Araka ny vokatra voalohan'ny tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena natao tamin'ny 6 May 2024 tao Tchad, Mahamat Idriss Déby Itno no voafidy ho filoham-pirenena vaovao ao amin'ny fireneny mandritra ny fe-potoampiasàna dimy taona, eo am-piandrasana ny fanamafisana avy amin'ny filankevitry ny lalàm-panorenana. Io no manamarika ny fiafaràn'ny vanim-potoanan'ny tetezamita nanomboka tamin'ny Aprily 221, taorian'ny fodiamandrin'i Idriss Déby Itno, filoha teo anelanelan'ny 1990 sy 2021.
Ireo vokatra vonjimaika tamin'ny latsabato nambaran'ny Agence nationale de gestion des élections (ANGE), tamin'ny alin'ny 9 May 2024, dia manome an'i Mahamat Idriss Déby Itno ny 61,03 % amin'ireo vato manankery. Fandresena miezinezina dieny mbola fihodinana voalohany, nanoloana ireo mpifanandrina taminy nivantana, indrindra fa Succès Masra, praiminisitrany izay manaraka azy eo amin'ny laharana faharoa miaraka amin'ny isam-bato 18,53 %, sy Albert Pahimi Padacké izay nahazo 16,91 % tamin'ny vato.
Zanakalahin'i Idriss Déby Itno, Mahamat Idriss Déby Into dia jeneralin'ny tafika nanomboka ny Desambra 2021. Nahavita dingana tao amin'ny tafika tao Tchad izy izay nanomana azy handimby ny rainy.
Raha mihoatra ny 8 tapitrisa ireo mpifidy no nantsoina hifidy, amin'ireo vahoaka tombanana ho mihoatra ny 18 tapitrisa, nihoatra ny enina tapitrisa ireo nanefa ny adidiny amin'ny maha-olompirenena azy. Araka izany dia nihoatra ny 75% ny taham-pandraisana anjara.
Taorian'ireo vokatra vonjimaika navoakan'ny ANGE, nandritra ny kabary iray tao amin'ny fahitalavitra, dia nanao fanambaràna iray i Mahamat Idriss Deby Itno, izay naverin'ny BBC Afrique noraisina tao anaty lahatsoratra iray :
Izaho izany izao no filoham-pirenena voafidin'ny Tsadiàna rehetra, ireo izay nifidy ahy, fa koa filohan'ireo izay nanana safidy hafa.
Kanefa, taloha lavitry ny nanambaràna ireo voka-pifidianana, i Succès Masra, filohan'ny antoko Transformateurs ary mpifanandrina voalohany amin'i Mahamat Idriss Deby Itno, dia nanamafy fa nandresy tamin'ireo fifidianana, tao anaty lahatsary nivantana naharitra 11 min nalefany tamin'ny pejiny Facebook :
Tao anatin'ilay lahatsary nivantana, nolazain'i Masra :
Vita ny zava-drehetra, miezinezina ny fandresen'ny vahoaka ary tsy misy pentina. (…) Misy olona vitsivitsy mihevitra fa afaka mampino hoe ny rafitra teo ihany izay efa nitondra an'i Tchad efa am-polon-taona maro no nandresy tamin'ny fifidianana, miaraka amin'ny vokatra efa fantatry ny rehetra. Kanefa, izahay nampanantena ny rehetra, ary izany mihitsy no ho atao, Tchad tsy misy valifaty, Tchad mihavana izay ananan'ny tsirairay ny toerany.
Vakio : Tchad: namoy ny ainy ny mpanohitra voalohany ny hery ara-miaramila, Yaya Dillo Djérou
Fanehoankevitra
Ny ampitson'ny nanambaràna ireo vokatra, nilaza ny heviny momba ilay fifidianana ireo mpisehatra pôlitika akaiky an'ireo kandidà ho filoham-pirenena. Teo amin'ny fandraisampeon'ny Radio France Internationale (RFI), sady nahafaly no nandiso fanantenana ireo fanambaràna. Mahamat Assileck Alata, minisitra misahana ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny tanandehibe ao Tchad, niteny hoe :
Ny filohantsika [Mahamat Idriss Deby Itno] dia an'ny Tsadiàna rehetra. Nizotra araka ny fenitra ny zavatra rehetra tamin'io fifidianana io sy ny fanangonana vata, andro efatra taorian'ny latsabato.
Nionona i Clément Sianka, talen'ny kabinetra no sady mpitondra tenin'i Albert Pahimi Padacké (mpirotsaka nahazo ny laharana faha-3, nahazo ny 16% tamin'ny vato) ary niarahaba an'i Mahamat Idriss Déby Itno tamin'ny fandresena azony. Nolazainy tamin'ny RFI fa :
Ekena fa mety nisy fitarainana vitsivitsy, fa izany tsy mampiova firy ny fandreseana azon'i Mahamat Idriss Déby. Manomboka izao, tsy fotoana intsony hanaovana adiady kely pôlitika.
