Mifampizara ny fanantenany mialoha ny fifidianana afrikana tatsimo ny tanora mpifidy

Biraom-pandrotsaham-baton'ny Vaomieram-Pifidianana Mahaleotena (IEC). Sary avy amin'i ao amin'ny Flickr (CC BY-SA 4.0 DEED).

Rehefa niaina demôkrasia nandritra ny telopolo taona teo ambany fitondran'ny Antoko Kaongresy Nasionaly Afrikana, miomana hiroso amin'ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ny Afrikana Tatsimo. Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny vaovaon'ny eNCA, nizara ny fanantenany amin'ny fandrotsaham-bato hoavy sy ny hetahetany ho an'ny fireneny ireo tanora manana ny maha izy azy ao amin'ny media sosialy.

Araka ny Reuters, kandidà 14.889, natolotry ny antoko politika miisa 70, no hifaninana hahazo toerana seza 887 amin'ny fifidianana hoavy. Sambany ny mpifidy no hahazo vato telo fa tsy roa amin’ny androm-pifidianana. Ny biletà voalohany hifidianana ireo mpikambana 200 ao amin’ny antenimieram-pirenena izay ny antoko politika ihany no hifaninana. Ny biletà faharoa kosa hifidianana ireo mpikambana 200 ambiny ao amin’ny antenimierampirenena, ka samy hifaninana ao amin’ny faritany sivy ny antoko politika sy ireo kandidà tsimiankina. Ny bileta fahatelo kosa hifidianana ireo mpikamban'ny antenimieram-paritany, ka samy hifaninana ihany koa ny antoko politika sy ny kandidà tsimiankina.

Nilaza tamin'ny Africanews i Musa Mdunge, mpandinika ara-politika hoe, “Azo inoana fa tsy hanome fanohanana goavana ho an'ny ANC tahaka ny nataony tamin'ny fifidianana teo aloha nanomboka tamin'ny taona 1994 ny Afrikana Tatsimo .”

Misedra fanamby maro ny firenena, anisan'izany ny elanelana ara-toekarena, ny tsy fisian'ny asa, ny fahantrana, ary ny tsy fahampian'ny serivisy, izay vao mainka nampitombo ny hantsana ara-tsosialy sy toekarena ao amin'ny firenena. Mitsinjo fiakarana kely ara-toekarena ho an'i Afrika Atsimo ny Banky Iraisampirenena, fitomboana andrasana hahatratra 3,8 isanjato ary hihamatanjaka ho 4,1 isan-jato amin'ny taona 2025.

Araka ny voalazan'ny Vaomieram-pifidianana mahaleotena (IEC), ankevitry ny 27,79 tapitrisa ny mpifidy voasoratra anarana, ka vehivavy ny 15 tapitrisa mahery, misolotena ny 55 isanjaton'ny mpifidy. Misongadina ny hamaroan'ny tanora, 18-39 taona, mandrafitra ny 42 isanjaton'ny (11,7 tapitrisa) mpifidy voasoratra anarana, manoritra ny maha-zava-dehibe ny vaton-dry zareo ho an'ny antoko politika amin'ny fifidianana hoavy amin'ny 29 may.

Ho valin'ny antony hifidianan-dry zareo amin'ny fifidianana hoavy, nilaza i Nonhlanhla Siwela, mpianatra ho mpitsabo, hoe: “Heveriko fa amin'ny maha-tanora anay, manana andraikitra izahay hanao dingana mavitrika amin'ny hoavinay ary midika izany fa ho ampiasaina ny zonay hifidy. Ary raha eritreretinao ara-tantara izany, maty ara-bakiteny ho anay ny olona mba hahazoanay izany zo izany. Ka ny fiheverana ny fandrotsaham-bato (tsy isahiranana) ho alaina fotsiny dia milaza ny ny hoavinao (tsy isahiranana) ho alaina fotsiny.”

Nanampy i Ewan Dawkins, talen'ny politika ao amin'ny SoWeVote hoe: “Heveriko fa fotoana izao hanombohan'ny tanora handray anjara mavitrika amin'ny politika.”

Na dia te hampiasa ny vatony aza ireo tanora mpifidy ireo, dia nametraka ahiahy maromaro izay mety hanakana ireo tanora hafa tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy.

Anisan’ny ahiahy ny tsy fisian’ny solontenan’ny tanora amin’ny politika afrikanina tatsimo.

“Tena sarotra ho anay ny hiditra satria tsy hita taratra izahay. Saika 40 taona no ho miakatra ny ankamaroan'ireo olona (misolotena) anay. Sarotra ihany koa ny mahita tanora miteny amin'ny tanora manana hery hanova,” hoy i Qhawekazi Mazaleni, mpitsabo an-kabary, nanazava.

