Topimaso ao El Salvador ‘firenena anaty toe-draharaha maningana’

Fandravahana avy amin'ny Global Voices.

Voamariky ny fandraisana ireo fepetra mametra ny fahalalahana fototry ny olom-pirenena ny fitantanan'ny filohan'i El Salvador, Nayib Bukele, manivana ireo adihevitra misokatra sy miompana amin'ny raharaham-bahoaka, sy mametra ny fahalalahana maneho hevitra, miditra fikambanana ary mivory. Fanampin'izany, nisy ny  fitsabahana tafahoatra amin'ny fampandehanana mahazatra ny andrim-panjakana. Niharatsy izany toe-draharaha izany tamin'ny volana martsa 2022 tamin'ny fanambaràna ny firenena ho latsaka anaty hotakotaka, mandritra ny iray volana tamin'ny voalohany, saingy niitatra isam-bolana ho hatramin'ny 25 May 2024.

Ahoana no iainana fanjakana anaty hotakotaka any El Salvador? Inona no fiantraikan'izany eo amin'ny mponina sy amin'ny fitantanam-panjakana ny zon'olombelona?

Mbola miandry fanonerana ireo niharam-boina

Tamin’ny taona 2019, voamariky ny lahateny feno fampanantenana vahaolana mahomby manoloana ny olana ara-tsosialy sy ara-politika ao amin’ny firenena ny fanentanam-pifidianan'ny filoham-pirenena lany amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin'izany ny fandaharam-potoana feno mifantoka amin'ny fitohizan'ny raharaham-pitsarana mahasahana ny olompirenena anatiny sy ivelan'ny firenena, nokinasa hihazona ireo tompon'andraikitra amin'ny fanitsakitsahana mafy ny zon'olombelona, manome fanonerana ho an'ireo niharam-boina, ary mifaoka ny marina momba ny zava-nitranga teo anelanelan'ny taona 1980 sy 1992, vanim-potoana izay nahatafiditra ny fanjakana ho ao anaty ady mitam-piadiana anatiny ka nahafatesana sivily maherin'ny 75.000 teo am-pelatanan'ny tafika sy ny milisy.

Fanampin'izay, niteraka krizim-panahiana voamariky ny fanararaotana sy fampiasan-kerin'ny manampahefana tafahoatra ny fampiharana maharitra ny fanavaozana mihemotra mifandraika amin'ny zon'olombelona. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, be dia be ny tatitra trangan-kerisetra, habibiana, ary fanambaniana ny voafonja, ny fahafatesana any an-tranomaizina, ny fanorisorenana ara-pitsarana ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona, ary ny tsy fahampian'ny fanadihadiana hamantarana ireo mpanao habibiana sy hamaritana hoe aiza ho aiza ireo niharan'ny fanararaotana toy izany.

Vakio koa: Nahoana no mbola maniry ny hahalàny an'i Bukele ny ankamaroan'ireo Salvadôriàna, na nitombo aza ny fanaovany didiko-fe-lehibe [mg]

Ho setrin'izany toe-draharaha sarotra izany, dia naneho ny ahiahiny ireo fikambanana isan-karazany ao an-toerana, izay nilaza fa, na dia tsy mahafeno ny fepetra takian'ny fenitra iraisampirenena aza ny fanjakana latsaka an-katerena, dia nohalavaina hatrany nandritra ny roa taona izany mba hanatratrarana tanjona tokana: ny famongorana ireo andian-jiolahy sy fikambanan-jiolahy.

Nisy fiantraikany tsy mifandanja tamin'ireo olona miaina ao anaty fahantrana ihany koa ny fitantanan'i Bukele, indrindra fa ireo ambany fahaizana, ireo manana asa tsizarizary, ary mipetraka any amin'ny faritra iharan'ny fanilikilihana ara-tsosialy na fehezin'ny vondrona mitam-piadiana.

Nisy fiantraikany tamin'ireo mpanao gazety, fampahalalam-baovao tsy miankina, mpikatroka, mpiaro ny zon'olombelona, ary mpitarika sendikaly ihany koa ireo rafitra ara-pitsarana izay toa manome rariny ny famerana ny zo sasany sy ny antoka ara-pitsarana.

Vakio koa: Nandresy tamin'ny fifidianana tao El Salvador i Nayib Bukele ka mahazo vahana ao amin'ny kaontinanta ny tsirefesimandidy [mg]

Krizy any am-ponja

Miatrika fanamby lehibe i El Salvador amin'ny krizin'ny filaminam-bahoaka henjana, vokatry ny fifandonana misy eo amin'ny manampahefana sy ny andian-jiolahy ao an-toerana mifaninana amin'ny fanaraha-maso ny fanondranana sy ny fanapariahana zava-mahadomelina.

Tamin'ny 26 Martsa 2022, nahatratra 62 ny vono olona tao amin'ny firenena tao anatin'ny iray andro monja, taorian'ny volana maromaro nampihena tsikelikely ny herisetra nataon'ny “maras”, anarana nomena ireo fikambanan-jiolahy miasa ao amin'ny faritany Salvadoriana. Ho setrin'izany, nandray fanapahan-kevitra henjana ny Filoha Bukele ka nanambaràny ny fanjakana ho latsaka ankaterena, manome antony hamerana ny fahalalahana sasany lazain'ny lalàmpanorenana.