Fahadisoam-panantenana tanteraka ny any amin'ny ankolafy Les Transformateurs. Mbola teo amin'ny fandraisampeon'ny RFI hatrany, Sitack Yombatina Beni, filoha lefitry ny antoko “Les Transformateurs” misahana ny resaka fitantanana, fanavaozana, fampianaraa, dia miteny fisiana habobo, fandrobàna ary milaza fa lasa ‘devoly’ ny ANGE. Tombanan'i Sitack Yombatina Beni fa :
Ny sasantsasany tamin'ireo antontan-taratasy avy any amin'ny biraom-pifidianana dia tonga ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy, na ny andron'ny Alakamisy mihitsy. Araka izany dia tsy ho vita ny hahazo ireo vokatra ao anaty ora vitsy.
Lavidavitra kokoa, mamintina izy hoe:
Hatramin'ny 1996,
niketrika hatrany fifidianana misy hosoka, tsy marinany Mouvement patriotique du salut (MPS), antoko eo amin'ny fitondràna.
Manoloana ny fanehoankevitr'ireo mpomba an'i Succès Masra, manampy i Mahamat Assileck Alata hoe:
Sahaza tsara ny zavatra noeritreretin-dry zareo hatao ny hadisoam-panantenan-dry zareo Transformateurs. Fa manana fotoana ry zareo hanaovany ny fanarahamasony, ny fanoherany eny anatrehan'ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana, dia ho hita eo izay tena filoha voafidy marina tokoa.
Vakio: Tchad: namoy ny ainy ny mpanohitra voalohany ny hery ara-miaramila, Yaya Dillo Djérou
Miravoravo ny ankolafy Déby
Tanatin'ny tazom-pandresena miezinezina azo tamin'ny fihodinana voalohany, naneho ny hafaliany ireo mpomba ny filoha vaovao voafidy. Teny an'arabe tao an-drenivohitra, ireo mpanao gazetin'ny Agence France Presse (AFP) voatanisa ao anatin'ny lahatsoratry ny France24 dia mijoro ho vavolombelon'ny fisiana tifitra :
Fotoana fohy taorian'ilay fanambaràna, nanao tifi-danitra tamin'ny basiny mamahan-tena ireo miaramila tao N'Djamena, noho ny hafaliana ary toy ny mandresy lahatra ny olona tsy hifamorivory. Nisy mponina vitsivitsy nihazakazaka hiafina any an-tranony ary vetivety dia tsy nisy olona ireo làlana.
Mbola ireo mpanao gazetin'ny AFP hatrany no voatanisa, loharano toy ny teo ihany, France24, milaza fa :
Ny mifanohitra amin'izany no nitranga tao afovoan-tanàna, teo akaikin'ny lapan'ny filohampirenena, marobe ireo mpomba an'i Déby nakalaza ny fandreseny tamin'ny kiakiaka sy ny hira ary ny feon'anjomaran'ny fiaran-dry zareo, nirakotra ny sainam-pirenen'i Tchad ny sasany. Nisy ihany koa olona nanao tifi-danitra tamin'ny alalan'ny basy mamahan-tena. Raha kely indrindra dia tanora roa no naratran'ny bala nitamberina.
Sary fanaingoana io fanehoam-pifaliana io ao anatin'ity lahatsary an'ny Africanews ity :
Mitaky fanafoanana ny fifidianana i Masra
Ny praiminisitra Masra, mpanohitra mafy an'i Déby, dia mihevitra ny handeha lavitra tsy hionona amin'ny fitakiana ny fandreseny fotsiny. Raha ny marina, nitondra ilay raharaha any amin'ny Filankevitry ny Lalàm-panorenana ilay mpanohitra, araka ny nambarany ao amin'ny pejiny Facebook:
Nampian'ireo mpisolovava anay, niantso ny Filankevitry ny Lalàm-panorenana izahay androany, ho an'ny fahamarinan'ny fifidianana. Isaorana ianareo rehetra olompirenena izay nandray anjara tamin'ny fandraketana ny marina momba ny latsabato.(…)
Nozarainy ao amin'ny pejiny ihany koa ny tapakilan'ny fametrahany ilay fangatahany :
Mazava fa takian'i Masra eny anatrehan'ny filankevitry ny lalàm-panorenana ny fanafoanana ny fifidianana. Nanamafy io fanambaràna io i Sitack Yombatina Beni, filoha lefitry ny antokony. Teo amin'ny fandraisampeon'ny France24, nomarihan'ity farany fa:
Ny fangatahanay dia ny fanafoanana tsotra sy madiorano io sarintsarim-pifidianana io. Ao anatin'ny “clé USB” nampanarahana an'ilay fangatahana napetraka any amin'ny Filankevitry ny Lalàm-panorenana daholo ny porofo. Hita ao anatiny ao ny lahatsary misy famenoana vatam-pifidianana, ireo halatra sy fandrahonana, fa indrindra indrindra ireo vatam-pifidianana nendahan'ireo miaramila hoentiny ho isaina any an-toeran-kafa.
Hatramin'ny 21 May no fetra ananan'ny Filankevitry ny Lalàm-panorenana mba hanamafisany ireo vokatra navoakan'ny ANGE. Raha toa voatàna amin'ny laharany i Mahamat Idriss Déby Itno, dia izy no ho filoha faha-5 voafidy tao amin'ny Repoblikan'i Tchad, mamàrana araka izany ny fepotoana lavabe nisian'ny tetezamita pôlitika tao amin'ny firenena iray izay voasaratsaraka ara-pôlitika.