Nosoratan'i Hilary Leung ity tatitra ity ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 8 Mey 2024. Navoaka eto ambany ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanaraham-piarahamiasa ara-botoaty amin'ny HKFP.
Niandany tamin'ny governemanta ny fitsarana ambony any Hong Kong tamin'ny fikasany handràra ilay hiram-panoherana “Voninahitra ho an'i Hong Kong”, ka nanafoana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambany kokoa tamin'ny herintaona izay nilaza ny fisian'ny olana momba ny fahalalaham-pitenenana.
Mpitsara telo ao amin'ny Fitsarana Ambony no namoaka ny didim-pitsarana tamin'ny 8 Mey, nanoratra fa “ilaina” ny didy notadiavin'ny manampahefana mba handresen-dahatra ireo sehatra anjotra hanaisotra ireo “lahatsary miteraka olana”.
Nahazo laza nandritra ny hetsi-panoherana sy fitroarana tamin'ny taona 2019, nafangaro tamin'ny hiram-pirenen'i Shina, “Diaben'ny Mpilatsaka An-tsitrapo”, tamin'ny hetsika ara-panatanjahantena iraisampirenena ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” — fifangaroana izay nahatonga ny polisy hanao fanadihadiana. Nampifandraisin'ny manampahefana tamin'ny “herisetra sy ny fanakorontanana” sy ny fanandratana an-teny ny fahaleovantenan'i Hong Kong ilay hira, na dia tsy iray amin'ireo fitakiana ofisialy tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana any Shina aza izany.
Nangataka tamin'ny Google ny governemantan'i Hong Kong mba hanaisotra ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ao anaty voka-pikarohana ary hametraka ny fampahalalana marina momba ny hirampirenen'i Hong Kong eo amin'ny farany ambonin'ny pejin'ny voka-pikarohana, saingy tsy nisy vokany.
Nilaza tamin'ny fanapahan-keviny ireo mpitsara fa nanambara ny sehatra aterineto fa “vonona ny hanaiky ny fangatahan'ny governemanta” izy ireo raha misy ny baiko avy amin'ny fitsarana. Hoy ny didim-pitsarana hoe:
It is impracticable to bring proceedings against each of the wrongdoers… A much more effective way to safeguard national security in such circumstances is to ask the [online platforms] to stop facilitating the acts being carried out on their platforms.
Tsy azo atao ny mitory ny tsirairay amin'ireo diso… Ny fomba mahomby kokoa hiarovana ny fiarovam-pirenena amin'ny toe-javatra toy izany dia ny mangataka amin'ireo [sehatra an-tserasera] hampitsahatra ny fanamorana ny hetsika tontosaina ao amin'ny sehatra misy azy ireo.
Nandritra izany fotoana izany, nilaza tamin'ny HKFP ny Google fa tsy manana fanehoan-kevitra eo no ho eo izy fa “mandinika ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.”
Nanatona ny Meta sy Microsoft ihany koa ny HKFP raha hanaisotra votoaty misy ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ireo sehatra ireo, na hanakana azy ireo tsy azo trohina intsony.
Nilaza ny mpitondratenin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shina rehefa namoaka ny fanapahan-kevitra ny fitsarana ambony fa:
Stopping anyone from employing or disseminating the relevant song… is a legitimate and necessary measure by [Hong Kong] to fulfil its responsibility of safeguarding national security.
Fepetra ara-drariny sy ilain'i [Hong Kong] hanatontosana ny andraikiny amin'ny fiarovana ny filaminam-pirenena ny fanakanana ny rehetra tsy hampiasa na hanaparitaka ilay hira mifandraika amin'izany.
Nilaza ny Asia Internet Coalition, vondrona mampiditra ny Google sy Spotify ho anisan'ireo mpikambana ao aminy, fa nanombana ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitra sy ny fomba hampiharana ny didy izy. Nilaza tamin'ny HKFP ny vondrona hoe:
We believe that a free and open internet is fundamental to the city’s ambitions to become an international technology and innovation hub.
Mino izahay fa zava-dehibe amin'ny fanirian'ny tanàna ho lasa foibe iraisam-pirenena momba ny teknolojia sy fanavaozana ny aterineto malalaka sy misokatra.
‘Ho fiarovana ny filaminam-pirenena’
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ambony efa ho herintaona taorian'ny nanambaran'ny governemanta fa mila didy hanameloka amin'ny fomba mahomby ny hetsika fampisehoana misy fikasana tsy ara-dalàna izy.
Nilaza ny manam-pahefana fa “naseho tamim-pahadisoana … imbetsaka” ho hira fanevan'ny tanàna ilay hira mifandraika amin'ny hetsi-panoherana sy fitroarana tamin'ny taona 2019. Notondroin-dry zareo amin'izany ireo andiana fisomparana tamin'ireo hetsika ara-panatanjahantena iraisampirenena, izay nandefasana ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” fa tsy ny hirampirenen'i Shina, “Diaben'ny Mpilatsaka An-tsitrapo».
Tamin'ny volana Jolay lasa teo, nolavin'ny Fitsarana Avo ny tolo-kevitry ny governemanta, ary nilaza fa mety hisy “fiantraikany ratsy” amin'ny fahalalaham-pitenenana izany. Na izany aza, nomena fahafahana hanohitra ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ny manam-pahefana.
