Fanavaozana tefiendrika: Fampidirana zavamisy ambonin-dohateny notsorina sy mora idirana kokoa

Ao anatin'ny andraikitro maha-mpitarika fandrafetana sady mpanefiendrika tranonkala ahy ho an'ny Global Voices no iezahako hatrany manao izay hahatonga ny tranokala ho tsara endrika sy hiasa tsara ho an'ny karazam-mpamaky rehetra, izay mandrakitra ao an-tsaina no hanaovana izay hahatafidirana am-bala web. Manohy ny famakiana teny hianarana zavatra bebe kokoa momba ireo fiovana farany izay manatsara ny fidiran'ny mpitsidika an-tranonkalantsika.

Hitanao ao ambonin-dohatenin'ity tranonkala ity ny endrika vaovao! Kitiho ny bokotra zavamisy (menio) “hamburger” (sarilisitra) eo amin'ny farany havanana mba hahitana ny fomba fiasan'ny zavamisy vaovao.

Zavamisy kely maro lasa iray ngeza

Screenshot of the website with the old header showing. A small button has been clicked and it's contents show as an overlay.

Ny ambonin-dohateny tranainy ahitana zavamisy “Momba anay” misokatra.

Sarotra ny nijery rindran-tseho ambonin-dohaten'ny tranonkala tranainy tao amin'ny desktop. Ankilan'ny fango GV no nisy ireo bokotra famandrihana (media) sosialy, bokotra “Newsletter” izay nanokatra ny zavamisy, bokotra “Momba anay” izay mbola nanokatra zavamisy hafa, ary ny famenoana fitadiavana. Mifanohitra amin'izany anefa amin'ny finday, fango sy bokotra “Zavamisy” (Menu) ihany no misokatra mankany amin'ny zavamisy lehibe mikorontana ahitana ny zavatra rehetra ao anatiny.

Side-by-side screenshots of a mobile website showing a simple "menu" button in the header of the first one, and in the second the menu is opened and a list of pages with a search form are showing.

Tsara jerena ireo zavamisy taloha ireo, saingy tsy nandeha tsara. Nanahirana ny nampiasa azy amin'ny finday, ary tsy niasa mihitsy izy ireny ho an'ireo mampiasa efijery, ka nosoloinay manontolo ny rindra fandrafetana azy ireo.

Fanitsiana fampiadian-doko: Tsy misy volondavenona hatsatra intsony!

Ambonin'ny olana nateraky ny zavamisy taloha ho an'ny mpijery efijery, niantehitra tamin'ny ambaratongam-bolondavenona hatsatra (maro) ny tefiendrika taloha izay nanitsakitsaka ny lalànan'ny fahazoa-miditra fampiadian-doko. Napetrak'ireo fitsipika ireo fa mila matroka kokoa na mazava kokoa noho ny tokotaniny ny lahatsoratra, mba hahafahan'ny olona manana olana ara-pahitana mbola afaka mamaky azy ireo mora foana.

Efa elaela ihany izahay no nanamboatra io olana fampiadiana loko manerana ny tranonkala io, ary ny tefiendriky ny ambonin-dohateny manahirana no iray amin'ireo ohatra farany nanitsakitsahantsika ny fitsipika. Iantohan'ny tefiendrika vaovao fa mora voavakin'ny rehetra ny lahatsoratra rehetra, nefa mbola tsara jerena satria vitsy kokoa ireo zavatra mameno ny habaka.

Ny rindran-tseho vaovao: Tsotra sy mora idirana

screenshot of the site's homepage showing a simple header at the top with only the logo and a menu button

Tefiendrika ambonin-dohateny vaovao, bokotra zavamisy endrika “hamburger” (tsipika telo mirazotra) sy lisitra sokajy monja.

Mampiasa tahirim-pitaovam-piasana azo ampiasaina malalaka (open source) ny zavamisy vaovao ka antenaina ho azon'ny olona manana fahasembanana ianteherana kokoa, ary ao anatin'izany ihany koa mahatonga azy ireo hiasa tsara kokoa ho an'ny olon-drehetra!

Rehefa tsindrìnao ny bokotra “hamburger” -ireo tsipika telo mirazotra entina maneho ny zavamisy amin'ny tranonkala amin'izao fotoana izao – dia manokatra “pop-up” [seho mipongatra] feno amin'ny efijery izay manolotra ny torohay rehetra indray miaraka, ary azo hidìna amin'ny bokotra “x” fanakatonana, na amin'ny fanindrìna ny bokotra [esc=echap] amin'ny kitendrinao. Ny fahitana ny “fisovohana” manontolo amin'ny efijery feno no  miantoka fa miasa tsara ho an'ny rehetra ny menio (zavamisy) na inona na inona fomba itsidihany ny tranonkala.

Screenshot of the new menu. A grey background covers the screen, and there are three neat colums: One with social icons, search form, and list of posts. One with a list of categories. One with a newsletter subscribe form and a paragraph about sponsorship of the site.

Ny zavamisy vaovao rehefa misokatra.

screenshot of the new design on mobile, showing the menu closed, then open.

Miasa sy sahala amin'ny endrika desktop ny rindran-tseho vaovao amin'ny finday.

Araka ny hitanao etsy ambony dia narindranay ihany koa ny votoatin'ny menio mba ho ireo zavatra manan-danja indrindra (fango-bokotra media sosialy sy famenoam-pitadiavana) no hiseho voalohany, izay tokony hanamora ny fitadiavana ilainao, indrindra amin'ny finday.

Koa satria nohavaozina ankehitriny ny ambonin-dohateny, dia handeha hanavatsava ireo faritra hafa amin'ireo tranonkala aho hametraka “menu pop-up” ary hahatonga azy ireny hitovy fiasa, hanatsara ny fahazoa-miditra GV indray mandeha.

Ahoana ny hevitrao? Fanatsarana ve ilay izy? Mety mahita tsi-fetezana na zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy ve ianao? Mifandraisa amiko eto ao amin'ny fanehoan-kevitra, na amin'ny GV Slack, raha manana sosokevitra ianao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.