Luboš Motl avy ao amin'ny The Reference Frame manoratra momba ny toedraharaha ara-toekarena ankehitriny ao Gresy sy ny fiantraikany amin'ireo firenena hafa : « Sady vokatry ny nataon'olombelona no tsy azo hamarinina amin'ny alàlan'ny angondrakitra ny fikorontanan-tsaina faobe. Ho fombafomba fotsiny ny hadisoan'i Gresy satria raha ny tena izy, dia efa ela be izany no nisy. » Fa izao koa, marihan'ilay bilaogera ny fanehoankevitra « feno hatezerana » nataon'i Gresy tamin'ilay sarivongan'i Alexandre Lehibe, najoro tsy ela akory izay, ao Skopje, any Makedonia.