Karaiba, mitomany an'i Tina Turner, ilay kintan'ny Rock & Roll

Tina Turner en concert au MEN Arena, avril 2009. Photo prise par Julia sur Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Tina Turner nanao kaonseritra tao amin'ny MEN Arena, Aprily 2009. Saripika an'i Julia ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mankany amina tranonkala amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato.]

Ny 24 Mai lasa teo, nodimandry teo amin'ny faha-83 taonany i Tina Turner ilay tsy manam-paharoa, ilay mpihira Rock & Roll malaza teo ambany vahohon'ny vadiny mpanararaotra, nanao vy very ny zavatra rehetra izy mba handaozana azy sy hanorenana ny fiainany miainga amin'ny tsy misy indray ka farany lasa kintana manerantany. Efa elaela izy no nareforefo ara-pahasalamana, tratry ny fahatapahana lalan-drà tamin'ny 2013, ary voatily ho misy homamiadan'ny tsinay tamin'ny 2016. Avy eo izy tratry ny fikorontanan'ny fiasan'ny voa, izay nanaovana famindràna voa taminy herintaona taorian'izay.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Tina Turner (@tinaturner)

Teraka tao Tennessee tamin'ny 26 Novambra 1939 izy, Anna Mae Bullock no tena anarany, tena tsotra be ny niandohàny[fr], na somary nisamboaravoara ihany aza. Tina sy ireo rahavaviny roa dia samy nalefa ho tinaizan'ireo raibe sy reniben-dry zareo nandritra ny fotoana naharitra satria dia nifindrafindra toerana matetika noho ny asany ireo ray aman-drenin-dry zareo. Tao amin'ny eglizy batista i Bullock no namolaka ny feony, saingy teo amin'ny faha-11 taonany, nandositra tany Illinois ny reniny noho ny tokantranony feno herisetra. Tamin'ny farany dia nandeha nanaraka azy i Bullock, ary dia tao amin'ny Manhattan Club tao St. Louis izy no nahitàny voalohany ny fiakarana an-tsehatr'i Ike Turner niaraka tamin'ny  Kings of Rhythm, tarika nisy azy. 17 taona izy tamin'izany fotoana izany, ary nanontany raha toa ka afaka miditra manatevina laharana an'ilay tarika izy ; dia nekeny. Ary indray hariva, nandritra ny fiatoana, nangatahan'i Bullock ny mikrô dia nohirainy ilay hiran'ny  B.B King « You Know I Love You ».

Tamin'ny 1958, fotoana fohy taorian'ny nahazoany ny diplaomany mamarana ny ambaratonga faharoa, teo ambany fiahian'i Turner izy no nandrakitra feo ny hirany voalohany tamin'ny anarana hoe Little Ann. Na izany aza, tsy nanomboka nahasarika ny sain'ny maro izy raha tsy tamin'ny 1960 rehefa injay ny DJ iray nandre ny “demo” nataony tamin'ny« A Fool in Love », hira iray nosoratan'i Ike Turner ho an'ny  Art Lassister. Tonga tany amin'ny biraon'i Henry « Juggy » Murray, filohan'ny Sue Records, marika R&B ilay horonampeo. Fantatr'i Turner fa nahita ilay perla sarobidy izy niaraka tamin'i Bullock. Nomeny anarana vaovao izy ho “Tina”, ary notolorany ny anaram-pianakaviany, ary napetrany ho marika mba hahafahany, raha sanatria i Bullock miala amin'ny tontolon'ny mozika, mahita vehivavy hafa mpihira hisolo ny toerany amin'ny fandraisana ilay anaran-tsehatra « Tina Turner ».

