Mpitsara avy any Moldova nanome ny isa ambony indrindra ho an'i Okraina nandritra ny Eurovision 2024

Tsy tonga hatrany amin'ny fifaninanana farany i Singer Natalia Barbu avy any Moldova  tamin'ity taona ity. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny fantsona YouTube Eurovision Song Contest. Fampiasàna ara-drariny

Nanoratra momba izay nampirehareha an'i Moldavia  nandritra ilay fifaninanana Eurovision natao farany teo ny famoaham-baovao Môldavy tsy miankina “Newsmaker”. Nadikan'ny Global Voices ilay lahatsoratra, nasiam-panovàna ho fanazavàna misimisy kokoa ary naverina navoaka miaraka amin'ny fahazoandàlana avy amin'ny Newsmaker. 

Na tsy tonga hatrany amin'ny lalao famaranana aza i Môldavia tamin'ny Eurovision 2024, ireo mpijery sy ny mpitsara avy ao Moldavia kosa dia nanana ny fahafahana nifidy an'ireo mpandray anjara avy amin'ireo firenena hafa. Nomen'ireo mpijery sy mpitsara avy ao Môldavia ny isa ambony indrindra — 12 tsirairay — ireo fampisehoana nataon'ireo solontenan'ilay firenena mpifanolo-bodirindrina, Okraina.

Araka ny vaovao avy amin'ny tranonkalan'ny Eurovision, teo amin'ny fifaninanana mozika 2024, nomen'ireo mpijery avy ao Môldavia isa 12 i Okraina, Israely 10, Soeda 8, Kroasia 7, Frantsa 6, Soisa 5, Italia 4, Gresy 3, Irlandy 2, ary Armenia 1.

Ny mpitsara avy ao Môldavia nanome an'i Okraina isa 12 , Italia 10, Kroasia 8, Soisa 7, Frantsa 6, Litoania 5, Pôrtiogaly 4, Israely 3, Luxembourg 2, ary Soeda 1.

Ny 7 May hatramin'ny 11 May no natao tao Malmö, Soeda ny fifaninanana hira Eurovision 2024.

Tamin'ity taona ity, Soisa no nandresy. ilay mpanakanto Nemo no nisolo tena ilay firenena tamin'ilay hira hoe “The Code” momba ny mari-pamantarana tsy atsy tsy aroa.

Kroatia, nosoloin'i Baby Lasagna tena tamin'ilay hira hoe “Rim Tim Tagi Dim,” no nahazo ny toerana faharoa.

Okraina, nosoloin'ireo mpiseho an-tsehatra alyona alyona & Jerry Heil tamin'ilay hira hoe “Teresa & Maria,” no teo amin'ny toerana fahatelo.

Tsy nahatody hatrany amin'ny famaranana ny fifaninanana Eurovision ilay mpihira, Natalia Barbu, izay nisolo tena an'i Môldavia tamin'ity taona ity.

Ny vokatra tsara indrindra vitan'i Môldavia hatramin'ny Eurovision 2017. Tamin'izany fotoana izany, ny tarika Sunstroke Project niaraka tamin'ilay hira “Hey Mamma” no nahazo ny toerana fahatelo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.