29 Jona 2024, fihodinana voalohany amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ao Maoritania

Sainam-pirenena maoritaniàna; pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube – Africa24

Kandidà fito, ka isan'izany i Mohamed Ould Ghazouani, filoha amperinasa efa hatramin'ny Aogositra 2019, no hifanandrina amin'ny fihodinana voalohan'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Maoritania, voalahatra hatao amin'ny 29 Jona 2024.

Ny vaomiera nasiônaly tsy miankina misahana ny fifidianana na Commission Electorale Nationale Indépendante (CENI), no namaritra ny daty, raha manana hatramin'ny 29 May 2024 kosa ireo mpifidy mba hisoratany anarana any anaty lisi-pifidianana.

Nandritra ireo fifidianana ho filohampirenena natao tamin'ny 2019 izay nahalany an'i Mohamed Ould Ghazouani hitondra mandritra ny dimy taona, fe-potoam-piasàny voalohany, voatombana ho nihoatra ny 1,5 tapitrisa ireo mpifidy tamin'ireo vahoaka niisa maherin'ny 4 tapitrisa. Ny 2024 izay anombanana ny isan'ny mponina ho mihoatra ny 4,9  tapitrisa, ho maro kokoa araka izany ny isan'ireo mpifidy. Manakaiky ny mpifidy 2 tapitrisa no andrasana handatsa-bato mba hifidy izay ho filoha manaraka. Tonga amin'ny faran'ny fe-potoam-piasàny voalohany ary araka ny lalàm-panorenan'ilay firenena dia afaka miverina hofidiana handimby ny tenany i Mohamed Ould Ghazouani.

Mbola araka ny lalàm-panorenana ihany, fepetra roa no ilaina hahafahany mametraka ny firotsahany ho fidiana: tsy maintsy mpanaraka ny finoana miozolmàna ary efapolo taona raha kely indrindra. Firenena iray tena islamika hiringiriny i Maoritania; manakaiky ny 99%  amin'ny vahoaka no miozolmàna avokoa.

Mohamed Ould Ghazouani manoloana ireo kandidà enina

Toy ny noheverina, tamin'ny 24 Aprily 2024 i Mohamed Ould Ghazouani no nanambara ny firotsahany ho fidiana hàka fe-potoam-piasàna fanindroany hitondra ny firenena. Taratasy nalefa ho an'ireo gazety no nahafantaran'ny daholobe ilay fanambaràna. Notanisain'ny gazety Le Monde izy io tao anaty lahatsoratra iray natokana ho an'ilay fanambaràna:

Heveriko fa fotoana mety izao hiresahako aminareo mivantana, ry mpiray tanindrazana, amin'ny alàlan'ity taratasy ity, mba hampahafantarana anareo ny fanapahankevitro hiatrika anareo, mba hanavaozanareo indray ny fitokisanareo ho ana fe-potoam-piasàna iray vaovao.

Tao anatin'io taratasy io ilay filoha hiala amin'ny toerany no nanambara ireo fampanantenana ho an'ny fe-potoam-piasàny fanindroany. Araka ny voalazan'ny gazety Le Monde, manome toky i Mohamed Ould Ghazouani fa hanamafy ny firaisankinam-pirenena, hanatsara ny faripiainan'ireo tena sahirana, hiantoka ny hisian'ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ary ny ady amin'ny kolikoly sy ny fanodinkodinana volam-bahoaka.

Ho ahy, ny fanamby voalohany hatrizay, ary mbola mitoetra hatrizao, dia ny hamaliana ny hetaheta sy ny fanantenan'ny tanorantsika, ny hamela malalaka ny angovony ary ny hanomana azy handray anjara mavitrika amin'ny fanorenana sy famaritana ny endrik'i Maoritania izay andrandraintsika.

Kandidà handimby ny tenany ihany ankehitriny, dieny amin'ny fihodinana voalohany dia tsy maintsy miatrika kandidà enina hafa avy amin'ny mpanohitra i Mohamed Ould Ghazouani. Ao anatin'ireny kandidà voalaza ireny, ny tena goavana dia ry Hamadi Ould Sid’ El Moctar, mpitarika ny Tawassoul, antoko islamista mpanohitra; Elid Mohameden Mbareck, mpisolovava, solombavambahoaka ary nanolo-tena hiady amin'ny fanavakavahana ara-poko ; sy Biram Ould Dah Ould Abeid, solombavambahoaka, mpanohitra ny fanandevozana sy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona, laharana faharoa tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny 2019.

Mbola olana mamay foana ny resaka fanandevozana. Efa in-telo sahady, nofoanana tao amin'ilay firenena ny fanandevozana, saingy mbola misy hatrany ilay tranga ary mahavoa eo ho eo amin'ny 10% amin'ny mponina. Na raisina ho toy ny heloka bevava henjana aza ny fanaovana azy – efa tany amin'ny 2015 ny fankatoavana farany teo ilay lalàna manohitra ny fanandevozana, mbola voaporitra mandrakariva ireo mpikatroka manohitra ny fanandevozana.