Tsy tao anatin'ny sainy velively ny hoe tsy manam-paharoa i  Turner. Nalaky be ny fiakaran'ny lazany:  tafakatra ho amin'ny toerana faharoa ny « A Fool In Love » tao anatin'ireo hit-parade Hot R&B Sides sy ny Billboard Hot 100 andiany faha-27. Nanaraka an'io ny “single” « It's Gonna Work Out Fine, » izay nahazoan'ilay “duo” ny fanendrena azy ireo ho isan'ireo safidy amin'ny Grammy natokana ho an'ny seho an-tsehatra tsara indrindran'ny Rock & Roll.  Mba hilomanosany ao anatin'ny ranomasimben'ny laza dia  namorona ny Gazetiboky Ike & Tina Revue i Turner, izay im-betsaka nanao fitetezana an'i Etazonia, nilalao hatrany anoloan'ireo mpijery tsy nandairan'ny fanavakavaham-bolonkoditra tany amin'ireo hotely sy trano fisakafoanana tany atsimon'ny firenena. Tamin'ny 1962, nivady i Ike sy Tina, ka nandritra ireo taona nanaraka dia nifanao tsy omby aloha ireo fifanarahana fandraisampeo,  indrindra fa ny vanimpotoana niarahan-dry zareo tamin'ny Warner Brothers, izay nanampy an-dry zareo hampitombo ny lazany tamin'ireo fisehoana anaty fahitalavitra tany anatin'ireo fandaharana toy ny American Bandstand[fr] sy  Hollywood a Go-Go.

Taorian'ny nisehoany tao anatin'ny fandraketana an-tsarimihetsika an'ilay kaonseritra The Big T.N.T. Show tamin'ny 1966, nanao sonia fifanarahana tamin'ilay mpamokatra mozika goavana Phil Spector[fr] ry zareo, ary nandritra ny fararano, dia nanao ny fidirana voalohany tamin'ny fitetezam-paritra britanika nataon'ny Rolling Stones. Tamin'io no voalohany nahafantaran'i  Tina Turner ny fahalalahana mamorona sy nanitarany ny ambaindain'ny feony, na dia mbola tao anatin'ny hetsik'i Ike hatrany aza izy. Izy ireo no nanokatra ny ampahany voalohany tamin'ny fitetezam-paritra tao Etazonia nataon'ny Rolling Stones sy ireo marobe kintan'ny mozika toa an'i David Bowie, Elvis Presley ary  Elton John, niseho tamin'ireo kaonseritra marobe nataon-dry Turner tao Las Vegas. Tamin'ny 1970, araka ny torohevitr'i Spector, nihataka tamin'ny R&B nahazatra azy ireo ny rakikira novokarin'i Ike sy Tina ary nampiditra ireo klasikan'ny Rock & Roll toy ny « Come Together »,« Get Back », sy « Honky Tonk Woman ». Tamin'ny 1971, ny famerenan-dry zareo ny  « Proud Mary » an'ny Creedence Clearwater Revival no lasa tena fahombiazana lehibe ho an-dry zareo. Ny dingana nodiavin'i Turner dia nitondra azy ihany koa ho any amin'ny tontolon'ny sarimihetsika, ka tamin'izany no nanaovany fampisehoana marobe nankalazain'ireo mpisava ravina.

Raha nitombo ny lazany teny anivon'ireo mpijery, dia loza kosa ny fiainany manokana. Sady nasiaka fiteny no nahery setra i Ike. Lasa tsy hay nozakaina intsony ny herisetra ka nanandrana namono tena izy tamin'ny 1968. 16 taona taorian'ny nivadian-dry zareo, nilaozany izy nony farany, ary nafoiny ny zavatra rehetra ankoatra ny zo amin'ilay anarany eny an-tsehatra.  Io hany sisa fananany io, izay nomena azy ho toy ny mari-panànana, no nitondra ny fahafahany tamin'ny farany.

Tany am-piandohan'ny fandehanany samirery, rehefa avy tafavoaka velona nandritra ny fotoana fohy noho ireo tapakilan-tsakafo sy ny hatsaram-panahin'ireo nàmany,  tamin'ny nandraisany anjara tamina fandaharan-kira tanaty fahitalavitra dia nahavita niantoka ny filàny i Turner. Na ohatra aza ny ampahany betsaka tamin'ny vola azony ka lany tamin'ny fanefàna ny fitsaràna noho ireo kaonseritra tsy notanterahany intsony tamin'ny naha-mpikambana azy tao anatin'ny Ike & Tina Revue, niasa mafy izy ary niverina niseho niaraka tamina fitafy vaovao manaitaitra. Nanomboka teto dia Turner iray, tsy hoe fotsiny mibaiko ny sehatra, fa koa mandray an-tànana ny fiainany ihany koa, araka ny filazany azy manokana.

