Ity tatitra ity dia nosoratan'i Tome Grundy ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 15 Mey 2024. Navoaka ato ambany ny endrika nahitsy ho anisan'ny fifanarahana fiaraha-miasa votoaty amin'ny HKFP.
Nobahanan'ny Google noho ny didim-pitsarana [mg] tsy hiditra amin'ny hiram-panoherana fa mpanohana ny demôkrasia “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ao amin'ny YouTube (izay fananan'ny Google) ireo mpiseran'i Hong Kong. Tonga zao taorian'ny nilazan'ny sekretera misahana ny rariny (Fitsarana) Paul Lam fa “nitebiteby” ny governemanta miandry ny setriny ataon'ny orinasan'ny teknolojia amin'ilay fandidiana.
Tamin'ny 8 Mey, nisy fitsarana iray nandrara ny olona tsy “hanely feo, hanatontosa, hanao printy, hamoaka an-tsoratra, hivarotra, hanolotra ho amidy, hitsinjara, hampiely, handranty na hamokatra indray” hira misy fikasana hampisara-bazana. Naka ankolafiny niara amin'ny governemanta ny Fitsarana Ambony, namadika ny fanapahan-kevitry fitsarana ambaratonga ambany kokoa tamin'ny herintaona nitsipaka ny fandidiana, nanonona ahiahy amin'ny fahalalaham-pitenenana.
Herinandro iray taty aoriana, tamin'ny 15 Mey, nosoloina hafatra avokoa ireo horonantsary 32 tao amin'ny YouTube voalisitra tao amin'ny didim-pitsarana nilaza fa: “Tsy vonona ato amin'ity firenena ity io votoaty io noho ny didim-pitsarana.”Na izany aza, mbola azo nidirana ihany ny endrika sasany, toy ny endrika amin'ny sehatra hafa toy ny Spotify.
“Diso fanantenana tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana izahay saingy manaraka ny didy fanesorana azy amin'ny alalan'ny fanakanana ny fidirana amin'ireo horonantsary voalisitra ho an'ireo mpijery ao Hong Kong. Hanohy ny fiheverana ny safidinay izahay hampakatra ny raharaha, hampiroborobo ny fahazoa-miditrana torohay, “hoy ny mpitondratenin'ny YouTube tamin'ny fanambaràna iray nalefa tamin'ny HKFP.
Nilaza ny YouTube fa nanana politika mazava amin'ny fangatahana fanesorana avy amin'ny governemanta, mametra ny votoatiny ho valin'ny paikam-pitsarana. Nampiany fa ho fanampin'ny fanesorana [hira] 32 ao amin'ny YouTube, dia tsy ho hitan'ny mpiserasera any Hong Kong intsony rohy mankany amin'ireo rakikira ao amin'ny Google Search.
Na eo aza ny sakana, nilaza ny goavamben'ny teknolojia fa miombon'ahiahy amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona momba ny fiantraikan'ny didim-pitsarana ry zareo.
Tsy vao voalohany no sedra fanivanan-tserasera miharihary ny Hongkongers. Tamin'ny taona 2022, nosakanan'ny mpanome tolotra aterineto ao an-tanàna amin'ny ampahany ny tranonkalan'ny ONG Hong Kong Watch. Tsy azo nidirana ihany koa ireo sehatra mpanohitra ny governemanta Hkchronicles, Vaomieran'ny Fitsarana miampita sisitany ao Taiwan, ary ny HK Charter 2021.
Fanentanana nataon'ny governemanta hanoherana ny hira
Navoakan'ny mpanoratra hira ao an-toerana antsoina hoe “Thomas” sy ny iray tarika aminy tamin'ny YouTube ny 31 aogositra 2019 ny “voninahitra ho an'i Hong Kong”, nandritra ny fotoana nampafàna ny fihetsiketsehana prô-demôkrasia manerana ny tanàna sy ny fikorontanana. Nalaza tampoka teo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny demôkraty izany.
Tafiditra ao anaty tonony ny teny filamatra lehibe lasa tsy ara-dalàna amin'izao fotoana izao manao hoe “Liberate Hong Kong, revolution of our times,” (Afaho i Hong Kong, revolisionan'ny androntsika) izay ambaran'ny governemanta ho “prô-fahaleovantena” sady mahavita manetsika fisintahana.
Namelatra fanentanana hanoherana ny hira ny manampahefana tamin'ny Novambra 2022, raha nalefa tsinahy nandritra ny lalao Rugby-n'olona 7 tao Korea Atsimo ny “voninahitra ho an'i Hong Kong” fa tsy ny “Diaben'ny Volantera”, hiram-pirenen'i Shina. Nipoitra tokoa fa mpiasa iray no nolazaina ho nitroka azy tamin'ny aterineto, nieritreritra diso fa io no hiram-pirenen'i Hong Kong.
Nitaky ny hanesorana azy io amin'ny fitadiavana aterineton'ny Google sy ireo sehatra fizarana votoaty hafa toy ny YouTube ny governemanta taty aoriana, saingy tsy nohenoina loatra.
Nilaza i Sun Dong, sekretera misahana ny fanavaozana, ny teknolojia ary ny indostria tamin'ny Jolay lasa teo fa tsy nanaiky ny fangatahan'ny tanàna i Google hanala ny “voninahitra ho an'i Hong Kong” avy amin'ny valim-pitadiavana.
“Nilaza i Google fa tsy maintsy manana porofo ianao hanaporofoana fa nanitsakitsaka ny lalàna teo an-toerana [ny hira], fa mila didim-pitsarana [izahay],” hoy i Sun. “Tena tsara, satria nanangana olana ara-pitsarana ianao, andao hampiasa fomba ara-pitsarana hamahana ny olana.”
Tsy ‘hira voarara’
Raha niresaka tamin'ny radio ara-barotra i Lam, Sekreteran'ny Fitsarana, tamin'ny alahady, dia nilaza fa na dia namoaka fandraràna aza ny fitsarana amin'ireo fihetsika sasantsasany mifandraika amin'ny hira, dia tsy tokony hojerena ho “hira voarara” izy io.
“Tsy tokony hampiasa ny voambolana ‘hira voarara’ isika. Ny hetsika mampiasa ny hira hiady ho amin'ny fahaleovantenan'i Hong Kong no raràna … ho fitaovam-piadiana hiderana ny herisetra sy ho fikatsahana ny fahaleovantenan'i Hong Kong,” hoy i Lam.
Nampiany fa mbola afaka mitatitra ny vaovao momba ilay hira ny media ary afa-mikaroka azy ny manam-pahaizana “toy ny fomba fampiroboroboany ny fahaleovantenan'i Hong Kong.”
Raha tsikaritra nandritra ny fihetsiketsehan'ny taona 2019 ireo mpanao fihetsiketsehana mpanohana ny fahaleovantena, na ny tononkira — na ny fitakiana ofisialin'ny hetsika — dia samy tsy nisy fanononana ny fahaleovantena ho an'ny tanàna.
Nipoaka tamin'ny Jona 2019 ny fihetsiketsehana noho ny volavolan-dalàna fandroahana ho any Shina Tanibe izay efa nesorina amin'izao fotoana izao. Indraindray nivadika ho fampisehoana maherisetra amin'ny fanoherana ny polisy izany, ao anaty antso ho amin'ny demôkrasia sy ny hatezerana amin'ny fitsabahan'i Beijing. Nitaky famotorana mahaleotena amin'ny fitondran-tenan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana, famotsoran-keloka ho an'ireo voasambotra sy fampitsaharana ny fanasokajiana ny fihetsiketsehana ho “rotaka.”