
Sary nandalo Canva Pro. Nampindramin'i Sydney Allen
Ao anaty ezaka hankatoavana ireo mpanoratra sy mpandika lahatsoratra sy mba hisian'ny mangarahara kokoa momba ny mpamaky anay isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community izahay, izay izaranay isam-bolana ny torohay vaovao momba ireo tantara malaza indrindra aty aminay. Hasongadinay ihany koa ireo lahatsoratra Lingua be mpamaky indrindra ho an'ny fiteny samihafa mba hanehoana ny fahamaroan'ny fiteny manerana ny vondrom-piarahamonina GV. Ny tantara amin'ity volana ity dia avy amin'ny tranokalanay teny anglisy, japoney, espaniola ary paotiogey.
Nahazo mpamaky maherin'ny 286.820 ny tranokalanay teny anglisy tamin'ny volana marsa lasa teo. Ny antontanisa rehetra eto dia nalaina avy amin'ny Google Analytics ary tsy voatery maneho ny totalin'ny jeripejy noho ny adblockers sy ny toe-javatra na kirakira manokana hafa.
Anglisy

Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alalana.
Mamony anelanelan'ny faha-25 sy faha-80 taonany ny rofia Talipot (Palm) (Corypha umbraculifera) ary maty aoriana kelin'izay. Hita ao amin'ny zaridaina bôtanika Mpanjaka(na) ao Port of Spain, Trinidad ity rofia mamony indray mandeha eo amin'ny fiainany ity. Ity hazo ity no manana tangorom-bony lehibe indrindra amin'ny rofia na zavamaniry ary fantatra amin'ny voninkazony mavo manjelanjelatra. (jeripejy 24.595)
Bangladeshita
যুক্তরাষ্ট্রের নতুন বিকল্প প্রস্তাবে চীনের বন্ধনী ও সড়ক উদ্যোগ কৌশল পুনর্বিবেচনা বাংলাদেশের (Maka saina tsara amin'ny santatr'andraikitr'i Shina lalana sy milina indray i Bangladesh amin'ny tolotr'i Etazonia vaovao mahasolo)
Resahan'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2023 ity ny fiovan'i Bangladesh tetipanorona manoloana tetikasan'i Shina Belt and Road Initiative (BRI na Santatr'andraikitra lalana sy milina) — tetikasan'i Shina amin'ny fotodrafitrasa goavana ifandraisan'ny faritra samihafa. Nanafoana fifanarahana maro i Bangladesh mifandraika amin'ny tetikasam-pampandrosoana BRI noho ny fanahiana fa voafandriky ny trosa ny firenena maro hafa tamin'ny fanatanterahana ilay tetikasa. Firenena maro no (nampiato) tetikasa fotodrafitrasa izay noderaina teo aloha satria nivalana ireo fampiasam-bola tsy tambo isaina na ho an'ny firenena mpampiantrano na ho an'i Shina, satria tsy afaka nandoa vola ilay firenena mpiara-miombon'antoka, ary voatery namela trosa miavosa tsy tafaverina i Shina. (jeripejy+10.177)
Anglisy
Ankizivavy etiôpiàna manova ny fombandrazana amin'ny alàlan'ny filalaovana skateboard [mg]
Ampidirin'ity lahatsoratra ity ny fitomboan'ny vondrom-piarahamonin'ny tovovavy sy vehivavy miezaka manosi-bohontanana amin'ny alalan'ny skateboard ny fenitra fanjakazakan-dehilahy. Isaky ny faran'ny herinandro ry tovovavy mianatra manatsara ny teknika tsy hianjeràna ka hatramin'ny fanatsaràna ny fitontonana, ka manao izany anoherana ireo hevi-draikitra, ny fandemena ary ny fanavakavahana ny vehivavy ao Etiôpia. (jeripejy+2.125)
Anglisy