Ilay rakikira fahadimy nataony nandeha irery Private Dancer[fr], nivoaka tamin'ny 1984 no nanamafy ny sary maha-mpanakanto  tsy lefy laza azy sy mbola manana zavatra betsaka azo atolotra. Ny fahombiazana nakotroka tamin'io rakikira io dia ny « What's Love Got to Do With It? » izay hirany voalohany voakilasy ho lohalaharana tao Etazonia. Avy eo izy nahafeno kianja filalaovana, ny iray tao Brezila izay heverina ho toy ny kaonseritra lehibe indrindra teo amin'ny tantara, nisy mpijery 180 000. Tamin'ny 1985, nandray anjara ihany koa izy tamin'ilay kaonseritra Live Aid[fr] tao amin'ny kianja Wembley tao Londona, izay nahafahana nanangona vola an-tapitrisa dôlara ho entina manampy ireo tratry ny kere tao Etiôpia.

Ilay mpirakitra ny sarimihetsika trinidadiàna, Jonathan Ali, dia nizara tsonga iray avy amin'ny andrana nataon'ilay barbadiàna namany iray, Jason Jeffers, izay nanipika ny lanjan'ny fahitàna an'i Turner ho an'ny ao Karaiba :

In 1985, on my little island, the heroes in almost every movie, book, cartoon and comic we obsessed over were white men. I remember one night tearfully asking my mother why my hair wasn’t straight. I’d been playing superheroes outside again and wanted my hair to blow in the wind like He-Man’s did when he battled his arch-nemesis Skeletor; my curls just stood there, inert….

Then came Tina Turner’s ‘We Don’t Need Another Hero (Thunderdome).

Tamin'ny 1985, eto amin'ity nosikeliko ity, saiky olona fotsy hoditra daholo ireo rehetra maherifo,  any anatin'ny sarimihetsika rehetra, ny boky, sarimiaina nankafizina. Tsaroako indray alina izay, tamin-dranomaso aho no nangataka tamin'ny reniko ny antony tsy maha-tso-bolo ahy. Matetika aho no milalao “superhéros” any ivelany ary satriko ny voloko mba hanidintsidina eny amin'ny rivotra toy ny an'i He-Man fony izy niady tamin'i Skeletor ilay fahavalony hatrany amin'ny tsinay maintiny ; nihantona teo ireo dokodokoko, tsy nihetsika..…

Avy eo, tonga avy any ilay hiran'i Tina Turner « We Don’t Need Another Hero (Thunderdome) ».

Nozarain'i Ali ihany koa ny fitantaran'ilay mpanatontosa,  George Miller, momba « Ilay filalaovana nampalaza an'i Turner » tamin'ny toeran'i Nenitoa Entity tao anatin'ilay sarimihetsika [fr] :

Mad Max is about an apocalyptic world, and we needed someone who was powerful, but most of all, who was a wonderful survivor […] and as a writing reference we kept on saying, ‘Someone like Tina Turner, someone like Tina Turner.’

Mad Max miresaka ny tontolo apôkaliptika iray, ary olona iray matanjaka no nilainay, fa ambonin'ny zavatra rehetra, olona iray sisampaty sy mahafinaritra […] ary toy ny ohatra amin'ny fanoratana, dia tsy nitsahatra izahay niteny hoe : « Olona toa an'i Tina Turner,  olona toa an'i  Tina Turner ».

