Namoy ny ainy tamin'ny 14 Mey ilay mpikatroka Thailandey Netiporn “Bung” Sanesangkhom raha mbola notànana an-tranomaizina vonjimaika noho ny fiampangana azy amin'ny fanalam-baraka ny mpanjaka. Niteraka tabataba teo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona ny fahafatesany, nandrisika ny governemanta hanavao ny lalàna lèse-majesté (fanevatevana mpanjaka) sy hampitsahatra ny fanenjehana ireo mpitsikera ny fanjakana.
Mpampianatra teny Anglisy i Bung, 28 taona talohan'ny nandraisany anjara tamin'ny hetsika demokrasia tarihin'ny tanora tamin'ny taona 2020 izay nanao fanentanana ho amin'ny famerenana indray ny fitondrana sivily. Nanatevin-daharana ny Thaluwang izy aty aoriana, vondrona fantatra amin'ny fanaovana fihetsiketsehana mitaky ny fanavaozana ny fitondra-panjaka. Nahazo ny fanohanam-bahoaka ny hetsika prô-demôkrasia ary noraisina ho fandresen'ny hery mpanohitra izay nihaika ireo antoko tohanan'ny miaramila tamin'ny fifidianana taona 2023.
Nosamborina i Bung rehefa avy nanao fitsapan-kevitra tao amin'ny tsenam-barotra iray momba ny fiantraikan'ny kôrtezin'ny mpanjaka amin'ireo mpitondra fiara (môtô) tsotra. Notanana am-ponja izy tamin'ny volana May 2022 ary nahazo fahafahana vonjimaika telo volana taorian'izay, rehefa nanao fitokonana tsy hihinan-kanina. Nosamborina indray izy tamin'ny volana Janoary 2024 noho ny filazana fa nandika ny fepetra momba ny fahafahany vonjimaika noho ny fandraisana anjara tamina fihetsiketsehana ara-politika.
Nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina naharitra 65 andro i Bung tamin'ny 27 Janoary. Nanana fitakiana roa izy: fanavaozana ny lalàna lèse-majesté sy ny famotsorana ireo gadra politika. Notànana am-ponja nandritra ny 110 andro izy talohan'ny nijanonan'ny fony.
Pravit Rojanaphruk, mpiasa zokiolona mpanoratra ao amin'ny tranokalam-baovao Khaosod English, nanamarika ny hadalàna ao amin'ny fiampangana an'i Bung.
How on earth, in a self-proclaimed democratic society, could Bung be charged with royal defamation crime and sedition for something so harmless as publicly asking people to attach a sticker on a paper board to answer whether royal motorcades caused inconveniences to ordinary people or not?
Fa aiza eto ambonin'ny tany, ao anaty fiarahamonina iray milaza tena ho demaokratika, no mety hiampangana an'i Bung ho nanao heloka bevava fanalam-baraka mpanjaka sy fikomiana noho ny zavatra tsy mampidi-doza akory toy ny fangatahana ampahibemaso ny olona hametraka sticker eo amin'ny solaitrabe mba hamaliana raha niteraka fanelingelenana ho an'ny olon-tsotra na tsia ny kôrtezin'ny mpanjaka ?
Nanondro ny fomba tsy ara-drariny nandikan'ny manampahefana ny lalàna momba ny fanalam-baraka ny mpanjaka ny Foreign Correspondents’ Club of Thailand.
The sweeping interpretations Thai courts typically make of what constitutes royal defamation, and the formidable obstacles to mounting a defence of those charged under the law, make it a matter of serious concern for journalists trying to report on Thailand. That a young woman has now lost her life because of this should be a matter of concern to everybody.
Ny fomba fandikan'ny fonja Thai no mamantatra izay matetika ataon'ny fitsarana Thailandey momba ny fanalam-baraka ny mpanjaka, ary ireo sakana goavana amin'ny fametrahana fiarovan-tena ho an'ireo voampanga eo ambanin'ilay lalàna, dia mampanahy mafy ny mpanao gazety miezaka mitatitra momba an'i Thailandy. Tokony mampanahy ny rehetra izany hoe tovovavy iray namoy ny ainy noho izany lalàna izany.
Manodidina ny 45 eo ho eo ireo fikambanan'ny mpianatra sy vondrona mpikatroka namoaka fanambaràna iraisana miampanga ny governemanta Thailandey ho nandray an'i Bung “ho toy ny jiovavy na dia tsy hita ho meloka aza izy.” Nanampy ny fanambaràna fa “nogadraina i Bung ary nolavina tsy misy antony marim-pototra ny fangatahany fahafahana vonjimaika, izay manitsakitsaka ny zo fototra hahazo fahafahana vonjimaika.” Mifandray amin'izany ihany, nanentana ny governemanta ireo Thailandey mpisolovava ho an'ny Zon'Olombelona mba “hanaja, hiaro, ary hanatanteraka ny zo hanome fahafahana vonjimaika ireo voafonja ara-politika izay tsy nomelohin'ny didim-pitsarana farany tamin'ny fandikan-dalàna”.