Tantara hafahafa nampiseho Sheikh iray avy any Dubai, tsy fantatra mazava, sy vola 500 tapitrisa dolara, ary kintan'ny hira pop miteny Tagalo. Nilaza ny Sheikh Ali Rashed Ali Saeed Al Maktoum fa hampiasa vola 500 tapitrisa dolara amin'ny haren'ny fianakaviany any Hong Kong, ka nitarika ny tompon’ andraikitra ao an-tanàna namelatra ny tanany handray azy ary manasa azy hanatrika fihaonambe sy hetsika fampiasam-bola malaza maro. Na izany aza, tamin'ny tsy fanaovana fanadihadiana araka ny tokony ho izy dia tsy hitan'ny fanjakana fa lavitry ny seza fiandrianana araka ny nambarany ny Sheikh, mety tsy hahazo izany vola 500 tapitrisa dolara nampanantenainy izany, ary nanafina ny mari-panondroana azy ambadiky ny anarana popstar malaza iray ao Filipina. (jeripejy+1.750)
Paortiogey
Um ritual de proteção para “fechar o corpo” liga tradições religiosas diferentes no Brasil (Fombafombam-piarovana ‘Hanakatonana ny vatana’ mampifandray fombam-pivavahana isankarazany ao Brezila)
Ao amin'ity piesy nivoaka tamin'ny taona 2016 ity no iresahan'i Adam Lee ny fomba ampifandraisan'ny fombafomba Afrô-Karibeana ny olona samy manana ny fivavahany sy ny sarangany (fiaviana) ao Brezila. Ny fombam-pivavahana “fanakatonana ny vatana” dia heverina ho mandroaka ny ratsy ary ampiharin'ny fivavahana Afro-Breziliana antsoina hoe Candomblé sy Umbanda, sy ireo antokom-pivavahana katolika sasantsasany. (jeripejy+1.577)
Paortiogey
Angola: O Alambamento e os Rituais do Casamento (Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady [mg])
Misy fombandrazana iray somary henjana manodidina ny fangataham-bady ao Angola, antsoina hoe “alambamento“. Heverina mihitsy ho manan-danja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola ao anatiny. Nivoaka voalohany tamin'ny taona 2010 ity resaka fombafombam-pampakarambady ity ary mahazo jery an'arivony matetika, manondro ny fahatezan'ny fahalianana amin'ny fombafombam-panambadiana Angoley. (jeripejy+1.459)
Anglisy
The true cost of Japan’s Linear bullet train
Hadihadìn'ity lahatsoratra ity ny fiaran-dalamby bala fandeha vaovao Japoney Chūō Shinkansen mitentina 9 trillion JPY (60,7 miliara dolara US). Ho fanampin'ny vola mampihoron-koditra dia misy sandany ara-tontolo iainana ihany koa ity fiaran-dalamby ity satria niteraka fanakorontanana ara-tontolo iainana lehibe teo amin'ny fiaraha-monina manodidina ary niteraka fihetsiketseham-panoherana sy tsi-fifankahazoan-kevitra teo amin'ny vahoaka ihany koa. Afaka manatratra 500 kilometatra isan'ora ilay lamasinina bala fandeha ary kasaina hampifandray an'i Tokyo mankany Nagoya ao anatin'ny 40 minitra amin'ny taona 2027 ary mankany Osaka ao anatin'ny 67 minitra monja amin'ny taona 2045. (jeripejy+1.032)
Espaniôla
Escándalo de plagio que implica al ministro de Ciencia y Educación sigue agitando Croacia (Hàlatàhaka Manàla Baràka Mahavoarohirohy Ny Minisitry Ny Siansa Sy Ny Fanabeazana, Miteraka Savorovoro Ao Kroasia [mg])
Tamin'ny volana janoary ny komity notendren'ny Parlemanta ho an'ny Etika amin'ny Siansa sy ny Fampianarana Ambony ao Kroasia (CESHE) nanao fehinteny fa nàka tàhaka asam-pahaizana iray hafa ny Minisitry ny Siansa sy ny Fanabeazana amin'izao fotoana izao, Pavo Barišić, nefa tsy nilaza ny loharanony tao anatin'ny antontan-taratasy oniversitera (akademika) tamin'ny taona 2011. (jeripejy+880)