Ny fanapahankeviny hitantara imasom-bahoaka ny zavatra niainany amin'ny naha-sisampatin'ny herisetra an-tokantrano azy, voatantara amin-kery ao anatin'ny sarimihetsika « What's Love Got To Do With It »[fr] niainga avy amin'ny tantaram-piainany tamin'ny 1986 nomena lohateny hoe « Tina Voalohany »[fr], no nahafahan'ny olona marobe namantatra ny tenany avy aminy, namàntsika araka izany ny anarany, tsy hoe fotsiny teny imolotr'izy ireny, fa koa tany am-pony-dry zareo. Tena marina loatra io ho an'i Karaiba[fr], izay miady[fr] manohitra ny taha avobe amin'ny herisetra an-tokantrano sy ny famonoana vehivavy. Ho an'ny marobe amin'ireo vehivavy ao Karaiba, Tina Turner no mariky ny fanoherana sy ny fanantenana, ny amin'izay mety hitranga raha toa ka tso-po, olona tia miasa sy manana fahasahiana, raha toa manana finoana. Amin'ny ankapobeny, ny  ampahany betsaka amin'io fahombiazana io dia natolony ho avy amin'ny bodisma izay, araka ny filazany, nanome azy ny hery nilainy hialàna tamin'i Ike.

Ny fiverenany nahagaga dia nanamafy ny anaram-boninahiny hoe Mpanjakavavin'ny Rock & Roll. Ny 1991, nasandratra ho ao amin'ny Panthèon natokana ho an'ny Rock&Roll i Turner (niaraka tamin'i Ike, izay tany ampigadràna tamin'izany fotoana izany noho ny fandraisana familiana niaraka tamin'ny cocaïne), fony izy nanomboka nilalao ny toerana vehivavy mpanao pôlitika. Tamin'io vanim-potoana io izy no nahita fitiavana teo anilan'i Erwin Bach, Alemàna iray mpamokatra kapila (izy novadiany tamin'ny 2013), ary niaina fotoana ela tany Soisa, toerana nahazoany zom-pirenena.

Tamin'ny 1994, nangonina ho anatina kapila antôlôjia iray nomena anarana hoe « The Collected Recordings » ireo fahombiazany. Tamin'ny 1999 izy no nanambara ny fihodinana farany hataony any amin'ireo kianja, izay nanjary ho ny fihodinana namokatra indrindra ho an'ny taona 2000. Na izany aza anefa dia notohizany nandritra ny fotoana fohy ny fiakarana an-tsehatra, indrindra fa nandritra ny fihodinana fankalazàna ny faha-50 taonan'i  Tina! (hatsikana an-kira an'ny Broadway). Ny 2018 no nivoaka ny tantaram-piainana faharoa nataony « Tina Turner : My Love Story ».

Tamin'ny 2021 no nitranga ny fampidirana azy tao amin'ny Panthéon natao ho an'ny Rock & Roll amin'ny maha-mpanakanto mandeha mitokana azy, fony izy teo amin'ny faha-81 taonany. Nalefa tamin'ny HBO tamin'io taona io ihany, ny sarimihetsika fanadihadiana « Tina », ary namidiny tamin'ny tranom-pamokarana BMG ny katalôgy mozikaliny, tsy naboraka ny vidiny.

Ireo mpampiasa media sôsialy ao Karaiba, toy ireo mpampiasa aterineto manerantany koa, dia nanome voninahitra ilay kintana erantany, tamin'ny fisaorana azy noho ny mozikany sy ny ohatra nasehony. Noarahabain-dry zareo ny « fijeriny miabo tsy azo hozongozonina », notehafany ny fahatsapana manokana ny fiangaly tsy manam-paharoany ary nantsoiny ho olo-malaza.

Ireo amboara azon'i Turner anefa tsy nahavita niaro azy tamin'ny ratram-po satria namono tena tamin'ny 2018 i Craig, zanany lahy,  tamin'ilay mpitsoka sax, Raymond Hill, ary efatra taona taty aoriana i Ronnie, zanany lahy tamin'i Ike, dia matin'ny homamiadan'ny “côlon”, saingy niezaka mandrakariva izy ny hifantoka tamin'ny hafaliana : ny mozikany, ny vadiny ary ireo zanany sisa tavela, Ike Jr. sy Michael, samy zanany tamin'i Ike vadiny voalohany, ary notezainy. Ireo zavatra kely misy dikany sy mahatonga ny fiainana hiavaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.