Nanampy i Sera Farista, mpikatroka, hoe: “Izahay no mpifidy betsaka indrindra (nefa) tsy voasolotena amin'ireo fandrotsaham-bato ireo.”

Nanamafy ny sasany fa voafehy ny toerana politika, mitsipaka ny fidiran'ny tanora, ary tokony hisy noho izany ny fetran-taona farafahabeny 55 (taona) amin'ny fitarihana ara-politika. Tsy nihevitra ny taona ho tena zava-dehibe kosa ny hafa.

Ankoatra ny resaka fisoloan-tena, saika nilaza avokoa ireo nanontaniana fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo filamatry ny antoko misy akony amin-dry zareo.

“Ity no fifidianana hisy fiantraikany indrindra ho antsika hatramin'ny taona 1994. Raha notodihana ny 30 taona lasa izay, ny zokiolona sy ny ray aman-drenintsika dia samy nanana fanantenana napetraka tao aminy fa hanova ny lalan’i Afrika Atsimo ny latsa-bato, hamindra izany avy amin'ny fanjakana apartheid ho any amin'ny demôkrasia . Tsy afaka manonona mpitarika iray aho ankehitriny (afa-)mametraka izany fanantenana izany. Na dia maro aza ireo antoko manana “manifesto” (filamatra) tena tsara dia tsy hita taratra amin’ny zava-misy ireo “manifesto” ireo ”, hoy i Farista.

Nanaiky i Nonhlanhla Siwela hoe: “Heveriko fa maro amin'ireo mpitarika, amin'ny ankapobeny, no tsy manana ny maha-olombelona ao an-tsaina, ka izany no mahatonga antsika mahita tsy rariny maro dia maro. Mila mpitarika izay mamerina izany maha-olombelona izany izahay ary tena ho an'ny vahoaka. “

Ho setrin'izay hokatsahin'izy ireo amin'ny fitodiahana amin'ny antoko politika dia nilaza i Siwela hoe: “Ampitadiavana olona miasa eny an-kianja aho. Olona nikatroka hanohanana izay ao amin'ny filamatrao. Mitady aho iza no antoko nampiseho taminay; tadiaviko manokana, ohatra, ny fandrosoana ara-toekarena.”

Nilaza i Farista fa hitady “fomba mampifandray vondron'olona kokoa” amin'ny famahana ny tsy rariny ara-tsosialy izy: “Tsy tokony hijery zavatra mitokana, toy ny fiakaran'ny tahan'ny heloka bevava, herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy vavy, ny tsy rariny ara-toetrandro, ny tsy rariny ara-tsosialy sy ny fanilikiliham-behivavy, fa mitady antoko politika ahitana filamatra sosialista ao amin'ny manifesto-ny ary afa-mahasahana ireo zavatra rehetra ireo amin'ny fomba mampifandray.”

Nilaza i Ewan Dawkins fa handinika ny filamatry ny antoko isan-karazany izy: “Hitady ny tsy fijoroana tsara amin'ireo filamatra ireo aho satria izany no mampiseho fa tsy mikasa ny ho eo amin'ny fitondrana ireo antoko ireo. Ohatra, rehefa mijery ny filamatra uMkhonto weSizwe isika, dia milaza izy ireo fa hanome fampianarana maimaimpoana amin'ny alàlan'ny fahafahan'ny olon-drehetra miditra amin'ny National Student Financial Aid Scheme (NSFAS). Fampindramam-bola ny NSFAS, tsy fampianarana maimaim-poana. Rehefa mahita fifanoherana be dia be amin'ny filamatry ny antoko sasany aho dia milaza tena fa tsy matotra ireo olona ireo.”

Nandritra ny tafa nifanaovana tamin'ny vaovao eNCA ireo tanora mpifidy ireo no naneho ny faniriany hanatsara ny fitarihana ho an'ny fireneny, mpitarika manao ho vaindohan-draharaha ny tamberin'andraikitra sy mamaha ireo olana maika toy ny kolikoly amin'ny fampiharana fanarahamaso sy fifandanjana mahomby amin'ny politikany.

Raha mijery ny ambadiky ny fifidianana amin’ny 29 mey, manantena ny tanora fa hitarika fiovana tsara any Afrika Atsimo ireo mpitondra voafidy. Tafiditra ao anatin'izany ny fanatsarana ny rafi-pitsaboana, ny famoronana asa bebe kokoa, ny fiantohana tontolo iainana azo antoka sy madio, ary ny fametrahana rafitra fanabeazana ampy sy mahomby.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.