Ankoatra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana, namoaka fanambaràna ny diplaomaty sy tambajotra ary vondrom-piarahamonina iraisampirenena, maneho ny ahiahiny amin'ny fahalasanan'i Bung tsy amin'ny fotoanany sy ny fanenjehana mianjady aminy amin'ny maha-mpanohitra azy. Nisy ny fiaretan-tory natao tao Bangkok renivohitra sy ireo tanàna hafa toa an'i Chiang Mai, Chiang Rai, Phrae, Lampang, Nakhon Ratchasima, ary Khon Kaen. Nanatrika ny iray tamin'ireo fiaretan-tory ny mpisolovava Poonsuk Poonsukcharoen ary niresaka momba ny lova navelan'i Bung.
We come to stand here because she was a child of the people … who have rights and freedoms, and there should be no one who is lost because they exercise their rights and freedoms, and to insist that everyone who has not been found guilty must have the right to temporary release.
Tonga eto izahay satria zana-bahoaka izy … manana zo sy fahafahana, ary tsy tokony hisy ho faty noho ny fampiasana ny zony sy ny fahafahany, ary manizingizina aho fa izay rehetra hita fa tsy meloka dia tsy maintsy manan-jo hahazo fahafahana vonjimaika.
Meanwhile, in Chiang Mai, local activists and members of the public gathered at Tha Phae gate, a tourist landmark in the old town, for a vigil in memory of Netiporn. They lit candles and read poems in mourning and shouted slogans calling for the release of political prisoners and… pic.twitter.com/O0TDIe5e8m
— Prachatai English (@prachatai_en) May 14, 2024
Nandritra izany fotoana izany, tao Chiang Mai, nivory teo amin'ny vavahadin'i Tha Phae, toerana manan-tantara ho an'ny mpizaha tany ao an-tanàna tranainy, ireo mpikatroka ao an-toerana sy ny daholobe, mba hanao fiaretan-tory ho fahatsiarovana an'i Netiporn. Nandrehitra labozia sy namaky tononkalo tao anaty fisaonana izy ireo ary nihiaka teny filamatra mitaky ny famotsorana ireo gadra politika sy…
Nasongadin'ny Talen'ny Amnesty International Thailand, Piyanut Kotsan ny tamberin'andraikitry ny governemanta sy ny fitohizan'ny toe-draharaha mahatsiravina momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.
This is a shocking reminder that Thai authorities are harshly denying pro-democracy activists their freedom in an apparent bid to silence the peaceful expression of dissent.
Fampahatsiahivana manafintohina izany manampahefana Thailandey mandà amin'ny fomba hentitra ny fahalalahan'ireo mpikatroka mpomba ny demokrasia mba hampanginana ny fanehoana am-pilaminana ny tsy fitovian-kevitra.
Emilie Palamy Pradichit avy ao amin'ny Fondation Manushya ao Thailandy namerimberina ny fihetseham-pon'ireo tanora mpikatroka.
How many young Thais need to take to the streets, risk their mental health, risk their physical health, or risk having their human rights brutally denied by the State, for the rest of Thai society to take action?
Firy amin'ireo tanora Thailandey no mila midina an-dalambe, manao vivery ny fahasalamany ara-tsaina, mampidi-doza ny fahasalamany ara-batana, na mampidi-doza ny zon'izy ireo maha-olombelona mba ho lavin'ny Fanjakana amin'ny fomba feno herisetra, mba handraisan'ny ambiny amin'ny fiarahamonina Thailandey andraikitra?
Nanome voninahitra an'i Bung ny mpanao sariitatra iray ary nampiseho ny andraikitry ny governemanta tarihin'ny Praiminisitra Srettha Thavisin amin'ny fanomezana alalana ny fampiasana hatrany ny lalàna Lese Majeste (Fizarana faha-112 amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava) ho fitaovana hamelezana ireo tsy mitovy hevitra.
Tribute to ‘Bung’ Thaluwang pic.twitter.com/ZxJXhMkS6o
— stephff cartoonist (@stephffart) May 15, 2024
Fanomezam-boninahitra an'i ‘Bung’ Thaluwang
Nilaza tamin'ny haino aman-jery ny praiminisitra fa efa nanome baiko ny minisiteran'ny Fitsarana izy mba hanadihady ny toe-javatra nahatonga ny fahafatesan'i Bung.
Nolevonina (nodorana) androany (19 May) i Bung raha mbola manohy ny fitakiana ny rariny ireo mpikatroka sy mpanohana.
Political activists, relatives, & friends of lese majeste detainee Netiporn “Bung” Thaluwang attended the Bung's cremation ceremony at Wat Sutthapot, Bangkok, today.
Bung passed away at Prison Hospital on the morning of May 14.
(Pics: Sarawut Sriphetsai) #thailand #บุ้งทะลุวัง pic.twitter.com/lknozFRLMf— Khaosod English (@KhaosodEnglish) May 19, 2024
Nanatrika ny lanonana fandevonana an'i Bung tao Wat Sutthapot, Bangkok, androany ireo mpikatroka ara-politika, havana, ary naman'ilay voafonja tamin'ny lese majeste Netiporn “Bung” Thaluwang.
Nodimandry teny amin’ny hôpitalin'ny fonja i Bung ny marainan’ny 14 mey.
(Sary: Sarawut Sriphetsai)