Na dia teo aza ireo fampanantenana ireo, dia tsy nisy vokany ireo fepetra ireo hatramin’ny nandraisan’ny filoha ny asany. Manohy mitolona mafy mba hahazo fankatoavana, rariny ary fanonerana ireo niangana (tafavoaka velona) sy ny fianakaviany.

Nitarika fametrahana fomba fanasaziana manafay ho famahana ny tsy fandriampahalemana sy ny heloka bevava, indrindra fa ny mifandraika amin'ny vondron-jiolahy ity fanapahan-kevitra ity. Nampiharina ny fisamborana sy fanagadrana faobe, ankoatra ny fepetra tsizarizary ao amin’ny fonja, ka miteraka ny fahamaroan’ny olona tafahoatra.

Tena mampanahy ny toe-javatra mampahonena atrehin’ireo olona voafonja ao amin’ny firenena. Anisan’izany ny fahamaroan'ireo gadra tafahoatra, ny tsy firaharahiana ny fitsaboana, ny tsy fahampian-tsakafo, ny famerana ny fahazoana rano fisotro madio, ny tsy fisian’ny fifandraisana amin’ny tontolo ivelany noho ny fampiatoana ny fitsidihana sy ny antso an-tsofindavitra, ny tsy fahampian’ny fidiovana sy ny fahadiovana, ny fampijaliana toy ny daroka sy ny fampiasana tifitra dipoavatra, ary ny fampiasana tafahoatra ny fanokana-monina amin'ny fanasaziana.

Zo sy fahalalahana fototra nosaronana

Mampiseho fihemorana amin'ny lafiny zon'olombelona ny politikam-panjakana. Nandrakitra fitomboam-pihetsika manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy miditra fikambanana ny sehatry ny fiarahamonim-pirenena. Ny mpanao gazety, ny mpikatroka, ny sendikà ary ny lehiben'ny vondrom-piarahamonina no tena lasibatr'izany hetsika izany, ka niteraka rivo-pankahalana ny fampiharana ireo zo fototra ireo.

Nisy ihany koa ny firongatry ny lahateny manavakavaka ireo mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety ary seha-baovao tsy miankina. Nipoitra avy amin'ny ambaratonga ambony indrindra ao amin'ny governemanta, sy amin'ireo manampahefana mampiasa tsy araka ny tokony ho izy ny fitaovam-panjakana sy amin'ny fomba hanitarany ny fandrahonana sy ny fameperana amin'ny sehatra virtoaly ireo lahateny ireo.

Nikarakara fihetsiketsehana ara-tsosialy sy hetsi-panoherana hiampangana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao anatin'ny firenena anaty ankamehana ireo vondrona ara-tsosialy isan-karazany, hetsiky ny niharam-boina, sendikà ary lehiben'ny vondrom-piarahamonina ary mitaky ny fanajana ny zo ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina, ary koa fiarovana ny tany. Namaly tamin'ny alalan'ny fitsabahana ny fampiharana izany zo izany ny manampahefana, ka mametra ny fahalalahana mivezivezy amin'ny alalan'ny sakana na fanaraha-maso mba hanakanana ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara.

Vakio bebe kokoa: Manorisory ireo mpanao gazety tsy miankina ao amin'ny Twitter ao El Salvador ny filoha Bukele [mg]

Nisy fiovana ihany koa ny fomba fiasan'ny Polisim-pirenena manoloana ireo fihetsiketsehana milamina. Taloha izy ireo niompana tamin’ny fiarovana sy fanamorana ny fampiharana ireo zo fototra ireo. Saingy, amin'izao fotoana izao, misy ny fironana mametraka ny andraikitry ny polisy amin'ny fampitahorana, fanarahamaso ary farany, fanakorontanana ny fandraisan'ny olona anjara amin’ ity karazana hetsika iombonana ity. Vao mainka mampanahy ny firongatry ny hetsika fanaon-jiolahy na ara-pitantanan-draharaham-panjakana amin’ireo olona mandray anjara amin’ireny fihetsiketsehana ireny, indrindra ireo entanina sy tarihin’ny fikambanana sendikaly ho fiarovana ny zon’ny mpiasa ao aminy.

Raha fintinina, asongadin'ny toe-java-tsarotra atrehin'ity firenena ao Amerika Afovoany ity ny filana maika hametrahana andiam-politikam-panjakana miompana amin'ny zon'olombelona. Nohamafisin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona isan-karazany, toy ny Human Rights Watch sy Cristosal tamin'ny tatitra nataon'izy ireo momba ny toetran'ny zon'olombelona ao El Salvador, ny tsy maintsy itondrana fanavaozana ara-pitsarana feno amin'ny fifampidinihana amin'ireo fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena izay manao ho laharam-pahamehana ny fanarenana sy ny fampiatìna ara-tsosialy fa tsy amin'ny fomba famaizana ataon'ny manampahefana amin'izao fotoana izao. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaleovantenan'ny fitsarana sy ny fiantohana ny paika ara-pitsarana araka ny tokony izy ho an'ny olom-pirenena rehetra. Fanampin'izany, tsy maintsy mampiroborobo ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana i El Salvador mba hampisy ny fitokisan'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.