Vakio ny lahatsoratry ny Afrique XXI : Ao Maoritania, ny afo miotriky ny fanavakavahana ara-poko [fr]

Noho ny fanolorantenany hiaro zon'olombelona, tena mankasitraka be ny firotsahan'i Biram Ould Dah Ould Abeid ny ampahany betsaka amin'ny vahoaka, izay maneho ny fanohanana azy. Tao amin'ny tambajotra X (Twitter taloha), nisy teratany maoritaniàna iray antsoina hoe Bakary Tandia manoratra toy izao :

Amin'ny maha-mpirotsaka ho fidiana sy mpanohitra ny rafitra,  mandritra ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena 2024 dia i Biram no hany fanantenana tokana ho an'ireo voaporitra ao Maoritania, araka ny asehon'ireo sary.#Biram2024 pic.twitter.com/Eecm9lNaNX

— Bakary Tandia (@bektange) 26 Aprilya 2024

Nahilika ny kandidà mavesatra iray hafa, izay mety ho vatokely anaty kiraron'ny filoha amperinasa sy mety hanohintohina ny ho fahalaniany indray. Tsy iza izay fa i Mohamed Ould Abdel Aziz, filoha fahiny tao Maoritania, izay nolavina ny hirotsahany. Eny tokoa, ny lalàm-panorenan'ilay firenena mihitsy no tsy namela azy ho afaka hirotsaka intsony, satria efa nahavita fe-potoam-piasàna in-droa izy nitondràny ny firenena (2009-2019), ankoatra izay, efa nosamborina izy ary voaheloka niditra am-ponja nandritra ny dimy taona hatramin'ny 2023 noho ny harena azo tamin'ny tsy ara-dalàna.

Ny 14 Jona 2024 amin'ny misasak'alina no manomboka ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana ary mifarana ny sasakalin'ny 27 Jona 2024, izany hoe andro roa mialoha ny andron'ny latsabato. Araka izany dia manana roa herinandro ireo mpihazakazaka mba hanaovany izay hetsika fambaboana fo sy hamelabelarana ny votoatin'ny fandaharanasa-mpiarahamonina aroson-dry zareo.

Firenena iray ao Sahel tsy tratry ny krizim-piarovana

Ny 1978 hatramin'ny 1984 ny tantaran'i Maoritania dia feno fanonganam-panjakàna nataon'ny miaramila ary fanonganam-panjakana iray hafa tamin'ny 2008, saingy vitan'ilay firenena ny nametraka rivo-piainana tony sy nahafahana niditra tamina fifandimbiasana demaokratika teo amin'ny fitondrana ary ny fanajàna ny faharetan'ny fe-potoam-pisànan'izay filohampirenena mitondra.

Ankoatra izay, zavabita iray hafa, hatramin'ny 2011, izany hoe efa telo ambinifolo taona mahery, no tsy hita tao Maoritania intsony izany fanafihana nataona vondrona mpanao an-tendro sy asa fampihorohoroana izany. Kanefa ilay firenena dia mpiray vodirindrina amin'i Mali izay iharan'ny fanafihana jihadista nandritra ny folo taona mahery.

Vakio: Fihanaky ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Sahel

Ny ampahany amin'io fitoniana ara-piarovana io dia avy amin'ny filoha amperinasa,  Mohamed Ould Ghazouani,  izay nandalo fotoana ela tao anivon'ny tafika sy ny sehatry ny fiarovana talohan'ny niakarany teo amin'ny toerana maha-filoha azy. Noho ny ady ela nataony tamin'ny asa fampihorohoroana, voafehiny tsara ny fiasan'ny resaka fiarovana ao amin'ny faritr'i Sahel ao Afrika.

Ho an'ny latsabato hatao amin'ny 29 Jona 2024, dia mbola ny fahafahan'ilay firenena miatrika, na farafaharatsiny mampihena be ny kolikoly no fanamby tena goavana ankoatra ny resaka fanandevozana. Araka ny fampilaharana nomen'ny tondro fijerena ny kolikoly navoakan'ny ONG Transparency International, mitàna ny toerana faha-130 i Maoritania ao anatin'ireo firenena miisa 180, manana isa 30/100, laharana nitovy tamin'ny taona 2022.

Araka ny fandalinana iray nataon'ny Centre d'études stratégiques d'Afriquemifanohitra amin'izany, io firenena io dia kianja iray midadasika ahafahana mahita hirika hanaovana fandraharahàna ho an'ireo mpampiasa vola. Ireto farany izay tonga avy any Eorôpa, Azia sy Afovoany-Atsinanana, indrindra fa ireo avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra maniry ny hanao ilay firenena ho foiben'ny angovo ho famokarana hidrôzena maitso.

Ny hidrôzena maitso dia heverina ho vahaolana mankany amin'ny tetezamita ara-angovo tsy misy entona karbôna sy koa safidy iray hasolo ny angovo fôsily. Izy io dia azo avy amin'ny fanasarahana ny rano (électrolyse)  amin'ny alàlan'ireo angovo azo havaozina, toy ny angovo avy amin'ny rivotra, na ny avy amin'ny masoandro.

Vakio ny fandrakofanay manokana :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.