Chai? Tea? Ahoana no fisotroan-dry zareo Indiàna ny dite-ny?

A tea garden is in the foreground under an overcast sky with streaks of blue. Some green hills stand in the background

Sahan-dite ao amin'ireo havoana ao Nilgiri, atsimon'i India. Saripika an'i Ameya Nagarajan, nahazoana alàlana.

Malaza amin'ny kafe ao aminy ny toerana nahaterahako, Tamil Nadu, any amin'ny farany atsimon'i India. Ny “Filter kaapi,” araka ny iantsoana azy, dia zava-pisotro tena fatratra, mafàna, be ronono, marikivy misy ‘chicorée’, ary aroso anatina fifangaroana mampiavaka azy, koveta vy sy lovia jobok'aty, izay samy miasa ho toy ny efitra tsy misy rivotra sy fomba fampangatsiahana ilay zava-pisotro. Ny raiko dia manana ny marika kafe efa mahazatra azy manokana sy fitadiny, ary fombafomba tena henjana amin'ny fikarakaràna sy fisotroana ny kafe (tandremo tandremo TANDREMO TSY hanafàna azy io anaty lafoaro micro-ondes). Kanefa any an-tokatrano hafa any, manana fomba fanao hafa izahay, nitety andian-taranaka telo, manodidina ilay zava-pisotro izay mazàna atolotra ho toy ny mifanohitra amin'ny kafe, ary eken'ny erantany ho toy ny tena mampiavaka ny Indiàna: ny dite.

India no iray amin'ireo firenena tena mpamokatra be indrindra ny dite eto amin'izao tontolo izao, ary jifainay ny ampahany betsaka amin'ny vokatray. Ny dite Assam sy Darjeeling no avy hatrany dia fantatra sy be mpangataka erantany. Raha ny East India Company kosa izay nanomboka ny kolontsain'ny fambolena dite tao India, karazana dite iray zanatany ao amin'ny firenena ary jifain'ireo olona mipetraka any amin'ny faritra avaratra, tamin'izany fotoana izany teo ambany fifehezan'ny mpanjaka Ahom. Rehefa  noraisin'ireo Britanika mpanjanaka ny fifehezana ilay faritra, dia nanapa-kevitra ry zareo ny hamboly dite teo, izay nentin-dry zareo antsokosoko avy any Shina, satria nilain-dry zareo ny nanapaka ny fiankinandohany tamin'i Shina tamin'io vokatra tena malaza be io. Ankehitriny, ny dite Assam dia iray amin'ireo dite mainty anaty taharon'ny dite amin'ny sakafo marainan'ireo Anglisy sy Irlandey.

Misy faritra telo lehibe fambolenay dite ao India: any avaratra-atsinanana, indrindra fa ao Darjeeling sy Assam; ao avaratra any Kangra, ary ny atsimo any amin'ireo havoanan'i Nilgiri. Ao India, mahazatra anay ny mikarakara dite mangotraka asiana ronono sy siramamy  — ilay zava-pisotro hita eny rehetra eny antsoina hoe “chai” manerana ny firenena, izay tonga hatrany anaty lisitry ny sakafon'ny Starbucks amin'ny anarana mahatsikaiky hoe “chai tea,” na “tea tea.” Fa na ao anatin'ilay dite-nay ampangotrahana miaraka amin'ny ronono aza, manana karazany maro izahay. Any atsimon'i India, matevina sy mahery ny dite, ampangotrahina miaraka amin'ny “cardamom” sy kanelina ary aroso amina kaopy kely toy ny hoe “shots”-na dite (dite in-dray mitsifitra). Any avaratra, ampiasain-dry zareo ihany koa ny pipa, fa matetika ilay dite no ampangotrahina miaraka amin'ny sakamalaho vao. Tsy betsaka ny ronono, ary tsy mahery ny dite. Any amin'ny faritra Deccan, indrindra fa ireo tanandehibe ao Hyderabad sy Mumbai, hitanao ny “Irani chai”, izay aroso any amin'ireo trano fisotroana kafe an'ny Iraniàna, miparitaka manerana ny tanàna.  Zoroastrian, mpifindramonina avy any Iràna tonga tao Mumbai, ary avy eo niditra lalindalina kokoa hatrany Hyderabad, no nanomboka ireny trano fisotroana kafe ireny. Na misotro dite mainty aza ry zareo Iraniàna, ilay dite maitso mamy kosa naka ny anarany avy amin'ireo trano fisotroana kafe izay mandroso azy, ampahany amina kolontsaina tsakitsaky midadasika kokoa, avy amin'ireo bisikoitra masira mankany amin'ireo mofomamy asiana dobera sy ireo samosa hena ondry.

