny alalan'ny tatitra mitongilana sy sektariana ny sasany.

Ho setrin'izany, nanao fiofanana momba ny asa fanaovan-gazetim-pandriampahalemana ny Network of Peace Journalists (NPJ), niarahany miasa amin'ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, toy ny Foibem-panelanelanana Iraisam-pivavaka (Interfaith Mediation Center), Mercy Corps,  ary ny Vaomieram-pandriampahaleman'ny Fanjakan'i Kaduna. Kinendrin’izy ireo ny hampiasa ny fiofanany mba hampiroboroboana ny fandriampahalemana sy ny fampihavanana fa tsy ny fankahalana sy ny fisaratsarahana eo anivon’ny fiarahamonina.

Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Peace News, nanantitrantitra ny fiantraikan'ny fiofanana fananganana fandriampahalemana amin'ny fanalefahana ny fifandirana sy ny fiadiana amin'ny fielezan'ny “vaovao sandoka” ao amin'ny media sosialy i Ibrahima Yakubu, mpitarika ny ekipan'ny NJP any avaratr'i Nizeria, no sady mikendry ny fampiroboroboana ny fitantarana miabo. Nilaza izy: “Efa niaina tatitra nitarika fifandirana izay manakorontana ny fiarahamonina izahay. Fotoana izao hanovana ny fitantarana amin'ny alalan'ny fandrisihana ny mpanao gazety mba hampiroborobo ny asa fanaovan-gazetim-pandriampahalemana. “

Araka ny filazan'i Yakubu, niaina mivantana ny fiantraikan'ny tsy fitoniana ny mpanao gazety ao Nizeria. Araka izany, anjara asan-dry zareo ny miantoka ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana amin'ny alàlan'ny gazetiny, onjam-peo ary ny seha-baovao anjotra. Misolovava ny mpanao gazety ihany koa i Yakubu mba hanoratra bilaogy manokana, izay heveriny fa afaka manamafy ny tosika hanampiana ny olom-pirenena tsirairay amin'ny fampiroboroboana ny hevitra fanaovan-gazetim-pandriampahalemana.

Andrew Mshelia, mpanao gazetim-pampielezam-peo miorina ao Kaduna sady mpikambana ao amin'ny NPJ kosa nanasongadina ny anjara asa lehibe an'ireo mpanao gazety amin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana any amin'ireo faritra iharan'ny disadisa ara-pivavahana sy ara-politika toa an'i Kaduna. “Matoky anay mpanao gazety ny olona, ​​ary mandray ny teninay ho zava-dehibe izy ireo. Tsy ny fitazonana ny governemanta ho tompon’andraikitra ihany fa ny fitazonana antsika ho tompon’andraikitra koa”, hoy ny fanazavany.

Asongadin'i Mshelia ny maha-zava-dehibe ny kinasam-pampitam-baovao, izay ahafahan'ny media manasongadina tsy izay tokony hoeritreretina ihany, fa hoe inona koa ny tokony eritreretina. Navoitrany fa ilaina ny mifantoka amin’ireo tantara mampiray fa tsy mampisara-bazana, mankatoa fa tena ilaina ny fandriampahalemana hisian'ny fitoniana ara-piarahamonina sy ny fandrosoana.

Mizara ihany koa ny fihetseham-po tahaka izany i Mayen Etim, mpitarika lefitry ny vondrona, nanantitrantitra fa ny fandriampahalemana no tendro mankany amin'ny fandrosoana ara-tsosialy. Navoitrany fa ilaina ny mpanao gazety hampiroborobo ny fandriampahalemana, satria ny tenin-dry zareo mety hampiroborobo ny firindrana no mety handrehitra ady.

“Koa amintsika mpanao gazety, vaindohan-draharaha ny mikatsaka fandriampahalemana. Raha mandranitra foko iray hanohitra ny iray hafa isika dia hirehitra ny firenena, ary hanana laza manokana isika (helter-skelter)… tokony hahatsiaro isika hanoratra hiaina satria raha manoratra ianao ka mandoro firenena, dia hiantraika aminao izany, ”hoy izy.

Nampiany fa leo mandre vaovao ratsy amin’ny haino aman-jery ny mponina any an-toerana, ka izany no mahatonga azy ireo hiezaka mafy hampiofana mpanao gazety bebe kokoa handray anjara amin’ny asa fanaovan-gazetim-pandriampahalemana, hitory fandriampahalemana, hiteny fandriampahalemana, hiresaka fandriampahalemana ary hiasa ho an’ny fandriampahalemana.

Nilaza i Samson Auta, mpampihatra fampandrosoana sady manampahaizana manokana momba ny Famaliana Fanairana mialoha – Early Warning Early Response Specialist (EWER) fa lakile ny media amin'ny fanentanana ny fiarahamonina sy ny governemanta amin'ny fomba hamahana ireo olana mety hiteraka krizy na fifandirana eo amin'ny fiarahamonina. Lalana iray ny rafitra EWER hamantatra ny fandrahonana dieny amin'ny dingana amboalohany eo anivon'ny fiarahamonina ary hanomboka valiny haingana hanalefahana ny fifandirana.

Mino i Auta fa tokony ho mpanohana ny fandriampahalemana ny mpanao gazety satria anisan'ny fokonolona ihany koa izy ireo, ary hahazo tombony amin'ny fananganana fandriampahalemana eo amin'ny fiarahamonina tsirairay. “Nomarihinay fa tamin'ny ankamaroan'ny trangan-kerisetra, dia nahatsikaritra izahay fa nandray anjara mivantana na ankolaka tamin'izany noho ny tatitra nataony ny mpanao gazety sasany.” Manondro ny asan'ny ekipan'ny NPJ izy nilaza hoe: “Afa-mahita ny asan-dry zareo isika, lasa anisan'ny matihanina amin'ny fandriampahalemana ry zareo amin'ny fidifiana lohateny mety hampitombo herisetra na fifanenjanana.”

Mikatsaka fiarahamiasa fatratra amin'ireo fikambanana ny vondrona, mikendry ny hanitatra ny fiofanana asa fanaovan-gazetim-pandriampahalemana any ankoatran'i Kaduna any amin'ny faritra hafa ao Nizeria. Amin'ny maha-mpanao gazety,  takatr'izy ireo ny herin'ny peniny sy ny andraikitra aterak'izany. Amin'ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana, kinendrin'izy ireo ny tsy hamolavola ny ankehitriny fotsiny fa ny hanokatra ihany koa lalana ho amin'ny hoavy mamirapiratra sy miray hina kokoa ho an'i Nizeria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.