Nandritra ny fitsarana ambony, nilaza momba ny tafatafa nomen'ny mpamoron-kira , izay niantsoany ilay hira ho “fitaovam-piadiana” nandraisany anjara tamin'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2019 ny mpisolovava misolo tena ny governemanta.
“Heverin'ilay mpamorona tenany mihitsy ho fitaovam-piadiana ilay hira,” hoy i Benjamin Yu, mpanolotsaina zokiolona tamin'ny volana Desambra.
Na dia teo aza ny fampiharana ny lalàna momba ny filaminam-pirenena (NSL), izay nampasiatsiaka ny fiarahamonim-pirenena ao Hong Kong, dia nielipatrana ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ary nitohy “niteraka fihetseham-po.” Nodisoina ho toy ny hirampirenen'i Hong Kong mihoatra ny in-800 izany, hoy i Yu tamin'ny fanombanana nataon'ny polisy.
Nipoaka ny hetsi-panoherana tamin'ny volana Jona 2019 noho ny volavolan-dalàna fampodiana an-tanindrazana efa voakosoka, izay mety hamela an'i Shina handefa olom-pirenena avy any Hong Kong tsy mila dingana ara-pitsarana. Niitatra ho fanehoana herisetra indraindray amin'ny fihetsiky ny polisy izy ireo, tao anatin'ny fitakiana ny demôkrasia sy ny fahatezerana noho ny fitsabahan'i Beijing. Nitaky fanadihadiana mahaleotena momba ny fitondran-tenan’ny polisy, sy famotsoran-keloka ho an’ireo nosamborina ary fampitsaharana ny famaritana ny fihetsiketsehana ho “rotaka” ireo mpanao fihetsiketsehana.
Tamin'ny fanapahan-kevitra tamin'ny Alarobia ity, nanoratra ireo mpitsara fa “tsy ampy amin'ny famahàna ireo olana goavana heloka bevava ireo fanenjehana fotsiny ary misy ny filàna lalina fandidiana, ho fanoheram-pepetra, mba hanampiana ny lalàna famaizana hiaro ny filaminam-pirenena.”
Nanampy ireo mpitsara fa nanome fanavahana momba ny “hetsika ara-dalàna” mifandraika amin'ilay hira, toy ny hetsika akademika na fampahalalam-baovao i Yu. Nanaiky ireo zava maningana ireo izy ireo, hoy ny nosoratan’ireo mpitsara.
Fahadisoana momba ny hira faneva
Noforonin'ireo mpanao hetsi-panoherana sy miaraka amin'ny tononkira niara-nosoratan'ireo mpiserasera ao amin'ny forum an-tserasera LIHKG, navoaka tao amin'ny YouTube ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” tamin'ny volana Aogositra 2019. Ahitana ny teny filamatra hoe “afaho i Hong Kong, revolisiona amin'izao androntsika izao”, hira fiverenana mahazatra hirain'ny mpanao fihetsiketsehana mandritra ny fikomiana ny hira.
Nanomboka teo dia noheverina ho afaka mandrisika fisarahana ny teny filamatra, araka ny filazan'ireo mpitsara izay nitarika ny fitsarana voalohany momba ny fiarovam-pirenena tao an-tanàna tamin'ny taona 2021. Fandikan-dalàna eo ambanin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena napetrak'i Beijing, izay mety hampigadra mandra-pahafatiny izay meloka ny fisarahana.
Nanomboka tamin'ny faramparan'ny taona 2022 ka hatramin'ny fiandohan'ny taona 2023, rehefa naverina amin'ny laoniny ny hetsika ara-panatanjahantena iraisampirenena taorian'ny famahàna kely ny fameperana nandritra ny valan'aretina manerantany, nahitàn'ny tao an-tanàna olana dimy farafahakeliny ny nanafangaroana ny hiram-pirenen'i Shina ho ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong”. Nahatonga ny polisy eo an-toerana nanao fanadihadiana ireo fahadisoana ireo.
Ny tranga voalohany fantatra dia ny fifanjevoana nandritra ny Rugby Sevens tany Korea Atsimo tamin'ny volana Novambra 2022, rehefa ny hiran'ny fihetsiketsehana no nohiraina fa tsy ny hira Diaben'ny Mpilatsaka an-tsitrapo ao Shina. Voalaza fa nitroka ilay hira malaza indrindra voalaza ny mpikarakara raha nikaroka anjotra ny hiran'ny tanàna.
Nangataka tamin'ny Google avy eo ny manampahefana ao Hong Kong mba hanaisotra ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong” ao anaty valim-pikarohana ary hametraka ny fampahalalana marina eo amin'ny farany ambonin'ny pejy, miaraka amin'ny filazan'i John Lee, Lehiben'ny mpanatanteraka, fa manana “adidy ara-moraly” hanaja izany ny milim-pikarohana.
Tamin'ny volana jolay lasa teo, rehefa nanomboka ny tolo-dalàna ny governemanta, dia nilaza Sun Dong Sekreteran'ny tanàna misahana ny Fanavaozana, ny Teknolojia ary ny indostria fa tsy nanaiky ny fangatahana ny Google. Nilaza ny Google fa mila porofo hanamarinana fa mandika ny lalàna eo an-toerana ilay hira, hoy i Dong.
Namoaka pejin-tranonkala ofisialy nanazava ny olana ny governemanta tamin'ny farany, izay niakatra tamin'ny laharan'ny milim-pikarohana.