Resahan'ilay mpanao gazety, Yunus Lasania, ny momba ny  “Irani chai” ao Hyderabad ao anatin'ity lahatsoratra ity ao amin'ny Instagram.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Yunus Lasania (@thathyderabadiboy)

Ao avaratra-atsinanan'i India, anefa, ny “chai” dia mazàna sotroina amin'ilay izy mainty iny, na mena, araka ny iantsoana azy amin'ny fiteny Assamese “lal-sa,” midika hoe  “dite mena”. Ity dite ity dia karakaraina avy amin'ny dite Assam lava ravina, natsoboka tanaty rano nampangotrahana, matetika aroso miaraka amin'ny siramamy sy ravina “laurier”, ary indraindray ranona voasary makirana maitso. Misy pimaso mankamin'ny fomba fisotro dite britanika hita ao India: ny “dip tea”. Toy izay no fiantsonay azy rehefa mampiasa ilay fonosan-dite kely iny ianao. Ny tena hita betsaka amin'ireo tolotra fikarakaràna sakafo any anaty fiarandalamby, amin'ny ankapobeny tsy raharahain'ny olona io safidy io, izay misy fifangaroana ronono mafàna asiana siramamy sy rano araraka eo ambonin'ilay fonosana dite ao anaty kaopy taratasy. Marobe amin'ireo Indiàna anaty saranga ambony no babon'ny fomba fisotro dite britanika tsy mampiasa afa-tsy ireo dite anaty fonosana, ary nanabe voho ny fankafizana ireo fangaro toy ny Earl Grey.

Izaho manokana ihany koa dia isan'ireo anatin'ny ankolafy “chai tena izy”, izay ikarakaràko ny dite ankafiziko — ny Society Tea, ravina Assam ahorongorona — amin'ny fandraràhana rano, ronono, siramamy ary ravina dite ao anaty kaserôly iray dia ampangotrahina avy eo. Tsiravina ny reniko nijery io fanaoko io, satria izy mankafy manokana ilay dite tsy foiny — Nonesuch avy any Nilgiris — azo avy amin'ny fanatsobohana ravina ao anaty rano rehefa ilay vao mangotraka iny, ary avy eo vonoina ny afo dia avela hilona ao ilay dite, alohan'ny hanampiana rano kely sy siramamy faran'izay kely. Fa ny tena be ngetsana tamin'ireo andian-taranaka telo dia ny renibeko, izay rehefa nifandimby ny taona maro dia nampivoatra ny fikarakaràna ny dite-ny — ny Ceylon ny azy no tena nankafiziny, fa nionona tamin'ny Nilgiri na ny Darjeeling  izy — izay nisisihany mandrakariva ny hampiasànay azy, ary na tamin'ny fomba ahoana, na ahoana, dia vitany foana, toy ny fomba nahagaga, ny niteny raha vao nisy dingana iray tsy narahanay.

Toy izao no fomba ataony hitakiana aminay ny hikarakaràna dite ho azy. Voalohany, alaivo ny kaserôly, makà rano iray kaopy, apetraho eo ambony afo hangotraka. Mandritra izany fotoana izany, makà ronono tokony ho in-droan'ny sotrokelin-kafe, ataovy anaty vera kely vita amin'ny vy dia apetraho ao anatin'ilay kaserôly nampangotrahana rano. Io, hoy ny fanazavàny, no miantoka ny fitovian'ny hafanàn'ilay ronono sy ny rano ary hihatsara tsiro ilay dite. Vantany vao mangotraka ny rano, andraraho ravin-dite eran'ny sotron-dite ho ao anatina fitantavanana vita vy eo ambonin'ny vera iray hafa ka raraho rano avy eo ambony. Avy eo, apetraho eo ambonin'ilay kaopy indray ilay fitantavanana ka araraho eo ambonin'ireo ravina indray ilay rano tao anatin'ilay vera. Farany, asio teten-dronono kely mafàna sy siramamy faran'izay kely. Angaroy dia arosoy amin'izay.

Testamentan'ny dite sy ireo karazany marobe anananay sy ny fomba fikarakaranay azy aty India io, ny hoe vehivavy telo samihafa, anaty trano iray ihany, dia afaka milaza fa ny anay no fomba tsara indrindra sy tena izy rehefa miady hoe iza no hanao ny dite ary amin'ny fomban'iza. Vitanay mihitsy aza ny nanondrana izany ho any amin'ny zanaky ny mpiray tampo amiko izay, hatrany Etazonia, manitsikitrika fa tsy maintsy manao dite anaty fonosana ho azy manokana izy ary amin'ny fomba fanaovany azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.